Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitomboana Mahafinaritra any Amin’ny Nosy Kanto

Fitomboana Mahafinaritra any Amin’ny Nosy Kanto

Fitomboana Mahafinaritra any Amin’ny Nosy Kanto

VARIANA ny mpitsidika ny nosy Taïwan rehefa mahita ireo zavamaniry maitso mavana fahita amin’ny tany mafana any. Lasa mivolombolamena ny vary maitso milenodenoka eny an-tanimbary, amin’ny fararano. Rakotra ala matevina ny tehezan-tendrombohitra. Tsy toy ny any an-tanàn-dehibe be mponina, fa maitso mavana avokoa na ny eny an-tsaha na ny eny an-tendrombohitra, ka tena mahafinaritra. Izany indrindra no nahatonga an’ilay Eoropeanina voalohany nahita an’i Taïwan, hiantso azy hoe Ilha Formosa, na “Nosy Kanto.”

Kanto tokoa i Taïwan na dia nosy kely aza (390 kilaometatra monja ny halavany, ary 160 kilaometatra eo ho eo ny sakany). Feno tendrombohitra avo, saika manerana an’ilay nosy. Avo kokoa, ohatra, i Yü Shan (Tendrombohitra Morrison), raha oharina amin’ny Tendrombohitra Fuji any Japon, sy ny Tendrombohitra Cook any Nouvelle-Zélande. Misy lemaka tery mihazo ny morontsiraka, manodidina ireo tendrombohitra eo afovoan-tany. Eny amin’ireny lemaka ireny no ipetrahan’ny mponin’i Taïwan, izay efa 22 tapitrisa mahery izao. Mifanaretsaka aoka izany izy ireo.

Karazana fitomboana hafa

Misy karazana fitomboana hafa mihamisongadina anefa any Taïwan. Tsy inona izany fa ny fitomboan’ny isan’ny olona manompo an’i Jehovah Andriamanitra. Lasa be zotom-po izy ireo, na kely na lehibe, raha vao mahafantatra an’i Jehovah. Mahavariana tokoa ny mahita ny fitomboan’ny isan’ireo mazoto mampianatra momba an’i Jehovah sy ny fikasany.

Nahatratra 1 777 ny mpitory tany Taïwan tamin’ny 1990, ka tsy ampy nikarakarana ny asan’izy ireo intsony ilay biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Taipei. Nisy tany novidina àry tany Hsinwu, tamin’ny Desambra 1990, mba hanorenana biraon’ny sampana lehibe kokoa. Niasa mafy nandritra ny taona vitsivitsy ireo mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena sy ireo teo an-toerana na kely na lehibe, ka vita tamin’ny Aogositra 1994 ilay trano vaovao tsara tarehy. Efa lasa 2 515 tamin’izay ny nandray anjara tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly. Nitombo mihoatra ny avo roa heny izany izao, folo taona eo ho eo atỳ aoriana, ka lasa 5 500 mahery. Ny ampahefatry ny mpitory eo ho eo no mitory manontolo andro, isam-bolana. Mendrika homarihina manokana ireo zatovolahy sy zatovovavy, izay toy ny “ando” mahafinaritra amin’ny maraina.—Salamo 110:3.

Mihamaro ny tanora manompo an’i Jehovah

Mbola ankizy ny maro amin’ireo mpitory ny vaovao tsara be zotom-po, any Taïwan. Mpianatra any amin’ny sekoly fanabeazana fototra ny sasany. Nisy mpivady iray tany amin’ny tanàn-dehibe tany avaratra, ohatra, nasaina hanatrika ilay fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, atao hoe Sekolin’ny Fanompoana. Mianatra ny fomba fampianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelona amin’izy io. Gaga be izy mivady rehefa nahita ankizilahy kely atao hoe Weijun, namaky Baiboly teny amin’ny lampihazo. Mahay mamaky teny kokoa noho ny olon-dehibe maro izy. Gaga be koa izy ireo rehefa nanatrika fivoriana hafa, satria mahay manome valin-teny noeritreretina tsara, na dia ny ankizy kely mbola mianatra any amin’ny akanin-jaza aza. Nilaza izy mivady fa tena mahalala fomba ireo ankizy any amin’ny Efitrano Fanjakana.

Nahoana ireny ankizy kely ireny no tia mianatra Baiboly, nefa Bodista sy Taoista ny ankamaroan’ny olona any Taïwan? Satria Kristianina ny ray aman-dreniny, ary manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Ataon’izy ireo koa izay hahatonga ny fianakaviany hifandray akaiky amin’i Jehovah. Sambatra izy mianakavy noho izany. Ataon’ny ray aman-drenin’i Weijun izay hahatonga ny fianaram-pianakaviany sy ny fitoriana hahafinaritra, ka efa vita batisa izao ny zokin’i Weijun mianadahy. Nangataka handray anjara tamin’ny fitoriana i Weijun, vao haingana. Nilaza ny reniny fa efa nahapetraka gazety maro kokoa noho ny fitambaran’ny voapetrak’izy mianakavy sahady io zanany io, tamin’izay. Hita fa tia miresaka ny fahamarinana sy ny zavatra ianarany amin’ny olon-kafa izy. Tiany koa ny manome valin-teny any am-pivoriana.

