Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 5

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 5

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana 5

METY hiteny ny mpanankarena hoe: ‘Tahaka ny zavamaniry maroroka ny zanakay lahy, ary tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ny lapan’andriana ny zanakay vavy. Feno ny trano fitahirizanay. Miteraka arivoarivo ny ondrinay.’ Hilaza koa angamba izy hoe: “Sambatra ny firenena izay tahaka izany.” Mifanohitra amin’izany kosa ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: “Eny, sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.” (Salamo 144:12-15) Nahoana no tsy maintsy ho sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny? Andriamanitra falifaly i Jehovah ka hataony izay hahasambatra ny mpivavaka aminy. (1 Timoty 1:11) Ahitana tsara ny fahamarinan’izany ilay fizarana farany ao amin’ny Salamo, manomboka eo amin’ny faha-107 ka hatramin’ny 150. Mirakitra ny sasany amin’ireo hira nampanoratin’Andriamanitra izy io.

Asongadin’io Fizarana Fahadimy amin’ny Salamo io koa ny toetra miavaka ananan’i Jehovah. Anisan’izany ny fitiavana sy hatsaram-panahy, fahamarinana, ary fahatsarana. Vao mainka isika ho tia sy hatahotra azy rehefa mahafantatra bebe kokoa ny toetrany, ary hahasambatra antsika izany. Sarobidy tokoa ny hafatra raketin’io Fizarana Fahadimy io!—Hebreo 4:12.

SAMBATRA ISIKA NOHO NY FITIAVANA SY HATSARAM-PANAHIN’I JEHOVAH

(Salamo 107:1–119:176)

Nihira toy izao ny Jiosy avy babo tany Babylona: “Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!” (Salamo 107:8, 15, 21, 31) Nidera an’Andriamanitra i Davida ka nihira hoe: “Mipaka eny amin’ny rahona ny fahamarinanao.” (Salamo 108:4) Mivavaka toy izao kosa izy ao amin’ilay hira manaraka: “Ampio aho, Jehovah Andriamanitro ô; vonjeo araka ny famindramponao aho.” (Salamo 109:18, 19, 26) Faminaniana momba ny Fanjakan’ny Mesia ny Salamo 110. Ny Salamo 111:10 indray dia milaza fa “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.” Hoy kosa ny salamo manaraka: “Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah.”—Salamo 112:1.

Antsoina hoe Salamo Hallel ny Salamo 113 ka hatramin’ny 118, satria hita miverimberina ao ny teny hoe “Haleloia”, izany hoe “Miderà an’i Jah!” Nohiraina tamin’ny Paska sy nandritra ireo fety telo fanaon’ny Jiosy isan-taona ireo hira ireo, araka ny Mishnah. Boky tamin’ny taonjato fahatelo ny Mishnah ary mirakitra ireo lovantsofina talohan’izay. Ny hafatra avy amin’i Jehovah kosa no asongadin’ny Salamo 119. Io no Salamo lava indrindra, ary io koa no toko lava indrindra ao amin’ny Baiboly.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

109:23—Inona no tian’i Davida holazaina amin’ny hoe: “Lasa tahaka ny aloka mihelina aho”? Tsapan’i Davida fa efa ho faty izy, ka fomba kanto nilazany an’izany ireo teny ireo.—Salamo 102:11.

110:1, 2—Inona no nataon’i Jesosy Kristy, “Tompo[n’i Davida]”, nandritra ny fotoana nipetrahany teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra? Niakatra tany an-danitra i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Niandry teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra izy mandra-pahatongan’ny fotoana nanombohan’ny Fanjakany, tamin’ny 1914. Nanjaka teo amin’ny mpianany voahosotra anefa izy nandritra izany, ka nitarika ny asa fitoriana sy fampianarana nataon’izy ireo, sady nanomana azy ireo hiara-manjaka aminy.—Matio 24:14; 28:18-20; Lioka 22:28-30.

110:4—Inona no efa ‘nianianan’i Jehovah ka tsy hanenenany’? Nianiana izy fa ho lasa Mpanjaka sy Mpisoronabe i Jesosy Kristy, araka ny fifanekena nataony taminy.—Lioka 22:29.

