Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Azo Itokisana Momba ny Fitaizan-janaka

Torohevitra Azo Itokisana Momba ny Fitaizan-janaka

Torohevitra Azo Itokisana Momba ny Fitaizan-janaka

NILAZA ny zavatra tsapany tamin’izy bevohoka voalohany i Ruth. Hoy izy: “Sivy ambin’ny folo taona aho tamin’izany, ary nipetraka lavitra ny havako izahay. Tena tsy vonona hitaiza aho.” Vavy tokana koa izy, ka tsy nieritreritra loatra hoe manao ahoana izany manan-janaka izany. Taiza no nahitany torohevitra azo itokisana?

Raim-pianakaviana manan-janaka roa efa lehibe kosa i Jan. Hoy izy: “Tena natoky tena aho tamin’ny voalohany, nefa tsy ela taorian’izay dia takatro fa mbola tsy nahay nitaiza aho.” Sambany ny olona sasany vao hitaiza, ka tsy mahalala izay tokony hatao. Ny hafa indray efa nitaiza elaela ihany, saingy lasa tsy azony antoka ny fomba fitaizany. Aiza no hahitan’izy ireo fanampiana?

Mihamaro ankehitriny ireo mitady torohevitra ao amin’ny Internet. Mety hanontany tena anefa ianao raha azo itokisana ny torohevitra hita ao. Tokony hitandrina tokoa ianao. Fantatrao tsara ve, ohatra, ilay manome torohevitra anao ao amin’ny Internet? Nahay nitaiza ny zanany ve izy? Azo antoka fa tsy tianao ny hanao tsirambina ny raharaha mahakasika ny fianakavianao. Mandiso fanantenana mantsy indraindray na dia ny torohevitry ny manam-pahaizana aza, araka ny voalazan’ilay lahatsoratra teo aloha. Iza àry no azonao ianteherana?

I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny fianakaviana, no manome ny torohevitra tsara indrindra momba ny fitaizana. (Efesianina 3:15) Izy ihany no tena manam-pahaizana amin’izany. Manome toromarika azo itokisana sy azo ampiharina ary tena mandaitra izy ao amin’ny Teniny. (Salamo 32:8; Isaia 48:17, 18) Anjarantsika kosa ny manaraka azy ireny.

Nadinadinina ny mpivady maromaro manan-janaka efa lehibe sy matotra ary matahotra an’Andriamanitra. Nanontaniana izy ireo hoe inona no hitany fa nanampy azy hitaiza tsara ny zanany. Nilaza izy ireo fa ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly no tena nahatonga azy ireo hahomby. Hitan’izy ireo fa mbola azo itokisana toy ny tamin’ny fotoana nanoratana azy ihany ny torohevitry ny Baiboly.

Manokàna fotoana hiarahana amin’ny zanakao

Manan-janaka roa i Catherine. Nanontaniana izy hoe inona no torohevitra tena nanampy azy indrindra. Namaly avy hatrany izy hoe ny Deoteronomia 6:7. Izao no voalaza ao: “Ampianaro tsara ny zanakao izany [ny toro lalan’ny Baiboly], ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” Takatr’i Catherine fa tsy maintsy nanokana fotoana niarahana tamin-janany izy, mba hampiharana an’io torohevitra io.

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Mora ange ny miteny noho ny manatanteraka e.’ Koa satria maro ny mpivady tsy maintsy samy miasa mba hamelomana ny fianakaviany, aiza indray no mbola hahitany fotoana hiarahana amin-janany? Ny fanarahana ilay torohevitra ao amin’ny Deoteronomia no vahaolana, hoy i Torlief, izay efa manan-jafikely izao. Ento miaraka aminao any amin’izay alehanao ny zanakao, dia handeha ho azy ny fifampiresahanareo. Hoy i Torlief: “Niaraka nanao raharaha izahay sy ny zanako lahy tao an-trano. Niara-nanao dia lavitra koa izahay mianakavy, ary niara-nisakafo.” Ny vokany? “Tsapan’ilay zanakay fa afaka nilaza ny heviny taminay foana izy.”

