Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mifalia Amin’ny Vadin’ny Fahatanoranao”

“Mifalia Amin’ny Vadin’ny Fahatanoranao”

“Mifalia Amin’ny Vadin’ny Fahatanoranao”

“Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. ... Nahoana hianao, anaka, no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo?”—OHABOLANA 5:18, 20.

1, 2. Nahoana ny fifankatiavan’ny mpivady no lazaina fa tahina?

TSY manafinafina ny resaka momba ny firaisana ara-nofo ny Baiboly. Hoy ny Ohabolana 5:18, 19: “Aoka hotahina ny loharanonao, ary mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, ary aoka ho feno faharavoravoana làlandava amin’ny fitiavany hianao.”

2 Ilay ‘loharano’ voaresaka eo, dia manondro ny loharanon’ny fahafaham-po eo amin’ny firaisana ara-nofo. Tahina izy io, satria fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fifankatiavan’ny mpivady, sy ny fahafinaretana be azo avy amin’izany. Natokana ho an’ny mpivady ihany anefa io fanehoam-pitiavana io. Nanontany àry i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny sady mpanoratra ny Ohabolana hoe: “Nahoana hianao, anaka, no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo ka hanohona ny tratran’ny vahiny janga?”—Ohabolana 5:20.

3. a) Inona no zavatra mampalahelo mitranga amin’ny fanambadiana maro? b) Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fanitsakitsaham-bady?

3 Amin’ny andron’ny mariazy, dia manao voady ny lehilahy sy ny vehivavy fa ho tia sy tsy hivadika amin’ny vadiny. Maro anefa ny fanambadiana rava noho ny fanitsakitsaham-bady. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka iray, fa “ny ampahefatry ny vehivavy manambady no nanao firaisana ivelan’ny fanambadiana. Ary efa ho ny antsasaky ny lehilahy manambady no nanao toy izany.” Hoy ny apostoly Paoly: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, ... dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Korintianina 6:9, 10) Mazava izany. Fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra ny fanitsakitsaham-bady. Tsy maintsy mitandrina àry ny tena Kristianina mba tsy hivadika amin’ny vadiny. Inona no azontsika atao mba ‘ho mendri-kaja [hatrany] ny fanambadiana, ary tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady’?—Hebreo 13:4.

Tandremo fa mamitaka ny fo

4. Inona avy no fandrika sasany mety hahatonga ny Kristianina manambady ho raiki-pitia amin’olon-kafa?

4 Manjaka ny fitondran-tena maloto ankehitriny, ka “feno fanitsakitsaham-bady” ny mason’ny olona maro, ary “tsy mety mitsahatra manota” izy ireo. (2 Petera 2:14) Minia miaraka amin’olon-kafa ireny olona ireny. Maro ny vehivavy miasa, any amin’ny tany sasany, ary miara-miasa ny lehilahy sy ny vehivavy. Manjary mora mifankatia àry ny olon-droa izay mety ho efa samy manambady, rehefa mifanerasera akaiky toy izany. Mora miraiki-pitia amin’olon-kafa koa na dia ny olona saro-kenatra indrindra aza, noho ilay fandaharana ahafahana mifampiresaka ao amin’ny Internet. Maro amin’ny olona manambady no voafandrik’izany, nefa tsy tsapany akory.

5, 6. Inona no zava-nitranga saika nitarika ny vehivavy kristianina iray ho amin’ny fijangajangana, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

5 Saika latsaka tamin’ny fijangajangana ny vehivavy kristianina iray atao hoe Maria. * Diniho ny zavatra niainany: Tsy naneho fitiavana firy tamin’ny ankohonany ny vadiny, izay tsy Vavolombelon’i Jehovah. Nihaona tamin’ny mpiara-miasa amin’ny vadiny i Maria, taona vitsivitsy lasa izay. Nahalala fomba ilay lehilahy, ary liana tamin’ny fivavahan’i Maria mihitsy aza tatỳ aoriana. Hoy i Maria: “Nahafinaritra be izy, tena tsy nitovy tamin’ny vadiko.” Tsy ela dia nifankatia i Maria sy ilay lehilahy. Nieritreritra i Maria hoe: “Tsy manitsakitsa-bady aho. Liana amin’ny Baiboly koa io lehilahy io, ka angamba aho afaka hanampy azy.”

6 Tonga saina anefa i Maria, raha mbola tsy latsaka tamin’ny fijangajangana. (Galatianina 5:19-21; Efesianina 4:19) Nanomboka nenjehin’ny eritreriny izy, ka nanova ny fitondran-tenany. Hita amin’ny zavatra niainany, fa ‘mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo sady manana aretina tsy azo sitranina.’ (Jeremia 17:9) Mananatra antsika toy izao ny Baiboly: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana.” (Ohabolana 4:23) Ahoana no anaovantsika izany?

