Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Manompo An’i Jehovah Intsony ve ny Havanao?

Tsy Manompo An’i Jehovah Intsony ve ny Havanao?

Tsy Manompo An’i Jehovah Intsony ve ny Havanao?

VAVOLOMBELON’I JEHOVAH i Mamy sy Lova. * Tia sy niahy ny zanany izy mivady ka nampianatra Soratra Masina azy ireo, araka ny tokony hataon’ny ray aman-dreny kristianina. (Ohabolana 22:6; 2 Timoty 3:15) Mampalahelo anefa fa tsy nanompo an’i Jehovah intsony ny zanany sasany, rehefa lehibe. Hoy i Lova: “Marary ny foko mahita ny zanako tsy manompo an’i Jehovah intsony. Mitombo isan’andro ny alaheloko, ka tsy haiko afenina. Feno ny foko isaky ny miresaka momba an-janany ny olona, ary mila hitomany mihitsy aho.”

Malahelo be tokoa ny mpianakavy, rehefa misy havany mifidy ny tsy hanompo an’i Jehovah sy tsy hanaraka ny fitsipiny intsony. Hoy i Irène: “Tena tiako ny rahavaviko, ka hanao izay rehetra azoko atao aho, mba hanompoany an’i Jehovah indray!” Hoy i Maria, rehefa nandao an’i Jehovah ny anadahiny ary naloto fitondran-tena: “Mafy tamiko ilay izy satria nanana toetra hafa nahafinaritra ahy io anadahiko io. Tena malahelo azy aho, indrindra rehefa mihaona ny fianakaviana.”

Nahoana izany no tena mafy?

Nahoana no malahelo be toy izany ny fianakaviana kristianina, rehefa misy ankizy na havana mandao an’i Jehovah? Mampanantena mantsy ny Soratra Masina fa hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo tsy mivadika mihitsy. (Salamo 37:29; 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3-5) Tian’izy ireo ny hiriaria ao amin’izany paradisa izany miaraka amin’ny vady aman-janaka, ray aman-dreny, iray tam-po, ary zafikely. Malahelo anefa izy ireo satria mety tsy hahita an’izany ireo havany nandao an’i Jehovah! Fantatry ny Kristianina koa fa mahasoa dieny izao ny mankatò ny lalàna sy ny toro lalan’i Jehovah. Marary àry ny fon’izy ireo rehefa mahita fa tsy manao izany ny mpianakaviny sasany, ka tsy maintsy hijinja fahoriana.—Isaia 48:17, 18; Galatianina 6:7, 8.

Mety ho sarotra amin’ny olona sasany mbola tsy nanana havana nandao an’i Jehovah, ny tena hahatakatra ny fahakivian’ireo iharan’izany. Mampiova tanteraka ny fiainana mantsy ilay izy. Hoy i Lova: “Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia mihatsy tantiko ny mahita ray aman-dreny miara-mihomehy sy miresaka amin-janany any am-pivoriana. Tsy feno koa ny fifaliako rehefa misy zavatra mahafinaritra atao satria tsy mba eo ny zanako.” Tsaroan’ny anti-panahy kristianina iray, ireo efa-taona tsy niarahan’ny zana-badiny tamin’izy ireo. Hoy izy: “Matetika no nivadika ho alahelo na ny ‘fotoam-pifaliana’ aza. Nitomany tampoka ny vadiko indraindray, rehefa notolorako fanomezana, na rehefa nandeha tany amin’ny toerana mahafinaritra izahay tamin’ny faran’ny herinandro. Tsy mba niara-nifaly taminay teo mantsy ilay zanany.”

Tafahoatra ve ny alahelon’ireny Kristianina ireny? Tsy voatery ho izany. Azo lazaina hoe mampiseho ny toetran’i Jehovah izy ireo, satria noforonina tahaka ny endriny ny olona. (Genesisy 1:26, 27) Inona no dikan’izany? Inona tokoa moa no tsapan’i Jehovah, rehefa nikomy taminy ny vahoakan’ny Israely? Lazain’ny Salamo 78:38-41, fa nampalahelo azy izany. Nanam-paharetana anefa izy, ka nampitandrina sy nanafay, ary namela heloka imbetsaka rehefa nibebaka izy ireo. Tena hita hoe tian’i Jehovah ny zavaboariny, na ‘ny asan’ny tanany’, ka vonona hanampy azy ireo foana izy. (Joba 14:15; Jona 4:10, 11) Nataon’Andriamanitra hanam-pitiavana koa ny olona, ary eo amin’ny mpianakavy no tena lalim-paka izy io. Tsy mahagaga àry raha malahelo mafy ny olona rehefa misy havany mandao an’i Jehovah.

