Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asehoy Amin’ny Fomba Fiainanao ny Finoanao

Asehoy Amin’ny Fomba Fiainanao ny Finoanao

Asehoy Amin’ny Fomba Fiainanao ny Finoanao

“Ny finoana, raha tsy aseho amin’ny atao, dia maty.”—JAKOBA 2:17.

1. Nahoana ny Kristianina voalohany no nampiseho ny finoany tamin’ny zavatra nataony?

NAMPISEHO ny finoany tamin’ny fomba fiainany ny ankamaroan’ny Kristianina voalohany. Nampirisika ny Kristianina rehetra i Jakoba mpianatr’i Jesosy hoe: ‘Aoka ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany.’ Nilaza koa izy hoe: “Maty ny vatana raha tsy misy aina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.” (Jakoba 1:22; 2:26) Tokony ho 35 taona teo ho eo taorian’ny nanoratany izany, dia Kristianina maro no mbola nampiseho ny finoany tamin’ny alalan’ny asa tsara. Nampalahelo anefa fa nisy tsy nanao izany. Noderain’i Jesosy ny fiangonana tany Smyrna, fa hoy kosa izy tamin’ny olona maro tao amin’ny fiangonan’i Sardisy: “Fantatro izay ataonao, fa malaza ho velona ianao, nefa maty.”—Apokalypsy 2:8-11; 3:1.

2. Inona no fanontaniana tokony hapetraky ny Kristianina amin’ny tenany momba ny finoany?

2 Nampirisihin’i Jesosy, araka izany, ny olona sasany tany Sardisy, sy ireo hamaky ny teniny atỳ aoriana, mba hampiseho ny fitiavany ny fahamarinana sy hifandray tsara foana amin’Andriamanitra. (Apokalypsy 3:2, 3) Afaka manontany tena toy izao àry isika: ‘Ahoana ny amin’ny zavatra ataoko? Manao araka izay fara heriko ve aho mba hanaporofoana ny finoako amin’izay rehetra ataoko, eny fa na dia amin-javatra tsy mifandray mivantana amin’ny asa fitoriana na ny fivorian’ny fiangonana aza?’ (Lioka 16:10) Zavatra maro no azo dinihina, fa iray monja no hojerentsika, dia ny fiaraha-mikorana. Anisan’izany ny lanonana amin’ny fampakaram-bady kristianina.

Fiaraha-mikorana misy olona vitsivitsy

3. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fiaraha-mikorana?

3 Mahafinaritra ny ankamaroantsika ny voasa amin’ny fiaraha-mikorana ataon’ny Kristianina falifaly. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ka tiany ho faly ny mpanompony. (1 Timoty 1:11) Nasainy nosoratan’i Solomona ao amin’ny Baiboly ny hoe: “Noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany.” (Mpitoriteny 3:1, 4, 13; 8:15) Mety hisy fifaliana toy izany rehefa miara-misakafo ny mpianakavy, na rehefa miara-mikorana ny Kristianina vitsivitsy.—Joba 1:4, 5, 18; Lioka 10:38-42; 14:12-14.

4. Inona no tokony hodinihin’ny olona mikarakara fiaraha-mikorana?

4 Raha mikarakara fiaraha-mikorana toy izany ianao, ary tompon’andraikitra amin’ilay izy, dia diniho tsara izay kasainao hatao. Tokony handinika tsara ianao, na dia mpiray finoana vitsivitsy fotsiny aza no asainao hiara-misakafo na hiresadresaka. (Romanina 12:13) Tokony hataonao azo antoka fa ‘atao amim-pahamendrehana’ sy araka ny ‘fahendrena avy any ambony ny zava-drehetra.’ (1 Korintianina 14:40; Jakoba 3:17) Hoy ny apostoly Paoly: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra. Aza manao izay hampihemotra.” (1 Korintianina 10:31, 32) Inona avy no tokony hodinihina tsara? Raha mandinika mialoha mantsy ianao, dia ho hita eo amin’izay ataonao sy ny vahininao fa velona ny finoanareo.—Romanina 12:2.

Hanao ahoana ilay fiarahana?

