Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitoriteny

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitoriteny

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitoriteny

“NY OLONA tera-behivavy”, hoy i Joba, “dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1) Fohy tokoa ny fiainantsika, ka tsy tokony holanilanina amin-javatra tsy mahasoa! Inona àry no hampiasantsika ny fotoana sy hery ary fananantsika? Inona kosa no tsy hampiasantsika izany? Manome tari-dalana tsara momba izany ireo teny feno fahendrena ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny. “Mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany” ny hafatra ampitaina amin’ny alalan’ireny teny ireny, ka hanampy antsika hanana fiainana misy heviny.—Hebreo 4:12.

Fanta-daza tamin’ny fahendreny ilay lehilahy nanoratra ny bokin’ny Mpitoriteny. Tsy iza izany fa i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny. Mirakitra fanazavana tsara momba ny zavatra tena sarobidy eo amin’ny fiainana sy izay tsy misy vidiny, io boky io. Niresaka ny sasany tamin’ny asa fanorenana nataony i Solomona, ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny. Midika izany fa taorian’ny nahavitany an’ireny fanorenana ireny no nanoratany an’ilay boky, tamin’izy mbola tsy niala tamin’ny fivavahana marina. (Nehemia 13:26) Talohan’ny taona 1000 T.K. àry no nanoratany azy io, izany hoe tamin’ny faramparan’ireo 40 taona nanjakany.

INONA NO TSY ZAVA-POANA?

(Mpitoriteny 1:1–6:12)

“Zava-poana ny zavatra rehetra!”, hoy ny Mpitoriteny. Nanontany izy hoe: “Inona no soa azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ny masoandro?” (Mpitoriteny 1:2, 3) Miverimberina ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny ny hoe “zava-poana” sy ny hoe “atỳ ambanin’ny masoandro.” Midika ara-bakiteny hoe “fofonaina” na “etona” ilay teny hebreo nadika hoe “zava-poana”, ary manondro zavatra tsy dia misy vidiny, na tsy maharitra. Midika hoe “eto an-tany” na “eto amin’ity tontolo ity” kosa ilay hoe “atỳ ambanin’ny masoandro.” Zava-poana àry ny zavatra rehetra, izany hoe izay rehetra katsahin’ny olona nefa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Hoy i Solomona: “Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon’Andriamanitra hianao; fa ny manatona hihaino no tsara.” (Mpitoriteny 4:17) Tsy zava-poana ny fanarahana ny fivavahana marina amin’i Jehovah Andriamanitra. Mila mitandrina ny fifandraisantsika aminy isika, mba hananantsika fiainana misy heviny.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:4-10—Nahoana no lazaina fa “maivana”, na mandreraka, ireo tsingerina voajanahary? Telo monja amin’ireo zavatra miantoka ny fisian’ny fiainana eto an-tany no nolazain’ny Mpitoriteny, dia ny masoandro, ny rivotra, ary ny tsingerin’ny rano. Maro ny tsingerina voajanahary, ary tena be pitsiny izy ireny. Mety handany ny androm-piainany hianarana momba azy ireny ny olona iray, nefa mbola tsy hahalala ny tsipiriany rehetra ihany. Mety handreraka tokoa izany. Mahakivy koa ny mampitaha ny androm-piainantsika fohy amin’ireo tsingerina tsy manam-pahataperana sy miverimberina. Mandreraka na dia ny fiezahana hikaroka zava-baovao aza. Tsy inona mantsy ireo zava-baovao noforonin’ny olombelona, fa fampiharana fotsiny an’ireo lalàna napetrak’Andriamanitra sy efa nampiasainy tamin’ireo zavatra noforoniny ihany.

2:1, 2—Nahoana no antsoina hoe “fahadalana” ny fihomehezana? Mety hanampy antsika hanadino vetivety ny olana mahazo antsika ny fihomehezana. Mety hahatonga antsika tsy hieritreritra be azy ireny koa ny fanaovana fety. Tsy hahafoana ny olana mahazo antsika anefa ny fihomehezana. Izany no antony iantsoana azy io hoe “fahadalana.”

