Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiaraha-miasa ho Fiderana An’Andriamanitra

Fiaraha-miasa ho Fiderana An’Andriamanitra

Fiaraha-miasa ho Fiderana An’Andriamanitra

VOAMARIKY ny mponina any amin’ny nosy iray anisan’ny Nosy Salomon ny Efitrano Fanjakana vaovao an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilaza ny ramatoa iray hoe: “Manao zavatra betsaka hahazoam-bola ny fiangonanay. Asainay manome vola ny mpiangona, nefa mbola tsy ampy hanamboarana fiangonana vaovao ihany izany. Fa ahoana no ataonareo Vavolombelona mba hahazoana ny vola ilainareo?” Hoy ilay Vavolombelona niresahany: “Toy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izahay mpivavaka amin’i Jehovah. Ny fiangonanay sy ny rahalahinay maneran-tany no nanome ny vola nilaina mba hanorenana io Efitrano Fanjakana vaovao io. Nampianarin’i Jehovah hiray hina amin’ny zava-drehetra mantsy izahay.”

Hitanao eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah izany firaisan-tsaina izany rehefa misy zavatra ataon’izy ireo, anisan’izany ny fanorenana Efitrano Fanjakana an’arivony. Tsy zava-baovao izany, satria efa nisy firaisan-tsaina koa teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’ny an’arivony taona. Ahoana ny amin’izany?

Rehefa nanorina ny tranolay masina sy ny tempoly

Ny firenen’ny Israely no tao an-tsain’i Jehovah, rehefa niteny toy izao tamin’i Mosesy izy, 3 500 taona mahery lasa izay: “Asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy.” (Eksodosy 25:8) Hoy ihany i Jehovah momba ny firafitr’io trano io: “Araka izay rehetra asehoko aminao [Mosesy], dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovan[’ilay firenena manontolo] azy.” (Eksodosy 25:9) Nomeny taorian’izay, ny tsipiriany momba ny planin’ilay toerana masina sy ny fanaka ary ny kojakoja momba azy. (Eksodosy 25:10–27:19) Io “tabernakely” na tranolay masina io no foiben’ny fivavahana marina ho an’ny Israely rehetra.

Tsy fantatsika hoe firy ny olona nanatanteraka an’ilay tetikasa, nefa nasaina mba hanohana azy io ny Israelita rehetra. Hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Manalà ao aminareo fanatitra ho an’i Jehovah; izay rehetra amporisihin’ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’i Jehovah.” (Eksodosy 35:4-9) Namaly ny antso ve ilay vahoaka? Hoy ny Eksodosy 36:3: “Izy ireo dia nandray tamin’i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin’ny Zanak’Isiraely hanaovana ny asa amin’ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin’i Mosesy.”

Tsy ela dia tondraka ny zavatra naterin’ny olona, nefa mbola nisy nitondra foana. Farany, dia hoy ireo mpiasa tamin’i Mosesy: “Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao.” Nampitondra teny toy izao àry i Mosesy: “Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin’ny fitoerana masina hianareo, na lahy na vavy.” Nanao ahoana ny vokatra azo? “Ny zavatra efa nateriny dia ampy hanaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.”—Eksodosy 36:4-7.

Nalala-tanana ny Israelita, ka vita tao anatin’ny herintaona ilay tranolay masina. (Eksodosy 19:1; 40:1, 2) Nanome voninahitra an’i Jehovah ny vahoakany, satria nanohana ny fivavahana marina. (Ohabolana 3:9) Nanorina trano lehibe lavitra izy ireo, tatỳ aoriana. Tamin’io koa, dia afaka nanampy izay rehetra naniry hanao izany, na nanana traikefa momba ny fanorenana izy ireo na tsia.

Nanomboka nanorina ny tempoly tao Jerosalema ny Israelita, 500 taona latsaka kely taorian’ny nanorenana ny tranolay masina. (1 Mpanjaka 6:1) Trano kanto sy mafy orina izy io ary vita tamin’ny vato sy hazo. (1 Mpanjaka 5:31, 32) Nomen’i Jehovah an’i Davida, tamin’ny alalan’ny fanahy masina, ny planin’ilay tempoly. (1 Tantara 28:11-19) I Solomona zanak’i Davida anefa no nofidiny hanatanteraka ilay asa fanorenana. (1 Tantara 22:6-10) Notohanan’i Davida tamin’ny fony manontolo izany. Nanomana vato sy hazo ary fitaovana maro hafa izy, ary nanome be dia be tamin’izay volamena sy volafotsy nananany. Nampirisihiny ireo Israelita mba halala-tanana, ka nilazany hoe: ‘Iza no mazoto hitondra fanatitra ho an’i Jehovah anio?’ Inona no nataon’ilay vahoaka?—1 Tantara 29:1-5.

Nilanja an’arivony taonina ny volamena sy volafotsy teo am-pelatanan’i Solomona, rehefa nanomboka ny fanorenana ilay tempoly. Tena be dia be ny varahina sy ny vy ka tsy hita lanja. (1 Tantara 22:14-16) Fito taona sy tapany monja dia vita ilay tetikasa, noho ny fanampian’i Jehovah sy ny fanohanan’ny Israely rehetra.—1 Mpanjaka 6:1, 37, 38.

