Inona no Soa Entin’ny Fivavahana?
Inona no Soa Entin’ny Fivavahana?
“AFAKA ny ho olona tsara aho, na dia tsy mpivavaka aza!” Maro no mieritreritra toy izany. Olona maro manao ny marina sy be fiantrana ary mendri-pitokisana, no tsy liana amin’ny fivavahana. Vitsy amin’ny mponina any Eoropa Andrefana, ohatra, no mandeha miangona tsy tapaka, na dia milaza ho mino an’Andriamanitra aza ny ankamaroany. * Na any Amerika Latinina aza, dia ny ampahadimin’ny Katolika eo ho eo ihany no miangona tsy tapaka.
Mihevitra angamba ianao fa tsy manatsara ny fiainan’ny olona ny fivavahana, ary maro no miombon-kevitra aminao. Mety ho fantatrao koa anefa fa tia nivavaka kokoa noho ny amin’izao andro izao ny olona, taona maro lasa izay, tamin’ny andron’ny raibe sy renibenao. Nahoana àry no lasa tsy miraika firy amin’ny fivavahana ny olona? Afaka ny ho olona tsara tokoa ve isika, na dia tsy mpivavaka aza? Misy fivavahana afaka mitondra soa ho anao ve?
Nahoana no maro no lasa tsy tia fivavahana?
Nandritra ny taonjato maro, ny ankamaroan’ny olona milaza ho Kristianina dia nino fa takin’Andriamanitra ny hankatoavana azy. Naniry hahazo sitraka taminy izy ireo ka nandeha niangona, ary nanaraka ireo fombafomba na tari-dalan’ny pretra na ny pasitera. Marina fa maro no nahatsikaritra hoe nisy fihatsarambelatsihy tao amin’ny fivavahana. Fanta-bahoaka ny fandraisany anjara tamin’ny ady. Tsy niafina tamin’izy ireo koa fa naloto fitondran-tena ny mpitondra fivavahana sasany. Na izany aza, dia nino ny ankamaroan’ny olona fa tsara ny fivavahana. Nahasarika ny sasany ny zava-miafina tafiditra amin’ilay izy, sy ireo fombafomba isan-karazany ary ny mozika. Nahatonga ny hafa hafana fo mihitsy aza ilay fampitahorana hoe hisy olona hijaly mandrakizay any amin’ny helo, izay fampianarana tsy hita ao amin’ny Soratra Masina. Niova anefa ny fomba fijerin’ny olona maro ny fivavahana, noho ny zava-nitranga tatỳ aoriana.
Maro no nanjary nino fa kisendrasendra no nampisy ny zavamiaina rehetra, fa tsy noforonin’Andriamanitra. Tsy vitan’ny ankamaroan’ny fivavahana ny nanome porofo mampiaiky fa Andriamanitra no Loharanon’ny aina. (Salamo 36:9) Ankoatra izany, rehefa nandroso ny teknolojia, ka nivoatra ny fitsaboana sy ny fitaterana ary ny fifandraisan-davitra, dia nihevitra ny olona fa afaka mamaha ny olana rehetra ny siansa. Noheverina koa fa tsara kokoa noho ny tari-dalana omen’ny fivavahana, ny tari-dalana omen’ny manam-pahaizana momba ny saina sy ny fiaraha-monina. Tetsy an-danin’izany, ireo fivavahana dia tsy afaka nanaporofo mazava tsara, fa ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra no fomba fiaina tsara indrindra.—Jakoba 1:25.
Inona no nataon’ny fivavahana ho setrin’izany? Maro no nanova ny hafatra nampitainy. Tsy nampianatra intsony ny pretra sy ny pasitera hoe mitaky fankatoavana Andriamanitra. Maro tamin’izy ireny kosa no nampianatra, fa ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy. Naniry ho mamy hoditra tamin’ny vahoaka ny sasany, ka nilaza fa ankasitrahan’Andriamanitra foana isika, na manao ahoana na manao ahoana fitondran-tenantsika. Mampahatsiahy an’ireto teny ao amin’ny Baiboly ireto izany: “Ho avy ... ny 2 Timoty 4:3.
fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.”—Tsy nahasarika olona ireny fampianarana ireny, fa vao mainka nahatonga azy tsy hiangona intsony. Rariny raha nanontany tena izy ireo hoe: ‘Inona moa no hankanesako any am-piangonana? Ny mpitondra fivavahana aza tsy mino akory hoe manana hery hamoronana an’izao rehetra izao Andriamanitra! Tsy vitan’izany fa mbola misalasala izy ireo raha manana fahendrena hamoahana lalàna izy! Nahoana aho no hisahirana hampita amin’ny zanako ny fampianaran’ny fiangonako?’ Ireo olona nihevitra fa ampy ny manana fomba fiaina tsara, dia nanjary nino koa fa tsy ilaina ny fivavahana. Tsy niangona intsony izy ireo, ary nanjary tsy zava-dehibe taminy intsony ny fivavahana. Nahoana ny zavatra iray tokony hahasoa no noheverin’ny olona fa tsy misy ilana azy? Manome fanazavana marim-pototra momba izany ny Baiboly.
Ampiasaina mba hanaovan-dratsy ny fivavahana
Nampitandrina ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly, fa hisy olona hampiasa ny Fivavahana Kristianina mba hanaovan-dratsy. Hoy izy: “Hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asan’ny Apostoly 20:29, 30) Anisan’ireo olona ‘nanolana hevi-teny’ ireo ilay teolojianina katolika atao hoe Augustin. Nampianatra ny mpianany i Jesosy, fa mila mampisaintsaina ny olona amin’ny alalan’ny Soratra Masina izy ireo, raha te handresy lahatra azy ireny. Naolan’i Augustin kosa anefa ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 14:23 hoe “tereo ho tonga ny olona.” Nolazainy fa, araka an’io andinin-teny io, dia azo atao ny mampiasa herisetra mba hahatonga ny olona hiova finoana. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 28:23, 24) Nataon’i Augustin fitaovana hifehezana olona ny fivavahana.
