Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ampahafantaro An’Andriamanitra ny Fangatahanareo”

“Ampahafantaro An’Andriamanitra ny Fangatahanareo”

“Ampahafantaro An’Andriamanitra ny Fangatahanareo”

“Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.”—FILIPIANINA 4:6.

1. Manana tombontsoa hiresaka amin’iza isika, ary nahoana no tena mahavariana izany?

RAHA mangataka hihaona amin’ny filoham-pirenena ianao, inona no valiny mety ho azonao? Mety hahazo valin-teny amim-panajana avy amin’ny birao mikarakara ireny fangatahana ireny ianao, saingy tena sarotra inoana ny hoe ho afaka hiresaka mivantana amin’ilay filoha. Tsy toy izany anefa ny firesahana amin’ilay Filoha lehibe indrindra sady Mpanjakan’izao rehetra izao, dia i Jehovah Andriamanitra. Afaka miresaka aminy isika na aiza na aiza misy antsika, ary amin’izay fotoana tiantsika. Reny foana ny vavaka ankasitrahany. (Ohabolana 15:29) Mahafinaritra tokoa izany! Moa ve ny fankasitrahana izany tsy hanosika antsika hivavaka tsy tapaka amin’ilay “Mpihaino vavaka”?—Salamo 65:2.

2. Inona no ilaina mba hihainoan’Andriamanitra ny vavaka ataontsika?

2 Mety hisy hanontany anefa hoe: ‘Vavaka manao ahoana no henoin’Andriamanitra?’ Izao no fepetra iray lazain’ny Baiboly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” (Hebreo 11:6) Tena zava-dehibe tokoa ny finoana mba hanatonana an’Andriamanitra, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Vonona hihaino ny vavak’ireo manatona azy izy, nefa tsy maintsy manam-pinoana sy manao asa tsara ilay olona. Ilaina koa ny fahatsorana sy ny toe-po tsara.

3. a) Inona avy no azo resahina amin’ny vavaka, rehefa jerena ny vavak’ireo mpanompo mahatoky fahiny? b) Inona avy no karazana vavaka azontsika atao?

3 Nampirisika ny Kristianina tamin’ny androny ny apostoly Paoly hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” (Filipianina 4:6, 7) Maro ny olona niresaka ny fanahiany tamin’Andriamanitra, voatantara ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany i Hana, Elia, Hezekia, ary Daniela. (1 Samoela 2:1-10; 1 Mpanjaka 18:36, 37; 2 Mpanjaka 19:15-19; Daniela 9:3-21) Tokony hanahaka azy ireo isika. Mariho koa fa misy karazany maromaro ny vavaka, araka ireo tenin’i Paoly ireo. Ao ny fisaorana, na vavaka fankasitrahana an’Andriamanitra noho izay nataony ho antsika. Azo ampiarahina amin’izany ny fiderana. Ao koa ny fitalahoana, na fiangaviana mafy amim-panetren-tena. Ary azo atao koa ny manao fangatahana zavatra voafaritra tsara. (Lioka 11:2, 3) Eken’ilay Raintsika any an-danitra amim-pifaliana ny hanatonantsika azy amin’ny alalan’ireo karazana vavaka ireo.

4. Nahoana isika no mila mangataka amin’i Jehovah, na dia efa fantany aza izay ilaintsika?

4 Mety hisy hilaza hoe: ‘Tsy efa fantatr’i Jehovah ve izay rehetra ilaintsika?’ Izany tokoa. (Matio 6:8, 32) Nahoana àry isika no mbola asainy hangataka izany aminy? Diniho ity ohatra ity: Eritrereto hoe misy mpivarotra iray milaza fa hanolotra fanomezana ho an’ny mpividy entana ao aminy. Tsy maintsy manatona azy sy mangataka ilay fanomezana anefa ny mpividy, vao hahazo ilay izy. Azo lazaina hoe tsy mankasitraka firy an’ilay fanomezana ny olona tsy vonona hanao izany ezaka izany. Toy ny hoe tsy mankasitraka ny zavatra omen’i Jehovah koa àry isika, raha tsy mampahafantatra ny fangatahantsika aminy. Hoy i Jesosy: “Mangataha dia hahazo ianareo.” (Jaona 16:24) Raha manao izany isika, dia manaporofo fa miantehitra amin’Andriamanitra.

Ahoana no fomba tokony hanatonantsika an’Andriamanitra?

