Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hentitra Loatra ve ny Baiboly?

Hentitra Loatra ve ny Baiboly?

Hentitra Loatra ve ny Baiboly?

“TSY nampianarina ny fitsipiky ny Baiboly aho tamin’ny mbola kely. Tsy niresahana momba an’Andriamanitra mihitsy aza aho.” Izany no nolazain’ny tovolahy iray any Failandy. Fahita izany ankehitriny. Maro no mihevitra fa efa tena lany andro ny Baiboly, sady hentitra loatra ny torohevitra ao anatiny. Ny tanora no tena mieritreritra toy izany. Misy milaza koa fa mijaly ny olona mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Be loatra mantsy, hono, ny zavatra tsy azon’izy ireo atao sy ny didy tsy maintsy ankatoaviny. Maro àry no mihevitra hoe aleo tsy mamaky Baiboly fa mitady tari-dalana any an-toeran-kafa.

Ny fampijaliana nataon’ny fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana nandritra ny taona maro, no tena mahatonga ny olona hihevitra fa hentitra loatra ny Baiboly. Saika ny fiainan’ny olona manontolo, ohatra, no nofehezin’ny Eglizy Katolika tany Eoropa, nanomboka tamin’ny taona 476 ka hatramin’ny taona 1000 tany ho any. Nampijalijalina sy novonoina ho faty mihitsy aza izay sahy nilaza fa tsy nitovy hevitra tamin’ny eglizy. Naneritery ny fiainan’ny olona koa ny fivavahana protestanta nipoitra tatỳ aoriana. Nasiaka loatra, ohatra, ny Kalvinista sy ny Puritains rehefa nanasazy. Mahalala tsara izany izay mahafantatra ny tantaran’ny fivavahana protestanta. Ireny fampijaliana nataon’ny fivavahana ireny àry no mahatonga ny olona hihevitra fa mampijaly ny manaraka ny fampianaran’ny Baiboly.

Tato anatin’ny taonjato vitsivitsy, dia tsy misy heriny firy eo amin’ny olona intsony ny fivavahana, any amin’ny tany sasany. Tsy eken’ny olona maro intsony ny fampianaran’ny fivavahany. Mihevitra kosa izy ireo fa manana zo hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy ny olona. Inona no vokatr’izany? Hoy i Ahti Laitinen, mpikaroka momba ny heloka bevava sy ny lalàna mifehy ny fiaraha-monina: “Manjary tsy manaja fahefana firy intsony ny olona. Mihatsy fantany intsony koa ny atao hoe tsara sy ratsy.” Mampalahelo fa niova koa na dia ny mpitondra fivavahana aza. Hoy ny eveka loteranina malaza iray: “Tsy ekeko ny filazana fa ny Baiboly sy ny mpitondra fivavahana no mahavaha ny olana momba ny fitondran-tena.”

Tsara ve ny manao izay tiana?

Mety hahafinaritra izany hoe afaka manao izay tiana izany, indrindra ho an’ny tanora. Tsy maniry hatao tsinontsinona ny ankamaroan’ny olona. Vitsy koa no te hankatò lalàna be dia be. Tokony hahazo hanao izay rehetra tiany ve anefa ny olona? Ity misy ohatra mba hamaliana izany. Aoka hatao hoe tsy misy lalàna mifehy ny tanàna iray. Afaka maka ny fananan’ny hafa, ohatra, ny olon-drehetra. Mahazo mamono an’izay manelingelina azy koa izy ireo. Tsy mampaninona ny miditra any an-tranon’ny olona amin’ny fotoana rehetra. Tsy voasazy izay mandoto ny rano ao an-tanàna sy manary fako eny amin’izay tiany. Ary azo atao lalana ny tanimbolin’olona. Tsara ve izany satria hoe “afaka” manao izay tiany ny olona? Mazava ho azy fa tsia! Hiteraka korontana sy loza izany. Marina fa tsy afaka manao ny zavatra sasany tiantsika isika noho ny fisian’ny lalàna. Fantatsika anefa fa miaro antsika izy ireny.

Toy izany koa fa manome toromarika ny amin’ny fomba tokony hitondrantsika ny fiainantsika i Jehovah. Mahasoa antsika izany. Raha tsy teo ireny tari-dalana ireny, dia mety ho voa isika vao hiana-javatra, ka mety hitondra loza ho an’ny tenantsika sy ny hafa. Tsy tsara sady mampidi-doza raha samy manao izay saim-pantany ny olona. Tsy misy hafa amin’izay mitranga ao amin’ny tanàna tsy misy lalàna izany. Mila fitsipika sy lalàna àry isika rehetra, ary eken’ny ankamaroan’ny olona izany.

