Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Hiaina Mandrakizay Ianao

Afaka Hiaina Mandrakizay Ianao

Afaka Hiaina Mandrakizay Ianao

SAIKA ny mpino any amin’ny fivavahana rehetra eran-tany no manantena hiaina mandrakizay. Ny tsipiriany fotsiny angamba no samy hafa isaky ny fivavahana, fa ilay fanantenana kosa mitovy ihany, dia ny hiaina amim-pahasambarana ao amin’ny tontolo iray tonga lafatra, nefa tsy hotandindomin’ny fahafatesana intsony. Tsy izany koa ve no irinao? Nahoana no saika ny olona rehetra no mino izany? Ary mbola ho afaka hiaina mandrakizay ihany ve ny olona indray andro any?

Milaza ny Soratra Masina fa nataon’ny Mpamorona tao am-po sy tao an-tsain’ny olona ny faniriana hiaina mandrakizay. Tamin’ny fotoana namoronany an’ilay mpivady voalohany mihitsy no nanaovany izany. Hoy ny Baiboly: “Ny mandrakizay dia efa nataon[’Andriamanitra] tao am-pony.”—Mpitoriteny 3:11.

Tsy maintsy nanaiky ny zon’Andriamanitra hamaritra ny tsara sy ny ratsy anefa ilay mpivady voalohany, raha tian’izy ireo ho tanteraka ilay faniriany hiaina mandrakizay. Navelan’i Jehovah ho “velona mandrakizay” tao amin’ny saha Edena izy mivady, raha nankatò azy. Io ilay toerana namboariny ho azy ireo.—Genesisy 2:8; 3:22.

Nafoy ny fiainana mandrakizay

Milaza ny Baiboly fa nambolen’Andriamanitra tao amin’ilay zaridaina “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Tsy navelany nihinanan’i Adama sy Eva ny voan’io hazo io. Fahafatesana no sazin’izy ireo raha manao izany. (Genesisy 2:9, 17) Ho hitan’Andriamanitra fa manaiky ny fahefany izy mivady, raha tsy mihinana ny voan’io hazo io. Mandà ny fahefan’Andriamanitra kosa izy ireo, raha mihinana. Tsy nankatò ny toromarik’i Jehovah i Adama sy Eva fa niandany tamin’i Satana, izay anjely nikomy tamin’ny fahefan’Andriamanitra. Namoaka didy àry Andriamanitra fa tsy mendrika hiaina mandrakizay izy mivady, ary ara-drariny izany.—Genesisy 3:1-6.

Safidy roa ihany no napetrak’Andriamanitra teo anoloan’i Adama sy Eva: fiainana na fahafatesana, izany hoe velona na maty. Fahafatesana no miandry azy ireo, raha tsy mankatò izy. Midika izany fa hifarana tanteraka ny fiainany. Na hihinana fanafody mahagaga aza i Adama sy Eva na ny taranany, dia tsy ho nahazona ny ainy izany. Tsy nanana fanahy tsy mety maty koa izy ireo. *

Nijaly noho ny fikomian’i Adama ny taranany rehetra. Manazava izany ny apostoly Paoly hoe: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Romanina 5:12.

Azo indray ny fiainana mandrakizay

Ny andevo na mpanompo tamin’ny taonjato voalohany no noraisin’ny apostoly Paoly ho ohatra, mba hanazavana ny zavatra manjo ny taranak’i Adama. “Mpanompon’ny ota” izy ireo ka tsy maintsy maty, satria nandova ota. (Romanina 5:12; 6:16, 17) Ho mpanompon’ny ota foana ny taranak’i Adama, raha tsy nanolotra vahaolana araka izay notakin’ny rariny i Jehovah, mba hanafahana azy ireo. Nanazava i Paoly hoe: “Tahaka ny nanamelohana ny karazan’olona rehetra noho ny heloka iray [ny an’i Adama], no anambarana azy rehetra fa marina ho amin’ny fiainana, noho ny asa fanamarinana iray.” Io “asa fanamarinana” io no antony nanaovan’i Jesosy sorona ny ainy lavorary, ho “vidim-panavotana mba ho takalon’ny olona rehetra.” Neken’i Jehovah fa nahavita nanome izay notakin’ny rariny ilay vidim-panavotana, mba hanafahana ny olombelona amin’ny ‘fitsarana fanamelohana.’—Romanina 5:16, 18, 19; 1 Timoty 2:5, 6.