5. Nahoana ny tompom-panasana no tokony handinika tsara raha handroso zava-pisotro misy alkaola sy handefa mozika?

5 Tsy maintsy manapa-kevitra ny tompom-panasana raha handroso zava-pisotro misy alkaola na tsia. Tsy voatery hisy zava-pisotro misy alkaola anefa vao hahafinaritra ny fiarahana. Tadidio fa nanome sakafo ho an’ny olona maro be tonga teo aminy i Jesosy, ary nampitombo ny mofo sy ny trondro. Tsy milaza anefa ilay fitantarana hoe nanome divay azy ireo tamin’ny fomba mahagaga izy, na dia fantatsika aza fa azony natao izany. (Matio 14:14-21) Raha manapa-kevitra ny handroso zava-pisotro misy alkaola ianao amin’ny fiaraha-mikorana iray, dia tokony hahay handanjalanja ka hametra ny habetsahany. Asio zava-pisotro tsy misy alkaola koa eo, ho an’ireo tia kokoa an’izany. (1 Timoty 3:2, 3, 8; 5:23; 1 Petera 4:3) Aza atao mihitsy izay hahatonga ny olona iray ho tsy afa-manoatra ka hisotro zavatra mety hanaikitra “toy ny bibilava.” (Ohabolana 23:29-32) Ahoana ny amin’ny mozika na hira? Raha hisy mozika amin’ny fiaraha-mikorana karakarainao, dia azo antoka fa hofidinao tsara ny hira, ka hojerenao ny gadon-kira sy ny tonony. (Kolosianina 3:8; Jakoba 1:21) Tsapan’ny Kristianina maro fa anisan’ny mahatonga ny fiarahana hahafinaritra ny fandefasana Feon-kiran’ilay Fanjakana, na ny fiarahana miredona ireny hira ireny mihitsy. (Efesianina 5:19, 20) Mazava ho azy koa fa mila jerena matetika ny hamafin’ny feo, sao tsy misy hanaovana resaka mahafinaritra na hanelingelina ny mpifanila trano.—Matio 7:12.

6. Ahoana no ampisehoan’ny tompom-panasana fa velona ny finoany?

6 Azon’ny Kristianina atao ny miresaka foto-kevitra isan-karazany, mamaky teny ho an’ny hafa, na mitantara zavatra mahaliana, rehefa miara-mikorana. Raha mitady hivaona anefa ny resaka dia hanitsy izany ilay tompom-panasana, nefa hitandrina mba tsy hanafintohina ny hafa. Tokony ho mailo koa izy mba tsy hisy olona iray hibodo resaka. Raha misy mitady hanao izany, dia afaka mandray fitenenana amim-pahaiza-mandanjalanja izy, ka hanao izay hiresahan’ny hafa. Mety hampirisika ny tanora hiresaka izy, na hilaza foto-kevitra iray ahafahana maneho hevitra samihafa. Hahafaly ny tanora sy ny olon-dehibe ny fiarahana toy izany. Raha izany no ataonao rehefa mikarakara fiaraha-mikorana, dia ho fantatr’ireo nasaina fa “mahay mandanjalanja” ianao. (Filipianina 4:5) Ho tsapan’izy ireo fa velona ny finoanao, ary misy vokany eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao.

Lanonana amin’ny fampakaram-bady

7. Nahoana no mendrika hodinihina akaiky ny fikarakarana fampakaram-bady sy ny fiaraha-mikorana atao amin’ilay izy?

7 Fotoam-pifaliana miavaka ny fampakaram-bady kristianina. Nanatrika azy ireny ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, anisan’izany i Jesosy sy ny mpianany. (Genesisy 29:21, 22; Jaona 2:1, 2) Hita tsara tamin’ny zava-nitranga tato ho ato, fa ilana ezaka manokana ny fikarakarana fiaraha-mikorana amin’ny fampakaram-bady, raha tiana ho hita amin’izany fa misaina sy mahay mandanjalanja ilay mpanasa. Anisan’ny fiainana ireny fanasana ireny, ka azon’ny Kristianina anaporofoana fa manam-pinoana izy.

8, 9. Nahoana no manamarina tsara ny 1 Jaona 2:16, 17 ny fanaon’ny olona maro amin’ny fampakaram-bady?

8 Mihevitra ny fampakaram-bady ho fotoana hanaovan-javatra mihoa-pampana ny olona maro tsy mahalala na tsy te hahalala ny toro lalan’Andriamanitra. Na koa izy ireny mihevitra fa azo alan-tsiny ny fihetsika toy izany, mandritra io fotoana io. Fampakaram-bady manetriketrika ‘toy ny an’ny fianakavian’ny mpanjaka’, no niantsoan’ny vehivavy iray ny mariaziny. Hoy izy tao amin’ny gazetiboky eoropeanina iray: ‘Nitaingina kalesy notarihin-tsoavaly efatra izahay roa. Kalesin-tsoavaly 12 hafa no tao aoriana, niampy kalesy lehibe iray nisy mpitendry zavamaneno. Nifaly tamin’ny sakafo mafilotra sy mozika kanto izahay avy eo. Tena tsy nisy hoatr’izany ilay izy! Toy ny mpanjakavavy aho tamin’iny andro iny, dia araka ny naniriako azy mihitsy.’