“Maivana ny entako”

Mety ho be tsipiriany sady maro ny lalàna any amin’ny tanàna sasany. Tsy manome lalàna maro be anefa ny Baiboly. Toro lalana kosa no omeny, ary tsy sarotra arahina izy ireny na mampijaly. Nanasa ny mpiara-belona taminy i Jesosy Kristy hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28, 30) Hoy ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonana kristianina tany Korinto: “Izay misy ny fanahin’i Jehovah dia misy fahafahana.”—2 Korintianina 3:17.

Voafetra ihany anefa io fahafahana io. Nasehon’i Jesosy mazava tsara fa misy didy tsotra takin’Andriamanitra, ary vitsivitsy ihany izy ireo. Hoy, ohatra, izy tamin’ny mpianany: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo.” (Jaona 15:12) Alao sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny fiainana raha mampihatra an’izany didy izany ny rehetra! Misy fetrany ihany àry ny fahafahan’ny Kristianina. Hoy ny apostoly Petera: “Aoka ho olona afaka ianareo, nefa aoka ny fahafahanareo tsy ho fanaronana ny ratsy, fa hanompoana an’Andriamanitra kosa.”—1 Petera 2:16.

Tsy manao izay heveriny fa mety fotsiny àry ny Kristianina, na dia tsy misy lalàna be tsipiriany tsy maintsy arahiny aza. Mila tari-dalana ny olombelona, ary Andriamanitra ihany no afaka manome izany. Hoy ny Baiboly: “Tsy an’ny ... mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23) Handray soa maro be isika, raha mankatò ny toromarik’Andriamanitra.—Salamo 19:11.

Anisan’izany soa izany ny fahasambarana. Mpandainga sy mpangalatra ary naloto fitondran-tena, ohatra, taloha ilay tovolahy voaresaka terỳ am-boalohany. Rehefa nahalala ny fitsipika tena tsara ao amin’ny Baiboly anefa izy, dia nanova ny fomba fiainany mba hifanaraka amin’izany. Hoy izy: “Tena tsapako fa sarobidy ny fitsipiky ny Baiboly, na dia tsy nahavita nanaraka azy rehetra avy hatrany aza aho. Tsy nahasambatra ahy ny fomba fiainako taloha. Sambatra anefa aho izao. Ho mora kokoa ny fiainanao raha mankatò ny fitsipiky ny Baiboly ianao. Manana tanjona ianao, ary fantatrao ny tsara sy ny ratsy.”

Olona an-tapitrisany no nahatsapa toa azy. Nandray soa izy ireo rehefa nanaraka ny tari-dalan’ny Baiboly. Lasa mahay mifandray kokoa amin’ny olona, ohatra, izy ireo, mahay mandanjalanja eo amin’ny asany, afaka tamin’ny fahazarana tsy mahasoa, ka sambatra kokoa. Tsy nankatò ny fitsipiky ny Baiboly, taloha, ny tovolahy iray atao hoe Mamy. * Niova anefa izy. Hoy izy: “Nanjary nahatsiaro tena ho misy vidiny aho rehefa nankatò ny fitsipiky Baiboly.” *

Inona no hataonao?

Hentitra àry ve ny Baiboly? Eny, ary natao hahasoa antsika rehetra izany. Hentitra loatra ve anefa izy io? Tsia. Hahita olana isika raha manao izay tiantsika fotsiny. Tsy sarotra arahina ny fitsipiky ny Baiboly, ary manatsara ny fiainantsika sy mahasambatra antsika kokoa. Hoy i Mamy: “Hitako fa mahasoa ny mampihatra ny Tenin’Andriamanitra, rehefa nandeha ny fotoana. Marina fa tsy mitovy amin’ny fiainan’ny ankamaroan’ny olona ny fiainako. Tsy mahatsiaro tena ho matiantoka mihitsy anefa aho.”

Mahasoa ny mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Hankasitraka kokoa azy io ianao, rehefa mahatsapa izany. Hahazo fitahiana lehibe lavitra aza ianao. Hanjary ho tia an’ilay Andriamanitra nanome ny Baiboly ianao, dia i Jehovah. Hoy tokoa ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

Mpamorona sady Raintsika any an-danitra i Jehovah, ka mahafantatra izay tena mahasoa antsika. Tsy maneritery ny fiainantsika izy, fa manome toromarika feno fitiavana hahasoa antsika kosa. Mampirisika antsika amin’izao teny mampihetsi-po izao i Jehovah: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.”—Isaia 48:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Novana ny anarana.

^ feh. 13 Manazava bebe kokoa ny amin’ny fomba fiaina atoron’ny Baiboly, ny toko faha-12 amin’ilay boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

[Sary, pejy 9]

Nilaza i Jesosy fa mamelombelona ny didin’Andriamanitra

[Sary, pejy 10]

Ho sambatra sy hahatsiaro tena ho misy vidiny ianao raha manaraka ny toromarik’Andriamanitra