Rehefa mihalehibe ireo ankizy

Manao ahoana ireny ankizy ireny rehefa mihalehibe? Mbola tena tia an’i Jehovah sy tia mitory foana ny ankamaroany. Diniho, ohatra, i Huiping. Nilaza ny mpampianatra azy, indray andro, fa misy fivavahana iray mifady ra, saingy tsy fantany. Niteny taminy i Huiping, rehefa nirava, fa ny Vavolombelon’i Jehovah izany, ary nohazavainy hoe nahoana izy ireo no mifady ra.

Nisy mpampianatra iray hafa koa nampiseho video momba ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Voatonona tao ny 1 Korintianina 6:9. Nilaza anefa ilay mpampianatra fa tsy mandrara ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy ny Baiboly. Niresaka taminy koa i Huiping, ary nampiseho azy ny fiheveran’Andriamanitra momba izany.

Nanomana famelabelarana momba ny herisetra ao an-tokantrano i Shuxia, mpiara-mianatra amin’i Huiping, indray mandeha. Nomen’i Huiping azy ny Mifohaza! 8 Desambra 2001, mitondra ny lohateny hoe “Ampio ny Vehivavy Vonoin’ny Vadiny.” Nilaza taminy i Huiping fa manome fanazavana maro avy ao amin’ny Baiboly, momba ny herisetra ao an-tokantrano ilay gazety. Lasa mpitory tsy vita batisa i Shuxia, tatỳ aoriana. Mitory ny vaovao tsara amin’ny olon-kafa izao izy sy Huiping.

Kristianina maro no mahita olana, rehefa fantatry ny any am-pianarany fa manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Ny ankizy any ambanivohitra no tena iharan’izany. Nenjehin’ny mpiara-mianatra taminy, ohatra, i Zhihao, noho ny finoany sy ny fitoriany. Hoy izy: “Natahotra be aho ka tsy te hifanena tamin’ny mpiara-mianatra amiko mihitsy, rehefa nitory. Ankizy folo be izao indraindray no niara-naneso ahy!” Nasain’ny mpampianatra azy hanao famelabelarana momba ny fivavahany i Zhihao, indray mandeha. Hoy izy: “Tapa-kevitra aho fa hiresaka momba ny Genesisy toko voalohany, ary hanazava ny fanontaniana toy ny hoe: Iza no nanao ny tany sy izay rehetra eo aminy? Ahoana no nampisy ny olombelona? Nihomehy ahy ny ankizy sasany raha vao nanomboka namaky andinin-teny aho. Nolazainy fa minomino foana aho. Notohiziko ihany anefa ilay famelabelarana, ary vitako hatramin’ny farany. Afaka niresaka momba ny asantsika sy ny zavatra inoantsika tamin’ny sasany tamin’izy ireo aho, tatỳ aoriana. Tsy mihomehy ahy intsony izao izy ireo, rehefa mahita ahy mitory!”

Hoy ihany i Zhihao: “Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko, ka mandinika ny teny hodinihina isan’andro izahay, isa-maraina. Mianatra Baiboly sy mivory tsy tapaka koa izahay. Izany no mahatonga ahy tsy hatahotra hifanatrika amin’izay mbola mitady haneso ahy, rehefa miezaka mitory ny fahamarinana mampahery avy ao amin’ny Baiboly aho.”

I Tingmei indray mianatra any amin’ny lise teknika. Nanasa azy ny ankizivavy sasany tao am-pianarany, indray andro, mba hiaraka hitsangantsangana amin’ny ankizilahy tany amin’ny lise hafa. Tsy nety nandeha izy, satria tsinjony fa mety ho resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena izy raha miaraka amin’izy ireo. Nasehony azy ireo ny lahatsoratra momba izany, ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra. * Mbola nanasa azy imbetsaka ihany anefa izy ireo. Nesoin’ireo ankizivavy izy sady nolazainy fa tsy maharaka ny toetrandro. Bevohoka anefa ny iray tamin’ireo ankizivavy, taoriana kelin’izay, ary nanala zaza. Hita tamin’izany fa mahasoa ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Hoy i Tingmei: “Madio ny feon’ny fieritreretako, satria nanaraka ny toromarik’i Jehovah aho. Faly aho noho izany, ary tena afa-po.”

Mandresy vato misakana

Naman’i Tingmei akaiky i Ruiwen. Nankaleo an’i Ruiwen ny nivory sy nitory, tamin’izy mbola kely. Tsapany anefa fa tena tia azy ny mpiara-mivory aminy. Tsy mba toy izany kosa ny mpiara-mianatra aminy, fa mihatsaravelatsihy fotsiny. Rehefa nahita izany izy, dia niaiky fa nisy fiovana nilainy hatao. Nanomboka nitory tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy, ary tsy ela dia nahalala kokoa izay tokony hataony. Nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy izy, ka nitory sy nampianatra nandritra ny 50 ora mahery isam-bolana. Nirotsaka ho mpisava lalana maharitra indray izy avy eo, ka nitory sy nampianatra nandritra ny 70 ora mahery isam-bolana kosa. Hoy izy: “Tena misaotra an’i Jehovah aho. Tsy kivy mihitsy izy nanampy ahy. Mbola tiany foana aho, na dia nandiso fanantenana azy aza indraindray. Tia ahy toy izany koa ny reniko sy ny mpiara-mivory amiko. Olona dimy izao no ampianariko Baiboly, ka tsapako fa manao ny asa mahafa-po indrindra aho.”

