Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Notanterahin’i Jehovah ny Faniriako ho Misionera!

Tena Notanterahin’i Jehovah ny Faniriako ho Misionera!

Tantaram-piainana

Tena Notanterahin’i Jehovah ny Faniriako ho Misionera!

Notantarain’i Sheila Winfield da Conceição

Indray andro, dia nitsidika anay ny misionera iray voatendry tany Afrika. Nitantara izy fa nampandroso azy daholo ny olona tany, ary tena nihaino ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy aho anakampo: ‘Raha mba izaho moa no mitory amin’ny faritany toy izany!’ Nanjary naniry ho lasa misionera àry aho, na dia vao 13 taona aza.

EFA ela be talohan’io anefa no nianatra momba an’i Jehovah ny fianakavianay. Nipetraka tany Hemel Hempstead, any akaikin’i Londres, any Angletera, izahay tamin’izany. Henry sy Kathleen Winfield no anaran’ny ray aman-dreniko. Nisy tovolahy roa niakanjo tsara nandondona tao aminay, indray maraina, tamin’ny 1939. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Tsy tadidiko ny nahatongavany, satria vao herintaona talohan’io aho no teraka. Te handroaka azy ireo i Neny, ka nilaza fa i Dada angamba no ho liana amin’ny resaka hataony, saingy aorian’ny amin’ny sivy ora alina izy vao ho tonga. Gaga be i Neny fa niverina izy roa lahy ny alin’iny! Nanontanian’i Dada aloha izy ireo sao mpanao politika na mpanao fihetsiketsehana hanasoavana tanindrazana. Rehefa avy nilaza izy ireo fa tsy manao izany vao nampandrosoiny. Nanaiky hianatra Baiboly i Dada. Nandroso haingana izy, ary natao batisa. Nianatra Baiboly koa i Neny taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ary natao batisa tamin’ny 1946.

Nanomboka nitory tsy tapaka ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra aho, tamin’ny 1948. Nieritreritra aho hoe tokony hanana famantaranandro, mba ho marina tsara ny ora soratako ao amin’ny tatitra fanaon’ny mpitory, isam-bolana. Nomen’i Dada sy Neny vola madinika iray (vola anglisy mitentina Ar 240 eo ho eo) izahay ankizy isaky ny asabotsy, rehefa hendry tsara. Nangoniko nandritra ny roa taona latsaka ny vola madinika azoko, mba hividianako ny famantaranandro mora indrindra tamin’izany. I Ray zandrinay faralahy kosa nangataka vola madinika roa foana (Ar 120 eo ho eo avy). Tsy vola madinika roa toy ny mahazatra anefa no nomen’i Dada azy indray andro, ka nidongy be izy. Tezitra i Dada. Nitomany anefa i Ray sady nilaza fa mila vola madinika roa izy, satria efa nisy fifanarahana nataony tamin’i Jehovah. Hoy izy: “Hataoko ao anaty boaty ho an’ny fanomezana ny iray, dia ny iray ho ahy.” Faly be i Neny nahare izany, ka latsa-dranomaso. Nomen’i Dada vola madinika roa haingana i Ray. Nianarako tamin’izay fa zava-dehibe ny manome vola ho an’ny asan’ilay Fanjakana.

Te hifindra tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa i Dada. Namidiny àry ny tanimboliny sy ny lavaka fihadiany vatokely sy fasika, tamin’ny 1949, ka nirotsaka ho mpisava lalana na Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro izy. Natao batisa aho tamin’ny 24 Septambra 1950, rehefa avy nanolo-tena ho an’i Jehovah. Nirotsaka ho mpisava lalana mpanampy avy hatrany aho isaky ny vakansy, ka nitory sy nampianatra Baiboly adiny 100 isam-bolana. Vao fanombohana ihany anefa izany. Tsy ela dia naniry mafy hanao zavatra bebe kokoa aho mba hampandrosoana ny fivavahana marina.

