Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niaritra i Joba Sady Tsy Nivadika

Niaritra i Joba Sady Tsy Nivadika

Niaritra i Joba Sady Tsy Nivadika

“Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va hianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.”—JOBA 1:8.

1, 2. a) Inona no loza tsy nampoizina nianjady tamin’i Joba? b) Nanao ahoana ny fiainan’i Joba talohan’ireo loza ireo?

TOA tsy ory na inona na inona izy. Nananany daholo ny harena, voninahitra, fahasalamana, ary fiainam-pianakaviana sambatra. Niharan’ny loza telo nifanesy anefa izy. Fongotra tampoka ny harenany. Maty ny zanany rehetra, noho ny rivo-doza iray tsy nampoizina. Tratran’ny aretina nampahosa izy, taoriana kelin’izay, ka feno vay ny tenany sady nanaintaina. Fantatrao angamba fa i Joba izany. Miresaka betsaka momba azy ilay boky mitondra ny anarany ao amin’ny Baiboly.—Joba toko 1 sy 2.

2 Nitaraina i Joba hoe: “Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ireny volana lasa ireny aho!” (Joba 3:3; 29:2) Iza tokoa no tsy hanembona ny lasa, rehefa iharan-doza? Nandeha tsara ny fiainan’i Joba talohan’izay, ary toa nieren-doza izy. Nanaja azy ny olona ambony, sady nila torohevitra taminy. (Joba 29:5-11) Nanan-karena izy, nefa tsy niantehitra tamin’ny vola. (Joba 31:24, 25, 28) Nanampy ny mpitondratena sy ny kamboty izy, rehefa nila izany izy ireo. (Joba 29:12-16) Tsy nanitsakitsa-bady koa izy.—Joba 31:1, 9, 11

3. Ahoana no fahitan’i Jehovah an’i Joba?

3 Nanao ny marina foana i Joba, noho izy mpivavaka tamin’Andriamanitra. “Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany”, hoy i Jehovah, “fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” (Joba 1:1, 8) Niharan-doza anefa i Joba, na dia tsara fitondran-tena aza, ka tsy niadana toy ny taloha intsony. Nanjavona daholo ny vokatry ny fisasarany, ary nitsapa ny tena toetrany ny fanaintainana sy ireo toe-javatra nampalahelo sy nandiso fanantenana azy.

4. Nahoana no tsara ny handinihana ny fitsapana nahazo an’i Joba?

4 Tsy i Joba irery akory no mpanompon’Andriamanitra niharan-doza. Kristianina maro ankehitriny no mahatsapa fa misy itovizana amin’izay nanjo an’i Joba ny mahazo azy. Tsara àry ny handinihantsika ireto fanontaniana ireto: Nahoana ny fitadidiana izay nanjo an’i Joba no hanampy antsika rehefa misy loza mahazo antsika? Ary nahoana izany no mampianatra antsika hahay hiara-miory kokoa amin’ireo mijaly?

Adihevitra momba ny tsy fivadihana sy fitsapana ny olombelona

5. Inona no nolazain’i Satana fa antony nanompoan’i Joba an’Andriamanitra?

5 Naningana ny zava-nitranga tamin’i Joba. Tsy fantany fa nampangain’ny Devoly izy hoe antony ratsy no anompoany an’Andriamanitra. Rehefa niresaka momba ny toetra tsaran’i Joba i Jehovah, nandritra ny fivoriana iray tany an-danitra, dia hoy i Satana: “Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra?” Ny tian’i Satana holazaina dia hoe fitiavan-tena no antony nanompoan’i Joba an’Andriamanitra, ary tsy izy ihany fa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra. Hoy i Satana tamin’i Jehovah: “Ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra—raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!”—Joba 1:8-11.

6. Inona ilay adihevitra lehibe napoitran’i Satana?

6 Tena adihevitra lehibe ilay izy. Nokianin’i Satana ny fomba fitondran’i Jehovah. Tena afaka mitondra izao rehetra izao amim-pitiavana ve Andriamanitra? Hiharihary ve amin’ny farany fa fitiavan-tena tokoa no anompoan’ny olona an’i Jehovah, araka ny fiampangan’i Satana? Navelan’i Jehovah hotsapain’ny Devoly i Joba, ary azony antoka fa tsy hivadika aminy ny mpanompony. Nitondra loza nisesisesy tamin’i Joba àry i Satana. Rehefa tsy nahomby ireo fanafihany voalohany, dia nasiany aretina nampanaintaina indray i Joba. Hoy ny Devoly: “Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.”—Joba 2:4.

7. Inona avy no fitsapana mihatra amin’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, izay mitovitovy amin’ny an’i Joba?

