Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Hanatonana Ilay “Mpihaino Vavaka”

Ny Fomba Hanatonana Ilay “Mpihaino Vavaka”

Ny Fomba Hanatonana Ilay “Mpihaino Vavaka”

“Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.”—SALAMO 65:2.

1. Inona no mampiavaka ny olombelona amin’ny zavaboary hafa eto an-tany, ary inona no tombontsoa ananantsika vokatr’izany?

AMIN’IREO karazan-javamananaina an’arivony eto an-tany, dia ny olombelona ihany no afaka mivavaka amin’ny Mpamorona. Izy ireo ihany no mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, sy maniry hanao zavatra mba hanatonana azy. Noho izany, dia manana tombontsoa faran’izay tsara isika, satria afaka mifandray akaiky amin’ilay Raintsika any an-danitra.

2. Nanao ahoana ny fifandraisan’ny olombelona tamin’ny Mpamorona, rehefa nanota izy ireo?

2 Noforonin’Andriamanitra mba ho afaka hanatona azy, na hifandray aminy ny olombelona. Tsy nisy fahotana tao amin’i Adama sy Eva tamin’izy namorona azy ireo. Noho izany, dia afaka niresaka malalaka tamin’Andriamanitra izy ireo, toy ny ankizy miresaka amin’ny rainy. Very anefa izany tombontsoa faran’izay tsara izany, rehefa nanota izy ireo. Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva, ka tsy afaka nifandray akaiky taminy intsony. (Genesisy 3:8-13, 17-24) Midika anefa ve izany fa tsy afaka mifandray amin’Andriamanitra intsony ireo olona tsy lavorary taranak’i Adama? Tsia. Mbola avelan’i Jehovah hanatona azy izy ireo, raha mahafeno fepetra sasany. Inona avy izany?

Fepetra mba hanatonana an’Andriamanitra

3. Inona no takina amin’ny olona mpanota mba hahafahany hanatona an’Andriamanitra, ary inona no ohatra manaporofo izany?

3 Hijery ny tantaran’ny zanak’i Adama mirahalahy isika, mba hahitana hoe inona no takin’Andriamanitra amin’ny olona tsy lavorary izay maniry hanatona azy. Samy niezaka nifandray tamin’Andriamanitra i Kaina sy Abela, ka nanao fanatitra ho azy. Neken’Andriamanitra ny fanatitr’i Abela, fa tsy nekeny kosa ny an’i Kaina. (Genesisy 4:3-5) Nahoana? Hoy ny Hebreo 11:4: “Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina. Noho ny finoany no nanambarana azy ho marina.” Mazava araka izany, fa mila manana finoana ny olona te hanatona an’Andriamanitra. Misy fepetra hafa koa hitantsika amin’ireto tenin’i Jehovah tamin’i Kaina ireto: “Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va?” Midika izany fa ho neken’Andriamanitra hifandray taminy i Kaina, raha niova ka nanao ny tsara. Tsy nanaraka ny torohevitr’Andriamanitra anefa i Kaina, fa namono an’i Abela, ka nosarahina tamin’ny fiaraha-monina tamin’ny farany. (Genesisy 4:7-12) Nantitranterina hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona àry, fa ilaina ny finoana sy ny asa tsara mba hanatonana an’Andriamanitra.

4. Inona no tokony hekentsika, raha te hanatona an’Andriamanitra isika?

4 Raha te hanatona an’Andriamanitra isika dia mila miaiky fa mpanota. Mpanota ny olon-drehetra, ary sakana tsy ahafahana manatona an’Andriamanitra ny ota. Hoy i Jeremia mpaminany momba ny Israely: “Izahay efa nanota ... Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.” (Fitomaniana 3:42, 44) Na izany aza anefa, dia hita nandritra ny tantaran’ny olombelona, fa neken’Andriamanitra ny vavaky ny olona nanam-pinoana sy nanana toe-po tsara ary nitandrina ny didiny. (Salamo 119:145) Iza ny sasany amin’ireo olona ireo, ary inona no ianarantsika avy amin’ny vavaka nataony?