9 Mety hiovaova arakaraka ny firenena ny fanaon’ny olona amin’ny fampakaram-bady. Manamarina tsara izay nosoratan’ny apostoly Jaona anefa ny teny nolazain’ilay vehivavy. Hoy mantsy i Jaona: “Ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.” Azo eritreretina ve hoe hisy Kristianina matotra, haniry hanao ny fampakaram-badiny ho manetriketrika ‘toy ny an’ny fianakavian’ny mpanjaka’? Tokony ho hita amin’ny fomba tiany hanaovana ny fampakaram-badiny, fa efa nodinihiny ilay torohevitra hoe: “Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:16, 17.

10. a) Nahoana no ilaina ny fiomanana tsara mba tsy ho tafahoatra ny zavatra atao amin’ny fampakaram-bady? b) Inona no tokony hatao sy hotadidina rehefa hanapa-kevitra momba ny olona hasaina?

10 Tokony hijery ny zava-misy sy hahay handanjalanja ny Kristianina manomana fampakaram-bady, ary manampy azy ireo amin’izany ny Baiboly. Marina fa fotoan-dehibe io andro io. Fantatr’izy ireo anefa fa vao fiandohan’ny fanambadiana fotsiny ilay izy. Fiainana mandrakizay no mivelatra eo anoloany. Tsy voatery hanao fanasambe àry izy ireo. Raha mifidy ny hanisy fiaraha-mikorana izy ireo, dia tokony hanao kajy ny amin’izay ho lany, sady handinika ny karazana fanasana iriny hatao. (Lioka 14:28) Milaza ny Soratra Masina fa ny lehilahy no loham-pianakaviana. (1 Korintianina 11:3; Efesianina 5:22, 23) Ilay mpampakatra àry no tena tompon’andraikitra amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady. Mazava ho azy fa tokony hihevitra an’ilay ho vadiny izy, ka hanontany ny heviny momba ny olona kasain’izy ireo hasaina sy ny isany. Mila mahay mandanjalanja angamba izy roa rehefa handray fanapahan-kevitra, satria mety tsy ho vitany sady tsy ho fahendrena ny hanasa ny havana aman-tsakaiza rehetra. Mahazo matoky izy ireo fa hahatakatra izany ireo Kristianina namany, ary tsy ho tezitra na dia tsy voasa aza.—Mpitoriteny 7:9.

‘Mpiandraikitra ny fanasana’

11. Inona no anjara asan’ny ‘mpiandraikitra ny fanasana’, mandritra ny fampakaram-bady?

11 Raha te hanisy fiaraha-mikorana amin’ny fampakaram-badiny ny olon-droa hivady, inona no tsy maintsy ataony raha tiany ho mendri-kaja ilay izy? Efa am-polony taona izao ny Vavolombelon’i Jehovah no nahatakatra fa fahendrena ny manendry ‘mpiandraikitra ny fanasana’ amin’ny fampakaram-bady. Toy izany mantsy no natao tamin’ilay lanonana natrehin’i Jesosy tao Kana. Azo antoka fa mpiray finoana mendri-pitokisana io “mpiandraikitra” io. (Jaona 2:9, 10) Mifidy rahalahy Kristianina matotra koa ankehitriny ny mpampakatra hendry, mba hiantsoroka io andraikitra lehibe io. Hamantatra izay tian’ilay mpampakatra sy izay tadiaviny izy, ary hanatanteraka tsara izany, aloha sy mandritra ilay fiaraha-mikorana.

