Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanampy Ahy Hiatrika Zava-tsarotra i Jehovah

Nanampy Ahy Hiatrika Zava-tsarotra i Jehovah

Tantaram-piainana

Nanampy Ahy Hiatrika Zava-tsarotra i Jehovah

NOTANTARAIN’I DALE IRWIN

“ZAZA VALO! AMPY IZAY! AVO ROA HENY NY ASA FA NAHAZO KAMBANA EFATRA.” Izany no lohatenin’ny gazety iray teo an-toerana, mba hilazana fa niampy kambana efatra ny zanakay efa-bavy. Tsy nikasa ny hanambady aho tamin’izaho tovolahy, mainka moa fa ny hoe hanan-janaka. Valo anefa ny zanako izao!

TERAKA tao Mareeba eto Aostralia aho, tamin’ny 1934. Izaho no zandriny indrindra aminay telo mianadahy. Nifindra tao Brisbane ny fianakavianay tatỳ aoriana, ary nampianatra sekoly alahady tao amin’ny Fiangonana Metodista i Neny.

Nilaza ny gazety teo an-toerana, tany am-piandohan’ny 1938, fa mety tsy havela hiditra eto Aostralia i Joseph Rutherford, izay avy any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanontanian’i Neny ny Vavolombelona nitsidika anay taorian’izay hoe: “Fa maninona izy no atao an’izany?” Namaly izy io hoe: “Tsy efa nilaza ve i Jesosy fa hanenjika ny mpanara-dia azy ny olona?” Nanaiky handray ilay bokikely hoe Fanasitranana * i Neny. Hazavain’izy io ny lafiny maro maha samy hafa ny fivavahana marina sy diso. Nampiaiky volana an’i Neny ilay bokikely, ka nentiny namonjy fivoriana nalamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay ankizy ny alahady nanaraka. Nanohitra be i Dada tamin’ny voalohany. Nanoratra fanontaniana ara-baiboly ho an’ny rahalahy iray anefa izy indraindray, ary nampitondrainy an’i Neny izany. Nampitondrain’ilay rahalahy an’i Neny indray ny valiny avy ao amin’ny Soratra Masina avy eo, mba homena an’i Dada.

Nandeha nivory niaraka taminay i Dada indray alahady, ary nikasa hilaza tamin’ireo Vavolombelona fa tsy faly tamin’izy ireo izy. Niova hevitra anefa izy rehefa avy niresaka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany, izay nitsidika an’ilay fiangonana tamin’izay. Nekeny mihitsy aza ny hanaovana fianarana Baiboly tao an-tranonay isan-kerinandro, ka ny olona liana teo amin’ny manodidina no nanatrika izany.

Natao batisa ny ray aman-dreniko, tamin’ny Septambra 1938. Niara-natao batisa kosa izahay telo mianadahy tamin’ny Desambra 1941, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra iray tao amin’ny Hargreave Park, any Sydney, Nouvelle-Galles du Sud. Fito taona aho tamin’izany. Niara-nanompo tsy tapaka tamin’ny ray aman-dreniko aho taorian’izay. Nitondra grafofaonina ny Vavolombelona tamin’izany rehefa nitory isan-trano, ary nandefa lahateny ara-baiboly noraisim-peo mba hohenoin’ny olona.

Mbola tadidiko tsara ny Vavolombelona iray antsoina hoe Bert Horton. Hafakely ny fiarany, satria nisy fanamafisam-peo lehibe sy matanjaka be teo amin’ny tafony. Nahafinaritra ny niara-niasa tamin’i Bert, indrindra raha ankizilahy kely toa ahy. Matetika, ohatra, izahay no nahatazana fiarana polisy nanatona anay, rehefa nandefa lahateny ara-baiboly teny an-tampon-kavoana. Novonoin’i Bert haingana ilay fanamafisam-peo, ary nifindra tany amin’ny havoana lavidavitra izahay, dia nandefa lahateny hafa indray. Tena nampianatra ahy hitoky tamin’i Jehovah sy hanana fahasahiana i Bert sy ireo rahalahy hafa tsy nivadika sy be herim-po toa azy.—Matio 10:16.

Matetika aho no nitory irery rehefa avy nianatra, tamin’izaho 12 taona. Nihaona tamin’ny fianakaviana Adshead aho indray mandeha. Nianatra ny fahamarinana daholo izy mivady sy ny zanany valo ary ny maro tamin’ny zafikeliny, rehefa nandeha ny fotoana. Tena misaotra an’i Jehovah aho, satria navelany hampahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly tamin’io fianakaviana mahafinaritra io, na dia mbola kely aza aho.—Matio 21:16.