7 Miatrika fahoriana samihafa ny ankamaroan’ny Kristianina ankehitriny, na dia tsy tena mitovy amin’ny an’i Joba aza. Maro no enjehina na manana olana ara-pianakaviana. Mety hahakivy be koa ny fahasahiranana ara-bola na ny aretina. Misy aza maty noho ny finoany. Mazava ho azy, fa tsy tokony hanatsoaka hevitra isika hoe avy amin’i Satana ny loza rehetra mahazo antsika. Mety ho ny fahadisoantsika ihany no mahatonga ny olana sasany, na vokatry ny kilema na aretina manaranaka. (Galatianina 6:7) Tsy misy vita fanefitra amin’ny voka-dratsin’ny fahanterana sy ny loza araka ny natiora koa isika. Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa tsy manao fahagagana i Jehovah amin’izao fotoana izao, mba hiarovana ny mpanompony amin’ireny zava-mahory ireny.—Mpitoriteny 9:11.

8. Ahoana no mety hanararaotan’i Satana ny fahoriana mahazo antsika?

8 Na izany aza, dia mety hohararaotin’i Satana ny fahoriana mahazo antsika, mba hampihenana ny finoantsika. Nilaza ny apostoly Paoly fa nijaly izy noho ny ‘tsilo tao amin’ny nofony, izany hoe anjelin’i Satana [izay] namely’ azy tsy an-kijanona. (2 Korintianina 12:7) Mety ho aretina izany. Tsy nahita tsara angamba ny masony, na koa mety ho zavatra hafa. Na izany na tsy izany, dia fantatr’i Paoly fa azon’i Satana nohararaotina io olana io sy ny hakiviana naterak’izany, mba hahatonga azy hamoy ny fifaliany sy hivadika. (Ohabolana 24:10) Mety hampirisihin’i Satana hanenjika ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, ny fianakaviany, na ny mpiara-mianatra aminy, ary na dia ny fitondrana tsy refesi-mandidy aza.

9. Nahoana isika no tsy tokony ho gaga loatra, rehefa tojo zava-tsarotra na fanenjehana?

9 Ahoana no hiatrehantsika ny olana toy ireny? Manampy antsika ny fiheverana azy ireny ho fomba anaporofoana, fa tsy miova ny fitiavantsika an’i Jehovah ary manaiky hatrany ny zony hitondra isika. (Jakoba 1:2-4) Na inona na inona anton’ny fahoriantsika, dia hanampy antsika tsy hiala amin’ny finoantsika ny fahalalana fa zava-dehibe ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra. Nanoratra tamin’ny Kristianina ny apostoly Petera hoe: “Ry malala, aoka tsy hahavery hevitra anareo ilay afo mandoro eo aminareo, toy ny hoe zavatra hafahafa no manjo anareo. Natao hitsapana anareo mantsy izany afo izany.” (1 Petera 4:12) Nanazava koa i Paoly hoe: “Henjehina koa izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:12) Mbola miampanga ny Vavolombelon’i Jehovah foana i Satana hoe mety hivadika izy ireo, toy ny nataony tamin’i Joba ihany. Milaza mihitsy aza ny Baiboly, fa vao mainka i Satana manafika ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao.—Apokalypsy 12:9, 17.

Tsy fahazoan-kevitra sy fanazavana diso

10. Inona no olana nihatra tamin’i Joba?

10 Nanana olana iray izay tsy voatery hihatra amintsika i Joba. Tsy fantany ny anton’ireo loza nihatra taminy. Diso hevitra izy, ka nilaza fa i “Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra.” (Joba 1:21) Nataon’i Satana angamba izay hieritreretan’i Joba fa avy amin’Andriamanitra ny fahoriany.

11. Nanao ahoana ny fihetsik’i Joba teo anatrehan’ny loza nahazo azy?

11 Nanjary ketraka mafy i Joba, nefa tsy nety nahafoy na nanozona an’Andriamanitra, na dia nampirisika azy hanao izany aza ny vadiny. (Joba 2:9, 10) Nihevitra izy hoe: ‘Toa tsara kokoa noho ny ahy ny fiainan’ny ratsy fanahy.’ (Joba 21:7-9) Tsy maintsy ho nanontany tena izy hoe: ‘Nahoana Andriamanitra no manasazy ahy?’ Naniry ho faty mihitsy aza izy, ka niteny hoe: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita Hianao ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao!”—Joba 14:13.

12, 13. Inona no vokatry ny tenin’ireo namany telo teo amin’i Joba?

12 Tonga namangy an’i Joba ny sakaizany telo, mba hoe “hitsapa alahelo sy hampionona” azy. (Joba 2:11) Hita anefa fa “mpampionona mahasorisorena foana” izy ireo. (Joba 16:2) Mety ho nandray soa i Joba, raha mba nana-namana namborahana ny olana nahazo azy sy nanamaivana izany. Vao mainka nampikorontana ny sainy sy nanakivy azy anefa izy telo lahy.—Joba 19:2; 26:2.

