Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nankasitraka ny Lalàn’i Jehovah Izy

Nankasitraka ny Lalàn’i Jehovah Izy

Nankasitraka ny Lalàn’i Jehovah Izy

NODIMANDRY tamin’ny alarobia 8 Martsa 2006, tamin’izy 94 taona, i Albert Schroeder, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanompo manontolo andro nandritra ny 73 taona mahery izy.

Teraka tany Saginaw, Etazonia, ny Rahalahy Schroeder, tamin’ny 1911. * Ny renibeny avy amin’ny reniny no tena nampianatra Baiboly azy, tamin’izy mbola kely. Izy io koa no nampirisika azy ho tia mamaky ny Tenin’i Jehovah. Nianatra ho injeniera momba ny elektrisite tany amin’ny Oniversiten’i Michigan izy. Nianatra teny latinina sy alemà koa izy tany. Nanjary nankasitraka kokoa ny Soratra Masina anefa izy, ka najanony ny fianarany, ary nirotsaka ho mpitory ilay Fanjakana manontolo andro izy. Lasa anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn, New York, izy tamin’ny 1932.

Voatendry hiandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Grande-Bretagne izy, tamin’ny 1937, tamin’izy 26 taona. Be zotom-po tamin’ny asa fitoriana izy, ka nahatonga mpitory maro tany hanompo manontolo andro. Anisan’ny tovolahy niara-niasa taminy tao amin’ny Betelan’i Londres i John Barr. Niara-nanompo teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana nandritra ny taona maro izy ireo tatỳ aoriana.

Voamariky ny olona ny asa nataon’ny Rahalahy Schroeder ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny Ady Lehibe II. Noroahina hiala tany Grande-Bretagne àry izy, tamin’ny Aogositra 1942. Tonga tany Brooklyn izy ny Septambra, rehefa avy nandeha sambo nita ny Ranomasina Atlantika, na dia nampahatahotra aza izany.

Efa nieritreritra ny mpanompon’i Jehovah tamin’izay fotoana izay, fa nisy asa lehibe niandry azy ireo taorian’ny Ady Lehibe II. Gaga sady faly ny Rahalahy Schroeder, rehefa nahazo fanendrena vaovao. Nasaina nanampy tamin’ny fanomanana ny lesona hianarana ao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada izy. Nampianatra tao nandritra ny taona maro izy, ary nanampy tamin’ny fampiofanana misionera. Fotoana tsy hay hadinoina ireny ho an’ny mpianany tao amin’io sekoly io sy tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Nahafinaritra azy ny nampirisika ny mpianany ho tia ny lalàn’Andriamanitra, ary nantitranteriny fa zava-dehibe ny mahafantatra an’i Jehovah.

Nanambady an’i Charlotte Bowin izy, tamin’ny 1956, ary niteraka lahy kely atao hoe Judah Ben izy ireo, tamin’ny 1958. Vady sy ray kristianina fakan-tahaka ny Rahalahy Schroeder. Nanomboka nanompo teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana izy tamin’ny 1974. Lehilahy nahataka-javatra izy, ka tena nilaina. Tsara fanahy sy nanetry tena izy. Ambonin’ny zava-drehetra dia naniry hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra izy. Kristianina voahosotra ny Rahalahy Schroeder, ka matoky isika fa efa nahazo ny valisoany any an-danitra izy. ‘Nankasitraka ny lalàn’i Jehovah’ tokoa io rahalahintsika io.—Salamo 1:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1988 ny tantaram-piainan’ny Rahalahy Schroeder.