Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Heverinao ho Masina ve Izay Heverin’i Jehovah ho Masina?

Heverinao ho Masina ve Izay Heverin’i Jehovah ho Masina?

Heverinao ho Masina ve Izay Heverin’i Jehovah ho Masina?

“Tandremo tsara ... sao hisy mpijangajanga eo aminareo, na olona tsy manaja zava-masina.”—HEBREO 12:15, 16.

1. Inona no toe-tsaina fahita eo amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah?

MIHA tsy miraharaha zava-masina ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Hoy i Edgar Morin, manam-pahaizana frantsay momba ny fiaraha-monina: “Manjary tsy asian’ny olona vidiny intsony Andriamanitra, ny tontolo iainana, ny tanindrazana, ny tantara, ary ny fahendrena. Ireo anefa no fototry ny fitsipika momba ny fitondran-tena. ... Samy mifidy izay fitsipika tiany harahina ny olona.” Izany mihitsy no “fanahin’izao tontolo izao”, na “toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” (1 Korintianina 2:12; Efesianina 2:2) Tsy eken’ireo nanolo-tena ho an’i Jehovah sy manaiky an-tsitrapo ny zony hitondra anefa izany toe-tsaina manivaiva zava-masina izany. (Romanina 12:1, 2) Fantany fa tena zava-dehibe ny fahamasinana eo amin’ny fivavahan’izy ireo amin’i Jehovah. Inona avy no zavatra tokony hoheverintsika ho masina? Handinika zavatra dimy, izay masina amin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra isika, ato amin’ity lahatsoratra ity. Ny fahamasinan’ireo fivoriana kristianina kosa no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Inona anefa aloha no tena dikan’ilay teny hoe “masina”?

2, 3. a) Inona no lazain’ny Soratra Masina, ka manasongadina fa masina i Jehovah? b) Ahoana no ampisehoantsika fa mihevitra ny anaran’i Jehovah ho masina isika?

2 Midika hoe tafasaraka, ilay teny hebreo ao amin’ny Baiboly nadika hoe “masina.” Entina milaza zavatra nosarahina tamin’ny hafa na zavatra heverina ho manan-kasina io teny io, raha fivavahana no resahina. I Jehovah no masina tanteraka. Antsoina hoe “Iray Masina” na Masina Indrindra izy. (Ohabolana 9:10; 30:3) Teo amin’ny Israely fahiny, dia nasiana takela-bolamena teo amin’ny saron-dohan’ny mpisoronabe, ary izao no soratra voasokitra teo amin’ilay izy: “Hamasinina ho an’i Jehovah”, na araka ny teny hebreo tany am-boalohany dia hoe an’i Jehovah ny fahamasinana. (Eksodosy 28:36, 37; Apokalypsy 4:6-8) Lazain’ny Soratra Masina koa fa manambara toy izao ireo kerobima sy serafima mitsangana manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah any an-danitra: “Masina, masina, masina Jehovah.” (Isaia 6:2, 3) Manamafy izany famerimberenana izany, fa fara tampony i Jehovah raha ny fahamasinana sy ny fahadiovana no resahina. Izy no Loharanon’ny fahamasinana rehetra.

3 Masina ny anaran’i Jehovah. Hoy ny mpanao salamo: “Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; fa masina [izy io, TV ].” (Salamo 99:3) Nampianatra antsika hivavaka toy izao i Jesosy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina [na: hoheverina ho masina; homena hasina] anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Hoy koa i Maria, renin’i Jesosy: “Mankalaza an’i Jehovah aho, ... nanao asa lehibe ho ahy Ilay mahery, ary masina ny anarany.” (Lioka 1:46, 49) Mihevitra ny anaran’i Jehovah ho masina àry isika mpanompony, ka tsy manao na inona na inona mety hanala baraka an’io anarana io. Heverintsika ho masina koa ny zavatra heverin’i Jehovah ho masina.—Amosa 5:14, 15.

Nahoana isika no manaja lalina an’i Jesosy?

4. Nahoana ny Baiboly no miantso an’i Jesosy hoe ‘ilay Masina’?

4 Masina i Jesosy satria ‘zanaka lahitokan’i’ Jehovah, ilay Andriamanitra masina. (Jaona 1:14; Kolosianina 1:15; Hebreo 1:1-3) Antsoina hoe “ilay Masin’Andriamanitra” àry izy. (Jaona 6:69) Mbola masina foana izy rehefa nafindra avy tany an-danitra ho eto an-tany ny ainy. Ny herin’ny fanahy masina mantsy no nahatonga an’i Maria ho bevohoka azy. Hoy ny anjely iray taminy: ‘Ho tonga aminao ny fanahy masina, ary ilay haterakao dia hantsoina hoe masina, Zanak’Andriamanitra.’ (Lioka 1:35) Indroa ireo Kristianina tany Jerosalema no niantso an’io Zanak’Andriamanitra io hoe “Jesosy mpanomponao masina”, rehefa nivavaka tamin’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 4:27, 30.