13 Tsy mahagaga raha nety ho nanontany tena i Joba hoe: ‘Fa nahoana aho no iharan’izao loza rehetra izao? Fa inona no nataoko?’ Fanazavana diso tanteraka no nomen’ireo namany azy. Nilaza izy ireo fa nanao fahotana lehibe i Joba matoa nijaly. Hoy i Elifaza: “Iza moa no very [nefa] tsy nanan-tsiny? ... Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.”—Joba 4:7, 8.

14. Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe vokatry ny fitondran-tena ratsy foana ny fijaliana?

14 Marina fa mety hahita olana isika, rehefa mamafy ho an’ny nofo fa tsy ho an’ny fanahy. (Galatianina 6:7, 8) Mety hahita olana anefa isika eto amin’ity tontolo ity, na tsara ny fitondran-tenantsika na ratsy. Tsy voaro amin’ny loza rehetra koa ny tsy manan-tsiny. I Jesosy Kristy, izay ‘tsy nisy loto’ sy ‘tafasaraka tamin’ny mpanota’ aza, nijaly sy maty teo amin’ny hazo fijaliana. Maty maritiora koa ny apostoly Jakoba. (Hebreo 7:26; Asan’ny Apostoly 12:1, 2) Nahatonga an’i Joba hiaro ny laza tsarany sy hanizingizina ny tsy fananany tsiny, ny fanazavana diso nomen’i Elifaza sy ireo namany roa lahy. Mbola nanitrikitrika ihany anefa izy ireo hoe valin’ny nataon’i Joba ny fijaliany. Mety ho nisy fiantraikany teo amin’ny fiheveran’i Joba ny fanaovan’Andriamanitra ny rariny izany.—Joba 34:5; 35:2.

Aiza no ahazoana fanampiana rehefa tojo fahoriana?

15. Inona no toe-tsaina hanampy antsika hiatrika fijaliana?

15 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety hihevitra isika fa tsy ara-drariny ny loza, na aretina, na fanenjehana mahazo antsika. Toa tsy mba iharan’izany ny olon-kafa. (Salamo 73:3-12) Tokony hametraka an’izao fanontaniana lehibe izao isika indraindray: ‘Moa ve ny fitiavako an’Andriamanitra manosika ahy hanompo azy, na inona na inona mitranga? Tena iriko ve ny hanampy an’i Jehovah “hamaly [ilay] miteny ratsy azy?” ’ (Ohabolana 27:11; Matio 22:37) Na dia misy manao teny tsy voahevitra amintsika aza, dia tsy tokony hisalasala mihitsy isika raha hanampy antsika ilay Raintsika any an-danitra. Hoy ny Kristianina mahatoky iray, izay voan’ny aretina mitaiza hatramin’ny taona maro: “Fantatro fa na inona na inona avelan’i Jehovah hitranga, dia ho zakako izany. Fantatro fa hanome ahy ny hery ilaiko izy. Nanao izany foana izy hatramin’izay.”

16. Ahoana no anampian’ny Tenin’Andriamanitra an’ireo tojo zava-tsarotra?

16 Mahafantatra tsara ny paikadin’i Satana isika, fa tsy toa an’i Joba. “Fantatsika ny teti-dratsiny.” (2 Korintianina 2:11) Betsaka koa ny hevitra feno fahendrena afaka manampy antsika. Misy tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky, izay niaritra zava-tsarotra maro, ao amin’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly, izay niaritra mafy kokoa noho ny ankamaroan’ny Kristianina: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” (Romanina 15:4) Nanakalo ny anjara sakafony telo andro tamin’ny Baiboly ny Vavolombelona iray tany Eoropa, rehefa nigadra noho ny finoany, nandritra ny ady lehibe faharoa. Hoy izy: “Tena nahasoa ilay fifanakalozana! Noana aho, nefa nahazo sakafo ara-panahy. Izany no nampahery ahy sy ny olon-kafa tamin’ny fitsapana nahazo anay, nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Mbola voatahiriko hatramin’izao io Baiboly io.”

17. Ahoana no anampian’Andriamanitra antsika hiaritra?

17 Ankoatra ny fampaherezana azontsika avy ao amin’ny Soratra Masina, dia eo koa ireo boky ara-baiboly maro, izay manome tari-dalana tsara mba hiatrehana olana. Raha mijery ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia azo inoana fa hahita tantaran’ny Kristianina iray niatrika zava-tsarotra mitovy amin’ny anao. (1 Petera 5:9) Mety hanampy anao koa ny firesahana ny manjo anao amin’ny anti-panahy mahay miara-miory, na Kristianina matotra hafa. Ny vavaka anefa no zava-dehibe indrindra, satria amin’ny alalan’izy io no ahazoanao ny fanampian’i Jehovah sy ny fanahiny masina. Inona no nanampy an’i Paoly hiaritra ny ‘famelezan’i’ Satana? Nianatra niantehitra tamin’ny herin’Andriamanitra izy. (2 Korintianina 12:9, 10) Hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.

