Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Adihevitra Iray Mahakasika Anao

Adihevitra Iray Mahakasika Anao

Adihevitra Iray Mahakasika Anao

MANA-NAMANA na havana tena akaiky anao ve ianao? Ahoana raha misy manendrikendrika anao hoe mitady tombontsoa fotsiny ianao, matoa mifandray amin’ilay namanao na havanao? Tsy halahelo ve ianao na angamba ho tezitra mihitsy aza? Toy izany mihitsy no ataon’i Satana Devoly. Manendrikendrika an’ireo rehetra mifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra izy.

Eritrereto izay nitranga rehefa vitan’i Satana ny nitarika an’i Adama sy Eva, mpivady voalohany, mba handika ny lalàn’Andriamanitra sy hiaraka hikomy aminy. Midika ve izany fa mitady tombontsoa fotsiny ny olona matoa mankatò an’i Jehovah? (Genesisy 3:1-6) Napoitran’i Satana indray io adihevitra io, 2 500 taona teo ho eo taorian’ny nikomian’i Adama. Nanendrikendrika an’ilay lehilahy atao hoe Joba i Satana. Fantatra avy amin’izany hoe inona ilay adihevitra. Andeha àry hodinihintsika akaiky izay tantarain’ny Baiboly momba izany.

“Tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho”

“Olona marina sy mahitsy” i Joba, “sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.” Nanaratsy ny antony nanaovany ny marina anefa i Satana. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra?” Nanaratsy an’Andriamanitra sy Joba ny Devoly avy eo, ka nilaza hoe niaro sy nitahy an’i Joba i Jehovah, amin’izay izy tsy mivadika aminy. Sahy nilaza i Satana hoe: “Ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra—raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!”—Joba 1:8-11.

Navelan’i Jehovah hitsapa an’i Joba i Satana, mba hanaporofoana raha marina ireo fiampangana ireo na tsia. Nataon’ny Devoly izay tsy hanompoan’io lehilahy nahatoky io an’Andriamanitra intsony, ka nandefasany loza nisesisesy izy. Tsy nisy niangana ny bibiny fa nangalarin’ny olona na maty. Nisy namono koa ny mpanompony ary maty ny zanany. (Joba 1:12-19) Nahomby ve i Satana? Tsia. Na tsy fantatr’i Joba aza hoe ny Devoly no nahatonga ireny fitsapana ireny, dia hoy izy: “Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’i Jehovah.”—Joba 1:21.

Niseho teo anatrehan’i Jehovah i Satana, tatỳ aoriana, ary hoy i Jehovah taminy: “Mitana mafy ny fahamarinany ihany [i Joba], na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza hianao.” (Joba 2:1-3) Ny fahamarinan’i Joba na ny tsy fivadihany no tena niadiana hevitra, izany hoe ny fanaovany izay mahitsy hatrany sy ny tsy fivadihany mihitsy tamin’Andriamanitra. Tsy nivadika i Joba ka tena nandresy. Tsy nijanona teo anefa ny Devoly.

Nampidirin’i Satana tamin’ilay adihevitra koa ny olona rehetra. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony—raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!” (Joba 2:4, 5) Ny “olona” indray no noresahin’ny Devoly teo, fa tsy nanonona an’i Joba izy. Hita avy amin’izany, fa te hilaza izy hoe ny olona rehetra no hivadika amin’Andriamanitra. Hoy izy, raha ny marina: ‘Hanao izay rehetra azony atao ny olona mba tsy ho faty. Avelao ange hanaovako azy, raha tsy ho vitako ny hampiala azy rehetra amin’Andriamanitra e!’ Hisy olona tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy ve amin’izay rehetra ataony, ary na inona na inona hihatra aminy?

Navelan’i Jehovah hanisy aretina nampanaintaina be an’i Joba ny Devoly. Nijaly mafy i Joba ka nivavaka mba ho faty. (Joba 2:7; 14:13) Hoy anefa izy: “Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.” (Joba 27:5) Nilaza izany i Joba satria tia an’Andriamanitra, ary tsy nisy afaka nanova izany. Noporofoiny fa tsy nanan-tsiny izy na tsy nivadika. Hoy ny Baiboly: “Ary Jehovah nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany.” (Joba 42:10-17) Nisy olon-kafa tsy nivadika toa an’i Joba koa ve? Inona no asehon’ny tantara?

Inona no asehon’ny tantara?

Manonona anaran-dehilahy sy vehivavy nahatoky maromaro niaina talohan’ny andro kristianina ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Anisan’izany i Noa, Abrahama, Saraha, ary Mosesy. Hoy ilay apostoly avy eo: “Tsy ho ampy ny fotoanako hitantarana koa momba [ny hafa].” (Hebreo 11:32) Noharin’i Paoly tamin’ny rahona matevina manarona ny lanitra ireny mpanompon’Andriamanitra nahatoky ireny, ary nantsoiny hoe “vavolombelona maro be toy ny rahona” satria tena maro. (Hebreo 12:1) Tsy hita isa tokoa ny olona nifidy ny tsy hivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra hatramin’izay.—Josoa 24:15.