3:11—Inona no nataon’Andriamanitra ‘mendrika amin’ny fotoany avy’? Anisan’ireo zavatra nataon’Andriamanitra ho tsara na ‘mendrika’ sy tamin’ny fotoana nety, ny famoronana an’i Adama sy Eva, ilay fifanekena ny amin’ny avana, ilay fifanekena tamin’i Abrahama, ilay fifanekena tamin’i Davida, ny fahatongavan’ny Mesia, ary ny fametrahana an’i Jesosy ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mbola hanao zavatra ‘mendrika’ hafa anefa i Jehovah amin’ny hoavy tsy ho ela. Afaka matoky isika fa ho tonga amin’ny fotoana mety ny tontolo vaovao sy marina.—2 Petera 3:13.

3:15b—Inona no dikan’ny hoe ‘tadiavin’Andriamanitra izay efa lasa’ na izay enjehina? Mety hanondro izay kasain’Andriamanitra hatao ilay hoe “izay efa lasa.” Mifandimby foana ny ady sy ny fandriampahalemana, ary misy foana ny olona teraka sy ny olona maty. Mety hahatonga ny olona hahatsiaro ho tsy afa-manoatra izany, na hihevitra fa mbola hiverina foana ireo zava-nitranga teo amin’ny tantara. Na eo aza izany rehetra izany, dia afaka mitady fomba hanatanterahana ny fikasany foana Andriamanitra. (Mpitoriteny 3:1-10, 15a) Ny hoe “izay efa lasa” dia mihatra koa amin’ireo olo-marina izay matetika no enjehin’ny ratsy fanahy. Mitady an’ireo olo-marina koa àry i Jehovah, “mba hisehoany aman-kery” hamonjy azy ireny.—2 Tantara 16:9.

5:8—Nahoana no lazaina fa “mahasoa ny tany”? Izao no nandikana an’io andininy io, araka ny teny tany am-boalohany: “Iombonan’izy rehetra ny tombontsoa azo avy amin’ny tany, ary mahazo izay ilainy ny mpanjaka rehefa volena ny saha.” Miantehitra amin’ny vokatry ny tany na ny ‘soa’ azo avy aminy ny mponina rehetra eto an-tany, anisan’izany ny mpanjaka. Tsy maintsy miasa mafy ny mpanompon’ireny mpanjaka ireny mba hamboly ny saha, ka hisy vokatra homena azy.

Lesona ho antsika:

1:15. Tsy mahasoa ny mandany fotoana sy hery hanitsiana ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena hitantsika ankehitriny. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka manafoana ny faharatsiana.—Daniela 2:44.

2:4-11. “Misambo-drivotra foana” ny olona manorina trano, manao zaridaina ary milalao mozika. Toy izany koa ny manana fiainana mampiadana. Tsy mitondra fahasambarana maharitra, na fiainana tena mahafa-po mantsy ireo.

2:12-16. Mety hahafahana handamina olana sasany ny fahendrena, ka azo lazaina ho manan-tombo noho ny fahadalana. Tsy mahavita na inona na inona anefa ny fahendren’ny olona eo anatrehan’ny fahafatesana. Vetivety koa dia hadino ny olona nalaza ho hendry.

2:24; 3:12, 13, 22. Tsy ratsy ny mankafy ny vokatry ny asa mafy natao.

2:26. Ny olona ‘ankasitrahan’i Jehovah’ no omeny fahendrena, izay mitondra fifaliana. Tsy ho afaka hahazo an’io fahendrena io ireo tsy mifandray tsara amin’Andriamanitra.

3:16, 17. Tsy ho afaka hanantena fitsarana marina amin’ny toe-javatra rehetra isika. Tsy tokony hanahy momba ny zava-mitranga ankehitriny isika, fa hiandry ny hanitsian’i Jehovah izany.

4:4. Mahafa-po ny asa mafy vita tsara. Raha natao mba hihoarana ny hafa fotsiny anefa izany, dia mahatonga toe-tsaina tia mifaninana sy miteraka lonilony ary fialonana. Tsy maintsy atao noho ny antony manosika tsara ny asa mafy ataontsika eo amin’ny fanompoana kristianina.

4:7-12. Zava-dehibe kokoa noho ny fananana ara-nofo ny fifandraisana amin’ny olona, ka tsy tokony hafoy noho ny fikatsahana harena.

4:13. Tsy voatery hohajain’ny hafa ny olona iray na dia manana toerana ambony sy be taona aza. Tokony hanao zavatra amim-pahendrena ireo mpiandraikitra.