Anisan’ny fitsapana sarotra atrehina indrindra ho an’ny tena Kristianina izany. (Asan’ny Apostoly 14:22) Nilaza i Jesosy fa hisy fianakaviana hisaratsaraka, rehefa manaiky ny hafatra toriny ny mpianakavy sasany. (Matio 10:34-38) Tsy ilay hafatra ao amin’ny Baiboly àry izany no mampisaraka. Manjary misara-bazana kosa ny fianakaviana, rehefa mandà, na tsy manaraka, na manohitra ny finoana kristianina ny havana tsy Vavolombelona, na ireo nandao an’i Jehovah. Isaorantsika anefa i Jehovah fa manampy an’ireo tsy mivadika aminy, mba hahafahan’izy ireo hiatrika izany. Inona avy àry no toro lalan’ny Baiboly mety hanampy anao hizaka alahelo, ary ho faly sy ho afa-po ihany, na dia manana havana nandao an’i Jehovah aza ianao?

Ahoana no iatrehana izany?

‘Miorena tsara ianareo, ary mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.’ (Joda 20, 21) Mety tsy hisy zavatra azonao atao aloha izao, mba hanampiana an’ilay havanao nandao an’i Jehovah. Azonao atao anefa sady tokony hataonao izay hampiorina tsara anao sy ny mpianakavinao izay mbola mahatoky. Niala tamin’ny fahamarinana ny zanak’i Vony telo lahy. Hoy izy: “Nahazo torohevitra izahay mivady fa raha matanjaka foana ny finoanay, dia tena ho vonona handray ny zanakay izahay, rehefa ho tonga saina izy ireo. Ahoana tokoa, ohatra, no ho niafaran’ilay zanaka adala raha tsy nanana saina sy fo vonona handray azy ilay rainy?”

Hatanjaka tsara ny finoanao raha revo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ianao. Manaova foana fianarana lalina ny Baiboly ary manatreha fivoriana tsy tapaka. Aoka ianao ho vonona hanampy olon-kafa eo anivon’ny fiangonana, arakaraka ny hamelan’ny toe-javatra misy anao. Marina fa mety ho sarotra aminao ny hanao izany rehetra izany, amin’ny voalohany. Hoy i Vony: ‘Te hitokantokana aho tamin’ny voalohany. Tsy nanaiky anefa ny vadiko fa tsy maintsy notohizinay ireo fahazarana kristianina. Nandeha nivory tsy tapaka àry izahay. Nila herim-po be mihitsy aho rehefa hanatrika fivoriambe ka hifankahita amin’ny olona. Nanampy anay ho akaiky kokoa an’i Jehovah anefa ilay fandaharana. Tena nampahery an’ilay zanakay mbola nahatoky koa ilay fivoriambe.’

Hitan’i Maria, voaresaka tetsy aloha, fa tena nahasoa azy ny nandray anjara betsaka tamin’ny fanompoana kristianina. Efatra izao ny olona ampianariny Baiboly. Hoy koa i Laura: “Marina fa mbola mitomany aho isan’andro. Tsy mba nahomby teo amin’ny fitaizana, toy ny ray aman-dreny sasany mantsy aho. Misaotra an’i Jehovah anefa aho, satria manana hafatra tena mahasoa avy ao amin’ny Baiboly [azoko torina] amin’ny fianakaviana amin’izao andro farany izao.” Niala tamin’ny fahamarinana koa, ohatra, ny zanak’i Ken sy Eléonore, efa lehibe. Nifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory ilay Fanjakana maro kokoa izy mivady, ary nanao fanompoana manontolo andro. Izany no nanampy azy ireo hahay handanjalanja ka tsy ho resin’ny alahelo.