“Ny tranon’Andriamanitra”

Samy nantsoina hoe “tranon’Andriamanitra” na ilay tranolay masina na ilay tempoly. (Mpitsara 18:31; 2 Tantara 24:7) Tsy nila trano hialofany mihitsy anefa i Jehovah. (Isaia 66:1) Nasainy naorina kosa ireo trano ireo ho tombontsoan’ny olombelona. Hoy tokoa i Solomona rehefa notokanana ny tempoly: “Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!”—1 Mpanjaka 8:27.

Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.” (Isaia 56:7) Nahatonga an’ireo Jiosy sy tsy Jiosy tia an’Andriamanitra hifandray akaiky tamin’ilay tena Andriamanitra, ny fanatitra sy vavaka ary fety natao tao amin’ny tempoly. Nahazo ny fisakaizan’i Jehovah sy ny fiarovany izy ireo, rehefa nivavaka tao amin’ny tranony. Nampiharihary ny fahamarinan’izany ny vavaka nataon’i Solomona tamin’ny fitokanana an’ilay tempoly. Azonao vakina ao amin’ny 1 Mpanjaka 8:22-53 sy ny 2 Tantara 6:12-42 ireo teny mampihetsi-po nolazainy tamin’io fotoana io.

Efa rava hatramin’ny ela io tranon’Ilay tena Andriamanitra io. Nanondro fotoana iray hanangonana ny olona avy amin’ny firenena rehetra anefa ny Baiboly. Hivavaka amin’i Jehovah ao amin’ny tempoly ara-panahy lehibe lavitra izy ireo amin’izay. (Isaia 2:2) Ny sorona lavorary nataon’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra no ho fomba hanatonana an’i Jehovah. Io sorona io no mifanandrify amin’ny sorona biby natao fanatitra tao amin’ny tempoly. (Jaona 14:6; Hebreo 7:27; 9:12) Manompo an’Andriamanitra amin’io fomba tsara kokoa io ankehitriny ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manampy olona maro hanao toy izany koa.

Tetikasa fanorenana ankehitriny

Manompo an’ilay tena Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. “Firenena mahery” izy ireo, ary mihamaro hatrany ny mponina ao aminy. (Isaia 60:22) Ny Efitrano Fanjakana no toerana ivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tena ilainy. * An’arivony amin’izy ireny no efa ampiasaina, ary an’arivony no mbola ilaina.

“Mazoto manolo-tena” mba hanorina Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. (Salamo 110:3) Matetika anefa no tsy manana ny fahaizana ilaina amin’ny fanorenan-trano ny Vavolombelona eo an-toerana. Tena mahantra koa ny faritra sasany ahitana fitomboana be. Nanao fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana àry ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1999, mba hamahana ireo olana ireo. Nisy Vavolombelona manana traikefa amin’ny fanorenana àry nalefa tany amin’ny toerana lavitra, mba hampiofana ireo rahalahiny sy anabaviny amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Ireny mpiasa voaofana ireny indray avy eo, no nanohy ny asa fanorenana tao amin’ny faritra misy azy. Inona no vokatr’izany ezaka manokana izany?

Tamin’ny Febroary 2006, dia nahazo Efitrano Fanjakana vaovao 13 000 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany mahantra. Izao no nolazain’ny sasany tamin’ireo mampiasa Efitrano Fanjakana vaovao:

“Nisy 160 tamin’ny antsalany ny mpanatrika tao amin’ilay fiangonana. Nahatratra 200 anefa izany tamin’ny fivoriana voalohany, natao taorian’ny nahavitan’ilay Efitrano Fanjakana vaovao. Enim-bolana atỳ aoriana, dia 230 izao ny mpanatrika. Hita tokoa fa mitahy ny fanorenana an’ireny trano tsotra nefa tena ilaina ireny i Jehovah.”—Mpiandraikitra ny faritra iray any Ekoatera.

“Efa ela ny olona no nanontany anay hoe: ‘Mba rahoviana ihany ianareo vao hahazo Efitrano Fanjakana tahaka an’ireny hitanay ao amin’ny gazetinareo ireny?’ Misaotra an’i Jehovah izahay, fa nahazo toeram-pivavahana mendri-kaja ihany nony farany. Tao amin’ny fivarotan’ny rahalahy iray mantsy no nivorianay teo aloha, ary 30 no salanisan’ny mpanatrika. Nisy 110 anefa ny mpanatrika, tamin’ny fivoriana voalohany tao amin’ilay Efitrano Fanjakana vaovao.”—Fiangonana iray any Ouganda.

“Milaza ny anabavy roa mpisava lalana maharitra, fa nanjary nahafinaritra kokoa ny miasa eny amin’ny faritany hatramin’ny nahavitan’ilay Efitrano Fanjakana vaovao. Vonona hihaino kokoa ny olona, na amin’ny fitoriana isan-trano izany na amin’ny fitoriana tsy ara-potoana. Mitarika fampianarana Baiboly 17 izao ireo anabavy ireo, ary manatrika fivoriana ny maro aminy.”—Biraon’ny sampan’ny Nosy Salomon.