Naniry ho lasa misionera

Voatendry ho any Bideford, any Devon Avaratra i Dada, tamin’ny 1951. Taoriana kelin’ny nahatongavanay tany no nitsidika ny fiangonanay ilay misionera avy any Afrika, noresahiko terỳ aloha. Naniry ho misionera aho taorian’izay, ka nataoko nifanaraka tamin’izany daholo ny fanapahan-kevitro. Fantatry ny mpampianatra anay io tanjoko io, ka nanao izay rehetra azony natao izy ireo mba hanakiviana ahy, ary nanantena fa hanao asa tsy misy ifandraisany amin’ny fivavahana aho. Rehefa nandeha nisaotra sy nanao veloma azy ireo anefa aho tamin’ny fotoana farany nankanesako tany am-pianarana, dia nilaza ny iray taminy hoe: “Deraina ianao, satria ianao irery no mpianatra tena manana tanjona. Enga anie ka ho tratranao izany!”

Nitady asa tapa-potoana avy hatrany aho, ka nirotsaka ho mpisava lalana maharitra tamin’ny 1 Desambra 1955. Lasa mpisava lalana koa i Neny sy ireo anadahiko, tatỳ aoriana. Samy nanompo manontolo andro àry izahay mianakavy, nandritra ny taona maromaro.

Nankany Irlandy

Voasa hanompo tany Irlandy aho ny taona nanaraka, ary nanampy ahy hanatratra ny tanjoko izany. Tonga tany Cork, any amin’ny faritra atsimon’i Irlandy, izaho sy ny mpisava lalana tanora roa atao hoe June Napier sy Beryl Barker, tamin’ny Febroary 1957.

Sarotra ny asa fitoriana tany Irlandy, satria nanohitra mafy anay ny Eglizy Katolika. Rehefa nitory tamin’ny trano avo be sy cité (trano maromaro mitovy sy mitandahatra), ohatra, izahay dia tsy maintsy nijery mialoha izay lalana azo andosirana, raha voatery mitsoaka haingana. Fanaonay koa ny nanafina ny bisikiletanay teny lavidavitra. Nisy nahita anefa izany matetika, ka notatahany ny pne na nesoriny ny rivotra tao anatiny.

Nisy ankizy maromaro nanompa sy nitora-bato anay, indray andro, rehefa nitory tamin’ny cité lehibe iray izahay sy Beryl. Niditra tao amin’ny fivarotana iray àry izahay. Nisy olona nanomboka nitangorona teo ivelany. Tia ronono i Beryl ka nividy roa na telo vera, ary nisotro izany miadana kely. Nihevitra mantsy izy fa hiparitaka ireo olona nitangorona. Tsy izany anefa no nitranga. Nisy mompera tanora niditra tao amin’ilay fivarotana, avy eo. Noheveriny ho mpizaha tany izahay, ka nilaza izy fa te hitondra anay hijery tanàna. Nisy lahy antitra iray efa ho faty tao amin’ny efitra hafa tamin’ilay trano. Nentiny niaraka taminy tao aloha izahay. Nanome sakramenta farany an’io lehilahy io izy, fa izahay kosa nipetraka mangina. Nivoaka ilay trano niaraka tamin’ilay mompera izahay avy eo. Niparitaka ireo olona nitangorona, rehefa nahita anay niresaka taminy.

Nankany Gileada

Natao tany New York, tamin’ny 1958, ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena hoe “Sitrapon’Andriamanitra.” Hanatrika azy io i Dada. Te ho any koa aho saingy tsy nanam-bola. Maty tampoka anefa ny bebeko, ka namela vola 100 livres sterling (Ar 600 000 eo ho eo) ho ahy. Nitentina 96 livres sterling ny saran-dalana nandroso sy niverina tamin’ny fiaramanidina, ka namandrika toerana avy hatrany aho.