113:3—Inona no hevitry ny hoe hoderaina “hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany” ny anaran’i Jehovah? Tsy fanompoana isan’andro ataon’ny olona vitsivitsy fotsiny izany. Ny hoe hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, dia midika hoe hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, izany hoe manerana ny tany. Toy izany koa ny fiderana an’i Jehovah, tokony hatao maneran-tany. Tsy vita izany raha tsy misy ezaka milamina tsara atao. Voninahitra lehibe ho antsika Vavolombelon’i Jehovah ny midera an’Andriamanitra, sy mitory amin-jotom-po ilay Fanjakana.

116:15—Zava-dehibe eo imason’i Jehovah ve “ny fahafatesan’ny olony masina”? Eny, satria tena sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony, ka tsy avelany ho faty avokoa. Raha avelany hitranga izany, dia toy ny hoe mahery kokoa noho izy ny fahavalony. Ireo mpanompony ireo koa no hiaina voalohany ao amin’ny tontolo vaovao.

119:71—Inona no mahatsara ny miaritra fahoriana? Vao mainka isika hianatra hitoky amin’i Jehovah sy hivavaka mafy aminy, ary hazoto hianatra sy hampihatra ny Teniny, rehefa miaritra zava-tsarotra. Hahita ny kileman-toetra tokony hialantsika koa isika, rehefa iharam-pahoriana. Tsy hahatezitra antsika ny fahoriana, raha avelantsika hanatsara ny toetrantsika.

119:96—Inona no dikan’ny hoe ‘manam-pahataperana ny tanteraka rehetra’? Miresaka momba ny fahalavorariana, araka ny fiheveran’ny olona azy, ilay mpanao salamo eto. Te hilaza angamba izy fa ny fomba fiheveran’ny olona ny atao hoe fahalavorariana mihitsy no voafetra. Tsy manam-petra kosa ny didin’Andriamanitra, fa azo ampiharina amin’ny lafim-piainana rehetra. “Misy fetra avokoa ny lavorary”, hoy ny Fandikan-teny Katolika, fa “ny didinao no tsy manam-petra.”

119:164—Inona no tiana hambara amin’ny hoe midera an’Andriamanitra “impito isan-andro”? Ilazana fahafenoana ny isa fito matetika. Te hilaza àry ilay mpanao salamo eo, fa mendrika ny fiderana rehetra i Jehovah.

Lesona ho antsika:

107:27-31. Ho ‘very saina’ ny olon-kendry eo amin’ity tontolo ity rehefa hamely i Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14, 16) Tsy ho afaka hiaro ny tenany tsy ho ringana izy ireo. Ireo mitady vonjy amin’i Jehovah ihany no ho velona mba ‘hidera azy, noho ny famindrampony.’

109:30, 31; 110:5. Ny tanana havanan’ny miaramila no mihazona ny sabatra. Matetika izy io no tsy voaron’ny ampinga, izay hazonina avy eo an-kavia. Toy ny hoe “eo an-kavanan’ny” mpanompony i Jehovah mba hiady ho azy ireo. Miaro sy manampy azy ireo izy. Antony tsara tokony ‘hiderana an’i Jehovah indrindra’ izany!

113:4-9. Avo indrindra i Jehovah ka tsy maintsy miondrika izy, na dia ‘hijery ny any an-danitra’ aza. Mangoraka ny madinika sy ny mahantra ary ny vehivavy momba anefa izy. Manetry tena i Jehovah ilay Tompo Fara Tampony, ary iriny hanahaka azy ny mpanompony.—Jakoba 4:6.

114:3-7. Nanao asa mahagaga ho an’ny olony i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena sy teo amin’ny Reniranon’i Jordana ary teo an-tendrombohitra Sinay. Tokony hisy vokany lalina eo amintsika ny fahafantarana izany. Tokony ‘hihorohoro’ eo anatrehan’ny Tompo ny olombelona, izay tondroin’ny hoe “tany.”

119:97-101. Miaro ny finoantsika ny fahazoana fahendrena sy fahalalinan-tsaina ary fahaiza-misaina avy amin’ny Tenin’Andriamanitra.