Ahoana anefa raha tsy mifandray tsara intsony ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ary lasa mihasarotra ny fifampiresahana? Mitranga izany indraindray rehefa mihalehibe ny ankizy. Mbola afaka manampy indray amin’izay ny fanokanana fotoana iarahana amin’izy ireo. Tadidin’i Ken vadin’i Catherine, fa rehefa nihalehibe ny zanany vavy, dia nitaraina taminy hoe tsy mba nihaino azy mihitsy izy. Mazàna ny zatovo no miteny toy izany. Inona no nataon’i Ken? Hoy izy: “Nanapa-kevitra ny hanokana fotoana bebe kokoa hiarahana taminy aho, ka niresaka momba izay noeritreretiny sy ny fihetseham-pony ary izay nahakivy azy izahay. Tena nanampy izany.” (Ohabolana 20:5) Tsapan’i Ken fa nandaitra izany fomba izany, satria efa zatra nifampiresaka foana izy mianakavy. Hoy izy: “Nifandray tsara foana izahay sy ny zanako vavy, ka natoky izy fa tsy nisy tokony hampisalasala azy raha te hiresaka tamiko izy.”

Mahaliana fa araka ny fanadihadiana natao vao haingana, dia ny ankizy matetika no tena mitaraina hoe tsy ampy ny fotoana iarahan’ny ray aman-dreniny aminy. Nahoana àry raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly? Manokàna fotoana betsaka araka izay azo atao mba hiarahana amin’ny zanakao, na miala voly ianao na miasa, na ao an-trano na eny an-dalana, na amin’ny maraina vao mifoha na amin’ny alina alohan’ny hatoriana. Ento miaraka aminao any amin’izay alehanao izy ireo, raha azo atao. Asehon’ny Deoteronomia 6:7 fa tsy misy zavatra hafa mahasolo ny fotoana iarahanao amin’ny zanakao.

Ampianaro azy ny fitsipika momba ny fitondran-tena tsara

Nanoro hevitra toy izao koa i Mario, manan-janaka roa: “Omeo fitiavana be dia be ny ankizy, ary amakio teny izy.” Tsy ny hampitombo ny fahaizany misaina fotsiny anefa no tanjona amin’izany. Tokony hampianarinao hanavaka ny tsara sy ny ratsy koa izy. Hoy ihany i Mario: “Ampianaro Baiboly izy ireo.”

Izany no antony nampirisihan’ny Baiboly ny ray aman-dreny hoe: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.” (Efesianina 6:4) Tsy manantitrantitra ny fitsipika momba ny fitondran-tena ny ray aman-dreny maro ankehitriny. Misy mihevitra fa ho afaka hifidy samirery izay fitsipika tiany harahina ny ankizy rehefa mihalehibe. Mety ve izany araka ny hevitrao? Tsy misy hafa amin’ny ilan’ny ankizy sakafo tsara mba hampahatanjaka sy hahasalama ary hampitombo ny vatany, dia mila tari-dalana koa izy mba hanolokoloana ny sainy sy ny fony. Mety hanaraka ny hevitry ny mpiara-mianatra aminy sy ny mpampianatra azy, na izay lazain’ny fampitam-baovao ny zanakao, raha tsy ampianarinao azy ny fitsipika tokony harahiny momba ny fitondran-tena.

Afaka manampy ny ray aman-dreny ny Baiboly, mba hampianarany ny zanany hanavaka ny tsara sy ny ratsy. (2 Timoty 3:16, 17) Anti-panahy kristianina za-draharaha manan-janaka roa i Jeff. Nampirisika ny ray aman-dreny hampiasa Baiboly izy, mba hampianaran’izy ireo ny zanany hanaraka fitsipika momba ny fitondran-tena tsara. Hoy izy: “Ny fampiasana Baiboly mba hampisaintsainana ny ankizy, dia hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba fihevitry ny Mpamorona, fa tsy ny hevitr’i Dada sy Neny fotsiny. Voamarikay mivady fa tena misy heriny lehibe eo amin’ny saina sy ny fo ny Baiboly. Naka fotoana hikarohana andinin-teny nety tsara izahay, mba hanitsiana ny toetra ratsy na ny hevi-diso nananan’ny zanakay. Niresahanay mitokana izy avy eo, ary nasainay namaky an’ilay andinin-teny. Matetika no nanganohano ny masony na nitomany mihitsy izy, rehefa avy namaky izany. Gaga be izahay. Nisy heriny lehibe kokoa noho ny zavatra saika holazainay na hataonay, ny Baiboly.”

Hoy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ... ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” Tsy ny fiheveran’ireo olona nampanoratin’Andriamanitra ny Baiboly, na ny zavatra niainan’izy ireo fotsiny àry no hita ao amin’izy io. Mirakitra ny fiheveran’Andriamanitra ny fitondran-tena koa izy io. Izany no mampiavaka ny torohevitra raketiny amin’ny torohevitra hafa rehetra. Manampy ny zanakao hitovy hevitra amin’Andriamanitra ianao, rehefa mampiasa ny Baiboly mba hampianarana azy ireo. Misy heriny kokoa ny fananarana omenao amin’izay, ary azo inoana kokoa fa hanohina ny fon’ny zanakao.