Nisy anadahy solontenan’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Grande-Bretagne nitsidika anay, taloha kelin’ny nandehananay. Nasainy nameno taratasy fangatahana hanao ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, izay mpisava lalana manokana rehetra hanatrika ilay fivoriambe. Natao ho an’izay te ho misionera io sekoly io. Saika tsy nino aho! Nomen’ilay anadahy taratasy fangatahana daholo ny rehetra. Izaho ihany no tsy nahazo satria mbola tsy ampy taona, ka tsy nahafeno fepetra hanatrika ilay sekoly. Niangavy azy aho mba hanome ahy taratasy fangatahana, sady nohazavaiko taminy fa efa nandao ny tanindrazako aho, ka toy ny hoe efa nanao ny asa misionera ihany. Hitany fa tena naniry mafy ho misionera aho, ka nomeny. Nivavaka mafy aho mba hekena ny fangatahako! Vetivety dia nivaly ilay izy. Voasa hanatrika ny sekolin’i Gileada aho.

Faly be mihitsy aho fa anisan’ny kilasy faha-33, niaraka tamin’ny mpisava lalana 81, avy any amin’ny tany 14. Nandeha haingana be ireo dimy volana niofananay. Nanao lahateny nampahery ho anay, nandritra ny adiny efatra ny Anadahy Nathan Knorr, rehefa hifarana ilay sekoly. Nampirisihiny hitoetra ho mpitovo izay afaka nanao izany. (1 Korintianina 7:37, 38) Nanoro hevitra an’izay nieritreritra ny hanambady kosa izy, mba hanao lisitra ny fepetra tadiaviny amin’izay heveriny ho vady mety aminy. Hanampy anay handinika an’izay mangataka anay ho vady io lisitra io indray andro any.

Ireto avy no fepetra napetrako: Tsy maintsy misionera toa ahy ilay olona, tia an’i Jehovah, mahafantatra kokoa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly raha oharina amiko, tsy maniry hiteraka alohan’ny Hara-magedona ka ho afaka hanompo manontolo andro foana, mahay miteny anglisy tsara, ary zokiko. Tena nanampy ahy io lisitra io. Vao 20 taona mantsy aho, ary hahazo fanendrena any an-tany lavitra.

Nanketo Brezila

Nozaraina tamin’ny alahady 2 Aogositra 1959 ny diplaomanay, ary nolazaina ny toerana nanendrena anay. Voatendry teto Brezila izaho sy Vehanouch Yazedjian, Sarah Greco, Ray sy Inger Hatfield, Sonia Springate, ary Doreen Hines. Faly be izahay. Nieritreritra aho fa hahita ala, bibilava, hazo fingotra, ary Indianina Mena Hoditra. Tsy nampoiziko anefa ny zavatra hitako rehefa tonga teto aho! Tsy alan’i Amazonia no hitako fa tanàn-dehibe maoderina sady mafana. Tsy iza izany fa i Rio de Janeiro, izay renivohitr’i Brezila tamin’izany.

Ny fianarana teny portogey no zava-tsarotra voalohany niandry anay. Nianatra adiny 11 isan’andro izahay, nandritra ny volana voalohany nahatongavanay. Nitory tao Rio renivohitra aho nandritra ny fotoana kelikely, sady nipetraka tao amin’ny Betela. Nalefa tany amin’ny tranon’ny misionera tany Piracicaba, any São Paulo aho avy eo, ary tany amin’ny tranon’ny misionera tany Porto Alegre, any Rio Grande do Sul, tatỳ aoriana.

Voantso hiasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny tao amin’ny Betela aho, tamin’ny voalohandohan’ny 1963. I Floriano da Conceição no niandraikitra an’io sampan-draharaha io tamin’izay. Izy no nampianatra teny portogey anay, tamin’izahay vao tonga teto Brezila. Tamin’ny 1944 izy no nianatra ny fahamarinana. Mbola 300 monja ny Vavolombelona teto tamin’izany. Nanatrika ny kilasy faha-22 tamin’ny sekolin’i Gileada izy. Nasain’ny Anadahy Conceição hijanona kely aho, indray andro, talohan’ny sakafo antoandro. Nisy resaka tiany hatao tamiko, hono. Natahotra aho tamin’ny voalohany sao nisy zavatra tsy nety nataoko. Rehefa nirava izahay ny antoandro, dia nanontaniako azy ilay zavatra tiany holazaina tamiko. Hoy izy: “Tianao ve ny ho vadiko?” Taitra be aho. Nangataka fotoana hieritreretana aho, ary niala teo haingana ka nandeha nisakafo.

