Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Afaka ny Hahalala An’Andriamanitra ve Isika?

Tena Afaka ny Hahalala An’Andriamanitra ve Isika?

Tena Afaka ny Hahalala An’Andriamanitra ve Isika?

“koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala ... ilay hany andriamanitra marina.”—jaona 17:3.

HOY ny apostoly Paoly: “Lalina tokoa ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany!” Hoy koa izy: “Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!” (Romanina 11:33) Midika ve izany fa tsy ho afaka ny hahazo fahendrena sy fahalalana toy ny an’Andriamanitra mihitsy ny olombelona? Tsy ho azo atao mihitsy ve ny hahalala azy sy ny fikasany?

Mino ny filozofa ara-pivavahana sasany fa tsy ho azo atao ny hahalala an’Andriamanitra. Toy izao no nanazavan’ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy) izany fomba fihevitra izany: ‘Tsy takatry ny saina ny momba an’Andriamanitra. Tsy misy anarana na fanazavana mifanentana aminy. Mampisy fetra avokoa rehefa anarana na fanazavana. Tsy manam-petra anefa Andriamanitra. Tsy natao ho fantatra izy, satria tsy azo fantarina.’ *

Milaza ny gazetiboky Herinandrom-baovao (anglisy), fa maro ny olona manaraka “karazana hevi-baovao” ary mino izy ireny fa “iray ihany no hevitra marina, dia ny hoe tsy misy ny antsoina hoe fahamarinana.”

Mbola tsy voavaly anefa ny fanontanian’ny olona maro momba ny zava-kendren’ny fiainana. Tsapan’izy ireo fa mampahory ny fahantrana sy ny aretina ary ny herisetra. Tena mety hahakivy azy koa ny tsy fahafantarana izay hitranga amin’ny hoavy. Mety haniry mafy hahalala ny valin’ny fanontaniany izy ireo. Rehefa tsy mahita valiny anefa izy, dia mety hihevitra fa ilay valiny mihitsy no tsy misy. Maro amin’ireny olona ireny no niala tamin’ny antokom-pivavahana, ka mitady manokana izay heveriny fa fomba azo anatonana an’Andriamanitra, raha mbola inoany koa hoe misy izy.

Ahoana hoy ny Baiboly?

Tokony hahaliana an’ireo manaiky ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra sy mandray an’i Jesosy Kristy ho mpitondra teniny, ny hahalala izay lazain’ny Baiboly. Tsaroanao angamba fa niresaka karazana lalana roa i Jesosy: Ny “lalana lehibe sady malalaka” izay mitondra “mankany amin’ny fandringanana”, ary ny ‘lalana ety mankany amin’ny fiainana.’ Ahoana no hamantarana an’izay mandeha amin’ny lalana ety sy izay mandeha amin’ny lalana malalaka? Namaly izy hoe: “Ireo voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny.” Voa manao ahoana anefa? Tsy izay lazainy fa izay ataony, araka ny fanazavan’i Jesosy hoe: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” Tsy ampy ny ilazantsika hoe mino an’Andriamanitra isika. Tsy maintsy manao ny sitrapon’Andriamanitra koa isika. Tsy ho afaka hanao izany anefa isika, raha tsy mahalala tsara ny sitrapon’Andriamanitra aloha.—Matio 7:13-23.

Nolazain’i Jesosy mazava tsara fa tena afaka ny hahalala an’Andriamanitra ny olombelona. Hoy izy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Mazava, araka izany, fa tena afaka mahazo ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin’Andriamanitra isika. Mila ezaka avy amintsika anefa izany. Tsy ho very maina ny ezaka ataontsika, satria homen’Andriamanitra fiainana mandrakizay izay manao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Ahitana hevitra mitovy amin’izany koa amin’ireo fivavahana tatsinanana toy ny Hindoisma sy Taoisma ary Bodisma.

[Sary, pejy 4]

Nilaza i Jesosy fa ety ny lalana mankany amin’ny fiainana