119:105. Fanilon’ny tongotsika ny Tenin’Andriamanitra, satria afaka manampy antsika hiatrika ny olana mahazo antsika. Manazava ny lalantsika koa izy io, satria milaza mialoha amintsika ny fikasan’Andriamanitra momba ny hoavy.

SAMBATRA NA DIA MIATRIKA ZAVA-TSAROTRA AZA

(Salamo 120:1–145:21)

Ahoana no ahavitantsika miatrika zava-tsarotra? Mazava ny valin’izany ao amin’ny Salamo 120 ka hatramin’ny 134. Hahavita hiatrika zava-tsarotra sy ho faly foana isika, raha mitady ny fanampian’i Jehovah. Nihira an’ireo Salamo ireo angamba ny Israelita, rehefa nankany Jerosalema mba hankalaza ny fety fanaony isan-taona. Izany no iantsoana azy io hoe Fihirana Fiakarana.

Mpanao izay sitrany i Jehovah, araka ny Salamo 135 sy 136. Mifanohitra tanteraka amin’ireo sampy tsy mahavonjy izy. Natao mba hisy tonony mifamaly ny hira ao amin’ny Salamo 136. Nohiraina mba hamaliana ny ampahany voalohany mantsy ny ampahany faharoa amin’ny andininy tsirairay. Ilay Salamo manaraka dia miresaka ny alahelon’ireo Jiosy tany Babylona, izay naniry hivavaka tamin’i Jehovah tany Ziona. I Davida no nanoratra ny Salamo 138 ka hatramin’ny 145. Naniry ‘hidera an’i Jehovah tamin’ny fony rehetra izy.’ Nahoana? Hoy izy: “Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy.” (Salamo 138:1; 139:14) Mivavaka i Davida ao amin’ny Salamo 140 ka hatramin’ny 144, mba ho voaro amin’ny olon-dratsy, hahazo fananarana tsara, ho afaka amin’ny mpanenjika, ary hahazo tari-dalana ara-pitondran-tena. Nasongadiny fa sambatra ny olon’i Jehovah. (Salamo 144:15) Hoy i Davida rehefa avy nandinika ny fahalehibeazan’i Jehovah sy ny fahatsarany: “Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako; ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.”—Salamo 145:21.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

122:3—Nahoana i Jerosalema no lazaina fa tanàna “voalamina tsara”? Mazàna no naorina nifanakaiky ny trano tao amin’ny tanàna fahiny, anisan’izany ny tao Jerosalema. Nifanety tsara ireo trano tao amin’ilay tanàna, ka mora narovana. Afaka nanantena koa ireo mpiray tanàna fa hifanampy sy hifampiaro. Toa mampiseho izany fa niray saina ireo foko 12 teo amin’ny Israely, rehefa tonga tao mba hiara-mivavaka.

123:2—Inona no hevitra tiana hampitaina amin’io andininy io? ‘Mijery ny tanan’ny’ tompony ireo mpanompo resahina eo, mba hamantarana izay tadiaviny. ‘Mijery’ na mitodika any koa izy ireo, mba hahazoana fiarovana sy ny zavatra ilaina. Toy izany koa fa mitodika any amin’i Jehovah isika, mba hamantarana ny sitrapony sy hahazoana sitraka aminy.

131:1-3—Ahoana no ‘nampionona[n’i Davida] sy nampanginany ny fanahiny, tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny’? Mampionon-tena amin’ny tambitambin-dreniny mitrotro azy ny zaza efa misara-nono. Nianatra nangina sy nampionon-tena koa i Davida, “tahaka ny zaza efa maoty [na efa misara-nono] eo amin-dreniny.” Tsy nirehareha na niandranandrana izy, ary tsy nitady zavatra ambony loatra ho azy. Tsy nitady laza izy, fa matetika no nanetry tena sy niaiky fa voafetra ny zava-bitany. Hendry isika raha manahaka azy, indrindra rehefa miezaka hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana.

Lesona ho antsika:

120:1, 2, 6, 7. Tena mety hampalahelo ny hafa ny endrikendrika sy teny maneso. Asehontsika fa tia “fihavanana” isika, raha mandinika tsara foana izay lazaintsika.