5. Nahoana isika no mila mivavaka amin’ny anaran’i Jesosy?

5 Tsy manome fitsipika henjana maro be mahakasika ny fomba tokony hivavahana aminy i Jehovah. Na izany aza, dia mila ianarantsika ny fomba ekeny hanatonana azy, izay hazavaina ao amin’ny Baiboly. Nampianatra ny mpianany, ohatra, i Jesosy hoe: “Raha misy angatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako izany.” (Jaona 16:23) Tsy maintsy mivavaka amin’ny anaran’i Jesosy àry isika. Izany no mampiseho fa ekentsika hoe amin’ny alalany irery ihany no itahian’Andriamanitra ny olon-drehetra.

6. Ahoana no tokony ho fipetraky ny vatantsika rehefa mivavaka?

6 Ahoana no tokony ho fipetraky ny vatantsika rehefa mivavaka? Tsy milaza momba izany ny Baiboly. (1 Mpanjaka 8:22; Nehemia 8:6; Marka 11:25; Lioka 22:41) Ny fahatsorana sy ny toe-po tsara no zava-dehibe, rehefa mivavaka.—Joela 2:12, 13.

7. a) Inona no dikan’ny hoe “amena”? b) Rahoviana isika no tokony hiteny hoe “Amena”, ary inona no asehontsika amin’izany?

7 Ahoana ny amin’ilay teny hoe “amena”? Asehon’ny Baiboly fa mazàna no mety ny hamaranana ny vavaka amin’io teny io, indrindra raha vavaka ampahibemaso ilay izy. (Salamo 72:19; 89:52) Ilay teny hebreo hoe ʼa·menʹ, dia midika voalohany indrindra hoe “izay mihitsy.” Hazavain’ny Rakipahalalana (anglisy) nosoratan’i McClintock sy Strong, fa ny filazana hoe “Amena” amin’ny faran’ny vavaka dia midika ho “fanekena izay nolazaina tao amin’ilay vavaka, sy fangatahana ny hahatanterahan’ilay izy.” Rehefa milaza amin’ny fo manontolo hoe “Amena” àry ny olona iray amin’ny faran’ny vavaka, dia asehony amin’izany fa zava-dehibe aminy ny zavatra nolazainy tao amin’ilay vavaka. Rehefa avy milaza io teny io koa ny Kristianina iray misolo tena ny fiangonana amin’ny vavaka, dia afaka miteny hoe “Amena” any am-po na amin’ny feo avo ireo mpihaino. Asehon’izy ireo amin’izany fa ekeny tanteraka izay voalaza tamin’ilay vavaka.—1 Korintianina 14:16.

8. Ahoana no anahafantsika ny vavaka nataon’i Jakoba na i Abrahama, ary inona no asehontsika amin’izany?

8 Tian’Andriamanitra indraindray ny hampisehoantsika fa tena zava-dehibe amintsika ny zavatra angatahintsika amin’ny vavaka. Mila manahaka an’i Jakoba angamba isika amin’izany. Nitolona tamin’ny anjely nandritra ny alina manontolo izy mba hahazoana fitahiana. (Genesisy 32:25-27) Mety hila hanahaka an’i Abrahama koa isika amin’ny toe-javatra sasany. Nitalaho imbetsaka tamin’i Jehovah izy, mba hamonjy an’i Lota sy izay mety ho olo-marina tao Sodoma. (Genesisy 18:22-33) Afaka mitalaho amin’i Jehovah toy izany koa isika momba ny zavatra irintsika mafy, ka hiangavy azy noho ny fitiavany ny rariny, ny fitiavany sy hatsaram-panahiny, ary ny famindram-pony.

Inona no azontsika angatahina?

9. Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika rehefa mivavaka isika?

9 Tadidio fa nilaza i Paoly hoe: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo.” (Filipianina 4:6) Midika izany fa saika ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika no azontsika resahina amin’ny vavaka samirery ataontsika. Ny momba an’i Jehovah anefa no tokony hahintsika voalohany. Fakan-tahaka i Daniela tamin’io lafiny io. Nitalaho famindram-po tamin’i Jehovah izy, rehefa nanota ny Israelita ka nijaly noho ny sazy vokatr’izany. Hoy izy: “Aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô, noho ny aminao [sy ny anaranao].” (Daniela 9:15-19) Manahaka an’i Daniela ve isika ka hita amin’ny vavaka ataontsika, fa ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fahatanterahan’ny sitrapony no zava-dehibe indrindra amintsika?

10. Ahoana no ahafantarantsika fa mety ny mivavaka momba izay ilaintsika manokana?

10 Mety koa anefa ny mangataka izay ilaintsika manokana. Azontsika atao, ohatra, ny mivavaka toy ny mpanao salamo, mba hahatakarana bebe kokoa ireo zava-dalina ara-panahy. Nivavaka izy hoe: “Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; eny, hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho.” (Salamo 119:33, 34; Kolosianina 1:9, 10) I Jesosy indray dia “nitalaho sy niangavy tamin’Ilay nahay namonjy azy tsy ho faty.” (Hebreo 5:7) Nasehony tamin’izany fa azo atao ny mivavaka mba hahazo hery, rehefa miatrika loza na fitsapana. Rehefa nampianatra ny mpianany hivavaka koa izy, dia nampirisika azy ireo hivavaka momba izay ilainy manokana. Anisan’izany ny famelan-keloka sy ny hanin-kohanina isan’andro.

11. Nahoana no ilaina ny mivavaka mba tsy ho resin’ny fakam-panahy?

11 Nampidirin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely koa izao fangatahana izao: “Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.” (Matio 6:9-13) Nanoro hevitra toy izao izy, tatỳ aoriana: “Miambena sy mivavaha hatrany mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.” (Matio 26:41) Tena ilaina ny mivavaka rehefa tojo fakam-panahy. Mety halaim-panahy tsy hiraharaha ny toro lalan’ny Baiboly mantsy isika any am-piasana na any am-pianarana. Mety hanasa antsika hiaraka aminy mba hanao zavatra tsy mety amin’ny Kristianina, ny olona tsy Vavolombelona. Mety hampanao antsika zavatra mandika ny toro lalana marina ny olona. Tena tokony hivavaka isika amin’ny toe-javatra toy izany, araka ny torohevitr’i Jesosy. Mila mangataka amin’Andriamanitra isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy, alohan’ny hitrangan’ilay izy, sy rehefa tena miatrika izany.

12. Inona ireo zavatra mampanahy mahatonga antsika hivavaka, ary inona no azontsika antenaina amin’i Jehovah?

12 Manana olana sy fanahiana isan-karazany ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Ny aretina sy ny adin-tsaina no tena miteraka fanahiana ho an’ny maro. Mampitebiteby ny herisetra manodidina antsika. Sarotra ny fivelomana noho ny olana ara-toe-karena. Tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa henoin’i Jehovah ny mpanompony, rehefa miresaka aminy momba ireo zavatra ireo! Hoy ny Salamo 102:17 momba an’i Jehovah: “Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy ka tsy nanevateva ny fivavany.”

13. a) Inona no zavatra mahakasika antsika manokana, ka azontsika resahina amin’ny vavaka? b) Milazà ohatra iray momba ny vavaka toy izany.

13 Mety ny mivavaka momba ny zavatra rehetra misy vokany amin’ny fanompoantsika an’i Jehovah, na amin’ny fifandraisantsika aminy. (1 Jaona 5:14) Raha mila manapa-kevitra momba ny fanambadiana na ny asa na ny fanitarana ny fanompoana ianao, dia aza misalasala miresaka momba izany amin’Andriamanitra. Mangataha tari-dalana aminy. Naniry ho tonga mpanompo manontolo andro, ohatra, ny tovovavy iray tany Philippines, nefa tsy nanana asa fivelomana. Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho indray asabotsy, ary niresaka mazava tsara taminy momba ny faniriako ho mpisava lalana. Tamin’io andro ihany dia nandeha nitory aho, ary nanolotra boky tamin’ny ankizivavy iray. Tampoka teo, dia nilaza tamiko izy hoe: ‘Tongava any am-pianaranay amin’ny alatsinainy maraina.’ ‘Fa ahoana?’, hoy aho. Nanazava izy fa mitady mpiasa ilay sekoly, ary ilana olona maika izany. Nankany aho ary voaray avy hatrany. Tao anatin’ny fotoana fohy no nitrangan’izany rehetra izany.” Vavolombelona maro eran-tany no efa niaina zavatra toy izany. Aza misalasala àry milaza ny hetahetam-ponao amin’Andriamanitra!

Ahoana raha nanota isika?

14, 15. a) Nahoana no tsy tokony hiahotra ny hivavaka na dia ny olona nanota aza? b) Inona koa no hanampy azy hihavana indray amin’i Jehovah, ankoatra ny vavaka samirery ataony?

14 Inona no soa entin’ny vavaka ho an’ny olona nanota? Tsy sahy mivavaka ny olona sasany nanota, satria menatra. Tsy fahendrena anefa izany. Indro misy ohatra: Aoka atao hoe marary ny olona iray, nefa tsy sahy manatona dokotera, fa menatra noho ilay aretiny. Inona no mety hitranga? Mety hihombo ilay aretina! Toy izany koa ny olona nanota, nefa menatra ka tsy sahy mivavaka amin’Andriamanitra. Mety hahita olana fanampiny izy. Tsy tokony hanakana ny olona tsy hiresaka amin’i Jehovah àry ny henatra vokatry ny ota. Manasa ny olona nanao fahotana lehibe mihitsy aza Andriamanitra mba hivavaka aminy. Nampirisihin’i Isaia mpaminany mba hiantso an’i Jehovah ny mpanota tamin’ny androny, satria ‘mamela heloka dia mamela heloka tokoa Izy.’ (Isaia 55:6, 7) Mazava ho azy fa mila mitady sitraka amin’i Jehovah indray ilay olona. Hahazo izany izy raha manetry tena, sy miala amin’ny ratsy nataony, ary mibebaka amin’ny fony manontolo.—Salamo 119:58; Daniela 9:13.