Miombon-kevitra amin’izany i Catherine, ilay voaresaka tetsy aloha. Hoy izy: “Arakaraka ny nahasarotra ny toe-javatra no vao mainka nitadiavanay toro lalana tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary tena nahomby izany!” Nahoana raha miezaka mampiasa bebe kokoa ny Baiboly, mba hampianarana ny zanakao hanavaka ny tsara sy ny ratsy?

Mahaiza mandanjalanja

Nilaza toro lalana lehibe hafa manampy amin’ny fitaizana zanaka ny apostoly Paoly. Nampirisika ny Kristianina namany izy hoe: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Azo antoka fa anisan’ireo tokony hahita ny fahaizantsika mandanjalanja koa ny zanatsika. Ary tadidio fa anisan’ny “fahendrena avy any ambony” ny fandeferana, izay azo adika koa hoe fahaiza-mandanjalanja.—Jakoba 3:17.

Inona anefa no ifandraisan’ny fahaiza-mandanjalanja sy ny fananarana ny ankizy? Tsy isika no handidy izay rehetra hataony, na dia manampy azy araka izay azontsika atao aza isika. Nilaza toy izao, ohatra, i Mario, ilay Vavolombelon’i Jehovah noresahina terỳ aloha: “Nampirisihinay foana ny zanakay mba hiroso ho amin’ny batisa, hanompo manontolo andro, ary hanana tanjona hafa mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nataonay mazava tsara anefa fa azy ireo ny safidy, amin’izay fotoana mety aminy.” Inona no vokany? Samy mpitory ny vaovao tsara manontolo andro izao ny zanany roa.

Mampitandrina ny raim-pianakaviana toy izao ny Baiboly ao amin’ny Kolosianina 3:21: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, mba tsy ho kivy izy.” Tian’i Catherine, izay Vavolombelon’i Jehovah, io andinin-teny io. Tsy lefitry ny ray aman-dreny ny zavatra sasany indraindray, ka mora tezitra na mitaky zavatra be loatra izy ireo. Hoy anefa i Catherine: “Aza ny zavatra tianao hatao no takina amin’ny zanakao.” Hoy ihany izy: “Ataovy mahafinaritra ny manompo an’i Jehovah.”

Mahasoa koa ny fanamarihana nataon’i Jeff, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Rehefa nihalehibe ny zanakay, dia nisy namanay nilaza taminay hoe matetika loatra izy no nanda izay notadiavin’ny zanany, ka nandiso fanantenana sy nampahory azy ireo. Mba hisorohana izany, dia nampirisika anay izy mba hanaiky izay nangatahin’ny zanakay, raha mbola azo atao.”

“Hitanay fa torohevitra tsara izany. Nataonay àry izay hiarahan’ny zanakay tamin’ny hafa, rehefa hitanay fa nety izany. Nilaza tamin’izy ireo, ohatra, izahay hoe: ‘Ranona, hono, handeha hanao an’izao na izao. Nahoana raha mba miaraka aminy?’ Niezaka nandeha koa izahay na dia efa reraka aza, rehefa nangatahin’izy ireo mba hitondra azy tany amin’ny toerana iray. Nanao izany izahay mba tsy handavana izay nangatahiny.” Toy izany ny olona mahay mandanjalanja. Tsara fanahy izy, ary mihevitra izay hahasoa ny hafa sy vonona hanaiky izay tadiavin’izy ireo, nefa tsy mampandefitra ny toro lalan’ny Baiboly.

Mahasoa ny torohevitra azo itokisana

Efa manan-jafikely izao ny ankamaroan’ireo mpivady noresahina teo. Faly izy ireo mahita fa mbola manampy ny zanany amin’ny fitaizana ihany ireo toro lalan’ny Baiboly ireo. Tsy hahasoa anao koa ve ny torohevitry ny Baiboly?

Rehefa teraka i Ruth, ilay voaresaka terỳ aloha, dia sahiran-tsaina izy sy ny vadiny momba ny fitaizana an-janany. Nahazo fanampiana anefa izy ireo, satria nahita torohevitra tena tsara tao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mamoaka boky fianarana Baiboly maro faran’izay tsara koa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary afaka manampy ny ray aman-dreny izy ireny. Anisan’izany ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, ary Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Hoy i Torlief, vadin’i Ruth: “Be dia be izao ny torohevitra ara-baiboly ho an’ny ray aman-dreny, ary tsy sarotra mihitsy ny mahita azy ireny. Mila mandray an’ireny torohevitra ireny fotsiny izy ireo, dia hanampy azy izany mba hitaizany ny zanany amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana.”