Manàna foana fanantenana. “Manantena ny zava-drehetra” ny fitiavana. (1 Korintianina 13:7) Hoy i Ken, voaresaka tetsy aloha: “Noheveriko ho toy ny maty ny zanako, rehefa niala tamin’ny fahamarinana. Niova anefa ny fiheverako rehefa maty ny anabaviko. Faly aho fa mbola velona ny zanako, ka mbola afaka miverina amin’i Jehovah, izay vonona handray azy ireo foana.” Asehon’ny zava-misy tokoa fa maro tamin’ireo niala tamin’ny fahamarinana no tafaverina ihany, tamin’ny farany.—Lioka 15:11-24.

Miezaha mafy tsy hanamelo-tena. Ny ray aman-dreny indrindra no mety hitodika ny lasa ka hanenina, satria mieritreritra hoe nisy tsy nety ny fomba nitaizany an-janany. Ny hevi-dehibe ao amin’ny Ezekiela 18:20 anefa, dia hoe ilay nanota fa tsy ny ray aman-dreniny no heverin’i Jehovah ho tompon’andraikitra, noho ny safidy ratsy nataony. Marina fa miresaka imbetsaka ny bokin’ny Ohabolana hoe adidin’ny ray aman-dreny ny mitaiza ny zanany amin’ny lalan’ny fahamarinana. Tsara homarihina anefa fa resahin’izy io imbetsaka kokoa noho izany, ny hoe tokony hihaino sy hankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy. Adidin’ny ankizy àry ny mandray tsara ny fampiofanana avy ao amin’ny Baiboly, omen’ny ray aman-dreniny tsy lavorary. Azo inoana fa nanao izay rehetra azonao natao ianao, tamin’izany fotoana izany. Mety hieritreritra ianao hoe nisy fahadisoana nataonao, ary nanao izany tokoa ianao. Tsy voatery hidika anefa izany hoe ny fahadisoanao no nahatonga ny zanakao hiala tamin’ny fahamarinana. Na ahoana na ahoana, dia tsy hampiova zavatra ny mamerimberina hoe “tahaka izay.” Makà fianarana avy amin’ny fahadisoana nataonao, ka aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hamerina azy ireny intsony. Mangataha famelan-keloka amin’i Jehovah. (Salamo 103:8-14; Isaia 55:7) Ny hoavy banjinina, fa aza ny lasa.

Manàna faharetana amin’ny olon-kafa. Mety ho sarotra amin’ny sasany ny hahafantatra izay tena hampahery anao, indrindra raha mbola tsy nihatra taminy izay nanjo anao. Tsy mitovy koa ny zavatra heverin’ny olona ho mampahery. Raha misy mahasosotra anao àry, dia araho izao torohevitry ny apostoly Paoly ao amin’ny Kolosianina 3:13 izao: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.”

Ekeo ny fomba famaizana ampiasain’i Jehovah. Raha mahazo famaizana avy amin’ny fiangonana ny havanao, dia tadidio fa anisan’ny fomba ampiasain’i Jehovah izany mba handraisan’ny rehetra soa, anisan’izany ilay nanota. (Hebreo 12:11) Miezaha mafy àry mba tsy hanakiana an’ireo anti-panahy, na ny fanapahan-kevitra noraisiny. Ny vokatra tsara indrindra no ho hitantsika, raha manao zavatra araka ny fomban’i Jehovah isika. Raha tsy izany kosa dia vao mainka hiharatsy ny toe-javatra.

I Mosesy foana no nitsara ny Israelita, rehefa nafahana avy tany Ejipta izy ireo. (Eksodosy 18:13-16) Azo inoana fa tsy maintsy misy resy sy mpandresy, rehefa misy raharaha ara-pitsarana. Tsy mahagaga àry raha mety ho nisy diso fanantenana tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’i Mosesy. Mety ho anisan’ny nahatonga ny olona hikomy tamin’ny fahefany ny fahitan’izy ireo ny fahadisoana nataony teo amin’ny fitsarana. Nampiasa an’i Mosesy hitarika ny vahoakany anefa i Jehovah, ary tsy izy no nosaziny fa ireo olona nikomy sy ny fianakaviana nanohana azy ireo. (Nomery 16:31-35) Misy fianarana raisintsika avy amin’izany. Enga anie isika ka hiezaka hanaja sy hanohana ny fanapahan-kevitr’ireo nomen’Andriamanitra fahefana, ankehitriny.