Izany no antony tsy hahitan’ny mpahay siansa ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’ny fikirakirana ny fototarazo. Hafa kosa ny vahaolana. Resaka mifandray amin’ny fitondran-tena sy ny rariny no mahafaty ny olona, araka ny voalazan’ny Baiboly, fa tsy olana ao amin’ny fototarazo. Noho izany, dia ny fanaovan-javatra araka izay takin’ny rariny no fomba hahazoana indray ny fiainana mandrakizay. Araka izay notakin’ny rariny ny sorom-panavotan’i Jesosy, sady porofon’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny hatsaram-panahiny. Iza àry no handray soa avy amin’io vidim-panavotana io ka ho afaka hiaina mandrakizay?

Iza ireo hatao tsy mety maty?

“Hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay” i Jehovah Andriamanitra. Tsy mety maty izy. (Salamo 90:2) I Jesosy Kristy no voalohany nataon’i Jehovah ho tsy mety maty. Nanazava ny apostoly Paoly hoe: “Tsy ho faty intsony i Kristy amin’izao izy efa natsangana tamin’ny maty izao, eny, tsy manjaka aminy intsony ny fahafatesana.” (Romanina 6:9) Rehefa nampitaha an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty tamin’ireo mpitondra eto an-tany i Paoly, dia nilaza fa i Jesosy irery no mpitondra tsy mety maty. Ho “velona mandrakizay” izy. “Tsy mety levona” ny fiainany.—Hebreo 7:15-17, 23-25; 1 Timoty 6:15, 16.

Tsy i Jesosy irery no homen’Andriamanitra izany fanomezana izany. Hatsangana amin’ny maty hitovy amin’i Kristy ireo Kristianina voahosotra, izay voafidy ho mpanjaka any an-danitra. (Romanina 6:5) Milaza ny apostoly Jaona fa olona 144 000 no hahazo izany tombontsoa izany. (Apokalypsy 14:1) Hatao tsy mety maty koa izy ireo. Hoy i Paoly, momba ny fananganana azy ireo amin’ny maty: “Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra ... Haneno ny trompetra, dia hatsangana ny maty ka hanjary tsy mety lo, ary hovana isika. Fa tsy maintsy hitafy ny tsy mety lo ity mety lo ity, ary tsy maintsy hitafy ny tsy mety maty ity mety maty ity.” Tsy hanan-kery intsony amin’ny olona hahazo io karazana fitsanganana amin’ny maty io, ny fahafatesana.—1 Korintianina 15:50-53; Apokalypsy 20:6.

Mahatalanjona tokoa izany fanambarana avy amin’Andriamanitra izany. Na ny anjely aza mantsy, dia tsy noforonina ho tsy mety maty. Marina izany satria hovonoina ireo anjely nikomy tamin’Andriamanitra, nanaraka an’i Satana. (Matio 25:41) Hatao tsy mety maty kosa ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy, ary porofo izany fa matoky tanteraka i Jehovah hoe tsy hivadika aminy izy ireo.

Midika ve izany fa olona 144 000 monja no hiaina mandrakizay? Tsia. Somary vitsy ihany mantsy izany, raha ampitahaina amin’ny isan’ny olona velona teto an-tany hatramin’izay. Tsy ireo ihany anefa no hiaina mandrakizay. Andeha hojerentsika ny antony.

Fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany

Resahin’ny Baiboly ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, fa hisy vahoaka be tsy tambo isaina hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. Hiara-miaina amin’izy ireo ny olona hatsangana amin’ny maty, izay hiverina ho tanora ka ho salama sy hatanjaka indray. (Apokalypsy 7:9; 20:12, 13; 21:3, 4) Izy rehetra ireo dia hotarihina ho any amin’ny ‘reniranon’ny ranon’aina, izay mangalahala toy ny vato kristaly sy mikoriana avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.’ ‘Misy hazon’aina’ eny amoron’io renirano io, “ary ny ravin’ireo hazo dia ho fanasitranana ny firenena.” Manao izao fanasana amim-pitiavana izao i Jehovah Andriamanitra: “Aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—Apokalypsy 22:1, 2, 17.

Tsy ody faty ireo hazo sy loharano resahina eo. Tsy ireo koa ilay karazana rano mahatanora notadiavin’ireo mpikaroka sy mpahay siansa, hatramin’ny an’arivony taona lasa izay. Hazo sy loharano an’ohatra kosa izy ireo, ary manondro ny fandaharana ataon’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, mba hamerenana ny olona ho lavorary toy ny tany am-boalohany indray.