Tsy vao i Floriano no anadahy nilaza fa tia ahy. Izy irery anefa no nahafeno ny fepetra rehetra notadiaviko, raha oharina tamin’ireo anadahy hafa! Hitako fa nanampy ahy hanao fanapahan-kevitra tsara ilay lisitra nataoko. Nivady izahay tamin’ny 15 Mey 1965.

Niatrika aretina

Sambatra ny tokantranonay sy Floriano, na dia eo aza ny olana atrehinay, anisan’izany ny aretiny. Tsy niasa tsara intsony ny havokavony havia, taona vitsivitsy talohan’ny mariazinay. Nanjary nisy vokany ratsy teo amin’ny fahasalamany izany, ka nanomboka nampijaly mafy azy. Niala tao amin’ny Betela izahay noho izany, ary voatendry ho mpisava lalana manokana tany Teresópolis, tanàna be tendrombohitra eto amin’ny Fanjakan’i Rio de Janeiro. Nanantena izahay fa hahasitrana azy ny toetrandro any.

Reko koa tamin’ny Desambra 1965, fa voan’ny kansera i Neny ary narary mafy. Nifanoratra foana izahay hatramin’izay. Efa fito taona anefa no tsy nifankahitanay. Nanome saran-dalana anay àry izy, handehananay any Angletera hamangy azy. Nodidiana i Neny, nefa mbola tsy sitrana ihany ilay kansera. Tsy afa-niala teo am-pandriana izy ary narary mafy, nefa tiany foana ny nitory. Nanana milina fanoratana izy tao amin’ny efitra fatoriany, ka nisy olona nasainy nanoratra ny taratasiny. Nitory vetivety tamin’izay nitsidika azy koa izy. Maty i Neny tamin’ny 27 Novambra 1966. Nahavita nitory adiny folo izy tamin’io volana io! Tamin’ny 1979 kosa i Dada no maty, ary mpisava lalana nahatoky foana izy mandra-pahafatiny.

Niverina teto Brezila izahay sy Floriano rehefa maty i Neny, ka manompo eto amin’ny Fanjakan’i Rio de Janeiro hatramin’izao. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tao an-drenivohitra aloha izahay. Faly izahay nefa nihelina ihany izany, satria narary mafy indray i Floriano. Niverina tany Teresópolis àry izahay, ary mpisava lalana manokana indray.

Notsaboina an-taonany maro i Floriano, ary nanaintaina mafy. Nesorin’ny dokotera ny havokavony havia nony farany, tamin’ny 1974. Tsy afaka nanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy mpisava lalana manokana izy tamin’izay. Afaka nampianatra Baiboly anefa izy tao amin’ny hopitaly, rehefa tonga ny ora famangiana. Anisan’ny nampianariny ny lehilahy lehibe iray avy any Amerika, atao hoe Bob. Nampianarina tamin’ny teny anglisy izy. Nanaiky ny fahamarinana izy, ary natao batisa tatỳ aoriana. Nihasitrana tsikelikely i Floriano. Lasa mpisava lalana maharitra izy, ary mbola manohy izany hatramin’izao.

Nitahy ny fanompoako i Jehovah

Mpisava lalana manokana foana aho nandritra izany fotoana izany, ary nitahy ny fanompoako i Jehovah. Tena faly aho fa afaka nanampy olona 60 mahery hanolo-tena ho an’i Jehovah, tany Teresópolis. Anisan’izany ny vehivavy iray atao hoe Jupira. Nampianariko namaky teny koa izy. Niara-nianatra Baiboly tamiko ny zanany valo efa lehibe, tatỳ aoriana. Lasa mpanompon’i Jehovah izao i Jupira sy ny fianakaviany 20 mahery. Anti-panahy ny iray, mpanampy amin’ny fanompoana ny telo, ary mpisava lalana ny roa.

