Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao Hanantena An’i Jehovah ka ho Be Herim-po

Aoka Ianao Hanantena An’i Jehovah ka ho Be Herim-po

Aoka Ianao Hanantena An’i Jehovah ka ho Be Herim-po

“Miandrasa [na aoka hanantena, “TV” ] an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.”—SALAMO 27:14.

1. Inona no maha zava-dehibe ny fanantenana, ary inona no dikan’io teny io ao amin’ny Soratra Masina?

TOY ny jiro mamirapiratra ny tena fanantenana. Manampy antsika izy io mba tsy hifantoka amin’ny fitsapana mahazo antsika, fa hiatrika ny hoavy amin-kerim-po sy amim-pifaliana. I Jehovah irery no afaka manome fanantenana azo antoka, ary manome izany izy ao amin’ny Teniny. (2 Timoty 3:16) Hita in-160 mahery ny teny hoe “fanantenana” sy ny matoanteny avy amin’izy io, ao amin’ny Baiboly. Izy io dia midika hoe fiandrasana fatratra sy amin-toky zavatra tsara iray, na ilay zavatra andrasana mihitsy. * Tsara lavitra noho ny faniriana fotsiny ny fanantenana. Mety tsy ho azo antoka fa ho tanteraka mantsy ny faniriana.

2. Nanampy an’i Jesosy hanao inona ny fanantenana?

2 Tsy nifantoka tamin’izay nanjo azy i Jesosy rehefa niaritra fitsapana sy zava-tsarotra, fa nanantena an’i Jehovah. “Niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra, ary nipetraka teo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.” (Hebreo 12:2) Afaka nanamarina ny zon’i Jehovah hitondra sy nanamasina ny anarany, i Jesosy. Nifantoka tsara tamin’izany izy, ka izay no nanampy azy hankatò an’Andriamanitra foana na inona na inona vokatr’izany teo aminy.

3. Inona no vokany rehefa manana fanantenana ny mpanompon’Andriamanitra?

3 Nasehon’i Davida Mpanjaka fa misy ifandraisany ny fanantenana sy ny herim-po. Hoy izy: “Miandrasa [na aoka hanantena, TV ] an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.” (Salamo 27:14) Tsy tokony havelantsika hanjavozavo mihitsy ny fanantenantsika, raha tiantsika hahery ny fontsika. Tokony hazava tsara ao an-tsaintsika sy ho mamin’ny fontsika foana izy io. Ho be herim-po sy hazoto toa an’i Jesosy isika amin’izay, rehefa manao ilay asa nanirahany ny mpianany. (Matio 24:14; 28:19, 20) Tanisaina miaraka amin’ny finoana sy ny fitiavana tokoa ny fanantenana, ary aseho ho toy ny toetra tena ilaina sy maharitra, izay mampiavaka ny mpanompon’Andriamanitra.—1 Korintianina 13:13.

‘Be fanantenana’ ve ianao?

4. Inona no andrandrain’ireo Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa” namany?

4 Faran’izay tsara ny hoavin’ny vahoakan’Andriamanitra. Miandry fatratra ny hiarahany hanompo amin’i Kristy any an-danitra, ny Kristianina voahosotra. Ny “ondry hafa” kosa manantena ny ‘hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra’ eto an-tany. (Jaona 10:16; Romanina 8:19-21; Filipianina 3:20) Anisan’izany ‘fahafahana be voninahitra’ izany ny fahafahana amin’ny ota sy ny vokany mahatsiravina. Tsy manome afa-tsy ny tsara indrindra ho an’ny olony tsy mivadika tokoa i Jehovah, ilay Mpanome ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.”—Jakoba 1:17; Isaia 25:8.