I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, no tena namaly ilay fiampangan’i Satana. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy i Jesosy, na dia efa ho faty sy nanaintaina mafy teo amin’ny hazo fijaliana aza. Niantsoantso izy teo am-pialana aina hoe: “Ray ô, ankiniko aminao ny aiko.”—Lioka 23:46.

Asehon’ny tantara mazava tsara àry, fa tsy mahavita mitarika ny olona rehetra tsy hanompo an’Andriamanitra ny Devoly. Olona tsy hita isa no efa nahafantatra an’i Jehovah sy ‘tia azy amin’ny fo manontolo sy ny tena manontolo ary ny saina manontolo.’ (Matio 22:37) Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy ireo, ka voaporofo fa diso ilay fiampangan’i Satana. Raha tsy mivadika koa ianao, dia ho afaka hanaporofo fa diso ny Devoly.

Inona no tokony hataonao?

Sitrapon’Andriamanitra ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4) Inona àry no azonao atao? Makà fotoana hianarana Baiboly, ary ‘mianara hahalala an’ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahiny.’—Jaona 17:3.

Nanaratsy ny antony anompoan’ny olona an’Andriamanitra i Satana. Tokony hanohina ny fonao àry ny fahalalana, raha tianao ho tsara ny antony anompoanao an’Andriamanitra. Noho izany dia ataovy fahazarana ny misaintsaina izay ianaranao, fa aza mianina amin’ny fikarohana fanazavana avy ao amin’ny Baiboly fotsiny. (Salamo 143:5) Makà fotoana hisaintsainana fanontaniana toy ireto manaraka ireto, rehefa mamaky Baiboly na boky sy gazety ara-baiboly ianao: ‘Inona no ianarako momba an’i Jehovah avy amin’izany? Inona no toetran’Andriamanitra resahina eto? Amin’ny toe-javatra inona avy aho no mila manana toetra toy izany? Inona no tian’Andriamanitra ary inona no tsy tiany? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiheverako azy?’ Ho tena tia sy hankasitraka ny Mpamorona amin’ny fonao ianao, raha misaintsaina toy izany.

Tsy ny zavatra inoana ihany no tafiditra amin’ny tsy fivadihana amin’i Jehovah Andriamanitra. (1 Mpanjaka 9:4) Mitaky ny hanaovana ny marina amin’ny lafim-piainana rehetra koa izany. Tsy midika anefa izany hoe voafehifehy ny fiainanao. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ka tiany hifaly amin’ny fiainana ianao. (1 Timoty 1:11) Misy fanao mila halavirinao raha tianao ny hadio fitondran-tena hatrany, ka ho sambatra kokoa ary hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Ireto ny sasany amin’izany.

Halaviro ny fitondran-tena maloto

I Jehovah mihitsy no nametraka ny fitsipika mifehy ny fanambadiana, ao amin’ny Baiboly. Izao no lazain’izy io: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Genesisy 2:21-24) Lasa “nofo iray” ny mpivady, ka manaja ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fanambadiana izy ireo raha tsy manao firaisana amin’olon-kafa. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ho mendri-kaja eo amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” (Hebreo 13:4) Entina ilazana ny firaisan’ny lehilahy sy vehivavy mpivady ara-dalàna ny hoe “fandrian’ny mpivady.” Manitsakitsa-bady àry izay manao firaisana amin’olon-kafa ankoatra ny vadiny, ka homelohin’Andriamanitra.—Malakia 3:5.

Ary ahoana ny amin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana? Mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah koa izany. Hoy ny Baiboly: “Izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny ... hifadianareo ny fijangajangana.” (1 Tesalonianina 4:3) Fahotana amin’Andriamanitra koa ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny firaisana amin’olom-pady ary amin’ny biby. (Levitikosy 18:6, 23; Romanina 1:26, 27) Tsy maintsy manalavitra ny fitondran-tena maloto, izay rehetra te hampifaly an’Andriamanitra sy maniry ho tena sambatra.

Ahoana kosa ireo fanao manaitaitra ny filan’ny nofo? Tsy mampifaly an’i Jehovah izy ireny. (Galatianina 5:19) Tsy maintsy esorintsika ao an-tsaina ny eritreritra maloto. Hoy i Jesosy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:28) Tafiditra amin’izany ny fijerena sary vetaveta amin’ny boky na filma na Internet. Anisan’izany koa ny famakiana tantara misy resaka firaisana, na fihainoana hira misy tonony vetaveta. Faly Andriamanitra rehefa manalavitra an’ireny isika, ary mahasoa antsika izany.

