Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitady Fomba Hahavelomana Mandrakizay

Mitady Fomba Hahavelomana Mandrakizay

Mitady Fomba Hahavelomana Mandrakizay

EFA hatry ny ela ny olona no naniry mafy ny hiaina mandrakizay. Mbola tsy tanteraka anefa izany hatramin’izao, satria mbola tsy nisy nahita ny fanafodin’ny fahafatesana. Velom-panantenana indray anefa ny olona, noho ny fikarohana ara-pitsaboana vao haingana. Hita tamin’izany mantsy fa tena mety ho azo ampitomboina lava be ny androm-piainan’ny olona. Diniho, ohatra, ny fikarohana ataon’ny mpahay siansa isan-karazany mahakasika izany.

Manao andrana ampiasana ny proteinina antsoina hoe telômerazy ny mpikaroka, mba hitadiavana fomba hahatonga ny sela ho afaka hizara imbetsaka kokoa. Fantatry ny mpahay siansa fa misolo vaovao ny sela tranainy rehefa simba. Raha ny marina, dia misolo vaovao imbetsaka ny sela rehetra ao amin’ny ankamaroan’ny faritra amin’ny vatan’ny olombelona, mandritra ny androm-piainany. Mieritreritra ny mpikaroka fa raha azo halavaina ny fisian’io fihavaozana io, dia “afaka ny hihavao mandritra ny fotoana lava be na mandrakizay mihitsy aza, ny vatan’ny olombelona.”

Eo koa ny fampaniriana sela, mba hanamboarana taova mitovy tanteraka amin’ny teo aloha, nefa tsy misy tsininy. Voalaza fa noho io fomba io, dia mety ho azo anamboarana aty, na voa, na fo vaovao mifanaraka tanteraka amin’ny toe-batany ny olona marary iray. Soloana an’ireny avy eo izay taova marary. Ny selan’ilay marary ihany no alaina mba hanamboarana ilay taova vaovao. Mbola misy adihevitra be anefa momba io karazana fitsaboana io.

Mino ireo mpikaroka sady mpamorona zavatra elektronika faran’izay bitika, fa indray andro any dia hampiditra fitaovana kely elektronika mitovy habe amin’ny sela ao amin’ny lalan-dran’ny olona ny dokotera. Ireny fitaovana ireny no hitady sy hamotika ny sela misy kansera ary hamono ireo bakteria mankarary. Mino ny olona sasany fa ho afaka hiaina tsy misy farany ny olombelona any aoriana any, noho io fikarohana ara-tsiansa io sy ny fitsaboana ikirakirana ny fototarazo.

Misy indray mihevitra fa ny fitahirizana ireo faty, amin’ny alalan’ny hatsiaka mampivaingana, no vahaolana. Ny tanjona amin’izany dia ny hitahirizana ilay faty mandra-pisin’ny fandrosoana lehibe eo amin’ny fitsaboana. Ho afaka hitsabo aretina maro ny dokotera, hanafoana ny fahanterana, ary hamerina indray ny ain’ilay maty sy ny fahasalamany. Milaza ny Gazety Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina sy ny Fahanterana (anglisy), fa “toy ny fitahirizana faty nataon’ny Ejipsianina fahiny” io fomba io.

Tsy mitsahatra mitady fomba tsy hahafaty azy ny olombelona, ka hita avy amin’izany fa tsy te ho faty izy. Tena hahavita hiaina mandrakizay tokoa ve ny olona? Inona no lazain’ny Baiboly momba izany? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.