Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Isika Hanaja Ireo Fivoriana Masina

Aoka Isika Hanaja Ireo Fivoriana Masina

Aoka Isika Hanaja Ireo Fivoriana Masina

“Ho entiko ho any an-tendrombohitro masina [izy ireo], ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana.”—ISAIA 56:7.

1. Nahoana no tokony hanaja ireo fivoriana isika, rehefa jerena ny Soratra Masina?

VORIAN’I Jehovah hivavaka aminy ao ‘an-tendrombohiny masina’ ny vahoakany, dia ny Kristianina voahosotra sy ny namany. Ataony izay hifalian’izy ireo ao amin’ny ‘tranony fivavahana’, izany hoe ny tempoliny ara-panahy, izay “trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.” (Isaia 56:7; Marka 11:17) Hita amin’izany fa masina sy madio ary omena toerana ambony, ny fivavahana amin’i Jehovah. Mihevitra ho masina ny zavatra heverin’i Jehovah ho masina isika, raha manaja ireo fivoriantsika, izay fotoana ianarana sy ivavahana.

2. Inona no porofo fa noheverin’i Jehovah ho masina ny toerana nofidiny ivavahana aminy, ary inona no mampiseho fa toy izany koa ny hevitr’i Jesosy?

2 Tsy maintsy noheverina ho masina ny toerana nofidin’i Jehovah ivavahana aminy, teo amin’ny Israely fahiny. Nohosorana menaka masina sy nohamasinina ny tranolay masina sy ny fanaka ary ny fitaovana rehetra tao anatiny, ‘mba ho masina indrindra.’ (Eksodosy 30:26-29) Nisy efitra roa tao amin’io tranolay io, ka ny iray nantsoina hoe “ny Toerana Masina” ary ny iray nantsoina hoe “ny Masina Indrindra.” (Hebreo 9:2, 3) Ny tempoly tao Jerosalema no nisolo ny tranolay masina, tatỳ aoriana. Nantsoina hoe “tanàna masina” i Jerosalema, satria tao no foiben’ny fivavahana tamin’i Jehovah. (Nehemia 11:1; Matio 27:53) Tena nanaja ny tempoly i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Tezitra mafy tamin’ireo olona tsy nanaja azy io izy. Nivarotra sy nanao hitsin-dalana tao mantsy ireny olona ireny.—Marka 11:15, 16.

3. Inona no manaporofo fa masina ireo fivoriambe natao teo amin’ny Israely?

3 Nivory tsy tapaka mba hivavaka tamin’i Jehovah sy hihaino ny famakiana ny Lalàna ny Israelita. Nantsoina hoe fivoriana masina na fivoriambe mihaja ny fotoam-pivavahana sasany nataon’izy ireo. Hita àry fa masina tokoa ireny fivoriana ireny. (Levitikosy 23:2, 3, 36, 37) “Nampianatra ny olona ny lalàna” ny Levita, nandritra ny fivoriambe iray tamin’ny andron’i Ezra sy Nehemia. Rehefa “nitomany ny olona rehetra, raha nandre ny tenin’ny lalàna”, dia ‘nampangina azy ireo ny Levita ka nanao hoe: Mangìna hianareo, fa masina ity andro ity.’ Nankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo ny Israelita, taorian’izay. Naharitra fito andro izy io, ary nankalazaina tao anatin’ny “fifaliana lehibe indrindra.” ‘Novakina isan’andro [koa tamin’izany] ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana [izy ireo]; ary tamin’ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.’ (Nehemia 8:7-11, 17, 18) Tena masina ireny fotoana ireny, ka nila nanaja sy nifantoka tsara ny mpanatrika.

Masina ireo fivoriantsika

4, 5. Inona avy no atao any am-pivoriana, ka manaporofo fa masina izy ireny?

4 Marina fa tsy manana tanàna masina eto an-tany i Jehovah ankehitriny, sady tsy misy tempoly hita maso natokana hivavahana aminy. Na izany aza, dia tokony hotadidintsika fa masina ireo fivoriana, izay fotoam-pivavahana amin’i Jehovah. Intelo isan-kerinandro isika no mivory mba hamaky sy hianatra ny Soratra Masina. Toy ny tamin’ny andron’i Nehemia, dia ‘hazavaina tsara ny hevitry’ ny Tenin’i Jehovah mandritra ireny fivoriana ireny. (Nehemia 8:8) Atomboka sy faranana amin’ny vavaka ny fivoriantsika rehetra, ary mihira fiderana ho an’i Jehovah isika amin’ny ankamaroan’izy ireny. (Salamo 26:12) Tena anisan’ny fanompoantsika an’Andriamanitra ny fivorian’ny fiangonana, ka tokony haneho fanajana lalina sy hifantoka isika amin’ireny fotoana ireny.