Tsaroan’i Beby fa tena sarotra taminy ny nifehy ny fihetseham-pony, rehefa nahazo famaizana ny zanany vavy. Hoy izy: “Naverimberiko novakina ireo lahatsoratra momba ny fanaovan’i Jehovah ny rariny, ary izany no nanampy ahy. Noraisiko an-tsoratra izay hevitra reko tamin’ny lahateny na hitako tany anaty lahatsoratra, ka mety hanampy ahy hiaritra sy hanompo an’i Jehovah hatrany.” Misy fomba hafa tena lehibe koa manampy antsika hiatrika ilay toe-javatra.

Aborahy ny ao am-ponao. Mety ho hitanao hoe tsara ny miresaka an’ilay izy amin’ny namana mahay miara-miory sy azonao antoka. Namana mahay mampahery foana àry fidina. Azo antoka fa ny ‘mamboraka ny ao am-po’ amin’i Jehovah no tsara indrindra. * (Salamo 62:7, 8) Nahoana? Satria izy no tena mahatakatra ny fihetseham-ponao lalina indrindra. Mety ho tsapanao, ohatra, fa tsy tokony ho nanjo anao izany alahelo izany. Tantarao amin’i Jehovah àry izay tsapanao, satria mbola manompo azy ianao. Mangataha fanampiana aminy mba hahaizanao handanjalanja ka tsy havesatra loatra ny alahelonao.—Salamo 37:5.

Azo inoana fa ho hainao kokoa ny hifehy ny fihetseham-ponao, rehefa mandeha ny fotoana. Aoka ianao hiezaka foana ny hampifaly an’ilay Rainao any an-danitra. Tsy ho very maina mihitsy izany. (Galatianina 6:9) Tadidio fa mbola hanana olana foana isika, na tsy manompo an’i Jehovah intsony aza. Hanampy antsika hiatrika fitsapana kosa izy, rehefa tsy mivadika aminy isika. Matokia àry fa takatr’i Jehovah tsara ny manjo anao, ary hanome hery anao hatrany izy, amin’ny fotoana mety.—2 Korintianina 4:7; Filipianina 4:13; Hebreo 4:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 19 Miresaka momba ny vavaka ho an’ny havana voaroaka Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2001, pejy 30-31.

[Efajoro, pejy 19]

Ahoana no Iatrehana Izany?

◆ ‘Miorena tsara ianareo, ary mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.’ —Joda 20, 21.

◆ Manàna foana fanantenana. —1 Korintianina 13:7.

◆ Miezaha mafy tsy hanamelo-tena. —Ezekiela 18:20.

◆ Manàna faharetana amin’ny olon-kafa.—Kolosianina 3:13.

◆ Ekeo ny fomba famaizana ampiasain’i Jehovah.—Hebreo 12:11.

◆ Aborahy ny ao am-ponao.—Salamo 62:7, 8.

[Efajoro/​Sary, pejy 21]

Tsy Manompo An’i Jehovah Intsony ve Ianao?

Raha izany no izy, ary na inona na inona antony, dia tandindomin-doza ny fifandraisanao amin’i Jehovah sy ny hoavinao mandrakizay. Mieritreritra ny hiverina amin’i Jehovah angamba ianao. Miezaka mafy ho amin’izany ve ianao izao? Sa mbola miandry ny “fotoana mety”? Tadidio fa efa manatona haingana ny Hara-magedona. Fohy koa ny fiainana eto amin’ity tontolo ity, sady tsy azo antoka. Tsy fantatrao akory raha mbola ho velona ianao rahampitso, na tsia. (Salamo 102:3; Jakoba 4:13, 14) Hoy ny lehilahy iray voan’ny aretina tsy ahitam-panafana: “Tamin’izaho nanompo an’i Jehovah manontolo andro no voan’ity aretina ity, ary tsy misy mahamenatra izany. Mampionona ny mieritreritra an’izany ankehitriny.” Alao sary an-tsaina anefa izay mety ho tsapany raha tamin’ny fotoana nilazany toy izao izy no voan’ilay aretina: “Hiverina amin’i Jehovah aho, indray andro any!” Izao no fotoana tena tokony hiverenana amin’i Jehovah, raha nandao azy ianao.

[Sary, pejy 18]

Hahay handanjalanja ianao, raha revo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra