Nampiasa ny Karatry ny Fivoriambe i Daniel
Nampiasa ny Karatry ny Fivoriambe i Daniel
NITENY mafy an’ireo mpitondra fivavahana mpanamarin-tena i Jesosy, noho izy ireo tezitra rehefa nahita ankizilahy kely nidera an’Andriamanitra ampahibemaso. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Mbola tsy novakinareo mihitsy ve ny hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny zaza madinika sy ny zaza minono no anomezanao fiderana’?”—Matio 21:15, 16.
Mbola midera an’i Jehovah ihany ny ankizy kely ankehitriny. Anisan’izany i Daniel, zazalahy kely enin-taona, mivory ao amin’ny fiangonana iray miteny rosianina any Alemaina. Nanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Duisburg izy sy ny reniny ary ny anabaviny. Sambany izy telo mianaka vao nanatrika fivoriambe lehibe toy izany. Vaovao taminy avokoa ny zava-drehetra: ny hotely, ny mpanatrika maro be, ny batisa, ary indrindra ny fampisehoana tantara. Nipetraka tsara koa ny olona nandritra ny telo andro. Ary nanao ahoana i Daniel? Fakan-tahaka ny fitondran-tenany.
Nody ry zareo rehefa vita ilay fivoriambe. Nifoha maraina i Daniel ny alatsinainy, satria handeha hianatra any amin’ny akanin-jaza. Inona anefa no mbola teny amin’ny palitaony? Ny karatry ny fivoriambe! Hoy ny reniny: “Azonao esorina amin’izay io karatra io. Efa vita ange ny fivoriambe e!” Hoy anefa i Daniel: “Tiako ho hitan’ny rehetra ange hoe taiza aho e! Ary tiako ho fantany izay nianarako tany.” Kevoka erỳ àry izy nanao an’ilay karatra tany am-pianarana, nandritra ny andro. Rehefa nanontany azy momba an’ilay karatra ny mpampianatra, dia nolazainy ny fandaharan’ny fivoriambe.
Ankizilahy sy ankizivavy an’arivony no nidera an’i Jehovah ampahibemaso toy izany, hatramin’ny taonjato maro. Nanahaka azy ireo i Daniel.