5 Tahin’i Jehovah ny vahoakany rehefa mivory mba hivavaka aminy, sy hianatra ny Teniny, ary hankafy ny fiarahana mahafinaritra eo amin’ny samy Kristianina. Azontsika antoka fa ‘mandidy ny fitahiany ho eo i Jehovah’, rehefa tonga ny fotoam-pivoriana. (Salamo 133:1, 3) Hahazo izany fitahiana izany isika raha manatrika eo, sady mifantoka amin’ireo fampianarana miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy koa i Jesosy: “Na aiza na aiza ivorian’ny roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany aho.” Mihatra amin’ny anti-panahy mivory mba handamina olana lehibe eo amin’ny olona roa na maromaro io andinin-teny io, rehefa jerena ny teny manodidina. Mihatra amin’ireo fivoriantsika koa anefa izy io. (Matio 18:20) Manatrika amin’ny alalan’ny fanahy masina i Kristy, rehefa miara-mivory amin’ny anarany ny Kristianina. Raha izany no izy, tsy tokony hoheverina ho masina ve ny fivoriana toy izany?

6. Inona no azo lazaina momba ny toeram-pivoriantsika, na kely izy ireny na lehibe?

6 Marina aloha fa tsy monina ao amin’ny tempoly nataon’olombelona i Jehovah. Na izany aza, dia toerana natokana ho an’ny fivavahana marina ireo Efitrano Fanjakanantsika. (Asan’ny Apostoly 7:48; 17:24) Mivory ao isika mba hianatra ny Tenin’i Jehovah, hivavaka aminy, ary hihira fiderana ho azy. Toerana natokana ho an’ny fivavahana marina koa ireo Efitrano Fivoriambentsika. Mety ho toerana lehibe hofana izy ireny indraindray, toy ny efitrano lehibe, toerana fampirantiana, na kianja fanaovana fanatanjahan-tena. Manjary toeram-pivavahana anefa izy ireny rehefa anaovantsika fivoriana masina. Mendrika ny hohajaina ireny toeram-pivoriana ireny, na kely na lehibe. Tokony ho hita taratra amin’ny fomba fihevitsika sy ny fitondran-tenantsika izany fanajana izany.

Fomba anehoana fanajana ireo fivoriantsika

7. Inona no azontsika atao mba hampisehoana miharihary fa manaja ireo fivoriana isika?

7 Misy fomba maro azontsika ampisehoana miharihary fa manaja ireo fivoriana isika. Iray amin’izany, ny fahatongavana mba hihira ny hiran’ilay Fanjakana. Toy ny vavaka ny tonon’ny maro amin’izy ireny, ka tokony hohiraina amim-panajana lalina. Noraketin’i Paoly an-tsoratra izao tenin’i Jesosy nalaina avy ao amin’ny Salamo 22 izao: “Hanambara ny anaranao amin’ny rahalahiko aho, eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao an-kira.” (Hebreo 2:12) Tokony hataontsika fahazarana àry ny ho tonga eo amin’ny toerantsika, alohan’ny hampidiran’ny mpitari-draharaha ny hira fanokafana. Tokony hifantoka tsara amin’ny tonon’ilay hira isika rehefa mihira. Aoka ho hita taratra amin’ny fomba fihirantsika ny fihetseham-pon’ny mpanao salamo, manao hoe: “Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho, eo amin’ny fivorian’ny marina sy ny fiangonan-dehibe.” (Salamo 111:1) Antony tena tsara hahatongavana aloha any amin’ireo fivoriantsika sy hijanonana hatramin’ny farany, ny fihirana fiderana ho an’i Jehovah.

8. Inona no ohatra ao amin’ny Baiboly, ahitana fa tokony hifantoka sy haneho fanajana lalina isika mandritra ny vavaka any am-pivoriana?

8 Vao mainka sarobidy ny fivoriantsika, satria misy vavaka avy amin’ny fo ho an’ny mpanatrika rehetra any. Indray mandeha, dia nivory tao Jerosalema ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary nivavaka mafy sady “niara-nientana ka nanandra-peo tamin’Andriamanitra.” Inona no vokany? Nahavita “nitory [hatrany] ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana” izy ireo, na teo aza ny fanenjehana. (Asan’ny Apostoly 4:24-31) Azontsika eritreretina ve hoe nisy mpanatrika nampiriorio ny sainy nandritra ilay vavaka? Tsia. “Niara-nientana” izy ireo. Maneho ny fihetseham-pon’ny mpanatrika rehetra ny vavaka tononina amin’ireo fivoriantsika. Tokony hifantoka sy haneho fanajana lalina àry isika mandritra ireny vavaka ireny.