12. Inona no tokony hodinihin’ny mpampakatra momba ny zava-pisotro misy alkaola?

12 Manaraka izay noresahina teo amin’ny fehintsoratra faha-5 ny sasany amin’ireo mikasa hivady, ka mifidy ny tsy hanisy zava-pisotro misy alkaola amin’ny fampakaram-badiny. Mandray izany fepetra izany izy ireo, mba tsy hisy hisotro tafahoatra ka hanimba an’ilay fifaliana sy hanamatroka ilay fotoan-dehibe. (Romanina 13:13; 1 Korintianina 5:11) Misy koa anefa ny mifidy ny hanisy zava-pisotro misy alkaola. Raha izany no izy, dia tokony hataon’ny mpampakatra azo antoka fa tsy tafahoatra no aroso ho an’ireo nasaina. Nisy divay naroso tao amin’ilay fampakaram-bady natrehin’i Jesosy tany Kana. Nanome divay tena tsara koa i Jesosy tamin’io. Mariho izay nolazain’ilay mpiandraikitra ny fanasana: “Ny an’ny olona rehetra, ny divay tsara aloha no avoaka, ary rehefa mamo ny olona vao avoaka ny ratsiratsy. Ny anao kosa, ny divay tsara no notahirizinao hatramin’izao.” (Jaona 2:10) Azo antoka fa tsy nampirisika ny olona himamo i Jesosy, satria mihevitra izy fa ratsy izany. (Lioka 12:45, 46) Gaga ilay mpiandraikitra noho ny hatsaran’ilay divay, ary nilaza izy fa efa nisy fotoana nahitany olona mamo tamin’ny fampakaram-bady. (Asan’ny Apostoly 2:15; 1 Tesalonianina 5:7) Tokony hahazo antoka àry ny mpampakatra sy ilay Kristianina mpiandraikitra ny fanasana fa arahin’ny rehetra ity toromarika mazava ity: “Aza mba mamon-divay, fa amin’izany dia misy filibana.”—Efesianina 5:18; Ohabolana 20:1; Hosea 4:11.

13. Inona no tokony hodinihin’ireo mikasa hivady, raha handefa mozika izy ireo mandritra ilay fiaraha-mikorana, ary nahoana?

13 Toy ny amin’ny fiaraha-mikorana hafa, dia tokony hojerena tsara ny hamafin’ny mozika amin’ny fampakaram-bady, mba hifandrenesan’ny olona miresaka. Hoy ny anti-panahy kristianina iray: ‘Mihamafy indraindray ny mozika, rehefa miha hariva ny andro, satria efa mihamafana ny resaka na manomboka ny dihy. Mety ho lasa mafy be ny mozika na dia mora aza tamin’ny voalohany, ka tsy re intsony ny resaka ifanaovana. Mampisy fiarahana mahafinaritra ny fanasana amin’ny fampakaram-bady. Tena hampalahelo raha mozika mankarenin-tsofina no hanimba izany!’ Amin’io lafiny io koa, dia tokony hahay handray andraikitra ny mpampakatra sy ilay mpiandraikitra ny fanasana, ka hifidy izay mozika alefa sy hijery ny hamafin’ny feo, fa tsy hanilika izany amin’ireo mpahay mozika, na nokaramaina izy ireny na tsia. Hoy i Paoly: “Izay ataonareo, na amin’ny teny na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.” (Kolosianina 3:17) Hita taratra tamin’ireo mozika ve fa nanao ny zavatra rehetra tamin’ny anaran’i Jesosy ireo mpivady vao? Izany no tokony hotsaroan’ireo nasaina rehefa hody izy ireo.

14. Zavatra tsara inona no tokony hotsaroan’ny Kristianina momba ny fampakaram-bady iray?

14 Finaritra tokoa isika mahatsiaro ny fampakaram-bady nilamina tsara. Nilaza ny heviny momba ny fampakaram-bady iray natrehiny i Adam sy Edyta, mpivady nandritra ny 30 taona. Hoy izy ireo: “Tsapanao hoe fiarahan’ny samy Kristianina ilay izy. Nisy hira fiderana an’i Jehovah tao, nefa nisy fialam-boly tsara hafa koa. Tsy dia nibahan-toerana ny dihy sy mozika. Nahafaly sady nampahery ilay izy. Nifanaraka tamin’ny toro lalan’ny Baiboly ny zavatra rehetra.” Hita araka izany, fa maro ny zavatra azon’ny mpampakatra sy ny ampakarina atao, mba hampisehoany ny finoany amin’ny zavatra ataony.