5, 6. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nanatonan’i Abrahama an’Andriamanitra?

5 Anisan’ireo olona ireo i Abrahama. Navelan’Andriamanitra hifandray taminy izy, matoa nantsoiny hoe “sakaizako.” (Isaia 41:8) Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nanatonan’i Abrahama an’Andriamanitra? Nanontany an’i Jehovah toy izao momba izay handova azy io lehilahy nahatoky io: “Inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka”? (Genesisy 15:2, 3; 17:18) Niahy an’ireo olona tokony hovonjena tao Sodoma sy Gomora koa i Abrahama, ary noresahiny tamin’Andriamanitra izany, talohan’ny nandringanana an’ireo tanàna feno olon-dratsy ireo. (Genesisy 18:23-33) Ankoatra izany, dia nivavaka ho an’olon-kafa i Abrahama. (Genesisy 20:7, 17) Ary nanao fanatitra toy ny nataon’i Abela izy indraindray, mba hanatonana an’i Jehovah.—Genesisy 22:9-14.

6 Tsy nisalasala nilaza ny heviny tamin’i Jehovah i Abrahama, tamin’ireo vavaka rehetra ireo. Na izany aza anefa dia nanetry tena izy, ary nahatsiaro ho bitika teo anatrehan’ny Mpamorona. Mariho ireto teniny feno fanajana ireto, ao amin’ny Genesisy 18:27: “Efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona.” Toe-tsaina fakan-tahaka tokoa izany!

7. Inona avy no noresahin’ireo lehilahy fahiny tamin’i Jehovah, rehefa nivavaka izy ireo?

7 Nisy lehilahy hafa fahiny nivavaka momba ny zavatra maro isan-karazany, ary nihaino azy ireo i Jehovah. Nanao voady i Jakoba tamin’ny vavaka iray nataony. Nianiana toy izao izy, rehefa avy nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra: “Izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.” (Genesisy 28:20-22) Tatỳ aoriana, rehefa hihaona tamin’ny rahalahiny i Jakoba, dia nitalaho fiarovana tamin’i Jehovah, ka niteny hoe: “Vonjeo aho amin’ny tànan’ny rahalahiko, dia amin’ny tànan’i Esao; fa matahotra azy aho.” (Genesisy 32:10-13) Nivavaka ho an’ny fianakaviany i Joba, ary nisolo tena azy ireo tamin’ny fanaovana fanatitra ho an’i Jehovah. Nivavaka ho an’ireo namany telo lahy koa i Joba, rehefa nanota tamin’ny teny nataony izy ireo, ary “Jehovah dia nankasitraka an’i Joba.” (Joba 1:5; 42:7-9) Hitantsika avy amin’ireo fitantarana ireo hoe inona avy no azontsika resahina, rehefa mivavaka amin’i Jehovah isika. Hitantsika amin’izany koa, fa vonona hanaiky ny vavaka ataontsika i Jehovah, rehefa mifanaraka amin’ny atorony ny fomba anatonantsika azy.

Fandaharana teo ambany fifaneken’ny Lalàna

8. Teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna, ahoana no natao rehefa nisy raharaha nahakasika ny vahoaka, ka nila noresahina tamin’i Jehovah?

8 Nanao ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny firenen’ny Israely i Jehovah, taorian’ny nanafahany azy ireo tany Ejipta. Voalaza tao amin’ny Lalàna ny fomba anatonana an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo mpisorona voatendry. Nisy Levita notendrena hanao ny asan’ny mpisorona, ho an’ny vahoaka. Solontena iray, izay mety ho Mpanjaka na mpaminany, no nivavaka tamin’i Jehovah momba izay raharaha nipoitra nahakasika ny firenena. Mpanjaka na mpaminany io solontena io indraindray. (1 Samoela 8:21, 22; 14:36-41; Jeremia 42:1-3) Nivavaka tamin’ny fo manontolo tamin’i Jehovah, ohatra, i Solomona Mpanjaka, nandritra ny fitokanana ny tempoly. Nasehon’i Jehovah fa nanaiky ny vavak’i Solomona izy, rehefa nofenoiny ny voninahiny ny tempoly, ary hoy izy: “Ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin’ity fitoerana ity.”—2 Tantara 6:12–7:3, 15.

