“Inona no Antony Iainantsika?”
“Inona no Antony Iainantsika?”
“FANONTANIANA lehibe indrindra tsy maintsy eritreretin’ny olona” ilay izy, hoy i Elie Wiesel, izay nahazo ny Loka Nobel sady tafavoaka velona tamin’ny Famonoana Tambabe nataon’ny Nazia. Tsy inona izany fa ilay fanontaniana hoe: “Inona no antony iainantsika?”
Efa mba nisaintsaina an’io fanontaniana io ve ianao? Maro no nanao izany, saingy tsy nahita valiny ny ankamaroany. Niezaka namantatra ny antony iainan’ny olombelona i Arnold Toynbee, mpahay tantara anglisy, ka nanoratra hoe: “Ny hidera an’Andriamanitra sy hahazo fahasambarana mandrakizay avy Aminy no tena tanjon’ny olombelona.”
Efa nisy lehilahy iray nahafantatra izany, telo arivo taona mahery lasa izay. Nalaza ho nahay nandinika ny fiainana izy. Tsy iza izany fa i Solomona mpanjaka hendry. Hoy izy: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”—Mpitoriteny 12:13.
Nanaraka an’io toro lalana fototra io i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Nanao izay tratran’ny heriny izy tetỳ an-tany, mba hanomezam-boninahitra ny Rainy any an-danitra. Nampisy heviny ny fiainany ny fanompoany ny Mpamorona azy. Nitondra hery ho azy toy ny sakafo mihitsy izany, ka hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy.”—Jaona 4:34.
Inona àry no antony iainantsika? Tena hisy heviny ny fiainantsika ary ho sambatra foana isika, raha manao ny sitrapon’Andriamanitra toa an’i Jesosy sy Solomona ary ireo mpanompon’Andriamanitra maro hafa. Te hahafantatra bebe kokoa ny fomba hivavahana amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ve ianao? (Jaona 4:24) Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny tanànanao, hanampy anao hahafantatra ny valin’ilay fanontaniana hoe: “Inona no antony iainantsika?”