Ilay anjely nikomy atao hoe Satana no nahatonga ny olona hampiasa ny fivavahana amin’ny fomba ratsy sy hampiditra hevi-diso ao amin’izy io. Izy no nampirisika ny mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato voalohany, mba hampianatra hevi-diso eo anivon’ny fiangonana kristianina. Hoy ny Baiboly momba ireny lehilahy ireny: “Apostoly sandoka ireny, mpiasa mamitaka, ka miseho ho toy ny apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany fa i Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe àry raha miseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony.”—2 Korintianina 11:13-15.
Misy fivavahana mihambo ho Kristianina sy ho madio fitondran-tena ary ho mpanome fahazavana ara-panahy. Mbola mampiasa an’ireny fivavahana ireny i Satana ankehitriny, mba hahatonga ny olona hanaraka ny fitsipiny, fa tsy ny an’Andriamanitra. (Lioka 4:5-7) Voamarikao angamba fa mpitondra fivavahana maro ankehitriny no mampiasa ny fivavahana, mba hanandratana ny tenany sy hahazoany anaram-boninahitra mipoapoaka, ary mba hahazoany vola avy amin’ny mpiangona. Mampiasa ny fivavahana koa ny fitondram-panjakana sasany, mba hampirisihana ny olom-pirenena hanao vy very ny ainy amin’ny ady.
Betsaka kokoa noho ny eritreretin’ny ankamaroan’ny olona ny fomba ampiasan’ny Devoly ny fivavahana. Mety hihevitra ianao fa tsy mampiasa afa-tsy mpivavaka vitsivitsy mahery fihetsika i Satana Devoly. Lazain’ny Baiboly Apokalypsy 12:9; 1 Jaona 5:19) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fivavahana, izay hararaotin’ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana, mba hitaomana ny olona hanaraka azy ireo fotsiny?
anefa fa “mamitaka ny tany rehetra misy mponina” izy. Voalaza ao koa fa ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (‘Tsy misy dikany amiko ireny’
Manafintohina anao ve ny ataon’ny fivavahana sasany izay mitonona ho Kristianina? Fantaro fa tena tsy faly amin’izy ireny koa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Mihambo ho nanao fifanekena tamin’Andriamanitra izy ireny, toy ny nataon’ny Israely fahiny. Samy nivadika anefa izy ireo. Koa satria nanameloka ny Israely fahiny i Jehovah, dia azo inoana fa manameloka ireo fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana koa izy ankehitriny. Hoy i Jehovah: “Tsy nihaino ny teniko izy ireo ary nanda ny lalàko. Tsy misy dikany amiko izay emboka manitra avy any Sabà ... Tsy mampifaly ahy ny sorona ataonareo.” (Jeremia 6:19, 20, Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena) Tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoan’ireo mpihatsaravelatsihy. Tsy nahaliana azy koa ny fombafomba sy ny vavaka nataon’izy ireo. Hoy izy tamin’ny Israely: “Ny fotoam-pivavahanareo dia halan’ny fanahiko, mavesatra amiko izany, ka sasatra mitondra azy Aho. Raha mananty tànana hianareo, dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho.”—Isaia 1:14, 15.
Mahafaly an’i Jehovah ve ireo fety lazain’ny fivavahana fa fety kristianina, nefa fety nanomezam-boninahitra andriamani-diso no niandohan’ilay izy? Moa ve izy mihaino ny vavak’ireo mpitondra fivavahana, izay manova ny fampianaran’i Kristy? Ekeny ve ny fivavahana tsy mety manaraka ny lalàny? Afaka mahazo antoka ianao, fa toy ny niheveran’Andriamanitra ny sorona nataon’ny Israely fahiny ihany no iheverany ireo fombafomba ataon’ny fivavahana ankehitriny. ‘Tsy misy dikany aminy ireny.’
Tena misy dikany amin’i Jehovah anefa ny fanompoana ataon’ny olona tso-po, rehefa mifanaraka amin’ny fahamarinana izany. Faly izy rehefa misy olona maneho fankasitrahana noho izay rehetra omeny. (Malakia 3:16, 17) Afaka ny ho olona tsara àry ve ianao, nefa tsy mpivavaka? Tsy azo heverina ho tsara ny olona iray, raha tsy manao na inona na inona ho an’ny ray aman-dreniny be fitiavana. Azo lazaina ho olona tsara ve izay tsy manao na inona na inona ho an’Andriamanitra? Aoka àry isika hazoto hanao zavatra ho an’Andriamanitra, ilay loharanon’ny aina. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, fa sady manome voninahitra an’Andriamanitra ny fivavahana marina no mahasoa antsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 ‘Nihena ny fitiavam-pivavahana tany amin’ny tany maro, nanomboka tamin’ny 1960.’—Ny Fihenan’ny Herin’ny Fivavahana Kristianina Tany Eoropa Andrefana, 1750-2000 (anglisy).
[Sary, pejy 4]
Moa ve ireo fivavahana manasongadina ny porofo fa Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra?
[Sary, pejy 4, 5]
Tokony ho anisan’ireo olona ireo ve ny solontenan’Andriamanitra?
[Sary, pejy 5]
Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny karazana fety toy izao?
[Sary nahazoan-dalana]
AP Photo/Georgy Abdaladze