Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Endrey ny Fitiavako ny Lalànao!”

“Endrey ny Fitiavako ny Lalànao!”

“Endrey ny Fitiavako ny Lalànao!”

TIAN’NY mpanao salamo ny hafatr’Andriamanitra na ny teniny, ka nataony an-kira ao amin’ny Salamo 119. Hoy izy: “Ato am-poko no iraketako ny teninao.” “Ny didinao no hiravoravoako.” “Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany ny fitsipikao mandrakariva.” ‘Ny teni-vavolombelonao no firavoravoako.’ “Manina ny didinao aho.” “Hiravoravo amin’ny didinao aho, satria tiako ireny.” “Hosaintsainiko ny didinao.” “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.”—Salamo 119:11, 16, 20, 24, 40, 47, 48, 97.

Tena nankasitraka ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fony manontolo tokoa ilay mpanao salamo! Ary ianao? Maniry ho tia ny Tenin’Andriamanitra toa azy koa ve ianao? Raha izany no izy, dia mila mamaky ny Baiboly tsy tapaka aloha ianao, ary isan’andro mihitsy raha mety. Hoy i Jesosy Kristy: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Matio 4:4) Tokony hisaintsaina izay vakinao koa ianao. Hankasitraka kokoa ny Baiboly ianao, rehefa misaintsaina ny fahamarinana momba an’Andriamanitra, ny toetrany, ny sitrapony, ary ny fikasany. (Salamo 143:5) Ambonin’ny zava-drehetra, dia tokony hampihatra ny torohevitra omen’ny Baiboly ianao isan’andro, satria mahasoa izany.—Lioka 11:28; Jaona 13:17.

Inona no soa horaisinao raha miezaka ny ho tia izay lazain’ny Baiboly ianao? Hoy ny Salamo 119:2: “Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelon[’Andriamanitra].” Hanampy anao hiatrika olana ny teni-vavolombelona na fampahatsiahivana ao amin’ny Baiboly. (Salamo 1:1-3) Ho hendry sy hahay handinika ary hahataka-javatra ianao. Hanampy anao ‘hiaro ny tongotrao tsy ho amin’ny lalan-dratsy’ izany. (Salamo 119:98-101) Hanjary hisy dikany kokoa ny fiainanao, rehefa mahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany momba ny tany ianao. Hanantena hoavy sambatra koa ianao.—Isaia 45:18; Jaona 17:3; Apokalypsy 21:3, 4.

Tena te hanampy ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahalalan’izy ireo bebe kokoa izay lazain’ny Baiboly, ka hitiavan’izy ireo izany. Manasa anao amim-pitiavana àry izahay mba hanaiky an’ilay fanasana etsy ambany.