15 Misy antony hafa koa ilana ny vavaka, raha nanota ny olona iray. Nilaza toy izao momba ireo olona mila fanampiana ara-panahy i Jakoba, mpianatr’i Jesosy: “Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy ... ary i Jehovah hanarina azy.” (Jakoba 5:14, 15) Marina fa mila mivavaka samirery ny olona iray nanota, ary mibaboka ny fahotany amin’i Jehovah. Azony atao koa anefa ny mangataka ireo anti-panahy mba hivavaka ho azy. Hanampy azy hihavana indray amin’i Jehovah izany.

Valim-bavaka

16, 17. a) Ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika? b) Milazà ohatra mampiseho fa tena mifandray ny vavaka sy ny fitoriana.

16 Ahoana no amalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika? Mivaly haingana ny vavaka sasany, sady hita miharihary ilay valim-bavaka. (2 Mpanjaka 20:1-6) Mety ho elaela kosa ny sasany vao mivaly, sady tsy tonga dia hita misongadina ny valiny. Mety hila hivavaka matetika isika, toy ilay mpitondratena noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana nataony. Tsy sasatry ny niverina tany amin’ilay mpitsara izy io. (Lioka 18:1-8) Mahazo matoky anefa isika, fa raha mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ny vavaka ataontsika, dia tsy hilaza amintsika mihitsy izy hoe: “Aza helingelenina intsony aho.”—Lioka 11:5-9

17 Porofoin’ny zavatra maro niainan’ny vahoakan’i Jehovah fa mamaly vavaka izy. Hita eny amin’ny fanompoana izany matetika. Nizara boky sy gazety ary taratasy ara-baiboly tany amin’ny toerana mitokana, ohatra, ny vehivavy kristianina roa tany Philippines. Nanganohano ny mason’ny vehivavy iray, rehefa nomen’izy ireo taratasy mivalona. Hoy ilay vehivavy: “Nivavaka tamin’Andriamanitra aho omaly alina, mba haniraka olona hampianatra Baiboly ahy. Mino aho fa valim-bavaka izao.” Nanomboka nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, taoriana kelin’izay. Tany an-toeran-kafa, tany Azia Atsimoatsinanana ihany, dia nisy lehilahy kristianina iray natahotahotra rehefa hitory tao amin’ny tranobe iray tsara ambina. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa izy, nisikina herim-po, ary niditra tao amin’ilay trano. Nandondòna tao amin’ny varavarana iray izy, ary vehivavy tanora no nanokatra azy. Rehefa nilaza ny anton-diany ilay rahalahy, dia nitomany ilay vehivavy. Nilaza izy fa nitady Vavolombelon’i Jehovah, ary nivavaka mba hahita azy ireo. Faly ilay rahalahy nanampy azy hifandray tamin’ny fiangonana teo an-toerana.

18. a) Inona no tokony hataontsika rehefa mahazo valim-bavaka isika? b) Inona no azontsika antoka raha manararaotra mivavaka foana isika?

18 Sarobidy tokoa ny vavaka. Vonona hihaino sy hamaly azy ireny i Jehovah. (Isaia 30:18, 19) Mila mandinika tsara anefa isika mba hahitana ny valim-bavaka avy aminy. Tsy voatery ho araka ny antenaintsika foana ilay izy. Tsy tokony hanadino ny hisaotra sy hidera azy isika, rehefa mahatsapa hoe nomeny tari-dalana. (1 Tesalonianina 5:18) Tsarovy mandrakariva koa ilay fampirisihan’ny apostoly Paoly hoe: “Amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” Eny, manararaota foana miresaka amin’Andriamanitra. Ho tsapanao hatrany amin’izay fa marina ireto tenin’i Paoly ireto, rehefa mahazo valim-bavaka ianao: “Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo.”—Filipianina 4:6, 7.

Hainao Valiana Ve?

• Inona avy no karazana vavaka azontsika atao?

• Ahoana no fomba tokony hivavahantsika?

• Inona no azontsika resahina amin’ny vavaka ataontsika?

• Inona no soa entin’ny vavaka, ho an’ny olona nanota?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Manampy antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy ny vavaka amin’ny fo manontolo

[Sary, pejy 31]

Amin’ny vavaka no anehoantsika fankasitrahana sy ilazantsika ny fanahiantsika ary ny fangatahantsika