18. Inona avy no azon’ny mpiara-manompo atao, mba hanomezana fampaherezana sarobidy?

18 Tena misy àry ny fanampiana, ka tsy tokony hisalasala hitady izany ianao. Hoy ny ohabolana: “Raha reraka amin’ny andro fahoriana hianao, dia kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Mety handrava tsikelikely ny tsy fivadihan’ny Kristianina ny hakiviana, toy ny vitsikazo izay mety handrava trano hazo. Mba tsy hitrangan’izany, dia manohana antsika amin’ny alalan’ny mpiara-manompo Andriamanitra. Nisy anjely niseho tamin’i Jesosy ary nampahery azy, tamin’ilay alina nisamborana azy. (Lioka 22:43) “Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly” ary “nihanahery”, rehefa nahita an’ireo rahalahy tany amin’ny Tsenan’i Apio sy ny Tranombahiny Telo, nandritra ny diany ho any Roma tamin’izy voafonja. (Asan’ny Apostoly 28:15) Mbola tsaroan’ny Vavolombelona alemà iray ny fanampiana azony, tamin’izy vao tonga tao amin’ny toby fitanana tany Ravensbrück. Vao tovovavy kely izy tamin’izany sady natahotra. Hoy izy: “Hitan’ny Vavolombelona iray avy hatrany aho, ary tena noraisiny tsara. Nisy rahavavy mahatoky hafa nikarakara ahy, ary nanjary toy ny reniko teo amin’ny lafiny ara-panahy.”

‘Aoka ianao hahatoky’

19. Nahoana i Joba no nahatohitra ny ezaka nataon’i Satana?

19 Nilaza i Jehovah fa ‘nitana mafy ny fahamarinany’ na ny tsy fivadihany i Joba. (Joba 2:3) Tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy izy, na dia kivy sy tsy nahalala ny antony nijaliany aza. Tsy nety niala tamin’ny fitsipika efa narahiny hatramin’izay izy. Nanantitrantitra izy fa tsy hivadika mihitsy ‘mandra-pialan’ny ainy.’—Joba 27:5.

20. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fiaretana?

20 Raha tapa-kevitra toy izany isika, dia afaka mitana ny tsy fivadihantsika na inona na inona mitranga, na fakam-panahy izany, na fanoherana, na zava-tsarotra hafa. Hoy i Jesosy tamin’ilay fiangonana tao Smyrna: “Aza matahotra izay fijaliana efa hiaretanao. Indro, ny Devoly tsy hitsahatra hanao ny sasany aminareo any am-ponja mba hotsapain-toetra tanteraka ianareo, ary mba hiaretanareo fahoriana folo andro. Aoka hahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.”—Apokalypsy 2:10.

21, 22. Inona no hampahery antsika, rehefa miatrika fahoriana isika?

21 Hiharam-pitsapana ny fiaretantsika sy ny tsy fivadihantsika, eto amin’ity tontolo fehezin’i Satana ity. Nanome toky antsika anefa i Jesosy, fa tsy misy antony tokony hatahorantsika, eo am-piandrasana ny hoavy. Ny fahatokiantsika no tena zava-dehibe. ‘Mihelina ny fahoriana’, hoy i Paoly, fa mbola “bebe kokoa sy mandrakizay” ny “voninahitra” na ny valisoa ampanantenain’i Jehovah antsika. (2 Korintianina 4:17, 18) Nihelina koa ny fahorian’i Joba, raha mitaha amin’ireo taona maro niainany tao anatin’ny fahasambarana, taloha sy taorian’ilay fitsapana.—Joba 42:16.

22 Toa tsy misy farany anefa ny fitsapana mahazo antsika indraindray, ary mila tsy ho tanty ny fijaliantsika. Mbola handinika ny tantaran’i Joba isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, mba hahitantsika lesona hafa momba ny fiaretana. Ho hitantsika ao koa ny fomba hampaherezantsika an’ireo olona miatrika zava-tsarotra.

Ahoana no Havalinao?

• Inona ilay adihevitra lehibe napoitran’i Satana, nifandray tamin’ny tsy fivadihan’i Joba?

• Nahoana isika no tsy tokony ho gaga loatra, rehefa tojo zava-tsarotra?

• Ahoana no anampian’i Jehovah antsika hiaritra?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Ho afaka hiaritra isika, raha manao fikarohana, miresaka amin’ny Kristianina matotra, ary mivavaka mba hamborahana izay ao am-pontsika