5. Inona no asa masina notanterahin’i Jesosy teto an-tany, ary nahoana ny rany no sarobidy?

5 Nanana asa masina tsy maintsy notanterahina i Jesosy, tamin’izy teto an-tany. Voahosotra ho Mpisoronaben’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah izy, tamin’ny taona 29, nanaovana batisa azy. (Lioka 3:21, 22; Hebreo 7:26; 8:1, 2) Tsy maintsy nanao sorona ny ainy koa izy. Ny ra nalatsany no vidim-panavotana, hamonjena ny olombelona mpanota. (Matio 20:28; Hebreo 9:14) Mihevitra ny ran’i Jesosy ho masina àry isika, izany hoe “sarobidy.”—1 Petera 1:19.

6. Ahoana no tokony hiheverantsika an’i Kristy Jesosy, ary nahoana?

6 Hajaintsika lalina i Kristy Jesosy, izay Mpanjaka sy Mpisoronabentsika. Hoy mantsy ny apostoly Paoly momba azy: ‘Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa sy nomeny tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra [ny Zanany], mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.’ (Filipianina 2:9-11) Ahoana no ampisehoantsika fa heverintsika ho masina izay heverin’i Jehovah ho masina? Mila manaiky amim-pifaliana an’i Kristy Jesosy isika. Izy no Mpitarika sy Mpanjakantsika ary Lohan’ny fiangonana kristianina.—Matio 23:10; Kolosianina 1:18.

7. Ahoana no ampisehoantsika fa manaiky an’i Kristy isika?

7 Raha manaiky an’i Kristy isika, dia hanaja koa an’ireo lehilahy ampiasainy hitarika ny asa ampanaoviny. Tokony hekentsika fa masina ny andraikitr’ireo voahosotra anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, sy ny an’ireo mpiandraikitra tendreny any amin’ny sampana, vondrom-paritra sy faritra, ary eo anivon’ny fiangonana. Tsy maintsy manaja lalina sy manaiky izany fandaharana izany isika.—Hebreo 13:7, 17.

Vahoaka masina

8, 9. a) Nahoana no vahoaka masina ny Israelita? b) Inona no nataon’i Jehovah mba handentehana tao an-tsain’ny Israelita ny dikan’ny hoe masina?

8 Nanao fifanekena tamin’ny Israely i Jehovah, ka nanjary niavaka tamin’ny firenen-kafa izy ireo. Lasa firenena masina izy ireo. Hoy i Jehovah taminy: “Aoka ho masina ho Ahy hianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ny firenena samy hafa hianareo mba ho Ahy.”—Levitikosy 19:2; 20:26.

9 Efa hatramin’ny namoronan’i Jehovah ny firenen’ny Israely, no nalentiny tao an-tsain’ny Israelita ny dikan’ny hoe masina. Tsy azon’izy ireo natao, ohatra, na dia ny nikasika ny Tendrombohitra Sinay aza, tamin’ny fotoana nanomezana ny Didy Folo. Maty izy ireo raha nanao izany, satria noheverina ho masina ilay tendrombohitra tamin’izay. (Eksodosy 19:12, 23) Tsy maintsy noheverina ho masina koa ny asan’ny mpisorona, sy ilay tranolay niasany ary ny fanaka tao anatiny. (Eksodosy 30:26-30) Ahoana kosa ny amin’ny fiangonana kristianina?

10, 11. Nahoana no azo lazaina fa masina ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny “ondry hafa”?

10 Masina amin’i Jehovah ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (1 Korintianina 1:2) Oharina amin’ny tempoly masina ny voahosotra rehetra mbola eto an-tany, na dia tsy ilay tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah aza izy ireo. Monina ao amin’io tempoly an’ohatra io i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny masina. Hoy ny apostoly Paoly: “Tafaray [amin’i Kristy Jesosy] ilay rafitra manontolo, izay tafakambana mirindra tsara, ka amin’izany no isondrotany ho tempoly masina ho an’i Jehovah. Tafaray aminy koa ianareo, ka amin’izany no anorenana anareo miaraka ho toerana honenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny.”—Efesianina 2:21, 22; 1 Petera 2:5, 9.