[Efajoro/​Sary, pejy 5]

Izay Lazain’ny MANAM-PAHAIZANA sy izay Lazain’ny BAIBOLY Momba ny...

Fanehoam-pitiavana:

Nampirisika ny ray aman-dreny toy izao ny Pr. John Watson, ao amin’ny boky Fanolokoloana ny Sain’ny Zazakely sy ny Ankizy (anglisy), tamin’ny 1928: “Aza mamihina na manoroka [ny zanakao] mihitsy, ary aza miampofo azy na oviana na oviana.” Nilaza toy izao anefa ny Pr. Vera Lane sy Dorothy Molyneaux, vao haingana, tao amin’ny gazety Ny Zanatsika (anglisy), tamin’ny Martsa 1999: “Hita tamin’ny fikarohana fa matetika no tsy sambatra ny ankizikely tsy mba nahazo tambitamby sy tsy nanehoana fitiavana.”

Asehon’ny Isaia 66:12 kosa ny fomba anehoan’Andriamanitra fitiavana ny vahoakany, ka ampitoviny amin’ny fomba anehoan’ny ray aman-dreny fitiavana ny zanany izany. Nanitsy ny mpianany koa i Jesosy, rehefa tsy navelan’izy ireo hitondra ny zanany ho eo aminy ny olona. Hoy izy: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza tadiavinareo hosakanana.” Ary “namihina ireo zaza izy ka nitso-drano azy.”—Marka 10:14, 16.

Fampianarana ny fitsipika momba ny fitondran-tena tsara:

Noantitranterin’ny Pr. Bruno Bettelheim tao amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy), tamin’ny 1969, fa manana “zo hilaza ny heviny” ny ankizy. Nolazainy fa “ny zavatra iainan[’ny ankizy] ihany no tokony hamolavola ny fomba fiheviny, fa tsy [ny sermona] mandidindidy ataon[’ny ray aman-dreniny].” Efa ho 30 taona tatỳ aoriana, tamin’ny 1997, dia nilaza zavatra nifanohitra tamin’izany ny Pr. Robert Coles, izay nanoratra ny boky Ny Fahaizan’ny Ankizy ny Fitsipi-pitondran-tena (anglisy). Hoy izy: “Tena tokony ho tsapan’ny ankizy hoe manana tanjona sy misy mitari-dalana izy eo amin’ny fiainana, izany hoe tokony hanana fitsipika” eken’ny ray aman-dreniny sy ny olon-dehibe hafa.

Mampirisika ny ray aman-dreny ny Ohabolana 22:6 hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Midika koa hoe “manomboha” ilay teny hebreo nadika hoe “zaro”, ary manondro ny fotoana anombohana anomezana tari-dalana ny ankizy ilay izy, eo amin’io andininy io. Ampirisihina àry ny ray aman-dreny mba hanomboka hampianatra ny zanany ny fitsipika momba ny fitondran-tena tsara, dieny izy ireo mbola kely. (2 Timoty 3:14, 15) Azo inoana fa hotadidiny foana ireny zavatra ianarany mandritra ny fahazazany ireny.

Fifehezana:

Izao no nosoratan’ny Pr. James Dobson tao amin’ny boky Ankizy Mafy Loha (anglisy), tamin’ny 1978: “Fomba ampianarana [ny ankizy] tsy hanana toetra ratsy ny kapoka avy amin’ny ray na reny be fitiavana.” Mifanohitra amin’izany kosa ny tenin’ny Pr. Benjamin Spock. Nilaza izy tao amin’ny lahatsoratra iray, nalaina avy tamin’ny fanontana fahafito amin’ilay boky malaza hoe Fitaizana Zazakely sy Ankizy (anglisy), tamin’ny 1998, fa “ny fikapohana ny ankizy, dia mahatonga azy ireo hihevitra hoe izay olona lehibe sy matanjaka kokoa noho izy no manana fahefana hanao izay tiany, na manana ny rariny na tsia.”

Izao kosa no lazain’ny Baiboly momba ny fifehezana: “Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena.” (Ohabolana 29:15) Tsy ny ankizy rehetra anefa no mila kapohina. Milaza mantsy ny Ohabolana 17:10 hoe: “Ny anatra dia manan-kery kokoa amin’ny hendry noho ny kapoka injato amin’ny adala.”

[Sary]

Ampiasao mba hanohinana ny fo ny Baiboly

[Sary, pejy 7]

Mandamina fialam-boly ho an’ny zanany ny ray aman-dreny hendry