Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona moa ny “Andro Farany”?

Inona moa ny “Andro Farany”?

Inona moa ny “Andro Farany”?

EFA mba nieritreritra ny hoavinao sy ny an’ny havanao ve ianao? Manara-baovao tsara ny olona maro, mba hahalalana ny zava-mitranga eran-tany sy ny mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainany. Ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra anefa no tena ahafantarantsika ny marina. Tsy ny zava-mitranga ankehitriny ihany mantsy no efa voalazan’ny Baiboly hatry ny ela, fa izay mbola hitranga amin’ny hoavy koa.

Niresaka betsaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ohatra, i Jesosy Kristy fony tetỳ an-tany. (Lioka 4:43) Mazava ho azy fa naniry hahalala ny fotoana hahatongavan’io Fanjakana faran’izay tsara io, ny olona nihaino azy. Nanontany azy toy izao ny mpianany, telo andro talohan’ny namonoana azy tsy ara-drariny: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao [amin’ny maha mpanjaka] sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Matio 24:3) Niteny tamin’izy ireo i Jesosy fa i Jehovah Andriamanitra ihany, no mahalala hoe rahoviana marina no hanomboka hifehy tanteraka ny tany ilay Fanjakana. (Matio 24:36; Marka 13:32) Na izany aza, dia efa nolazain’i Jesosy sy ny olon-kafa ny fisehoan-javatra sasany hitranga etỳ an-tany, izay hanaporofo fa efa manjaka i Kristy.

Misy lafin-javatra hita maso manaporofo, fa efa miaina amin’ny ‘andro faran’ity’ tontolo ity isika. Alohan’ny handinihantsika izany anefa, dia hojerentsika kely ny zava-dehibe nitranga tany an-danitra, izay tsy hitantsika maso. (2 Timoty 3:1) Lasa Mpanjaka tany an-danitra i Jesosy Kristy tamin’ny 1914. * (Daniela 7:13, 14) Nisy zavatra nataony raha vao nandray ny fahefana izy. Hoy ny Baiboly: “Nisy ady nipoaka tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona. Ary niady koa ilay dragona sy ny anjeliny.” (Apokalypsy 12:7) I Jesosy Kristy any an-danitra no antsoina hoe “Mikaela, arkanjely.” * (Joda 9; 1 Tesalonianina 4:16) I Satana Devoly no ilay dragona. Inona no niafaran’i Satana sy ireo demoniany, na anjely ratsy mpanara-dia azy? Resy izy ireo ka “natsipy”, na noroahina avy tany an-danitra, mba ho etỳ amin’ny manodidina ny tany. (Apokalypsy 12:9) Noho izany, dia nifaly ny ‘lanitra sy izay monina ao aminy’, izany hoe ireo anjelin’Andriamanitra mahatoky. Tsy toy izany kosa ny olombelona. Hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany ... fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”—Apokalypsy 12:12

Tezitra mafy i Satana, ka mitondra loza amin’ny mponina etỳ an-tany, izany hoe mampijaly sy mampahory azy ireo. Ho ‘fotoana fohy’ ihany anefa no haharetan’izany loza izany. Antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” io fotoana io. Afaka mifaly isika satria kely sisa dia tsy hanam-pahefana amin’ny tany intsony ny Devoly. Inona anefa no manaporofo fa efa miaina amin’ny andro farany isika?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? pejy 218-219, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Eo anoloana: © Chris Stowers/Panos Pictures; eo andamosina: FAROOQ NAEEM/AFP/Getty Images