9. Ahoana no ampisehoantsika amin’ny alalan’ny fomba fitafintsika sy ny fitondran-tenantsika fa manaja ny fivoriana masina isika?

9 Azontsika aseho amin’ny fomba fitafintsika koa, fa tena manaja sy mihevitra ho masina ireo fivoriana isika. Mampitombo ny fahamendrehan’ireo fivoriantsika ny fomba fitafintsika sy ny taovolontsika. Nanoro hevitra ny apostoly Paoly hoe: “Iriko hanandra-tanana hivavaka mandrakariva ny lehilahy mahatoky, na aiza na aiza misy azy, nefa tsy amin’ny fahatezerana na fifandirana. Iriko koa ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy. Aoka kosa ny fihaingoany hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra.” (1 Timoty 2:8-10) Mety ho any amin’ny kianja tsy mitafo na an-kalamanjana no anatrehantsika fivoriambe. Tokony ho mendrika foana anefa ny akanjo anaovantsika, na mafana aza ny andro. Tsy hihinan-javatra koa isika na hitsako siligaoma mandritra ny fotoam-pivoriana. Izany no mampiseho fa manaja ireny fotoana ireny isika. Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fivavahana aminy ary ny mpiray finoana amintsika isika, rehefa manao akanjo maotina sy tsara fitondran-tena.

Fitondran-tena mendrika ny tranon’Andriamanitra

10. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly, ka ahitana fa tokony ho tena tsara ny fitondran-tenantsika any amin’ireo fivoriana?

10 Nanome torohevitra feno fahendrena mahakasika ny fomba tokony hitarihana ny fivoriana kristianina ny apostoly Paoly, ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-14. Namarana ny teniny izy hoe: “Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” (1 Korintianina 14:40) Anisan’ny fandaharana lehibe eo anivon’ny fiangonana kristianina ny fivoriantsika. Tokony ho mendrika ny tranon’i Jehovah àry ny fitondran-tenantsika, rehefa manatrika azy ireny.

11, 12. a) Inona no tokony halentika ao an-tsain’ny ankizy manatrika fivoriana? b) Inona no zavatra tsara azon’ny ankizy atao mba hanehoany ny finoany, rehefa any am-pivoriana?

11 Ny ankizy indrindra no tena mila ampianarina ny tokony ho fitondran-tenany any am-pivoriana. Tokony hohazavain’ny ray aman-dreny kristianina amin’ny zanany, fa tsy toeram-pilalaovana ny Efitrano Fanjakana sy ny toerana fanaovana Fianarana Boky. Toerana fivavahana amin’i Jehovah sy fianarantsika ny Teniny kosa izy ireny. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra hianao; fa ny manatona hihaino no tsara.” (Mpitoriteny 4:17) Nasain’i Mosesy nivory ny Israelita, na olon-dehibe na “ankizy madinika.” Hoy izy: “Vorio ny vahoaka rehetra, ... hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity. Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an’i Jehovah.”—Deoteronomia 31:12, 13.

12 Toy izany koa ankehitriny. Ny hihaino sy hianatra no antony voalohany anatrehan’ny ankizy fivoriana miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Afaka ‘manambara ampahibemaso’ ny finoany koa izy ireo ka hanome valin-teny fohy, rehefa afaka mifantoka sy mahazo ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. (Romanina 10:10) Azon’ny ankizy kely atao, ohatra, ny milaza teny vitsivitsy ho valin’ny fanontaniana iray azony tsara. Marina fa mety hamaky ny valin-teniny izy, amin’ny voalohany. Hiezaka hamaly amin’ny fomba fiteniny anefa izy, rehefa mandeha ny fotoana. Mahasoa an’ilay ankizy izany, sady mahafaly azy. Finaritra koa ny olon-dehibe, rehefa mandre fanehoam-pinoana avy amin’ny fo toy izany. Ara-dalàna raha ny ray aman-dreny aloha no modely, ka manome valin-teny. Tsara koa ny ankizy raha manana Baiboly sy fihirana ary boky ianarana, azy manokana, raha azo atao. Tokony hianatra hanaja ireny boky ireny izy. Izany rehetra izany dia handentika ao an-tsainy fa masina ny fivoriantsika.