9. Inona no tsy maintsy natao, mba haneken’i Jehovah ny hanatonana azy tao amin’ny fitoerana masina?

9 Tsy maintsy narahina ny fitsipika iray nomen’i Jehovah tao amin’ny Lalàna ho an’ny Israely, mba hanekeny ny hanatonana azy tao amin’ny toerana masina. Inona io fitsipika io? Tsy maintsy nandoro emboka manitra teo anatrehan’i Jehovah ny mpisoronabe isa-maraina sy isan-kariva, ankoatra ny fanaovana fanatitra biby. Nanao izany koa ireo mpisorona lefitra tatỳ aoriana, afa-tsy tamin’ny Andro Fanavotana. Tsy nankasitraka ny fanompoan’ny mpisorona i Jehovah, raha tsy nanaraka izany fomba fanehoam-panajana izany izy ireo.—Eksodosy 30:7, 8; 2 Tantara 13:11.

10, 11. Inona no manaporofo fa neken’i Jehovah ny vavaky ny isam-batan’olona?

10 Tsy afaka nanatona an’Andriamanitra ve ny olona teo amin’ny Israely fahiny, raha tsy tamin’ny alalan’ireo solontena voatendry? Tsia. Asehon’ny Soratra Masina fa faly i Jehovah nanaiky ny vavaka nataon’ny isam-batan’olona. Nitalaho toy izao tamin’i Jehovah i Solomona, tao amin’ny vavaka nataony nandritra ny fitokanana ny tempoly: “Izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’olona, na ny Isiraely olonao rehetra, ... ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy,— dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao.” (2 Tantara 6:29, 30) Voalaza ao amin’ny filazantsaran’i Lioka koa fa nisy olona maro be tsy mpisorona ‘nivavaka teo ivelan’ny toerana masina’, rehefa nanolotra emboka manitra tao i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao Batisa. Toa lasa fanaon’ny olona ny nivory mba hivavaka teny ivelan’ny toerana masina, nandritra ny fotoana nanolorana emboka manitra ho an’i Jehovah teo amin’ny alitara volamena.—Lioka 1:8-10.

11 Porofoin’izany fa faly i Jehovah nanaiky ny fangatahan’ny solontenan’ny firenena sy ny fangatahan’ny isam-batan’olona, rehefa nifanaraka tamin’ny natorony ny fomba nanatonan’izy ireo azy. Tsy eo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna intsony anefa isika ankehitriny. Na izany aza, dia mandray lesona sarobidy momba ny vavaka isika, rehefa mandinika ny fomba nanatonan’ny Israelita an’Andriamanitra.

Fandaharana ho an’ny Kristianina

12. Inona no fandaharana natao ho an’ny Kristianina, mba hanatonany an’i Jehovah?

12 Manaraka ny fandaharana ho an’ny Kristianina isika ankehitriny. Tsy misy intsony ny tempoly hita maso ahitana mpisorona misolo tena ny vahoakan’Andriamanitra, na tempoly itodihana rehefa mivavaka. Mbola misy fandaharana ataon’i Jehovah anefa mba hanatonantsika azy. Inona izany? Ny tempoly ara-panahy, izay nanomboka nisy tamin’ny taona 29, rehefa voahosotry ny fanahy i Kristy ary voatendry ho Mpisoronabe. * Io tempoly ara-panahy io no fandaharana vaovao natao hanatonana an’i Jehovah sy hanompoana azy, miorina amin’ny sorona fampihavanana nataon’i Jesosy Kristy.—Hebreo 9:11, 12.

13. Inona no zavatra natao tao amin’ny tempoly tao Jerosalema, ka mifanitsy amin’ny vavaka ao amin’ilay tempoly ara-panahy?