4:15, 16. Mety ho nanohana an’ilay “zazalahy” nandimby ny mpanjaka ireo ‘rehetra nanjakany’, tamin’ny voalohany. ‘Tsy faly taminy’ anefa izy ireo tatỳ aoriana. Mora lefy tokoa mazàna ny laza.

5:1. Tokony ho voahevitra tsara sy feno fanajana ny vavaka ataontsika, fa tsy resa-be tsy misy heviny.

5:2-6. Lasa manonofinofy hahazo tombontsoa ho an’ny tenany ny olona iray, raha variana mikatsaka harena. Mety hanonofinofy fotsiny izy mandritra ny alina, ka tsy hahita torimaso mamy. Mety hahatonga ny olona iray ho toy ny adala eo imason’ny hafa ny teny maro lazainy, ary mety hahatonga azy hanao voady maimaika eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy hanao ireo voalaza ireo isika, raha ‘matahotra an’Andriamanitra.’

6:1-9. Inona no soa ho azo avy amin’ny harena, voninahitra, fahelavelona, ary na dia ny fananana mpianakavy maro aza, raha tsy mamela antsika hifaly amin’izany ny toe-javatra? Aleo mifaly amin’izay ‘hitan’ny maso’, izany hoe, manaiky ny zava-misy, toy izay avezivezin’ny faniriana tsy mety afa-po. Ny olona manana fomba fiaina tsara indrindra àry, dia izay afa-po rehefa “manan-kanina sy fitafiana ary fialofana”, mifaly amin’ireo zavatra mahasoa eo amin’ny fiainana, ary manao izay hihavanana tsara foana amin’i Jehovah.—1 Timoty 6:8.

TOROHEVITRA HO AN’NY HENDRY

(Mpitoriteny 7:1–12:8)

Ahoana no azontsika iarovana ny laza tsarantsika? Ahoana no tokony hiheverantsika ny mpitondra sy ny tsy rariny mety ho hitantsika? Tsy mahalala na inona na inona ny maty. Ahoana àry no tokony hampiasantsika ny fiainantsika ankehitriny? Ahoana no azon’ny tanora ampiasana amim-pahendrena ny fotoanany sy ny heriny? Nosoratana ho antsika ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny toko 7 ka hatramin’ny 12, ny torohevitra tsara omen’ilay Mpitoriteny momba ireo lafin-javatra ireo sy ny hafa koa.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

7:19—Nahoana no mahery lavitra noho ny “mpanapaka folo” ny fahendrena? Manondro fahafenoana ny isa folo ao amin’ny Baiboly, rehefa ampiasaina an’ohatra. Te hilaza àry i Solomona eo fa ny fahendrena dia maharo kokoa noho ny miaramila mpiambina tanàna, na dia feno aza ny isan’izy ireo.

10:2—Inona no dikan’ny hoe ‘eo ankavanan’ny’ olona iray ny fony na “eo ankaviany”? Manondro toeram-pankasitrahana mazàna ny teny hoe eo ankavanana. Raha eo ankavanany àry ny fon’ny olona iray, dia midika izany fa manosika azy hanao ny tsara ny fony. Lazaina hoe eo ankaviany kosa ny fon’ny olona iray, raha manosika azy hanao ny ratsy.

10:15—Nahoana no lazaina fa ‘mahareraka azy ny fisasaran’ny adala’? Raha misy olona tsy mandinika tsara, dia ho very maina ny asa mafy nataony, ary tsy hahafa-po azy. Handreraka azy fotsiny izany.

11:7, 8—Inona no hevitr’ireo teny hoe “mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro”? Mahafaly antsika velona ny hazavana sy ny masoandro. Milaza amintsika i Solomona eo fa tsara ny velona, ary tokony ‘hifaly’ isika alohan’ireo andro maizina, dia ny fahanterana izay haka ny herintsika sy ny tanjatsika.

11:10—Nahoana no samy zava-poana ny “fahatanorana sy ny fahatanjahana”? Samy zava-poana ireo, raha tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy. Toy ny etona izay manjavona vetivety mantsy ny tanjaky ny fahatanorana.

Lesona ho antsika:

7:6. Mampahatezitra sady zava-poana, toy ny firefotry ny tsilo ao ambany vilany, ny fihomehezana amin’ny fotoana tsy mety. Tokony hitandrina isika mba tsy hanao izany.