Fanomezana ho an’ny mpivady vao

15. Inona no torohevitry ny Baiboly azo ampiharina momba ny fanomezana ho an’ny mpivady vao?

15 Any amin’ny tany maro, dia fanaon’ny havana aman-tsakaiza ny manolotra fanomezana ho an’ny mpivady vao. Inona no tokony hotadidinao, raha mikasa hanao izany ianao? Tsarovy ny tenin’ny apostoly Jaona momba ny “fampideraderana fananana.” Ity ‘tontolo mandalo’ ity no mampideradera fananana, fa tsy ny Kristianina izay mampiseho ny finoany amin’ny zavatra ataony. (1 Jaona 2:16, 17) Tokony hampahafantatra amin’ny besinimaro ny anaran’ilay nanolotra fanomezana ve ny mpivady vao, raha jerena izay nosoratan’i Jaona? Nanao fanomezana ho an’ny rahalahy tany Jerosalema ny Kristianina avy tany Makedonia sy Akaia. Tsy voalaza mihitsy anefa hoe nampahafantarina ny anaran’izy ireo. (Romanina 15:26) Kristianina maro no tsy te hisehoseho rehefa manolotra fanomezana, satria tsy tiany ny hisarika ny sain’ny olona ho amin’ny tenany. Diniho indray ny torohevitr’i Jesosy momba izany, ao amin’ny Matio 6:1-4.

16. Inona no azon’ny mpivady vao atao mba tsy hahamenatra ny hafa?

16 Mety “hampisy fifaninanana” momba izay fanomezana tsara na lafo vidy indrindra, ny fampahafantarana ny anaran’ireo nanolotra azy ireny. Hendry àry ny mpivady vao, raha tsy mampahafantatra amin’ny besinimaro ny anaran’ireo nanolotra fanomezana, ka tsy hanao izay hahamenatra an’ireo tsy mba afaka nanome. (Galatianina 5:26; 6:10) Marina fa tsy misy mahadiso an’ilay mpivady vao raha tiany ho fantatra hoe iza no nanolotra ny fanomezana iray. Mety ho azony fantarina izany raha misy taratasy firarian-tsoa ampiarahina amin’ilay fanomezana. Tsy hovakiny amin’ny besinimaro anefa izany. Rehefa mividy na manome na mandray fanomezana isika, dia azontsika porofoina fa misy heriny eo amin’ny ataontsika ny finoantsika, na dia amin’ny raharaha manokana toy izany aza. *

17. Inona no tokony ho tanjontsika Kristianina momba ny finoantsika sy ny asantsika?

17 Tsy ampy mba hanehoana ny finoantsika ny hoe madio fitondran-tena, manatrika fivoriana ary mandray anjara amin’ny asa fitoriana. Tokony ho hita taratra eo amin’izay rehetra ataontsika fa velona ny finoantsika. Ho hita fa manam-pinoana isika raha ‘vitaintsika’ araka ny tokony ho izy ny zavatra ataontsika eo amin’ny fiainana, anisan’izany ireo voaresaka tetsy aloha.—Apokalypsy 3:2.

18. Ahoana no azontsika ampiharana ny Jaona 13:17, rehefa misy fampakaram-bady sy fiaraha-mikorana kristianina?

18 Namela ohatra tsara ho an’ny apostoliny mahatoky i Jesosy rehefa nanao asa ambany, ka nanasa ny tongotr’izy ireo. Hoy izy avy eo: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.” (Jaona 13:4-17) Mety tsy hilaina na tsy fanao ny manasa ny tongotry ny olon-kafa, na ny vahiny tonga ao an-trano, eo amin’ny faritra misy antsika. Araka ny hitantsika tato amin’ity lahatsoratra ity anefa, dia betsaka ny lafin-javatra azontsika ampisehoana fa manam-pinoana isika, anisan’izany ny fiaraha-mikorana sy ny fampakaram-bady. Ny fitiavana sy ny fiahiana ny hafa no anaporofoantsika izany finoana izany. Haneho ny finoantsika isika, na tompom-panasana amin’ny fampakaram-bady, na olona nasaina, na koa rehefa miara-mikorana amin’ny Kristianina hafa, izay te haneho ny finoany amin’ny zavatra ataony.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Misy lafiny hafa amin’ny fampakaram-bady sy ny lanonam-panambadiana, hodinihina ao amin’ilay lahatsoratra manaraka hoe: “Fampakaram-bady Mahafaly sy Mendri-kaja.”

Ahoana no Havalinao?

Ahoana no hanehoanao ny finoanao

• rehefa mikarakara fiaraha-mikorana?

• rehefa mikarakara fanasana amin’ny fampakaram-bady?

• rehefa manolotra fanomezana ho an’ny mpivady vao, na rehefa mandray fanomezana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24]

Aoka ianao hotarihin’ny “fahendrena avy any ambony”, na dia olona vitsivitsy fotsiny aza no asainao