Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivavahana Mitondra Soa ho Anao

Fivavahana Mitondra Soa ho Anao

Fivavahana Mitondra Soa ho Anao

“NY HO akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy”, hoy i Asafa mpanao salamo. Te hampiadan-tena ny olona sasany tamin’ny androny, ka tsy niraharaha an’Andriamanitra. Naniry hanahaka azy ireny i Asafa. Nosaintsaininy anefa ireo tombony azon’ny olona mifandray akaiky amin’Andriamanitra, ka resy lahatra izy fa izany no hahasoa azy. (Salamo 73:2, 3, 12, 28) Ahoana ny amin’izao andro izao? Mahasoa anao ve ny manaraka ny fivavahana marina? Inona avy no soa ho azonao avy amin’izy io?

Manjary tsy mifantoka amin’izay hahasoa anao fotsiny ianao, rehefa manompo an’ilay tena Andriamanitra. Tsy sambatra mihitsy ny olona tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany, satria tsy mifanaraka amin’ny fomba nanamboaran’ilay “Andriamanitry ny fitiavana” antsika izany. (2 Korintianina 13:11) “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”, hoy i Jesosy, ary mihatra amin’ny olombelona rehetra izany. (Asan’ny Apostoly 20:35) Izany no mahatonga antsika ho faly rehefa manao zavatra ho an’ny havana aman-tsakaizantsika. Ny fanaovan-javatra ho an’Andriamanitra anefa no mahasambatra indrindra. Izy no tena mendrika ny hotiavintsika indrindra. Olona an-tapitrisany avy amin’ny saranga samihafa no afaka manamarina, fa tena mahafa-po ny manompo an’Andriamanitra araka ny atorony.—1 Jaona 5:3.

Mahatonga anao hanana tanjona eo amin’ny fiainana

Mahasoa anao koa ny fivavahana marina, satria mahatonga anao hanana tanjona eo amin’ny fiainana. Voamarikao ve fa matetika ianao no mahatsiaro ho sambatra, rehefa misy zavatra tsara vitanao? Manana tanjona ny ankamaroan’ny olona, ary mety hisy ifandraisany amin’ny fianakaviany, namany, na raharaham-barotra ataony izany. Ao koa ny mikatsaka fahafinaretana. Betsaka anefa ny zavatra tsy azo antoka eo amin’ny fiainana, ka matetika no tsy mitondra fahasambarana ho an’ny olona ireo tanjona ireo. (Mpitoriteny 9:11) Mahatonga anao hanana tanjona ambony kokoa noho izany kosa ny fivavahana marina. Mitondra fahafaham-po foana io tanjona io, na dia mandiso fanantenana aza ny lafiny hafa amin’ny fiainana.

Manjary mahafantatra an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy ny olona manaraka ny fivavahana marina. Lasa tena akaiky azy koa izy ireo. (Mpitoriteny 12:13; Jaona 4:23; Jakoba 4:8) Sarotra aminao angamba ny hino hoe afaka ny hahafantatra tsara an’Andriamanitra ianao, ka ho lasa namanao mihitsy izy. Tena afaka mahafantatra ny toetrany anefa ianao, rehefa mandinika ny zavatra noforoniny sy misaintsaina ny fomba nifandraisany tamin’ny olona fahiny. (Romanina 1:20) Ankoatra izany, raha mamaky ny Teniny ianao, dia ho azonao hoe nahoana izy no namorona antsika, nahoana izy no mamela ny fijaliana hisy, ary ahoana no hamaranany an’izany. Fa ny tena hahaliana anao ao amin’izy io angamba, dia ny hoe ahoana no hahafahanao handray anjara lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. (Isaia 43:10; 1 Korintianina 3:9) Hanana tanjona vaovao tokoa ianao eo amin’ny fiainanao, rehefa ho fantatrao ireo zavatra ireo!

Manampy anao ho tonga olona tsara kokoa

Mahasoa koa ny fivavahana marina, satria manampy anao ho lasa olona tsara kokoa. Mahatonga anao hiezaka hanana toetra tsara izy io, ary hanatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa izany. Mianatra manao ny marina sy miteny amin-katsaram-panahy ary mandray andraikitra ianao, rehefa mandinika ny modely omen’Andriamanitra sy ny Zanany. (Efesianina 4:20–5:5) Manjary te hanahaka an’Andriamanitra ianao, rehefa mahafantatra azy tsara sy lasa tia azy. Hoy ny Baiboly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo. Ary mandehana mandrakariva amin’ny fitiavana.”—Efesianina 5:1, 2.

Tsy hahafinaritra be ve raha maneho fitiavana toa an’Andriamanitra daholo ny olona manodidina anao? Soa ihany fa tsy voatery hatao samirery ny fanompoana an’ilay tena Andriamanitra. Lasa mifanerasera amin’ny olona tia ny marina sy ny tsara ianao rehefa manompo azy. Mety tsy ho azoazonao anefa ny hiditra ao anaty antokom-pivavahana iray. Ekena aloha fa tsy voalamina araka ny tokony ho izy ny ankamaroan’ny antokom-pivavahana, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Tsy tsara koa ny tanjona tratrariny, fa mifanohitra amin’ny fitsipika kristianina. I Jehovah mihitsy anefa no mandamina ny vahoakany, mba hanatratrarana tanjona faran’izay tsara. Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana.” (1 Korintianina 14:33) Raha miaraka amin’ny antokona Kristianina iray voalamina tsara ianao, dia hanjary hanana fomba fijery tsara momba ny fivavahana, toy ny olona an-tapitrisany maro.

Ahazoanao fanantenana

Asehon’ny Soratra Masina fa mandamina an’ireo tena mpivavaka aminy Andriamanitra, mba ho voavonjy izy ireo rehefa horinganina ity tontolo ratsy ity, ka handova tany vaovao iray “hitoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13; Apokalypsy 7:9-17) Hitantsika amin’izany fa manome fanantenana ny fivavahana mahasoa, ary tena ilaina izany mba hahasambatra. Mino ny olona sasany fa fitondram-panjakana milamina, raharaham-barotra mahomby, na fahasalamana tsara sy “fisotroan-dronono” mahafa-po no hiantoka ny hoaviny. Vitsy amin’ireo zavatra ireo anefa, raha hisy aza, no tena miantoka hoavy sambatra. Hoy kosa ny apostoly Paoly: “Isika manantena an’Andriamanitra velona.”—1 Timoty 4:10.

Hahita an’ireo tena mpivavaka ianao, raha mikaroka tsara. Tena mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina, eto amin’ity tontolo misara-bazana ity. Saika avy amin’ny firenena sy kolontsaina rehetra izy ireo, nefa miray saina noho ny fifankatiavana sy ny fitiavana an’i Jehovah. (Jaona 13:35) Irin’izy ireo hahatsapa an’izany koa ianao. Nilaza i Asafa hoe: “Ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy.”—Salamo 73:28.

[Sary, pejy 7]

Afaka ny ho naman’Andriamanitra ianao