11 Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina voahosotra koa i Paoly: “Tsy fantatrareo ve fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny fanahin’Andriamanitra? ... Masina ny tempolin’Andriamanitra, ary ianareo izany tempoly izany.” (1 Korintianina 3:16, 17) ‘Monina’ sy ‘mandeha’ eo anivon’ireo voahosotra i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny. (2 Korintianina 6:16) Mitari-dalana ny ‘mpanompony’ mahatoky foana izy. (Matio 24:45-47) Raisin’ny “ondry hafa” ho voninahitra ka ankasitrahany ny miaraka amin’ireo voahosotra.—Jaona 10:16; Matio 25:37-40.

Zavatra masina eo amin’ny fiainantsika Kristianina

12. Inona avy no zavatra masina amintsika, ary nahoana?

12 Tsy mahagaga raha maro ny zavatra heverina ho masina eo amin’ny fiainan’ny Kristianina voahosotra sy ny namany. Masina ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (1 Tantara 28:9; Salamo 36:7) Sarobidy amintsika tokoa izy io, ka tsy misy olona na zavatra hafa avelantsika hanimba izany. (2 Tantara 15:2; Jakoba 4:7, 8) Anisan’ny tena manampy antsika hifandray akaiky hatrany amin’i Jehovah ny vavaka. Tena masina tamin’i Daniela mpaminany ny vavaka, ka nivavaka foana tamin’i Jehovah toy ny fanaony izy, na dia nety ho namoizany ny ainy aza izany. (Daniela 6:8-12) Oharina amin’ny emboka manitra nampiasaina tamin’ny fanompoana tao amin’ny tempoly, “ny vavaka ataon’ny olona masina” na ireo voahosotra. (Apokalypsy 5:8; 8:3, 4; Levitikosy 16:12, 13) Misongadina amin’izany fampitahana izany àry fa masina ny vavaka. Voninahitra lehibe tokoa ny hoe afaka mifandray amin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao! Tsy isalasalana àry fa masina amintsika ny vavaka!

13. Hery inona no masina, ary inona no takina amintsika mba hiasan’izy io eo amin’ny fiainantsika?

13 Tena heverin’ny Kristianina voahosotra sy ny namany ho masina koa ny hery iray miasa eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy inona izany fa ny fanahy masina. Hery ampiasain’i Jehovah izy io. Miasa araka ny sitrapon’ilay Andriamanitra masina izy io, ka mety tsara ny iantsoana azy hoe “fanahy masina.” (Jaona 14:26; Romanina 1:4) Amin’ny alalan’ny fanahy masina no anomezan’i Jehovah hery ny mpanompony hitory ny vaovao tsara. (Asan’ny Apostoly 1:8; 4:31) Omen’i Jehovah ny fanahiny ireo “mankatò azy amin’ny maha mpitondra”, sy ireo ‘mandeha hatrany araka ny fanahy’ fa tsy araka ny fanirian’ny nofo. (Asan’ny Apostoly 5:32; Galatianina 5:16, 25; Romanina 8:5-8) Io hery matanjaka io no mahatonga ny Kristianina haneho “ny vokatry ny fanahy”, dia ireo toetra tsara. Mahatonga azy ireo hanana ‘fitondran-tena masina sy haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra’ koa izy io. (Galatianina 5:22, 23; 2 Petera 3:11) Raha masina amintsika ny fanahy masina, dia tsy hanao zavatra mety hampalahelo azy io isika, na hanao zavatra mety hanakana ny fiasany eo amin’ny fiainantsika.—Efesianina 4:30.

14. Inona no tombontsoa heverin’ny voahosotra ho masina, ary inona no tombontsoan’ny ondry hafa mifandray amin’izany?

14 Masina amintsika koa ny tombontsoa mitondra ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, sy ny maha Vavolombelony antsika. (Isaia 43:10-12, 15) Nataon’i Jehovah ampy fahaizana mba “ho tonga mpanompon’ny fifanekena vaovao” ireo voahosotra. (2 Korintianina 3:5, 6) Nirahiny àry izy ireo hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” sy ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 24:14; 28:19, 20) Manatontosa tsara izany asa izany izy ireo. Olona an-tapitrisany no mandray tsara, ka toy ny milaza amin’ireo voahosotra hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Faly ireny olona tso-po ireny manompo toy ny “mpiasa tany” sy “mpamboatra tanimboaloboka” ho an’ny voahosotra “mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika.” Tena manampy an’ireo voahosotra eo amin’ny fanatontosany ny fanompoana eran-tany àry ny ondry hafa.—Isaia 61:5, 6.