‘Miery ny mahira-tsaina’

7. Rehefa manampy olona manana olana ara-panambadiana ianao, inona no torohevitra ara-baiboly tokony harahina mba ho voaro ianareo?

7 Hoy ny apostoly Paoly: “Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.” (1 Korintianina 10:12) Hoy koa ny Ohabolana 22:3: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery.” Aza mieritreritra hoe: ‘Tsy ho latsaka amin’izany fanitsakitsaham-bady izany mihitsy aho.’ Fahendrena kosa ny maneho fitandremana, amin’ireo toe-javatra mety hitarika ho amin’izany. Raha mamboraka aminao ny olana lehibe momba ny fanambadiany, ohatra, ny olona iray, dia ampirisiho izy hiresaka izany amin’olon-kafa koa, fa tsy aminao irery. (Ohabolana 11:14) Lazao aminy fa izy sy ny vadiny no tsara mifampiresaka momba ilay olana. Raha rahalahy ianao ary anabavy ilay manana olana, dia resaho aminy fa tsara kokoa izy raha manatona anabavy matotra, izay maniry ny hahasambatra ny tokantranony. Raha anabavy kosa ianao ary rahalahy ilay manatona anao, dia asaivo miresaka amin’ny rahalahy matotra izy. Lazao amin’ny olona manana zava-manahirana toy izany, fa azon’izy ireo atao koa ny miresaka amin’ny anti-panahy. (Titosy 2:3, 4) Manome ohatra tsara ny amin’izany fitandremana izany, ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha mila miresaka manokana amin’ny anabavy izy, dia manao izany amin’ny toerana be olona mivezivezy, angamba ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

8. Inona no fitandremana tokony harahina rehefa any am-piasana?

8 Halaviro ny toe-javatra mety hahatonga anao haloto fitondran-tena, rehefa any am-piasana, na any an-toeran-kafa. Mety ho tratran’ny fakam-panahy, ohatra, ny lehilahy sy vehivavy, raha miara-miasa akaiky ivelan’ny ora fiasana. Raha lehilahy na vehivavy manambady ianao, dia asehoy mazava tsara amin’ny alalan’ny teninao sy ny fihetsikao, fa tsy afaka miaraka amin’olona ankoatra ny vadinao ianao. Olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra koa ianao, ka azo inoana fa tsy ho ianao indray no hijejojejo amin’ny olona na hihaingo amin’ny fomba tsy maotina, mba hisarihana ny sain’ny hafa. (1 Timoty 4:8; 6:11; 1 Petera 3:3, 4) Azonao asiana sarin’ny vady aman-janakao koa ao amin’ny toeram-piasanao. Izany no hampahatsiahy anao sy ny hafa, fa tianao ny ankohonanao. Aoka ianao ho tapa-kevitra handa an-kitsirano, rehefa misy olona mitady hanangoly anao.—Joba 31:1.

“Miravoravoa amin’ny vady malalanao”

9. Inona ireo zava-mitranga mifampitohitohy, mety hahatonga ny olona iray hankafy ny fiarahana amin’olon-kafa tsy vadiny?

9 Tsy ampy ny manalavitra toe-javatra mety hiteraka fakam-panahy, raha tianao ny hiaro ny fonao. Raha manjary raiki-pitia amin’olon-kafa tsy vadiny ny olona iray, dia mety hidika izany fa tsy nanome azy izay nilainy ny vadiny. Tsy raharahain’ny vadiny foana angamba ilay ramatoa, na tsikerain’ny vadiny foana ilay rangahy. Amin’izay indrindra no mety hisy zavatra tsy ampoizina hitranga. Mety ho sendra olona toa manana ny toetra tsy ananan’ny vadiny ny iray amin’izy ireo, any am-piasana, na eo anivon’ny fiangonana kristianina mihitsy aza. Tsy ela dia lasa mifankahazo am-po izy sy ilay olona, ary lasa tena mahafinaritra azy ireo ilay fiarahana. Mety tsy ho hita miharihary ireo zava-mitranga mifampitohitohy ireo, kanefa manamarina an’ity andinin-teny ity: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany ka voafandrik’izany.”—Jakoba 1:14.

10. Inona no azon’ny mpivady atao mba hanamafisana ny fifankatiavany?

10 Tsy tokony hiantehitra amin’olon-kafa ankoatra ny vadiny ny olona manambady, rehefa mila fitiavana, na namana, na olona hanampy azy hiatrika zava-tsarotra. Tokony hiezaka hanamafy ny fifankatiavany izy roa. Manokàna àry fotoana iarahana, ary miezaha hifandray am-po kokoa. Saintsaino ireo lafin-javatra nahatonga anao ho raiki-pitia tamin’ny vadinao. Ataovy izay hitiavanao azy indray, toy ny taminareo vao nifankatia. Eritrereto ireo fotoana mamy niarahanareo. Mivavaha amin’Andriamanitra momba ny tokantranonareo. Nitalaho tamin’i Jehovah i Davida mpanao salamo hoe: “Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.” (Salamo 51:10) Aoka ianao ho tapa-kevitra ny ‘hiravoravo amin’ny vady malalanao amin’ny andronao rehetra, izay efa nomen’Andriamanitra anao atỳ ambanin’ny masoandro.’—Mpitoriteny 9:9.