13. Inona no irintsika ho tsapan’ireo olona sambany vao manatrika ny fivoriantsika?

13 Azo antoka fa tsy irintsika hitovy amin’ny fotoam-pivavahana any amin’ny Kristianisma Anarana ny fivoriantsika. Tsy maneho fihetseham-po mihitsy sady miseho ho masina be ny olona any amin’ny fivavahana sasany. Any amin’ny hafa indray, andrenesana kotaba be sy mozika mitatatata toy ny any amin’ny rindran-kira. Tokony hanjakan’ny fitiavana sy ny tsy fihafahafana ireo fivoriantsika, nefa ilaina foana ny fifanajana. Ny hivavaka amin’i Jehovah mantsy no antony ivoriantsika, ka tokony ho mendri-kaja foana ireny fotoana ireny. Mandre ireo fampianarana sy mahita ny fitondran-tenantsika sy ny an’ny zanatsika ny olona sambany vao mivory, ka ho faly isika raha hilaza izy ireo hoe: “Tena eo aminareo tokoa Andriamanitra.”—1 Korintianina 14:25.

Ho anisan’ny fanompoantsika foana ny fivoriana

14, 15. a) Ahoana no anaporofoantsika fa ‘tsy mahafoy ny tranon’Andriamanitsika’ isika? b) Inona no porofo fa efa tanteraka ankehitriny ny Isaia 66:23?

14 Hitantsika terỳ am-piandohana fa vorian’i Jehovah ny vahoakany, ary ataony izay hifalian’izy ireo ao amin’ny ‘tranony fivavahana’, na ny tempoliny ara-panahy. (Isaia 56:7) Nampahatsiahy an’ireo Jiosy i Nehemia, lehilahy nahatoky, fa tokony hanaja ny tempoly izy ireo, ka hampiasa ny fananan’izy ireo mba hikarakarana izay nilaina tao. Hoy izy: “Tsy [tokony] hahafoy ny tranon’Andriamanitsika [isika].” (Nehemia 10:40) Tsy tokony hohamaivanintsika koa ny fanasan’i Jehovah antsika hivavaka aminy ao amin’ny ‘tranony fivavahana.’

15 Tokony hivory tsy tapaka isika, araka ity faminanian’i Isaia ity: “Isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.” (Isaia 66:23) Izany no mitranga ankehitriny. Isan-kerinandro amin’ny volana tsirairay, dia mihaona tsy tapaka mba hivavaka amin’i Jehovah ireo Kristianina nanolo-tena ho azy. Mihaona izy ireo, ohatra, any amin’ny fivoriana kristianina sy rehefa mitory. Anisan’ireo tonga tsy tapaka mba ‘hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah’ ve ianao?

16. Nahoana no tokony hataontsika fahazarana dieny izao ny manatrika tsy tapaka ireo fivoriana masina?

16 Hifanaraka tanteraka amin’ny voalazan’ny Isaia 66:23 ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah. “Ny nofo rehetra” mihitsy amin’izay no ‘hiankohoka eo anatrehany’ na hivavaka aminy, isan-kerinandro amin’ny volana tsirairay, ary ho mandrakizay mihitsy. Ho anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah foana ny fiaraha-mivory, ao amin’ny tontolo vaovao. Raha izany no izy, moa ve tsy tokony hataontsika fahazarana dieny izao ny manatrika tsy tapaka ireo fivoriana masina?

17. Nahoana isika no mila ireo fivoriana, ‘mainka satria hitantsika fa manakaiky ny andro’?

17 Manakaiky ny farany, ka vao mainka isika tokony ho tapa-kevitra hanatrika ireo fivoriana kristianina. Ekentsika fa masina ireo fivoriana, ka tsy avelantsika hisakana antsika tsy hanatrika izany ny asa fivelomana, ny enti-mody, na ny fianarana amin’ny takariva. Ho afaka hifanerasera tsy tapaka amin’ny mpiray finoana isika amin’izay. Ilaintsika ny hery azo avy amin’izany. Afaka mifankahalala sy mifampahery ary mifandrisika ho amin’ny “fitiavana sy ny asa tsara” isika, mandritra ireo fivorian’ny fiangonana. Vao mainka isika tokony hanao izany satria ‘hitantsika fa manakaiky ny andro.’ (Hebreo 10:24, 25) Enga anie àry isika hanaja hatrany ireo fivoriantsika masina, ka hanatrika tsy tapaka azy ireny, hanao akanjo maotina, ary ho tsara fitondran-tena. Mihevitra ho masina ny zavatra heverin’i Jehovah ho masina isika, raha manao izany.

Famerenana

• Inona no manaporofo fa tokony hoheverina ho masina ny fivorian’ny vahoakan’i Jehovah?

• Inona avy no atao any am-pivoriana, ka manaporofo fa masina izy ireny?

• Ahoana no anaporofoan’ny ankizy fa manaja sy mihevitra an’ireo fivoriana ho masina izy?

• Nahoana no tokony hataontsika fahazarana ny manatrika fivoriana tsy tapaka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Masina foana ny fivoriana natao hivavahana amin’i Jehovah, na aiza na aiza anaovana azy

[Sary, pejy 31]

Hihaino sy hianatra no antony andehanan’ny zanatsika any am-pivoriana