Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lalana Romanina Sangan’asa Ahatsiarovana ny Injeniera Fahiny

Lalana Romanina Sangan’asa Ahatsiarovana ny Injeniera Fahiny

Lalana Romanina Sangan’asa Ahatsiarovana ny Injeniera Fahiny

INONA no zavatra niavaka indrindra vitan’ny Romanina fahiny, ka ahatsiarovana azy ireo? Mety hilaza ianao hoe ilay trano fanaovana teatra atao hoe Colisée, izay mbola hita any Roma ny sisa tavela aminy. Ny lalana angamba anefa no zavatra nateza indrindra naorin’ny Romanina, sady nisy vokany teo amin’ny tantara.

Tsy natao hitaterana entana na handehanan’ny miaramila fotsiny ny lalana romanina. Noho ny lalana, dia nanjary mora niely koa ny “hevitra, zavakanto, fampianarana sy foto-pinoana”, anisan’izany ny foto-pinoana kristianina, hoy i Romolo Staccioli, manam-pahaizana momba ny soratra fahiny.

Efa hatramin’ny taloha no noheverina ho sangan’asa ahatsiarovana ny Romanina ny lalana nataony. Nanamboatra lalana ny Romanina nandritra ny taona maro, ary tena nahasoa izy ireny. Nahatratra 80 000 kilaometatra mahery ny halavany tamin’ny farany. Efa lasan’ny firenena 30 mahery izao ny toerana nisy azy ireny.

Via publica no niantsoana ny lalambe tamin’izany, ka ny Via Appia na Lalana Apianina no lehibe indrindra. Izy io no tsara indrindra ka nantsoina hoe mpanjakavavin’ny lalana. Nampitohy an’i Roma sy Brundisium (Brindisi ankehitriny) izy io. I Brindisi no seranan’ny sambo nankany amin’ireo tany tatsinanana. Ilay manam-pahefana romanina atao hoe Appius Caecus, no nanomboka nanorina azy io tamin’ny 312 T.K. tany ho any, ka nampitondraina ny anarany ilay lalana. Nisy lalana nantsoina hoe Via Salaria sy Via Flaminia koa tany Roma. Tonga hatrany atsinanana any amoron’ny Ranomasina Adriatika izy ireo, ka nanamora ny fankanesana tany amin’ireo tany Balkans, sy tany amin’ny faritra manodidina ny Reniranon’i Rhin sy Danube. Nianavaratra kosa ny Via Aurelia, ka tonga hatrany amin’ny faritra manodidina an’i Frantsa, Belzika, Portogaly, ary Espaina. Ny Via Ostiensis indray nankany amin’ny seranan’i Ostie. Io no seranana nahavantana ny olona rehefa ho any Afrika na avy any.

Ny zavatra lehibe indrindra naorina tany Roma

Efa nitana toerana lehibe ny lalana, tany Roma, na dia talohan’ny nanamboaran’ny mponina tany lalana vaovao aza. Nisy lalana maromaro nihaona teo akaikin’ilay hany faritra marivo amin’ny Reniranon’i Tibre, ka teo no naorina ny tanànan’i Roma. Hita tamin’ireo asa soratra fahiny fa naka tahaka ny nataon’ny mponin’i Carthage ny Romanina, mba hanatsarana ireo lalana efa nisy tamin’izany. Mety ho ny fomba fanamboaran-dalana tany Étrurie anefa no tena nalain’ny Romanina tahaka. Mbola misy tavela ankehitriny ny lalana nataon’ny mponin’i Étrurie. Efa nisy lala-masaka maro koa teny amin’ny manodidina, talohan’ny fotoana nanjakan’ny Romanina. Natao handehanan’ny biby hiraoka ahitra angamba izy ireny. Sarotra anefa ny nandeha tamin’ireny lalana ireny, satria be vovoka rehefa maina ny andro, ary feno fotaka rehefa avy ny orana. Teny amin’ireny lala-masaka ireny matetika no nanorenan’ny Romanina lalana vaovao.

Nodinihina tsara mialoha ny fomba hanamboarana an’ilay lalana, mba ho mafy sy ho tsara tarehy ary hahasoa ny olona. Natao izay hahafohy indrindra ny lalana nampitohy ny toerana roa. Izany no nahatonga ny lalana maro hahitsy be. Tsy maintsy nampifanarahina tamin’ny vohon-tany anefa ny lalana sasany matetika. Be havoana sy tendrombohitra mantsy ny faritra sasany. Raha mbola azo natao, dia teny amin’ny faritra talaky masoandro eny amin’ny antsasak’ilay tendrombohitra no nataon’ireo injeniera ilay lalana. Tsy hisy firy amin’izay ny olana mety hateraky ny andro ratsy.