Tsy miova ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hanome fiainana mandrakizay eto an-tany ho an’ny olombelona mankatò azy. Ho tanteraka izany fikasany izany, satria tsy mivadika i Jehovah. Hoy ny Salamo 37:29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Voatosika hanambara toy izao àry isika sy ireo olona hiaina mandrakizay any an-danitra: “Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Hery Fara Tampony. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay. Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao, satria ianao irery ihany no mahatoky?”—Apokalypsy 15:3, 4.

Irinao ve ny hahazo ilay fanomezana tena tsara dia ny fiainana mandrakizay? Raha eny, dia tsy maintsy mankatò sy tsy mivadika amin’ilay “Mpanjakan’ny mandrakizay” ianao. Mila mianatra momba an’i Jehovah sy Jesosy Kristy ianao. Tamin’ny alalan’i Jesosy mantsy no ahafahana mahazo indray ny fiainana mandrakizay. Homen’Andriamanitra “fiainana mandrakizay” ny olona rehetra vonona hanaiky ny fitsipiny momba ny tsara sy ny ratsy.—Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Raha tianao ny hianatra bebe kokoa momba io foto-kevitra io, dia jereo ilay bokikely hoe Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/​Sary, pejy 5]

Faniriana Hatramin’izay

Mitantara momba an’i Gilgamesh ny angano avy any Mezopotamia. Efatra arivo taona lasa teo ho eo angamba izay no nisian’io angano io. Tantaraina ao fa nitady fomba mahatanora mandrakizay i Gilgamesh. Ny Ejipsianina fahiny kosa dia nitahiry faty mba tsy ho lo, noho ny finoany fa tsy mety maty ny fanahy, ary mety hiverina ao amin’ilay vatana indray. Izany no mahatonga ny fasana sasany any Ejipta ho feno zavatra, izay ninoan’ny Ejipsianina fa mety hilain’ilay maty any ankoatra.

Tamin’ny taonjato fahavalo T.K. na talohan’izany aza, no efa nino ny mpahay siansa sinoa sasany fa afaka ny tsy ho faty ny olona. Ary tamin’ny taonjato fahefatra T.K. izy ireo no efa nino fa azo tanterahina amin’ny alalan’ny fanafody izany. Raha ny tany Eoropa sy Arabia indray, dia efa tamin’ny arivo taona lasa tany ho any no nikaroka sy nanandrana nanamboatra ody faty ireo mpahay siansa. Anisan’ny fangaron’ireny fanafody ireny ny arsenika, volavelona, ary solifara. Iza moa no mahalala hoe firy no efa voapoizina tamin’ireny lazaina fa ody faty ireny!

Efa nisy fotoana koa nampahalaza ilay angano momba ny Loharano Mahatanora, izay noheverina fa afaka manome rano mampody ny herin’izay misotro azy.

[Efajoro/​Sary, pejy 7]

Hankaleo ve ny Hiaina Mandrakizay?

Milaza ny olona sasany fa hankaleo ny hiaina mandrakizay, satria izany dia ho famerimberenana tsy hisy farany fotsiny an’ireo fialam-boly mandany andro sy tsy misy dikany. Mihevitra angamba izy ireo fa rehefa hiaina mandrakizay ny olona, dia hitovy amin’ny ankehitriny ihany ny fahazarana sy ny fomba fiaina, fa hitohy tsy misy farany fotsiny. Olona maro no mahatsapa fa hankaleo sy tsy hisy dikany izany. Mampanantena anefa Andriamanitra fa “hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana” ny olona, rehefa haveriny ny Paradisa. (Salamo 37:11) Ho afaka hianatra momba ny zavaboarin’i Jehovah ny olona amin’izany, ary ho afaka hanokana fotoana hampitomboana fahaizana, sy hianarana, ary hanaovana ireo zavatra tiana hatao izay mbola tsy azo tanterahina ankehitriny.

Hoy ny Pr. Aubrey de Grey, manam-pahaizana momba ny fototarazo, sady mpikaroka momba ny fanalavana ny fiainan’ny olona, ao amin’ny Oniversiten’i Cambridge: “Tsy mety ho leo sy hahita zava-baovao hatao foana, ny olona nianatra sy manam-potoana ampiasana ny fahaizany.” Na izany aza anefa no hitranga, dia milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “tsy [ho] hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”—Mpitoriteny 3:11.