13 Lafiny maro tamin’ilay tempoly tao Jerosalema no maneho ireo lafiny samihafa amin’ilay tempoly ara-panahy. Anisan’izany ireo lafiny mifanitsy amin’ny vavaka. (Hebreo 9:1-10) Inona, ohatra, no mifanitsy amin’ilay emboka manitra, izay natolotra marain-tsy hariva teo ambonin’ny alitara fandoroana emboka manitra, tao amin’ny Efitra Masina? Milaza ny bokin’ny Apokalypsy hoe: “Tsy inona ilay emboka manitra fa ny vavaka ataon’ny olona masina.” (Apokalypsy 5:8; 8:3, 4) Nanoratra toy izao i Davida, rehefa nahazo herin’ny fanahy masina: “Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo [na emboka] manitra ny fivavako.” (Salamo 141:2) Ny vavaka sy ny fiderana ankasitrahan’i Jehovah àry no mifanitsy amin’ny emboka manitra, ao amin’ilay fandaharana ho an’ny Kristianina.—1 Tesalonianina 3:10.

14, 15. a) Inona no tombontsoan’ny voahosotra, izay mahatonga azy ho afaka hanatona an’i Jehovah? b) Inona no tombontsoa ananan’ny “ondry hafa”, ka mahatonga azy ireo koa ho afaka hanatona an’i Jehovah?

14 Iza no afaka manatona an’Andriamanitra ao amin’io tempoly ara-panahy io? Tao amin’ilay tempoly hita maso, dia samy nanana tombontsoa hanompo tao amin’ny kianja anatiny ny mpisorona sy ny Levita, saingy ny mpisorona ihany no nahazo niditra tao amin’ny Efitra Masina. Ny Kristianina voahosotra manantena ho any an-danitra koa, dia manana tombontsoa ara-panahy maningana, izay mifanitsy amin’ilay kianja anatiny sy ny Efitra Masina. Izany tombontsoa izany no ahafahan’izy ireo mivavaka sy midera an’Andriamanitra.

15 Ahoana kosa ny amin’ireo “ondry hafa” manantena hiaina eto an-tany? (Jaona 10:16) Nilaza i Isaia mpaminany fa ho tonga mba hanompo an’i Jehovah ny olona avy amin’ny firenena maro, “any am-parany.” (Isaia 2:2, 3) Nilaza koa izy fa hanatona an’i Jehovah ny olona “hafa firenena.” Vonona hanaiky ny hanatonan’izy ireo azy i Jehovah, ka niteny hoe: “Hampifaliko ao an-tranoko fivavahana [izy ireo].” (Isaia 56:6, 7) Ahitana tsipiriany hafa ao amin’ny Apokalypsy 7:9-15. Voalaza ao fa misy “vahoaka be” avy amin’ny ‘firenena rehetra’ mijoro eo amin’ny kianja ivelany amin’ny tempoly ara-panahy, ary tafavory mba hanompo an’Andriamanitra sy hivavaka aminy “andro aman’alina.” Hita amin’izany fa afaka manatona amin-kalalahana an’Andriamanitra ny mpanompony rehetra, sady matoky tanteraka fa hohenoiny. Mampahery tokoa izany!

Vavaka manao ahoana no henoin’Andriamanitra?

16. Inona no ianarantsika avy amin’ny vavaka nataon’ny Kristianina voalohany?

16 Tia nivavaka ny Kristianina voalohany. Inona no nolazain’izy ireo tao amin’ny vavaka nataony? Nangataka tari-dalana tamin’Andriamanitra ny anti-panahy, rehefa nifidy lehilahy homena andraikitra. (Asan’ny Apostoly 1:24, 25; 6:5, 6) Nivavaka ho an’ny mpiray finoana taminy i Epafra. (Kolosianina 4:12) Nivavaka ho an’i Petera ny Kristianina anisan’ny fiangonana tao Jerosalema, tamin’izy voafonja. (Asan’ny Apostoly 12:5) Nangataka fahasahiana tamin’Andriamanitra ny Kristianina voalohany, rehefa nisy fanoherana. Hoy izy ireo: “Jehovah ô, henoy ny fandrahonany, ary ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana.” (Asan’ny Apostoly 4:23-30) Nampirisika ny Kristianina i Jakoba, mpianatr’i Jesosy, mba hangataka fahendrena amin’Andriamanitra, rehefa tojo fitsapana. (Jakoba 1:5) Ampidirinao ao amin’ny vavaka ataonao amin’i Jehovah koa ve ny zavatra toy ireo?