Mbola kely dia nahazo tombontsoam-panompoana

Lasa mpitory manontolo andro aho tamin’izaho 18 taona, ary notendrena hankany Maitland, any Nouvelle-Galles du Sud. Nasaina nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’i Aostralia any Sydney indray aho, tamin’ny 1956. Nisy 20 izahay no tao, ka ny ampahatelony eo ho eo no voahosotra, izany hoe nanantena hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Voninahitra lehibe ny niara-niasa tamin’izy ireo!—Lioka 12:32; Apokalypsy 1:6; 5:10.

Foana tanteraka ny faniriako hitoetra ho mpitovo, rehefa nihaona tamin’i Judy Helberg aho. Nasaina niasa kelikely tao amin’ny biraon’ny sampana io mpisava lalana tsara tarehy io, mba hanampy ahy tamin’ny tetikasa lehibe iray. Nifankatia izahay ary nivady rehefa afaka roa taona. Nanomboka ny asan’ny faritra izahay avy eo, izany hoe nitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray isan-kerinandro, mba hampahery azy ireny.

Teraka i Kim zanakay vavimatoa tamin’ny 1960. Tsy afaka manohy ny asan’ny faritra intsony ny mpiandraikitra mpitety faritany ankehitriny, raha miteraka, fa tsy maintsy mijanona amin’ny toerana iray. Gaga be anefa izahay tamin’izany fa nasaina nanohy nitsidika fiangonana. Nanaiky izahay rehefa avy nivavaka mafy. Nandritra ny fito volana nanaraka, dia nitsidika fiangonana nifanalavitra tany Queensland sy tany amin’ny Faritany Avaratra izahay. Niaraka taminay i Kim, ary nahavita 13 000 kilaometatra tamin’ny bisy be sy fiaramanidina ary lamasinina izahay. Tsy nanana fiara mantsy izahay tamin’izany.

Nipetraka tany amin’ireo rahalahy sy anabavy foana izahay. Lamba mazàna no solom-baravarana tao amin’ny efitra fatoriana tamin’izany, satria nafana ny andro. Vao mainka àry izahay sahirana rehefa nitomany i Kim tamin’ny alina. Hitanay fa sarotra loatra ny nitaiza sady nitsidika fiangonana. Nijanona tao Brisbane àry izahay, ary nanao sary na soratra fampahafantarana amin’ny takela-by na hazo aho, mba hahazoam-bola. Niteraka vavikely indray izahay, roa taona taorian’ny nahaterahan’i Kim. Petina no anarany.

Tojo fahoriana mafy

Voan’ny karazana kansera atao hoe aretin’i Hodgkin i Judy, ka maty tamin’ny 1972. Vao 12 sy 10 taona izy mirahavavy tamin’izany. Nila tsy ho zakanay telo mianaka ny fahafatesan’i Judy. Nampionona anay tamin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny masina ary ireo rahalahy anefa i Jehovah, nandritra ny fotoana naharariany sy taorian’ny nahafatesany. Nanatanjaka anay koa Ny Tilikambo Fiambenana iray, nivoaka avy hatrany taorian’ilay fahoriana. Nisy lahatsoratra niresaka momba ny fitsapana tao, ka anisan’izany ny fahafatesan’ny havana. Nasehon’ilay gazety fa afaka manampy antsika ny fitsapana, mba hananantsika toetra tsara toy ny fiaretana sy finoana ary tsy fivadihana. *Jakoba 1:2-4.

Lasa nifandray kokoa tamin’ireo zanako aho, taorian’ny nahafatesan’i Judy. Tsoriko anefa fa tena mafy ny nanao ny asan’ny ray sady nisahana ny andraikitry ny reny. Nahafinaritra anefa izy mirahavavy satria niezaka be, ka mora kokoa tamiko ilay izy.

Nanambady indray ary nitombo ny fianakaviana

Nanambady indray aho tatỳ aoriana, ary Mary no anarany. Maro ny zavatra nitovianay. Matin’ny aretin’i Hodgkin koa ny vadiny, ary nanan-janaka roa vavy izy, dia i Colleen sy Jennifer. Zandrin’i Petina telo taona eo ho eo i Colleen. Lasa efatra àry ny zanakay: 14 taona ny vavimatoa, 12 taona ny faharoa, 9 taona ny fahatelo, ary 7 taona ny farany.

Fantatray sy Mary fa mila fotoana ny ankizy mba hanekeny tsara ny toromariky ny raikely sy renikely, ka nanapa-kevitra izahay fa samy hifehy ny zanany aloha. Nisy fitsipika roa lehibe narahinay sy Mary teo amin’ny fifandraisanay: Tsy nifamaly teo imason’ny ankizy mihitsy izahay, ary nanaraka foana ny toro lalana ao amin’ny Efesianina 4:26, rehefa nisy olana teo aminay. Nifampiresaka izahay mandra-pilamin’ilay izy, na dia nila ora maro aza izany!

