Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Zanakao Hanome Valin-teny

Ampianaro ny Zanakao Hanome Valin-teny

Ampianaro ny Zanakao Hanome Valin-teny

MILAZA i Perla, any Meksika, fa nampianatra azy hanomana valin-teny fohy tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ny reniny, tamin’izy mbola kely. Manan-janakalahy dimy taona izao i Perla, ka ahoana no anampiany azy? “Tsy maintsy manomana aloha aho, ka mijery fehintsoratra mety ho takatry ny zanako, izany hoe izay azony hazavaina amin’ny fomba fiteniny. Antsoiny hoe ‘fehintsoratro’ ilay izy, ary io no ifantohanay. Asaiko hazavainy amin’ny alalan’ny ohatra fahita andavanandro ilay izy. Averimberinay imbetsaka ilay valin-teniny avy eo. Mampiasa zavatra mitovy habe amin’ny mikrô izahay, mba ho hainy ny mitazona mikrô, rehefa hamaly izy. Tena faly aho, satria mamaly na manangan-tanana foana izy, isaky ny fivoriana. Matetika izy no manatona ny mpitarika an’ilay fianarana, alohan’ny fivoriana, ary lazainy aminy izay fehintsoratra nomaniny.”

Anti-panahy any amin’ny antoko-mpitory miteny hindi i Jens. Manan-janakalahy roa, izay roa taona sy efa-taona, izy. Miara-manomana fivoriana amin’ireo zanany i Jens sy ny vadiny, ka ny fomba nanampian’ny ray aman-dreniny an’i Jens no ampiasain’izy ireo. Hoy izy: “Jerenay izay ampahany mety ho takatr’izy roa lahy. Hazavainay tsotsotra amin’izy ireo avy eo ny hevi-dehibe ao amin’ilay lahatsoratra. Ametrahanay fanontaniana tianay hovalian’izy ireo any am-pivoriana izy ireo avy eo. Matetika no gaga izahay satria mamaly amin’ny fomba fiteniny izy ireo. Mampiseho ny zavatra azony ny valin-teniny. Tena midera an’i Jehovah ny valin-tenin’izy ireo, sady mampiseho ny finoany.”