Miezaka mitadidy foana koa aho fa mbola mety hianatra ny fahamarinana ihany ny olona iray, na ho ela na ho haingana. Nampianatra Baiboly vehivavy iray atao hoe Alzemira aho, indray mandeha. Nandrahona ahy i Antônio vadiny, fa hampirisika ny alikany roa ngezabe hanaikitra ahy izy, raha tsy mivoaka ny tranony avy hatrany aho. Tsy nihaona firy intsony izahay sy Alzemira taorian’izay, raha tsy fito taona teo ho eo tatỳ aoriana. Navelan’i Antônio hampianatra an’i Alzemira indray aho rehefa nangataka alalana taminy. Na izany aza dia tsy nety niresahako Baiboly i Antônio. Avy anefa ny orana indray andro, ka nasaiko hiara-mianatra taminay izy. Fantatro tamin’izay fa tsy nahay taratasy izy. Hay izay no anton’ireny fihetsiny ireny! Nampianatra Baiboly azy àry i Floriano sy ny olon-kafa, sady nampianatra azy hamaky teny. Vita batisa izao izy mivady. Tena mahasoa ny fiangonana i Antônio satria miara-manompo amin’ny tanora maro.

Vitsivitsy monja tamin’ny zavatra hitanay nandritra ny 20 taona mahery tany Teresópolis izany. Nahazo fanendrena vaovao izahay, tamin’ny fiandohan’ny 1988. Nasaina nankany Niterói izahay, ary nanompo tany nandritra ny dimy taona. Nankany Santo Aleixo izahay avy eo. Nifindra tany amin’ny Fiangonana Japuíba any afovoan’ny Fanjakan’i Rio de Janeiro izahay, tatỳ aoriana, ary faly nanorina ny Fiangonana Ribeira.

Fiainana tsotra nefa nahafa-po

Nanampy olona 300 mahery hanolo-tena ho an’i Jehovah izahay sy Floriano, nandritra ireny taona maro ireny. Betelita izao ny sasany. Ny hafa indray mpisava lalana, anti-panahy, ary mpanampy amin’ny fanompoana. Tena misaotra an’Andriamanitra aho noho izy nampiasa anay hanampy olona maro toy izany, tamin’ny alalan’ny fanahiny masina!—Marka 10:29, 30.

Marina fa tena marary be i Floriano. Tsy mivadika mihitsy anefa izy, ary falifaly foana sady matoky an’i Jehovah. Hoy izy matetika: “Tsy hoe rehefa tsy misy olana akory ny fiainana vao ho sambatra isika ankehitriny. Sambatra kosa isika rehefa ampian’i Jehovah hiatrika ny olana mahazo antsika.”—Salamo 34:19.

Fantatra tamin’ny 2003 fa voan’ny kansera ny masoko havia. Nodidiana ilay izy ary nosoloana maso tavoahangy, ka mila diovina matetika isan’andro. Tahin’i Jehovah foana anefa aho ary omeny hery, ka mbola mpisava lalana manokana hatramin’izao.

Tsy manankarena aho fa tsotra ny fiainako. Nomen’i Jehovah fitahiana be dia be anefa aho teo amin’ny fanompoana azy. Tena hita eto Brezila ny zavatra nolazain’ilay rahavavy misionera momba ny asa fitoriana any Afrika. Notanterahin’i Jehovah tokoa ny faniriako ho misionera, ary nataony izay nahafa-po ahy!

[Sary, pejy 9]

Miaraka amin’ny fianakaviako, 1953

[Sary, pejy 9]

Nitory tany Irlandy, 1957

[Sary, pejy 10]

Misionera namako teto Brezila, 1959. Havia miankavanana: Izaho, Inger Hatfield, Doreen Hines, ary Sonia Springate

[Sary, pejy 10]

Miaraka amin’ny vadiko