5. Inona no azontsika atao, raha tiantsika ny ho ‘be fanantenana’?

5 Tokony hanao ahoana ny fanantenantsika? Hoy ny Romanina 15:13: “Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra noho ny finoanareo, mba hitombo be ny fanantenanareo noho ny herin’ny fanahy masina!” Tsy toy ny labozia mitsilopilopy anaty haizina ny fanantenana. Toy ny tara-masoandro mamiratra vao maraina kosa izy io, ka mahatonga antsika hanana fiadanana, fahasambarana, tanjona, ary herim-po. Mariho fa ‘mitombo be ny fanantenantsika’, rehefa mino ny Tenin’Andriamanitra isika, sady mahazo ny fanahiny masina. Hoy ny Romanina 15:4: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.” Mila manontany tena àry ianao hoe: ‘Mianatra tsara ny Baiboly sy mamaky azy io isan’andro ve aho, mba hamirapiratra foana ny fanantenako? Mangataka matetika ny fanahin’Andriamanitra ve aho rehefa mivavaka?’—Lioka 11:13.

6. Inona no tsy maintsy tandremantsika, mba hamirapiratra hatrany ny fanantenantsika?

6 Nanovo hery lehibe avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, ilay Modelintsika. ‘Tsy ho kivy na ho reraka’ isika, raha mandinika tsara ny ohatra navelany. (Hebreo 12:3) Aoka tsy havelantsika hanjavozavo ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika, ilay fanantenana nomen’Andriamanitra. Aoka koa isika tsy hifantoka amin-javatra hafa, toy ny fikatsahana harena na tanjona hafa tsy mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Raha tsy izany, dia mety ho mora reraka ara-panahy isika, ka tsy hanana tanjaka sy herim-po hanaovana ny tsara intsony. Mety ho ‘vaky sambo ny amin’ny finoana’ mihitsy aza isika amin’izay. (1 Timoty 1:19) Manatanjaka ny finoantsika anefa ny tena fanantenana.

Tena ilaina ny fanantenana mba hananana finoana

7. Inona no mampiseho fa tena ilaina ny fanantenana, mba hananana finoana?

7 Hoy ny Baiboly: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Hebreo 11:1) Midika izany fa ampahany lehibe amin’ny finoana ny fanantenana, fa tsy fanampin’izy io fotsiny. Diniho ny ohatra navelan’i Abrahama. Nampanantena hanome azy mpandova i Jehovah, nefa efa tsy afaka niteraka intsony izy sy Saraha vadiny tamin’izay, raha araka ny fomba fijerin’olombelona. (Genesisy 17:15-17) Nanao ahoana ny fihetsik’i Abrahama? “Nanantena i Abrahama, na dia toa tsy nisy azony nantenaina intsony aza, ka nino fa mety ho tonga rain’ny firenena maro izy.” (Romanina 4:18) Ilay fanantenana nomen’Andriamanitra azy tokoa no nahamafy orina ny finoany hoe hanan-taranaka izy. Ary izany finoany izany no nahatonga ny fanantenany hamirapiratra sy ho azony antoka kokoa. Nanana herim-po mihitsy aza izy sy Saraha, ka nandao ny tranony sy ny havany, ary nipetraka an-day tany an-tany hafa nandritra ny androm-piainany sisa!

8. Nahoana no manamafy ny fanantenana ny fiaretana hatrany?

8 Azon’i Abrahama antoka foana ny fanantenany, rehefa nankatò tanteraka an’i Jehovah izy, na dia sarotra aza izany indraindray. (Genesisy 22:2, 12) Ho azontsika antoka koa ny valisoantsika, raha mankatò sy miaritra isika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nilaza i Paoly fa ahazoana ny ‘fankasitrahan’Andriamanitra ny fiaretana’, ary izany fankasitrahana izany dia mahatonga fanantenana, izay “tsy mba mitondra fahadisoam-panantenana.” (Romanina 5:4, 5) Izany koa no nilazan’i Paoly hoe: “Irinay ianareo tsirairay avy mba haneho fahazotoana toy izany koa, mba ho tena azonareo antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana.” (Hebreo 6:11) Vokatry ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah izany fanantenana izany, ary afaka manampy antsika hiatrika ny zava-tsarotra rehetra amin-kerim-po sy amim-pifaliana mihitsy aza.