“Milaza ny pasitera iray mipetraka tsy lavitra ny Efitrano Fanjakana vaovao, fa lasa mihaja be ny tanànan’izy ireo noho izy io, ka faly erỳ ny olona. Maro ny mpandalo no midera ny hatsaran’ilay efitrano. Manararaotra izany ireo rahalahy mba hitoriana amin’izy ireny. Mihabetsaka ny olona te hahafantatra momba ny fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany misy antsika. Maro amin’ireo efa tsy nivory hatramin’ny ela no mivory tsy tapaka indray izao.”—Biraon’ny sampan’i Myanmar.

“Nasain’ny anabavy iray hijery ny toeram-panorenana teo akaiky ny lehilahy iray liana. Hoy ilay lehilahy tatỳ aoriana: ‘Nihevitra aho hoe tsy havelan’ny mpiasa hiditra tao amin’ilay toerana. Gaga anefa aho satria niarahaba ahy tsara izy ireo. Tsy nisy nandanilany fotoana na lahy na vavy, fa samy niasa mafy. Tsy nisy ady na fifandirana koa ka nahafinaritra ny rivo-piainana.’ Nanaiky hianatra Baiboly ilay lehilahy, ary nanomboka nanatrika fivoriana. Hoy izy tatỳ aoriana: ‘Niova ny fomba fisainako. Nahita an’Andriamanitra aho ka tsy hiala aminy intsony.’ ”—Biraon’ny sampan’i Kolombia.

Tena zava-dehibe ny fanohanantsika

Lafiny lehibe amin’ny fanompoana masina ataontsika ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Tena mendri-piderana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany noho izy ireo manohana izany asa izany, na eo amin’ny ara-bola na amin’ny fomba hafa. Tokony hotadidintsika anefa fa zava-dehibe koa ireo lafiny hafa amin’ny fanompoana masina. Iharan’ny loza araka ny natiora, ohatra, ny Kristianina, indraindray, ka mila ny fanampiantsika. Tena ilaina eo amin’ny fanompoana masina koa, ny famokarana boky sy gazety ara-baiboly. Efa hitan’ny ankamaroantsika fa misy heriny lehibe eo amin’ny olona manana toe-po tsara izy ireny. Ankoatra izany, dia tena sarobidy ny asan’ireo misionera sy mpanompo manontolo andro manokana hafa. Mandray anjara lehibe amin’ny fitaran’ny asa fitoriana amin’izao andro farany izao ny Kristianina be fandavan-tena toy ireny.

Tena faly ireo nandray anjara tamin’ny fanorenana ny tempoly. (1 Tantara 29:9) Sambatra koa isika ankehitriny, satria manohana ny fivavahana marina amin’ny alalan’ny fanomezana ataontsika. (Asan’ny Apostoly 20:35) Mahatsapa izany isika rehefa mandrotsaka fanomezana ao amin’ny boaty natao ho an’ny Tahirim-bola ho An’ny Efitrano Fanjakana, sy rehefa manao fanomezana ho an’ny Asa Maneran-tany. Amin’izany no anohanantsika ireo tetikasa hafa mifandray amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tafaray amin’ny fomba miavaka ao amin’ny fivavahana marina ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Enga anie isika rehetra hahatsapa ilay fahasambarana feno entin’ny fanohanana an’io fivavahana io!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Raha tianao ho fantatra ny nahatonga ny hoe “Efitrano Fanjakana”, dia jereo ny Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, pejy 319, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/​Sary, pejy 20, 21]

IREO FOMBA FIDIN’NY SASANY ANAOVANA FANOMEZANA

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana, na mitsinjara vola, mba harotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana, misy soratra hoe “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany.—Matio 24:14.”

Mandefa ireny vola ireny isam-bolana any amin’ny biraon’ny sampana eo an-toerana, ny fiangonana. Azo atao ny mandefa mivantana ireo vola fanomezana an-tsitrapo, any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Tokony hatao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireo.

FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola misy fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay vola amin’ilay mpanome, rehefa mangataka izany izy. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza amin’ny adiresy etsy ambony, mba hahazoana fanazavana fanampiny.

ASA FANASOAVANA NALAMINA MIALOHA

Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy ny misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny fanompoana momba ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy, ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony, ary atao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy fepetra toy ny hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, mandritra ny fahavelomany. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana eo amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana koa izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana, rehefa natao hanasoavana fikambanana iray ilay izy.

Raha misy mila fanazavana fanampiny momba ireo fandaharana ireo, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

Telefaonina: 22 448 37

B.P. 116

105 Ivato

[Sary, pejy 18]

Afaka manorina Efitrano Fanjakana tsara tarehy maneran-tany isika noho ny ezaka ifarimbonantsika

[Sary, pejy 18]

Efitrano Fanjakana vaovao any Ghana