17. Ny vavaka ataon’ny olona manao ahoana no henoin’i Jehovah?

17 Tsy ny vavaka rehetra no henoin’Andriamanitra. Ahoana àry no tokony hivavahantsika aminy, mba ho azo antoka fa hihaino antsika izy? Nanatona an’Andriamanitra tamim-pahatsorana, sady nanana toe-po tsara ireo olo-nahatoky fahiny izay nohenoiny. Naneho finoana koa izy ireo, ary nanaporofo izany tamin’ny fanaovana asa tsara. Afaka matoky àry isika fa hihaino antsika i Jehovah, raha manahaka an’ireo olona ireo isika rehefa manatona azy.

18. Inona no fepetra tsy maintsy arahin’ny Kristianina mba hihainoana ny vavaka ataony?

18 Mbola misy fepetra hafa anefa. Hoy ny apostoly Paoly, rehefa nanazava izany: “Amin’ny alalany no ahafahantsika ... manatona ny Ray amin’ny fanahy iray ihany.” Iza no tian’i Paoly horesahina, rehefa nilaza izy hoe “amin’ny alalany”? I Jesosy Kristy. (Efesianina 2:13, 18) Amin’ny alalan’i Jesosy ihany àry no ahafahantsika manatona ny Ray amin-kalalahana.—Jaona 14:6; 15:16; 16:23, 24.

19. a) Nahoana no naharikoriko an’i Jehovah indraindray ny emboka manitra natolotry ny Israelita? b) Inona no tokony hataontsika mba ho azo antoka, fa ho toy ny emboka manitra amin’i Jehovah ny vavaka ataontsika?

19 Hitantsika teo aloha fa ny emboka manitra natolotry ny mpisorona israelita, dia mifanitsy amin’ny vavaka ankasitrahan’Andriamanitra ataon’ny mpanompony mahatoky. Naharikoriko an’i Jehovah anefa indraindray ny emboka manitra natolotry ny Israelita. Izany, ohatra, no nitranga, rehefa nandoro emboka manitra tao amin’ny tempoly izy ireo, sady niankohoka tamin’ny sampy. (Ezekiela 8:10, 11) Toy ny fofona maharikoriko an’i Jehovah koa ankehitriny ny vavaky ny olona mihambo ho manompo azy, nefa mandika ny lalàny. (Ohabolana 15:8) Aoka àry isika hadio hatrany amin’ny lafim-piainantsika rehetra, mba ho toy ny emboka manitra amin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Tena mahafinaritra azy ny vavaka ataon’ny olona manaraka ny lalany marina. (Jaona 9:31) Mbola misy fanontaniana tokony hovaliana anefa: Ahoana no fomba tokony hivavahantsika? Inona avy no azontsika resahina amin’ny vavaka? Ahoana no amalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no takina amin’ny olona tsy lavorary, mba haneken’Andriamanitra ny hanatonan’izy ireo azy?

• Ahoana no anahafantsika ireo lehilahy nahatoky fahiny rehefa mivavaka?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny vavaka nataon’ny Kristianina voalohany?

• Inona no tokony hataontsika, mba ho toy ny emboka manitra amin’Andriamanitra ny vavaka ataontsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nahoana no neken’Andriamanitra ny fanatitr’i Abela fa tsy nekeny ny an’i Kaina?

[Sary, pejy 24]

‘Vovoka sy lavenona aho’

[Sary, pejy 25]

“Homeko Anao tokoa ny ampahafolony”

[Sary, pejy 26]

Toy ny emboka manitra amin’i Jehovah ve ny vavaka ataonao?