Nahagaga fa nahay nifanaraka tsara izahay rehetra, na dia fianakaviana nisy raikely sy renikely aza. Mbola tsy nisinda anefa ny alahelonay an’ireo havan-tianay maty. Lasa “alina fitomanian’i” Mary, ohatra, ny alatsinainy alina. Rehefa avy nanao fianaram-pianakaviana izahay ary lasa natory ny ankizy, dia matetika no tsy tanan’i Mary ny fihetseham-pony ka nigogogogo nitomany izy.

Naniry hanan-janaka indray i Mary, nefa nampalahelo fa afa-jaza izy. Nisy zavatra tena tsy nampoizina avy eo rehefa bevohoka indray izy. Hita tamin’ny fitarafana fa tsy iray fotsiny ny zaza tao an-kibony, fa efatra! Ankona tanteraka aho. Efa 47 taona aho, nefa tsy ho ela dia hanan-janaka valo! Natao sezarienina i Mary ary niteraka kambana efatra tamin’ny 14 Febroary 1982, rehefa avy bevohoka valo volana. Toy izao ny anarana sy ny lanjan’izy efatra mianadahy, raha alahatra araka ny nahaterahany: Clint, 1,600 kilao; Cindy, 1,900 kilao; Jeremy, 1,400 kilao; ary i Danette, 1,700 kilao. Tsy nisy nitovy izy efatra mianadahy.

Nanatona nipetraka teo akaikiko ny dokoteran’i Mary raha vao avy teraka izy.

Hoy izy: “Manahy ny amin’ny fikarakarana an’ireo zaza ireo ve ianao?”

“Mazava ho azy! Mbola tsy nahita zavatra toy izao mihitsy aho hatrizay niainako!”, hoy aho.

Tena tsy nampoiziko ny teniny nanaraka, nefa nampahery ahy.

Hoy izy: “Tsy hamela anareo ho irery ny fiangonanareo. Raha vao mievina fotsiny ianao, dia homen’izy ireo mosara arivo!”

Tena nahay ilay dokotera sy ireo mpiara-miasa taminy tao amin’ny hopitaly. Roa volana monja àry dia nody tany an-trano izy efatra mianadahy, ary azo lazaina hoe salama tsara.

Raharaha ny nitaiza kambana efatra

Nataonay sy Mary lisitra ny zavatra hataonay isan’andro, mba hisian’ny filaminana. Tena nanampy anay nikarakara an-dry kambana izy efa-bavy zokiny. Ary tsy diso mihitsy ny tenin’ilay dokotera. Tonga nanampy anay tokoa ny fiangonana raha vao nisy zavatra nilainay, na dia kely aza. Mbola tsy tonga tao an-trano ireo zazakely dia efa niantso Vavolombelona mahay manao trano i John MacArthur, namanay efa ela, mba hanitatra ny tranonay. Nisy anabavy maromaro koa nanampy tamin’ny fikarakarana an’ireo zazakely. Porofo velon’ny fitiavana kristianina avokoa izany hatsaram-panahy rehetra izany.—1 Jaona 3:18.

Azo nolazaina hoe “zazakelin’ny fiangonana” ry kambana. Mbola raisin’izy ireo ho fianakaviany foana hatramin’izao, ireo rahalahy sy anabavy maro nanampy anay tamim-pitiavana. I Mary indray dia tena vady sy reny miavaka, ary mahafoy tena mikarakara ny zanany. Tena mampihatra izay ianarany ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ampianarin’ny fandaminana izy. Tsy misy torohevitra tsara noho ireo!—Salamo 1:2, 3; Matio 24:45.

Nivory sy nitory tsy tapaka izahay isan-kerinandro, na dia tena sarotra aza izany niaraka tamin’ny zazakely efatra. Faly anefa izahay fa nisy mpivady roa nianatra Baiboly taminay tamin’izany. Tonga tao an-trano izy ireo rehefa hianatra. Nanamora zavatra izany, nefa resin-tory ihany i Mary indraindray nandritra ilay fianarana, rehefa reraka loatra. Ny zazakely iray amin’izany matory eny am-pofoany ihany. Lasa rahalahy sy anabavinay ara-panahy ireo mpivady ireo tatỳ aoriana.