7:21, 22. Tsy tokony hanahy be loatra ny amin’izay lazain’ny hafa momba antsika isika.

8:2, 3; 10:4. Aleo mitoetra ho tony raha manakiana na manitsy antsika ny tompon’andraikitra na mpampiasa iray. Tsara kokoa izany noho ny ho maika ‘hiala eo anatrehany’, izany hoe hametra-pialana amin’ilay asa.

8:8; 9:5-10, 12. Mety hifarana tampoka ny fiainantsika, toy ny an’ny hazandrano azon’ny harato sy ny vorona voan’ny fandrika. Tsy misy koa ny afaka mitana ny ainy rehefa ho faty izy, na afa-miala amin’io fahavalon’ny olombelona io, dia ny fahafatesana izany. Tsy tokony handanilany foana ny fotoanantsika àry isika. Tian’i Jehovah isika hihevitra ny fiainana ho sarobidy sy hifaly amin’izany amin’ny fomba tsara. Tokony ho ny fanompoana an’i Jehovah no hibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika, mba hahavitana izany.

8:16, 17. Tsy ho takatsika mihitsy ny lafiny rehetra amin’ireo zavatra nataon’Andriamanitra sy navelany hitranga, na dia tsy handry andro tsy handry alina aza isika mba hahatakarana azy ireny. Hanaisotra ny fifaliantsika eo amin’ny fiainana fotsiny ny fanahiana momba ireo zava-dratsy rehetra natao.

9:16-18. Sarobidy tokoa ny fahendrena, na dia maro aza no tsy mihevitra azy io ho toy izany. Tsara kokoa ny teny malefaka ataon’ny hendry noho ny antsoantson’ny adala.

10:1. Tsy maintsy tandremantsika izay lazaintsika sy ataontsika. Hadalana iray fotsiny toy ny fipoahan’ny hatezerana, fisotroana tafahoatra, na fitondran-tena maloto, dia efa afaka manimba ny laza tsaran’ny olona mendri-kaja iray.

10:5-11. Tsy faniry ny olona tsy ampy fahaizana nefa mitana toerana ambony. Ny tsy fahaizana manao zavatra tsotra dia mety hiteraka vokany tena ratsy. “Mahasoa” na misy tombony kosa “ny fahendrena”, raha ampiasaina araka ny tokony ho izy. Tena zava-dehibe tokoa ny hahaizantsika mitory ilay Fanjakana sy manao mpianatra!

11:1, 2. Tokony ho zatra hanome amin’ny fo manontolo isika. Hahatonga ny hafa halala-tanana amintsika koa izany.—Lioka 6:38.

11:3-6. Aza avela hampiroa saina anao ny fiovaovan’ny fiainana.

11:9; 12:1-7. Ampamoahina eo anatrehan’i Jehovah ny tanora. Tokony hampiasain’izy ireo mba hanompoana an’Andriamanitra àry ny fotoanany sy ny heriny, alohan’ny fahanterana, izay tsy hananany hery sy tanjaka intsony.

HITARI-DALANA ANTSIKA “NY TENIN’NY HENDRY”

(Mpitoriteny 12:9-14)

Nitady sy nanoratra “teny mahafinaritra” ilay Mpitoriteny. Ahoana no tokony hiheverantsika azy ireny? ‘Toy ny fanindronana omby ny tenin’ny hendry’ ary ‘toy ny hombo [na fantsika] voatsatoka’ ireo revo manangona tenim-pahendrena. Samy avy amin’ny “mpiandry iray” ireo. Tsy mba toy izany kosa ireo “boky maro” mirakitra fahendren’olombelona. (Mpitoriteny 12:10-12) Manampy antsika tsy hiovaova hevitra ireo tenim-pahendrena nomen’ilay “mpiandry iray”, dia i Jehovah.

Tena hisy heviny sy hahasambatra ny fiainantsika raha mampihatra ireo torohevitra feno fahendrena ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny isika. Omena toky koa isika fa “hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra.” Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny ‘hatahotra an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny.’—Mpitoriteny 8:12; 12:13.

[Sary, pejy 15]

Ho tanteraka amin’ny fotoana mety ny iray amin’ireo asan’Andriamanitra tsara indrindra

[Sary, pejy 16]

Anisan’ny fanomezan’Andriamanitra ny sakafo, zava-pisotro ary ny fifaliana noho ny asa mafy natao