“Mifalia amin’ny fanantenana”

9. Inona no ilaintsika hatao tsy tapaka, mba ‘hifaliantsika amin’ny fanantenana’?

9 Tsara lavitra noho izay rehetra azon’ity tontolo ity atolotra, ny fanantenana omen’Andriamanitra. Hoy ny Salamo 37:34: “Miandrasa [na aoka ianao hanantena, TV ] an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” Manana antony ‘hifaliana amin’ny fanantenana’ tokoa isika. (Romanina 12:12) Tsy maintsy ataontsika velombelona ao an-tsaina foana ilay fanantenantsika, mba hifaliana amin’izy io. Mieritreritra tsy tapaka an’ilay fanantenana nomen’Andriamanitra ve ianao? Azonao sary an-tsaina ve ny tenanao ao amin’ny Paradisa, salama tsara sy mavitrika, tsy manana ahiahy, miaraka amin’ireo havan-tianao, ary manao asa tena mahafa-po? Misaintsaina ireo sarina Paradisa ao amin’ny bokintsika ve ianao? Izany fisaintsainana tsy tapaka izany, dia azo oharina amin’ny fanadiovana varavarankely, izay ahafahana mitazana toerana tena kanto. Vetivety dia ho feno loto ilay fitaratra, raha tsy diovintsika matetika. Tsy ho hita tsara intsony ilay toerana kanto amin’izay, ka zavatra hafa indray no mety hisarika ny saintsika. Enga anie isika tsy hamela izany hitranga mihitsy! 

10. Nahoana no azo lazaina fa manatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah ny fanantenana ilay valisoa?

10 Mazava ho azy fa ny fitiavantsika an’i Jehovah no antony lehibe indrindra anompoantsika azy. (Marka 12:30) Na izany aza, dia tokony hanantena fatratra an’ilay valisoa isika. I Jehovah mihitsy no mitaky izany amintsika! Hoy ny Hebreo 11:6: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” Nahoana isika no tian’i Jehovah hihevitra azy ho toy ny Mpamaly soa? Satria asehontsika amin’izany fa fantatsika tsara ilay Raintsika any an-danitra. Malala-tanana sy tia ny zanany izy. Mba eritrereto ange raha tsy nanana “fanantenana” isika e! Azo inoana fa tsy ho sambatra isika sady ho mora kivy.—Jeremia 29:11.

11. Inona no mampiseho fa nanampy an’i Mosesy hanao safidy tsara ilay fanantenana nomen’Andriamanitra?

11 Nifantoka foana tamin’ny fanantenana nomen’Andriamanitra i Mosesy, ary ohatra miavaka izy amin’io lafiny io. “Zanaky ny zanakavavin’i Farao” izy, ka nanana fahefana sy voninahitra ary afaka nampiasa ny harenan’i Ejipta araka izay tiany. Tsy maintsy nisafidy izy: Na hifantoka amin’ireo, na hanompo an’i Jehovah. Nanana herim-po i Mosesy, ka nifidy ny hanompo an’i Jehovah. Nahoana? Satria “nibanjina tsara ny fanomezana ny valisoa” izy. (Hebreo 11:24-26) Azo antoka fa tsy nohamaivaniny mihitsy ilay fanantenana nomen’i Jehovah.

12. Nahoana ny fanantenan’ny Kristianina no ampitahaina amin’ny fiarovan-doha?

12 Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny fiarovan-doha ny fanantenana. Miaro ny fisainantsika izy io, ka manampy antsika hanapa-kevitra tsara, hahay hamaritra izay tokony hatao loha laharana, ary tsy hivadika. (1 Tesalonianina 5:8) Eny aminao foana ve io fiarovan-dohanao io? Raha izany no izy, dia hanahaka an’i Mosesy sy Paoly ianao, ka tsy hametraka ny fanantenanao “amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika.” Marina fa mila herim-po ianao mba tsy hanarahana ny fanaon’ny besinimaro, ka tsy hikatsaka izay hahasoa ny tenanao fotsiny. Tsy very maina anefa izany ezaka izany! Nahoana moa ianao no hitady zavatra latsa-danja noho “ny tena fiainana”, izay homena an’ireo manantena an’i Jehovah sy tia azy?—1 Timoty 6:17, 19.