Notendrena hisolo tena ny lise nianarany tamin’ny fifaninanana dihy nentin-drazana, ny tanora Vavolombelona roa tany ambanivohitra. Hitany anefa fa tsy nifanaraka tamin’ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly izany. Niezaka nanazava ny heviny tamin’ny mpampianatra izy ireo, ary nangataka mba tsy hampanaovina an’ilay izy. Nolavina anefa ny fangatahany. Nilazana kosa izy ireo fa tsy maintsy mandray anjara satria efa voatendry. Tsy te handika ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo, ka nanoratra tao amin’ny Internet ho an’ny minisiteran’ny fampianarana. Nohazavainy ilay olana. Tsy nahazo valiny izy ireo, nefa tsy ela dia nahazo toromarika ilay sekoly, mba tsy hanery na iza na iza handray anjara amin’ny fifaninanana toy izany. Faly erỳ izy ireo fa namolavola ny feon’ny fieritreretany ny fampianaran’ny Baiboly, sady nahatonga azy ireo ho sahy hijoro amin’ny heviny!

Tena tia miresaka ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly koa, na dia ny kilemaina aza. Efa nalemy hatramin’ny nahaterahany, ohatra, i Minyu. Tsy afaka mampiasa ny tanany izy, ka ny lelany no amadihany Baiboly, mba hahitany ny andinin-teny tiany hovakina. Rehefa mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana any amin’ny Efitrano Fanjakana izy, dia mitsotra eo ambony seza lava, ary ilay namany mipetraka eo ambony seza iva kely, sady mitazona mikrô. Tena mampahery ny mahita ny ezaka ataony mba hanomanana ny anjarany!

Naniry ho tonga mpitory ilay Fanjakana i Minyu, ka nisy anabavy tao amin’ny fiangonany nianatra nitory an-telefaonina mba hanampiana azy. Tsindrian’i Minyu amin’ny lelany ny nomeraon-telefaonina, ary ireo anabavy no manoratra ny mombamomba izay olona liana. Tena tian’i Minyu ny manao izany, ka nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy izy. Miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona amin’ny alalan’ny telefaonina izy, mandritra ny 50 na 60 ora isam-bolana. Manaiky handray boky ara-baiboly ny olona sasany iresahany, ary manaiky hiresaka aminy indray amin’ny manaraka. Ampianariny Baiboly izao ny telo amin’ireo olona niresahany an-telefaonina.

Toy ny ando mahafinaritra tokoa ireo zatovolahy sy zatovovavy any amin’ireo fiangonana 78, any Taïwan. Mazoto manolo-tena izy ireo mba hitondra ny vaovao tsara mampahery momba ilay Fanjakana, any amin’ireo mponina an-tapitrisany ao amin’ilay nosy. Tanteraka maneran-tany ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly, ary santionany monja amin’izany izay mitranga any Taïwan. Izao ilay faminaniana: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.” (Salamo 110:3) Tena mampahery an’ireo mpitory be taona kokoa ireny tanora ireny. Ary ny zava-dehibe indrindra, dia tena faly i Jehovah Andriamanitra, ilay Rainy any an-danitra!—Ohabolana 27:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/​Sary, pejy 10]

EFITRANO FANJAKANA MARO KOKOA NO ILAINA

Mihabetsaka ny mpitory any Taïwan, ka lasa sarotra be ny mahita Efitrano Fanjakana maro kokoa. Nahoana? Satria mila tsy hisy tany azo anorenana Efitrano Fanjakana mety tsara any, raha tsy any amin’ny faritra sasany any ambanivohitra. Lafo be koa ny tany, ary hentitra be ny lalàna momba ny tany. Trano nataon’ny olona birao no hany azo vidina any amin’ireo tanàna lehibe kokoa, ary amboarina ho lasa Efitrano Fanjakana. Tsy mety hanaovana Efitrano Fanjakana anefa ny ankamaroan’ny birao any, satria sarotra be ny fidirana ao amin’ilay izy, ambany kely ny valindrihana, ary lafo be ny fanamboarana azy. Mbola misy olana hafa koa anefa ankoatra an’ireo.

Na izany aza dia nahazo Efitrano Fanjakana vaovao maromaro ny Vavolombelon’i Jehovah any Taïwan, tato ho ato. Mbola mitady trano na tany vaovao foana izy ireo, sady mazoto manome vola hisahanana ny fandaniana. Miezaka koa izy ireo hahay ny fomba fanorenana trano.