Fampiofanana ara-panahy aloha be

Mbola tsy nahay nandeha ry kambana, dia efa nentinay mivady sy ireo zokiny nanompo. Nitondra roa avy izahay sy Mary rehefa nianatra nandeha izy ireo, ary tsy enta-mavesatra taminay izany. Matetika aza izy ireo no lasa fanombohan-dresaka tamin’ny olona tsara fanahy. Indray maraina aho dia nihaona tamin’ny lehilahy iray, izay nilaza fa efa voalahatra mialoha arakaraka ny tonon’andro ahaterahany ny toetran’ny olona. Tsy niady hevitra taminy aho, fa nanontany azy raha afaka niverina rehefa kelikely. Nanaiky izy ka nentiko tany ry kambana. Raha mbola variana nijery azy efatra ilay rangahy, dia nalahatro arakara-jokiny izy ireo. Nitohy indray ny resakay ary tena nahafinaritra. Niresaka momba ny tsy fitovian’ny bika sy ny endrik’izy efatra mianadahy ary ny fahasamihafana be teo amin’ny toetrany izahay, ka hita tamin’izany fa diso ny hevitr’ilay rangahy. Hoy izy: “Mahagaga koa ny nilazako an’iny hevitra iny taminao. Mbola tokony hikaroka tsara aloha aho e?”

Rehefa naditra izy efatra tamin’ny mbola kely, dia nanarinay tsirairay, satria tsy tiany ny niaraka nobedesina. Hitan’izy ireo ihany anefa fa fitsipika mitovy no nomenay azy. Nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana izy ireo tany am-pianarana, sady nifanohana rehefa nisy safidy tsy maintsy nataony niankina tamin’ny feon’ny fieritreretany. I Cindy no mpitondra tenin’izy ireo tamin’izany. Tsy ela dia niaiky ny olona fa tena tsy laitra akisoka mihitsy izany kambana efatra izany!

Mazàna no sarotra ny manampy ny zatovo tsy hivadika amin’i Jehovah, ary tsapanay sy Mary koa izany. Soa ihany fa nanampy anay ireo olona be fitiavana teo anivon’ny fiangonana, sy ny sakafo ara-panahy tondraka nomen’ny fandaminan’i Jehovah. Ho nanahirana kokoa ilay izy raha tsy izany. Niezaka nanao fianaram-pianakaviana tsy tapaka sy nifampiresaka tsara foana koa izahay, na dia tsy mora aza izany indraindray. Novalian-tsoa anefa ilay ezaka, satria nifidy hanompo an’i Jehovah daholo izy valo mianadahy.

Fiatrehana ny fahanterana

Maro ny andraikitro teo anivon’ny fiangonana, tao anatin’ireo taona maro lasa: anti-panahy, mpiandraikitra ny tanàna, mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana. Efa anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly koa aho. Manampy ny dokotera amin’ny fikarakarana ny Vavolombelona marary io komity io, rehefa misy olana mifandray amin’ny fampidiran-dra. Nanana tombontsoa hafa koa aho nandritra ny 34 taona, satria nahazo alalana hanoratra fanambadiana. Nikarakara fanambadiana 350 teo ho eo aho, ary anisan’izany ny an’ireo zanako vavy enina.

Tsy mitsahatra misaotra an’i Jehovah aho, satria nanohana ahy foana i Judy, ary mbola manohana ahy i Mary. (Ohabolana 31:10, 30) Nanampy ahy hiantsoroka ny andraikitry ny anti-panahy izy ireo. Nanome modely tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny fanompoana koa izy ireo, sady nampianatra ny ankizy hanana toetra tsara.

Hita tamin’ny 1996 fa misy aretina ao amin’ny atidohako. Lasa mangovitra ny tanako, ary tsy mahavita mijoro tsara aho fa mitady hianjera foana. Noho izany, dia tsy afaka nanohy ny asako intsony aho. Tena mbola faly anefa aho manompo an’i Jehovah, na dia tsy mahavita be intsony aza. Nisy tombony noraisiko anefa, satria lasa mahay mangoraka kokoa ny zokiolona aho izao.

Velom-pisaorana an’i Jehovah aho rehefa misaintsaina ny fiainako. Tsapako mantsy fa nanampy anay mianakavy foana izy mba hahita fifaliana, na dia teo aza ny zava-tsarotra maro natrehinay. (Isaia 41:10) Velom-pankasitrahana koa izahay sy Mary ary ireo zanakay valo, satria manana fianakaviana ara-panahy mahafinaritra manohana anay. Nampiseho ny fitiavany tamin’ny fomba maro tsy ho voatanisa mihitsy izy ireo.—Jaona 13:34, 35.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 17 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay), 1 Jolay 1972, pejy 398-404.

[Sary, pejy 12]

Izahay sy Neny sy Garth zokiko lahy ary Dawn anabaviko, ho any amin’ilay fivoriambe tany Sydney, tamin’ny 1941

[Sary, pejy 13]

Izahay sy Judy ary Kim kely, tamin’izaho mpiandraikitra ny faritra tany Queensland

[Sary, pejy 15]

Nanampy anay ny fiangonana sy ireo zanakay vavy efatra, rehefa teraka ireo kambana efatra