Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Noho ny Zazalahy Iray Sivy Taona”

“Noho ny Zazalahy Iray Sivy Taona”

“Noho ny Zazalahy Iray Sivy Taona”

ISAKY ny tonga tao amin’i Wiesława ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisaotra azy ireo tamim-pahalalam-pomba fotsiny izy, fa tsy nety niresaka tamin’izy ireo. Any atsimon’i Polonina no misy an’io vehivavy io. Tonga nitsidika azy anefa i Samuel, sivy taona, sy ny reniny, indray andro. Vonona hihaino ny hafatra nentin’izy mianaka i Wiesława tamin’io, ary nandray gazety momba ny paradisa an-tany.

Efa nanakaiky ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ka naniry hanasa an’i Wiesława hanatrika an’io fotoan-dehibe io i Samuel. Nitsidika azy indray izy sy ny reniny sady nitondra taratasy fanasana. Nahita an’ilay zazalahy nanao fitafiana tsara i Wiesława ka niangavy azy ireo mba hisolo akanjo vetivety. Nihaino an’i Samuel izy nony tafaverina. Nekeny ilay fanasana, ary nanontany izy hoe: “Izaho irery ve no tokony ho any sa izahay mivady?” Hoy koa izy: “Ho avy aho na dia tsy ho afaka aza ny vadiko. Noho ianao ry Samuel no hanaovako izany.” Faly be i Samuel satria tonga tokoa i Wiesława.

Nipetraka teo akaikiny i Samuel nandritra ny lahatenin’ny Fahatsiarovana, ary nampiseho azy an’ireo andinin-teny nohazavaina. Tsy nampoiziny izany. Nahafinaritra azy ilay Fahatsiarovana. Faly izy satria hevi-dalina no nodinihina tao, nefa nohazavaina tamin’ny fomba tsotra. Tsara fanahy taminy koa ny fiangonana ka nanohina ny fony izany. Nanomboka teo dia nanjary liana tamin’ny Baiboly i Wiesława, ary lasa nifanerasera tsy tapaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy vao haingana: “Menatra aho satria tsy nety nihaino anareo taloha. Tsoriko anefa fa matoa aho nihaino ny hafatra nentinareo, dia noho ny zazalahy iray sivy taona, dia i Samuel.”

Maro ny tanora Vavolombelona, toa an’i Samuel avy any Polonina, no midera an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana sy ny fitondran-tena tsara. Raha tanora ianao, dia ho azonao atao koa ny hanampy olona tso-po haniry hianatra Baiboly.