Ahoana kosa àry no nanamboaran’ny Romanina an’ireny lalana ireny? Nampiasa fomba samihafa izy ireo, fa ilay horesahina eto ambany no tena fanaony matetika, araka ny fikarohana natao tany ambanin’ny tany.

Noeritreretina aloha hoe aiza no hasiana an’ilay lalana, ary ny mpandrefy tany no nasaina nanao izany. Miaramila na mpiasa na andevo kosa no nasaina nanao ny asa mafy, dia ny fihadiana ny tany. Nasiana tatatra aloha ny andaniny roa tamin’ilay lalana. Roa metatra sy sasany teo ho eo, fara fahakeliny, ny elanelan’ireo tatatra roa. Matetika anefa izany no efa-metatra, ary lehibe kokoa aza teny amin’ny fiolahana. Mety hahatratra folo metatra ny haben’ilay lalana rehefa vita tanteraka, ka tafiditra amin’izany ny sisin-dalana eny amin’ny andaniny roa. Nesorina avy eo ny tany teo anelanelan’ireo tatatra, ary tsy najanona izany raha tsy efa nahazo tany mafy. Nofenoina zavatra telo na efatra sosona io faritra io avy eo. Mety ho vato lehibe na tapa-biriky na potipoti-bato ny sosona voalohany. Vatokilonjy na vato fisaka kosa ny sosona nanaraka, ary mety ho nasiana simenitra mba hitambatra. Norarahana vatokely nototoina na vovo-bato teo an-tampony tamin’ny farany.

Vatokely nototoina fotsiny no teny amin’ny farany ambony tamin’ny arabe romanina sasany. Nisy koa anefa vita rarivato, ary ireny no tena nahavariana ny olona. Vato fisaka lehibe no natao teo amin’ny farany ambony. Vato teny an-toerana ihany izany matetika. Somary mivohitra ny eo afovoan’ilay lalana, mba hampikoriana ny ranonorana mora foana any amin’ireo tatatra teny amin’ny sisin’ny arabe. Izany no mahatonga an’ireny lalana fahiny ireny hateza, ka mbola misy hatramin’izao ny sasany.

Tokony ho 900 taona taorian’ny nahavitan’ny Lalana Apianina, dia nilaza i Procope, mpahay tantara momba ny tanànan’i Byzance, fa “mampitolagaga” izy io. Hoy izy momba ireo vato fisaka teo amin’io lalana io: “Tsy niova mihitsy izy ireny, sady malamalama tsara foana, na dia efa taona maro aza no lasa, ary maro be ny kalesin-tsoavaly nandalo teo isan’andro.”

Inona no nataon’ireo injeniera rehefa sendra sakana voajanahary ireny lalana ireny, anisan’izany ny renirano? Anisan’ny vahaolana hitan’izy ireo ny fanamboarana tetezana. Mbola misy hatramin’izao ny sasany, ka manaporofo fa tena avo lenta ny fahaizan’ny Romanina fahiny. Nanao tionelina koa izy ireo. Tsy malaza firy izy ireny, nefa hita fa sarotra kokoa ny nanao azy, rehefa jerena ny teknika nisy tamin’izany. Hoy ny boky iray: ‘Natao haharitra taonjato maro ny zava-bitan’ny injeniera romanina.’ Iray amin’izany ilay tionelina any Furlo, izay anisan’ny Via Flaminia. Vatolampy nolavahana io tionelina io, ary nandinika tsara ny injeniera vao nanao azy io tamin’ny taona 78. Mirefy 40 metatra ny halavany, 5 metatra ny sakany, ary 5 metatra ny haavony. Tena zava-bita mahazendana ilay izy, rehefa jerena ny fitaovana nisy tamin’izany. Anisan’ny asa sarotra indrindra nataon’ny olona ireny lalana ireny.

Ahoana no nampiasana azy ireny?

Nandeha tamin’ireny lalana ireny daholo, na miaramila, na mpivarotra, na mpitory teny, na mpizaha tany, na mpilalao an-tsehatra, na ireo mpiady antsoina hoe gladiatera. Nahavita 25 ka hatramin’ny 30 kilaometatra ny mpandeha an-tongotra, tao anatin’ny iray andro. Afaka nahafantatra ny halaviran-dalana ny olona, satria nisy vato nampahafantatra izany teny an-dalana. Isaky ny iray kilaometatra sy sasany teo ho eo no nisy an’ireny vato ireny. Isan-karazany ny endriny nefa matetika no lavalava. Nisy toerana fialan-tsasatra koa teny an-dalana. Afaka nisolo soavaly, na nividy sakafo, na natory tao mihitsy aza ny mpanao dia lavitra indraindray. Lasa tanàna kely ny toerana sasany tamin’ireny.