Ahoana indray ny mahakasika ny filalaovana fitia? Milalao fitia ny olona iray, raha ‘manaitra ny filan’ny nofo na maneho fitiavana amin’ny olona iray, nefa tsy mieritreritra ny hanambady azy akory.’ Mandika ny fitsipiky ny Baiboly sady tsy manaja an’i Jehovah ny olona manambady, raha manao toy izany amin’ny olon-kafa. (Efesianina 5:28-33) Tena tsy mety amin’ny mpitovo koa ny manao teny na fihetsika maneho fitiavana, noho ny fahafinaretana fotsiny! Eritrereto ny ratram-po mety hanjo an’ilay iray, raha nihevitra an’ilay izy ho zava-dehibe izy. Tadidio koa fa mety hanjary hanitsakitsa-bady na hijangajanga ny olona milalao fitia. Vao mainka kosa isika hahatsiaro ho misy vidiny, rehefa mitondra ny hafa amin’ny fahadiovana.—1 Timoty 5:1, 2.

Mampifaly an’Andriamanitra amin’ny lafim-piainana hafa

Mora ny mahita zava-pisotro misy alkaola any amin’ny tany maro. Ratsy ve ny misotro azy ireny? Tsy mandrara ny fisotroana divay na labiera na zava-pisotro misy alkaola hafa ny Soratra Masina, raha atao amim-pahalalana onony. (Salamo 104:15; 1 Timoty 5:23) Ratsy eo imason’Andriamanitra anefa ny misotro be loatra na ny mimamo. (1 Korintianina 5:11-13) Azo antoka fa tsy tianao hanimba ny fahasalamanao sy ny fiainam-pianakavianao ny fibobohan-toaka.—Ohabolana 23:20, 21, 29-35.

“Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah. (Salamo 31:5) ‘Tsy mahay mandainga’ izy, hoy ny Baiboly. (Hebreo 6:18) Tsy handainga ianao raha maniry hahazo sitraka aminy. (Ohabolana 6:16-19; Kolosianina 3:9, 10) Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly hoe: “Milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.”—Efesianina 4:25.

Maro koa no tia miloka. Azo lazaina ho manana faniriana tsy mety afa-po anefa ny olona miloka, satria miezaka hahazo vola avy amin’ny fahavoazan’ny hafa. Tsy mankasitraka an’ireo “tia tombony azo tamin’ny tsy marina” i Jehovah. (1 Timoty 3:8) Raha maniry hampifaly azy àry ianao dia tsy hiloka mihitsy, na loteria izany na lôtô na hazakaza-tsoavaly. Mety ho hitanao kosa aza fa manam-bola kokoa hikarakarana izay ilain’ny fianakavianao ianao, raha tsy miloka.

Manana faniriana tsy mety afa-po koa ny olona mangalatra na maka zavatr’olona. Hoy ny Baiboly: “Aza mangalatra.” (Eksodosy 20:15) Ratsy ny mividy zavatra fantatra fa halatra, na maka zavatra tsy nahazoan-dalana. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny mpangalatra tsy hangalatra intsony, fa aoka kosa izy hiasa mafy, ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara, mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Efesianina 4:28) Mazoto miasa ny olona tia an’i Jehovah, fa tsy mangalatra fotoana amin’ny mpampiasa azy. “Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” izy ireo. (Hebreo 13:18) Tena mampilamin-tsaina koa ny manana feon’ny fieritreretana madio.

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny olona mora misafoaka sy mahery setra? Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra, ary aza miara-dia amin’ny olona foizina.” (Ohabolana 22:24) Matetika no mitarika ny olona hahery setra ny fahatezerana tsy voafehy. (Genesisy 4:5-8) Hoy kosa ny Baiboly mahakasika ny famaliana faty: “Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Manomeza izay tsara eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Romanina 12:17-19) Hilamina kokoa ny fiainantsika raha manaraka izany torohevitra izany isika, ka hitombo ny fahasambarantsika.

Ho vitanao ny tsy hivadika

Ho vitanao ve ny tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy, na dia eo aza ny zava-tsarotra maro? Eny. Tadidio fa tian’Andriamanitra tsy hivadika ianao, ka hanaporofo fa mpandainga i Satana. Hoy mantsy ny Tenin’Andriamanitra: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.”—Ohabolana 27:11.

Afaka mivavaka amin’i Jehovah ianao mba hanananao hery hanaovana ny tsara. (Filipianina 4:6, 7, 13) Aoka àry ianao ho tapa-kevitra ny hiezaka mafy hampitombo ny fahalalanao ny Baiboly. Hihalalina ny fitiavanao an’Andriamanitra ary haniry hampifaly azy ianao, raha mankasitraka sy misaintsaina izay ianaranao avy ao amin’ny Teniny. Hoy ny 1 Jaona 5:3: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” Ho faly hanampy anao hianatra Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah eny amin’ny faritra misy anao. Manasa anao izahay hiresaka amin’izy ireo, na afaka manoratra amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity ianao.

[Sary, pejy 4]

Nahatoky foana i Joba na dia niharam-pitsapana aza

[Sary, pejy 7]

Ho tapa-kevitra kokoa hanao ny tsara ianao raha ampitomboinao ny fahalalanao ny Tenin’Andriamanitra