“Tsy handao anao mihitsy aho”

13. Inona no toky omen’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika?

13 Azo antoka fa manahy be momba ny hoavy ny olona mametraka ny fanantenany amin’ity tontolo ity, satria mitombo hatrany ny “fahoriana” eran-tany. (Matio 24:8) Tsy matahotra toy izany anefa ny olona manantena an’i Jehovah. ‘Hitoetra tsy manana ahiahy izy, eny, handry feizay ka tsy hatahotra ny ratsy.’ (Ohabolana 1:33) Tsy mametraka ny fanantenany amin’ity tontolo ity izy ireo, ka faly manaraka an’ity torohevitr’i Paoly ity: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo. Fa hoy izy: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.’ ”—Hebreo 13:5.

14. Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hanahy be loatra momba izay ilainy eo amin’ny fiainana?

14 Fanamafisan-kevitra ny teny hoe “mihitsy”, ary manome antoka fa hikarakara antsika Andriamanitra. Nanome toky antsika koa i Jesosy fa tia sy hiahy antsika Andriamanitra. Hoy izy: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany [na ny zavatra ilaina eo amin’ny fiainana]. Koa aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany.” (Matio 6:33, 34) Fantatr’i Jehovah fa sarotra amintsika ny maneho zotom-po ho an’ny Fanjakany, sady manefa ny adidintsika hitady fivelomana. Aoka àry isika hatoky tanteraka fa mahay mikarakara izay ilaintsika i Jehovah, sady maniry hanao izany.—Matio 6:25-32; 11:28-30.

15. Inona no dikan’ny hoe manana ‘maso tsotra’?

15 Manaporofo ny fianteherantsika amin’i Jehovah isika, rehefa manana ‘maso tsotra.’ (Matio 6:22, 23) Ny hoe manana maso tsotra dia midika hoe tsy mihatsaravelatsihy, manao zavatra noho ny antony tsara foana, tsy matimatin-karena, ary tsy fatra-paniry laza na fahefana. Tsy midika kosa anefa izany hoe mifidy ny hiaina ao anatin’ny fahantrana faraidiny, na manao tsirambina ny adidintsika hitady fivelomana. Midika kosa izany hoe mampiasa ny “fahaiza-misaina”, eo am-panaovana ny fanompoana an’i Jehovah ho loha laharana eo amin’ny fiainana.—2 Timoty 1:7.

16. Nahoana no ilaina ny finoana sy ny herim-po, mba hananana maso tsotra foana?

16 Ilaina ny finoana sy ny herim-po, mba hananana maso tsotra foana. Ahoana, ohatra, raha mitaky ny hiasanao tsy tapaka amin’ny ora misy fivoriana ny mpampiasa anao? Hanana herim-po ve ianao, ka tsy hiala amin’ireo zavatra asain’i Jehovah atao loha laharana? Raha misy olona tsy matoky fa hikarakara ny mpanompony araka ny nampanantenainy i Jehovah, dia mety tsy hivory intsony mihitsy izy, raha vao ampitomboin’i Satana fotsiny ny fanerena. Mety hofehezin’i Satana tokoa isika raha tsy ampy finoana, ka izy indray no hamaritra izay tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika, fa tsy i Jehovah. Tena loza raha izany no mitranga!—2 Korintianina 13:5.

Aoka ianao hanantena an’i Jehovah

17. Nahoana no azo lazaina fa efa mahazo fitahiana sahady ankehitriny ny olona matoky an’i Jehovah?

17 Imbetsaka ny Soratra Masina no mampiseho fa tsy matiantoka mihitsy ny olona manantena sy matoky an’i Jehovah. (Ohabolana 3:5, 6; Jeremia 17:7) Marina fa mety hianina amin’ny zavatra kely izy ireo indraindray, nefa sorona kely ihany izany aminy, raha oharina amin’ireo fitahiana mbola ho azony. Porofoin’izy ireo amin’izany fa manantena an’i Jehovah izy, ary matoky fa homeny an’ireo olony tsy mivadika izay zavatra tsara rehetra irin’izy ireo amin’ny farany. (Salamo 37:4, 34) Noho izany, dia tena sambatra sahady izy ireo ankehitriny. “Ny fanantenan’ny marina dia fifaliana; fa ny fanantenan’ny ratsy fanahy ho foana.”—Ohabolana 10:28.