Nisy fandaharana natombok’i Aogosto Kaisara mba hikojakojana ny lalana, taoriana kelin’ny nahaterahan’i Kristy. Nanendry manam-pahefana izy hikarakara lalana iray na mihoatra. Nisy koa ny atao hoe miliarium aureum, na vato volamena, izay natsangany teo amin’ny Tsenan’i Roma. Nisy soratra halimo teo amin’izy io. Teo amin’io vato io no nihaona ny lalana rehetra tany Italia. Izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: “Tonga any Roma ny lalana rehetra.” Nasain’i Aogosto naseho ho hitan’ny olon-drehetra koa ny sarin’ny lalana nanerana ny fanjakana romanina. Toa tena nahasoa ny olona sady nanara-penitra ireny lalana ireny tamin’izany fotoana izany.

Nanana sarintany mihitsy aza ny mpanao dia lavitra sasany fahiny mba hanamorana ny diany. Nisy fanazavana tao anatin’izy ireny, ka anisan’izany ny halaviran-dalana teo anelanelan’ireo toerana fialan-tsasatra, sy ny zavatra nisy tao amin’ireny toerana ireny. Lafo anefa io sarintany io, ka tsy afaka nanana izany ny rehetra.

Nanao dia lavitra maro ny Kristianina mpitory ny vaovao tsara, na izany aza. Toy ny fanaon’ny olona tamin’izany andro izany, dia zatra nandeha sambo ny apostoly Paoly rehefa niantsinanana, satria nitsoka nankany ny rivotra. (Asan’ny Apostoly 14:25, 26; 20:3; 21:1-3) Mitsoka avy any andrefana miantsinanana mantsy ny rivotra any amin’ny Ranomasina Mediterane, rehefa mafana ny andro. Matetika kosa no nanao dia an-tanety i Paoly rehefa niankandrefana, ka nandeha tamin’ireo lalana romanina. Izany no fahazarany nandritra ireo dia misionera faharoa sy fahatelo nataony. (Asan’ny Apostoly 15:36-41; 16:6-8; 17:1, 10; 18:22, 23; 19:1) * Nandeha tamin’ny Lalana Apianina ho any Roma i Paoly, tamin’ny taona 59 tany ho any. Nihaona tamin’ny Kristianina namany izy tany amin’ny Tsenan’i Appius na Tsenan’i Apio, 74 kilaometatra atsimoatsinanan’i Roma. Niandry azy tany amin’ny 14 kilaometatra akaikin’i Roma kosa ny hafa, tao amin’ilay toerana fialan-tsasatra atao hoe Tranombahiny Telo. (Asan’ny Apostoly 28:13-15) Afaka nilaza i Paoly, tamin’ny taona 60 tany ho any, fa notorina “eran’izao tontolo izao”, fantatra tamin’izany fotoana izany, ny vaovao tsara. (Kolosianina 1:6, 23) Nanamora ny fanatanterahana izany ny fisian’ny lalana.

Voaporofo àry fa niavaka sy nateza tokoa ny lalana namboarin’ny Romanina, ka tena sangan’asa ahatsiarovana azy ireo. Nanamora ny fanelezana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra koa ireny lalana ireny.—Matio 24:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Jereo ny sarintany eo amin’ny pejy 33 amin’ilay bokikely hoe ‘Jereo Ilay Tany Soa’, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 14]

Vato ahitana ny halaviran-dalana teny amin’ny lalana romanina

[Sary, pejy 15]

Via Appia any akaikin’i Roma

[Sary, pejy 15]

Lalana tany Ostie fahiny, Italia

[Sary, pejy 15]

Dian’ny kodiaran-kalesin-tsoavaly fahiny, Aotrisy

[Sary, pejy 15]

Sisa tavela amin’ny lalana romanina, misy vato ahitana ny halaviran-dalana, Jordana

[Sary, pejy 16]

Fasana rava eny amin’ny Via Appia, any akaikin’i Roma

[Sary, pejy 16]

Tionelina Furlo eo amin’ny Via Flaminia, any amin’ny faritr’i Marches

[Sary, pejy 16, 17]

Tetezan’i Tiberio eo amin’ny Via Emilia, any Rimini, Italia

[Sary, pejy 17]

Nihaona tamin’ny Kristianina namany tao amin’ny Tsenan’i Apio i Paoly

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Farany havia, Ostie: ©danilo donadoni/Marka/age fotostock; farany havanana, lalana misy vato ahitana halaviran-dalana: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.