120:3, 4. Raha tsy maintsy miaritra ny “lela mamitaka” ananan’ny olona iray isika, dia hampionona antsika ny mahalala fa handamina izany amin’ny fotoana mety aminy i Jehovah. Hiharan-doza eo an-tanan’ny “mahery” ny mpanendrikendrika. Azo antoka fa hihatra amin’izy ireo ny didim-pitsarana mivaivay avy amin’i Jehovah. Ny didim-pitsarany mantsy no mifanitsy amin’ilay hoe “vain’afon’anjavidy.”

127:1, 2. Tokony hitady ny tari-dalan’i Jehovah isika, amin’izay ezaka rehetra ataontsika.

133:1-3. Mampitony sy mahasoa ary mamelombelona ny firaisan-tsainan’ny vahoakan’i Jehovah. Tsy tokony hosimbantsika amin’ny toe-tsaina tia manakiana, na tia mifamaly na mitaraina lava izany.

137:1, 5, 6. Niraiki-po tamin’i Ziona, izay mifanitsy amin’ny fandaminan’Andriamanitra, ireo mpivavaka tamin’i Jehovah tany an-tsesitany. Ary isika? Miraiki-po amin’ilay fandaminana ampiasain’i Jehovah ankehitriny koa ve isika?

138:2. ‘Manome voninahitra ny teniny ho ambonin’ny anarana rehetra’ i Jehovah. Midika izany fa hihoatra lavitra noho izay mety ho antenaintsika ny fahatanterahan’ny fampanantenana rehetra nomeny tamin’ny anarany. Fanantenana faran’izay tsara tokoa no mivelatra eo anoloantsika.

139:1-6, 15, 16. Fantatr’i Jehovah ny asantsika sy ny eritreritsika ary izay teny holazaintsika, na dia alohan’ny hitenenantsika aza. Fantany isika raha vao niforona tao an-kibo, izany hoe talohan’ny nahitana ny faritra tsirairay amin’ny vatantsika. ‘Mahagaga loatra’ ny fahalalan’Andriamanitra antsika isam-batan’olona, ka tsy ho takatsika. Mahita ny zava-tsarotra mahazo antsika i Jehovah, sady mahalala ny vokatr’izany eo amintsika. Tena mampionona ny mahafantatra izany!

139:7-12. Tsy misy toerana mety halehantsika ka hoe lavitra loatra amin’Andriamanitra, sy tsy hahafahany hampahery antsika.

139:17, 18. Lasa mahafinaritra antsika ve ny fahalalana an’i Jehovah? (Ohabolana 2:10) Hanana antony hifaliana foana isika raha izany. “Maro isa lavitra noho ny fasika” ny hevitr’i Jehovah. Mbola ho maro foana ny zavatra ianarana momba azy.

139:23, 24. Mety hisy lalana mampahory ao anatintsika, izany hoe eritreritra sy faniriana ary antony manosika ratsy. Tokony hirintsika àry ny handinihan’i Jehovah antsika, sy ny hanampiany antsika hanaisotra izany.

143:4-7. Ahoana no hiaretantsika fahoriana mafy? Izao no valin-teny omen’ny mpanao salamo: Eritrereto sy saintsaino ny asan’i Jehovah, ary mivavaha mba hanampiany anao.

Miderà an’i Jah!

Mifarana amin’ny teny fiderana an’i Jehovah ny tsirairay amin’ny fizarana efatra voalohany amin’ny Salamo. (Salamo 41:13; 72:19, 20; 89:52; 106:48) Toy izany koa ny fizarana farany. Hoy ny Salamo 150:6: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia.” Ho tanteraka tokoa izany ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra.

Manana antony maro anomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy iderana ny anarany isika, eo am-piandrasana izany fotoana mahafaly izany. Sambatra isika satria mahafantatra an’i Jehovah sy mifandray tsara aminy. Tsy mandrisika ny fontsika hidera azy ve ny fisaintsainana an’izany?

[Sary, pejy 15]

Mahatalanjona ny asa mahagaga nataon’i Jehovah

[Sary, pejy 16]

“Maro isa lavitra noho ny fasika” ny hevitr’i Jehovah