11. Inona no ilana ny fahalalana sy fahendrena ary fahaiza-mandinika, eo amin’ny fanamafisana ny fatoram-panambadiana?

11 Tena ilaina koa ny fahalalana sy ny fahendrena ary ny fahaiza-mandinika, mba hanamafisana ny fatoram-panambadiana. Hoy ny Ohabolana 24:3, 4: “Fahendrena no anaovana trano; ary fahalalinan-tsaina [na fahaiza-mandinika] no mampaharitra azy; sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano amin’izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.” Anisan’ireo harena soa mameno ny tokantrano sambatra, ny toetra tsara toy ny fitiavana, tsy fivadihana, tahotra an’Andriamanitra, ary finoana. Mila manana fahalalana an’Andriamanitra ny mpivady mba hananana ireo toetra ireo. Tokony hazoto hianatra ny Baiboly àry izy ireo. Inona kosa no maha zava-dehibe ny fahendrena sy ny fahaiza-mandinika? Ilaina ny fahendrena, na ny fahaizana mampihatra ny fahalalana ara-baiboly, mba hahafahana hiatrika ireo olana fahita andavanandro. Ny fahaiza-mandinika kosa no manampy ny olona iray hamantatra izay eritreretin’ny vadiny sy ny fihetseham-pony. (Ohabolana 20:5) Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Solomona: “Anaka, tandremo ny fahendreko, ary atongilano ny sofinao ho amin’ny fahalalako.”—Ohabolana 5:1.

Inona no azo atao rehefa misy olana?

12. Nahoana no tsy mahagaga raha mahita olana ny mpivady?

12 Tsy misy fanambadiana tonga lafatra. Ny Baiboly mihitsy aza no milaza fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ny mpivady. (1 Korintianina 7:28) Miteraka olana ao an-tokantrano ny fanahiana, ny aretina, ny fanenjehana, ary ny antony hafa. Tokony hiara-mitady vahaolana anefa ianareo mivady rehefa tojo zava-manahirana, noho ianareo mifanaja sy te hampifaly an’i Jehovah.

13. Amin’ny lafiny inona avy ny mpivady no tokony handini-tena?

13 Ahoana raha ny fomba fifampitondranareo no miteraka olana? Mitaky ezaka ny famahana izany. Aoka hatao hoe nanomboka re tsindraindray tao an-tokantranonareo ny teny maharary, ary manjary fandre matetika izany ankehitriny. (Ohabolana 12:18) Manimba ny fifandraisan’ny mpivady izany, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Aleo mitoetra any an-efitra toy izay amin’ny vehivavy tia ady sady foizina.” (Ohabolana 21:19) Raha vehivavy manambady ianao, ary izany no hita ao an-tokantranonao, dia manontania tena hoe: ‘Sarotra amin’ny vadiko ve ny miaraka amiko noho ny toetrako?’ Hoy ny Baiboly amin’ny lehilahy manambady: “Tiavo mandrakariva ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Raha lehilahy manambady àry ianao, dia manontania tena hoe: ‘Tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny vadiko ve aho, ka manjary alaim-panahy hitady fampiononana any amin’olon-kafa izy?’ Mazava ho azy aloha fa tsy afa-tsiny izay manitsakitsa-bady. Tena mety hitranga anefa izany. Tsara àry raha resahina tsy an-kifonofono ireo zava-manahirana.

14, 15. Nahoana ny fiarahana amin’olon-kafa no tsy mandamina ny olana ara-panambadiana?

14 Tsy mandamina ny olana ara-panambadiana, ny fiarahana amin’olon-kafa mba hahazoana fampiononana. Hitondra inona ny fiarahana toy izany? Tokantrano vaovao sy sambatra kokoa ve? Mety hihevitra toy izany ny olona sasany. Hilaza izy ireo hoe: ‘Izy anie no manana ny toetra iriko hananan’ny olona tiako ho vady e!’ Diso anefa izany fomba fihevitra izany. Tena tsy miraharaha ny fahamasinan’ny fanambadiana mantsy ny olona mandao ny vadiny, na mampirisika anao hanao izany. Sarotra inoana hoe hiafara amin’ny fanambadiana sambatra ny fiarahana toy izany.