18, 19. a) Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika amim-pitiavana? b) Ahoana no ihazonantsika foana an’i Jehovah ho eo ‘ankavanantsika’?

18 Mahatsiaro ho voaro sy tsy manana ahiahy ny zazalahy kely iray, rehefa tantanan-drainy. Toy izany koa isika izay miara-mandeha amin’ilay Raintsika any an-danitra. Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita: “Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho ... sady mamonjy anao. ... Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana, dia Ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.”—Isaia 41:10, 13.

19 Sarin-teny mampihetsi-po tokoa izany hoe tantanan’i Jehovah izany! Hoy i Davida: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.” (Salamo 16:8) Ahoana no ihazonantsika foana an’i Jehovah ho eo ‘ankavanantsika’? Misy fomba roa, fara fahakeliny, azontsika anaovana izany. Voalohany, avelantsika hitari-dalana antsika eo amin’ny lafim-piainantsika rehetra ny Teniny. Faharoa, mibanjina ilay loka faran’izay tsara ampanantenain’i Jehovah isika. Nihira i Asafa mpanao salamo hoe: “Izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tànako ankavanana Hianao. Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho.” (Salamo 73:23, 24) Afaka miatrika ny hoavy amin-toky tokoa isika, noho izany fampanantenana izany.

“Efa manakaiky ny fanafahana anareo”

20, 21. Hanao ahoana ny hoavin’ny olona manantena an’i Jehovah?

20 Miharihary arakaraka ny fandehan’ny fotoana, fa vao mainka ilaina maika ny mihazona an’i Jehovah ho eo ankavanantsika. Ho tonga amin’ny tontolon’i Satana tsy ho ela ny fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy, ary hanomboka amin’ny fandringanana ny fivavahan-diso izany. (Matio 24:21) Ho raiki-tahotra daholo ny olona tsy manam-pinoana. Hifaly amin’ny fanantenana anefa ny mpanompon’i Jehovah be herim-po, mandritra izany fotoana misafotofoto be izany! Hoy i Jesosy: “Rehefa manomboka mitranga izany, dia mitrakà ka asandrato ny lohanareo, fa efa manakaiky ny fanafahana anareo.”—Lioka 21:28.

21 Aoka àry isika hifaly amin’ilay fanantenana nomen’Andriamanitra, fa tsy ho voafitaka na ho voasarik’ireo zavatra ataon’i Satana amin-kafetsena mba hahavariana antsika. Aoka koa isika hiezaka mafy mba hanana finoana sy fitiavana ary hatahotra an’Andriamanitra. Raha manao izany isika, dia hanana herim-po hankatoavana an’i Jehovah amin’ny toe-javatra rehetra, sady hahatohitra ny Devoly. (Jakoba 4:7, 8) Eny, “mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia hianareo rehetra izay manantena an’i Jehovah.”—Salamo 31:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Matetika no ilazana ny valisoa ho azon’ny Kristianina voahosotra any an-danitra, ny hoe “fanantenana” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ny heviny amin’ny ankapobeny anefa no ampiasaintsika ato amin’ity lahatsoratra ity.

Hainao Valiana Ve?

• Inona no mampiseho fa nahatonga an’i Jesosy ho be herim-po ny fanantenany?

• Inona no ifandraisan’ny finoana sy ny fanantenana?

• Nahoana ny fanantenana sy ny finoana no azo lazaina fa manampy ny Kristianina, mba hanana herim-po hamaritana izay tokony hatao loha laharana?

• Nahoana ny olona “manantena an’i Jehovah” no afaka mibanjina ny hoavy amin-toky?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Azonao sary an-tsaina ve ny tenanao ao amin’ny Paradisa, na tanora ianao na antitra?