15. Inona no asa noheverin’ny apostoly Paoly ho masina, ary nahoana isika no miray hevitra aminy?

15 Anisan’ny nihevitra ny fitoriana amin’ny besinimaro ho masina, ny apostoly Paoly. Nilaza izy fa ‘mpanompo ho an’ny besinimaro [ny tenany], eny, mpanompon’i Kristy Jesosy ho an’ny hafa firenena, sady manao ilay asa masina momba ny vaovao tsaran’Andriamanitra.’ (Romanina 15:16) Nolazainy fa “harena” ny fanompoany, tamin’izy nanoratra ho an’ny Kristianina tany Korinto. (2 Korintianina 4:1, 7) Mampahafantatra ny “fanambarana masin’Andriamanitra” isika, rehefa mitory amin’ny besinimaro. (1 Petera 4:11) Heverintsika ho tombontsoa masina àry ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana, na anisan’ny voahosotra isika na anisan’ny ondry hafa.

Ataovy izay “hahatonga lafatra ny fahamasinana”

16. Inona no hanampy antsika mba tsy ho lasa olona ‘tsy manaja zava-masina’?

16 Nampitandrina ny Kristianina ny apostoly Paoly, mba tsy ho lasa olona ‘tsy manaja zava-masina.’ Nanoro hevitra azy ireo izy mba ‘hikatsaka fahamasinana’ sy ‘hitandrina tsara sao hisy faka misy poizina hitsimoka sy hanakorontana, ka handoto olona maro.’ (Hebreo 12:14-16) Ireo olom-bitsy mitady hanakiana ny fomba fanaovan-javatra eo anivon’ny fiangonana, no tondroin’ilay teny hoe “faka misy poizina.” Mety ho tsy eken’izy ireny, ohatra, ny fiheveran’i Jehovah hoe masina ny fanambadiana, sy ny hoe tokony hanana fitondran-tena madio ny Kristianina. (1 Tesalonianina 4:3-7; Hebreo 13:4) Na koa mety hiresaka sy hampiely ny hevitry ny mpivadi-pinoana ireny olona ireny, dia “resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina”, avy amin’ny olona “niala tamin’ny fahamarinana.”—2 Timoty 2:16-18.

17. Nahoana no mila miezaka hatrany ireo voahosotra mba hahitana fa mihevitra ho masina ny zavatra heverin’i Jehovah ho masina izy ireo?

17 Hoy i Paoly tamin’ireo rahalahiny voahosotra: “Ry malala, ... aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintianina 7:1) Araka izany, dia tsy maintsy miezaka hatrany ny Kristianina voahosotra “nahazo fiantsoana ho any an-danitra”, mba hihevitra ho masina ny zavatra heverin’i Jehovah ho masina. Tokony ho hita eo amin’ny zavatra rehetra ataony izany. (Hebreo 3:1) Nampirisika ireo rahalahy nateraky ny fanahy koa ny apostoly Petera hoe: “Zanaka mankatò ianareo, ka aza manaiky intsony hotarihin’ny fanirianareo taloha tamin’ny tsy fahalalanareo. Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra.”—1 Petera 1:14, 15.

18, 19. a) Ahoana no anaporofoan’ireo anisan’ny “vahoaka be” fa heveriny ho masina ny zavatra heverin’i Jehovah ho masina? b) Inona koa no zavatra masina eo amin’ny fiainan’ny Kristianina, ka hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Ahoana kosa ny amin’ireo anisan’ny “vahoaka be”, izay ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”? Tsy maintsy manaporofo koa izy ireo fa mihevitra ho masina ny zavatra heverin’i Jehovah ho masina. Lazain’ny bokin’ny Apokalypsy fa manao “fanompoana masina” eo an-tokotanin’ny tempoly ara-panahin’i Jehovah eto an-tany izy ireo. Mino ny sorom-panavotan’i Kristy izy ireo, ka toy ny hoe ‘manasa sy mamotsy ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry.’ (Apokalypsy 7:9, 14, 15) Madio eo imason’i Jehovah izy ireo, vokatr’izany, ka tokony ‘hanadio ny tenany ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny fanahy, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.’

19 Lafiny lehibe eo amin’ny fiainan’ireo voahosotra sy ny namany, ny fiaraha-mivory tsy tapaka mba hivavaka amin’i Jehovah sy hianatra ny Teniny. Mihevitra ny fivorian’ny vahoakany ho masina i Jehovah. Nahoana no tokony hitovy hevitra aminy isika amin’io lafiny lehibe io, ary ahoana no ampisehoantsika izany? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valin’izany.

Famerenana

• Inona no toe-tsaina fahita eo amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah?

• Loharanon’ny zavatra masina rehetra i Jehovah. Nahoana?

• Ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny fahamasinan’i Kristy isika?

• Inona avy no zavatra tokony hoheverintsika ho masina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Noheverina ho masina, teo amin’ny Israely fahiny, ny asan’ny mpisorona sy ny tranolay niasany ary ny fanaka tao anatiny

[Sary, pejy 24]

Tempoly masina ireo Kristianina voahosotra eto an-tany

[Sary, pejy 25]

Tombontsoa masina ny mivavaka sy mitory