15 Nieritreritra lalina ny mety ho vokatry ny zavatra nataony i Maria, ilay voaresaka terỳ aloha. Mety tsy hankasitrahan’Andriamanitra intsony, ohatra, izy ary mety hiafara amin’izany koa ny olon-kafa. (Galatianina 6:7) Hoy izy: “Nieritreritra ny fiarahako tamin’ilay mpiara-miasa amin’ny vadiko aho. Tsapako fa na dia nety ho afaka hahafantatra ny fahamarinana aza izy, dia nisakana izany ny zavatra nataoko. Raha nijangajanga koa izahay, dia tsy maintsy ho nisy vokany ratsy izany, na taminay na tamin’ny olon-kafa nahafantatra izany. Mety ho nampihemotra na nanafintohina olona mihitsy aza ilay izy!”—2 Korintianina 6:3.

Antony lehibe indrindra tsy hanitsakitsaham-bady

16. Inona no sasany amin’ireo vokatry ny fitondran-tena maloto?

16 Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra, ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela.” (Ohabolana 5:3, 4) Mampijaly ary mety hahafaty mihitsy aza, ny vokatry ny fitondran-tena maloto. Mety henjehin’ny eritreriny, ohatra, ilay olona, na ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Mety ho difotry ny alahelo koa ilay vady tsy manan-tsiny. Raha misaintsaina izany ny olona iray, dia tsy hanao zavatra mety hitarika ho amin’ny fanitsakitsaham-bady.

17. Inona no antony lehibe indrindra tsy hanitsakitsaham-bady?

17 Izao no antony lehibe indrindra maharatsy ny fanitsakitsaham-bady: Manameloka izany i Jehovah, ilay Mpamorona ny fanambadiana, sy nahatonga ny lehilahy sy vehivavy ho afaka hanao firaisana. Hoy izy tamin’ny alalan’i Malakia mpaminany: “Hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ... ny mpijangajanga [na ny mpanitsakitsa-bady].” (Malakia 3:5) Hoy ny Ohabolana 5:21, momba ny zavatra hitan’i Jehovah: “Eo imason’i Jehovah ny alehan’ny olona, ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa.” Marina tokoa fa ‘mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay manao ampamoaka antsika, ny zavatra rehetra.’ (Hebreo 4:13) Ny antony lehibe indrindra tsy hanitsakitsaham-bady àry dia ny fahafantarana fa manimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fitondran-tena maloto. Marina foana izany, na dia afenina toy inona aza ilay izy, ary na tsy misy fiantraikany firy eo amin’ny vatantsika na ny mpiara-belona amintsika aza.

18, 19. Inona no ianarantsika avy amin’ny fihetsik’i Josefa teo anatrehan’ny vadin’i Potifara?

18 Hitantsika avy amin’ny tantaran’i Josefa, zanak’i Jakoba, fa ny faniriana ho tsara fihavanana foana amin’Andriamanitra no antony lehibe misakana ny olona tsy hijangajanga. Nahazo sitraka tamin’i Potifara, tandapan’i Farao, izy, ka nahazo tombontsoa hikarakara ny tao an-tranony. ‘Bikàna sady tsara tarehy’ koa izy, ary voamariky ny vadin’i Potifara izany. Nanangoly an’i Josefa foana izy isan’andro, kanefa tsy nahomby. Nahoana i Josefa no tsy resin’ny fanangoleny rehetra? Hoy ny Baiboly: ‘Nanda izy ka nanao tamin’ny vadin’ny tompony hoe: Indro, tsy misy zavatra narovan’ny tompoko amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?’—Genesisy 39:1-12.

19 Nadio fitondran-tena foana i Josefa, satria tsy nety nanao firaisana tamin’ny vadin’olona. Hoy ny Ohabolana 5:15 amin’ny lehilahy manambady: “Misotroa rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao ihany sy rano miboiboika avy amin’ny fantsakanao.” Mitandrema mba tsy hanjary ho raiki-pitia amin’olon-kafa tsy vadinao, na fanahy iniana izany na tsia. Miezaha mba hanamafy ny fifankatiavanareo mivady, sy hamaha izay olana rehetra mety hatrehinareo. Eny, “mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao.”—Ohabolana 5:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Novana ny anarana.

Inona no Nianaranao?

• Ahoana no mety hahatonga ny Kristianina iray ho raiki-pitia amin’olona tsy vadiny?

• Inona no azon’ny olona iray atao, mba tsy ho raiki-pitia amin’olona tsy vadiny izy?

• Inona no tokony hataon’ny mpivady, rehefa manana olana?

• Inona no antony lehibe indrindra tsy hanitsakitsaham-bady?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Mampalahelo fa lasa toerana iroboroboan’ny fangalaram-pitia, any am-piasana

[Sary, pejy 28]

‘Ny fahalalana no hamenoana ny efitrano, amin’izay harena mahafinaritra’