Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Tononkiran’i Solomona

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Tononkiran’i Solomona

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Tononkiran’i Solomona

“TOY ny lilia eo amin’ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ny zazavavy.” “Toy ny hazo poma amin’ny hazo any an-ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ny zatovo.” “Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro?” (Tonon-kiran’i Solomona 2:2, 3; 6:10) Tena manohina ny fo tokoa ireo andininy ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona ireo! Tononkalo avokoa ny ao amin’ilay boky ary misy heviny lehibe sy tena kanto. Izany no iantsoana azy io hoe “ny tonon-kira tsara indrindra.”—Tonon-kiran’i Solomona 1:1.

I Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny no nanoratra io tonon-kira io, angamba tamin’ny taona 1020 T.K., teo am-piandohan’ireo 40 taona nanjakany. Izy io dia tantaram-pitiavana teo amin’ny ankizilahy mpiandry ondry sy ny tovovavy solemita iray avy any ambanivohitra. Voaresaka ao amin’io tononkalo io koa ny renin’ilay tovovavy, ny anadahiny, ireo “zanakavavin’i Jerosalema” na vehivavy tandapa, ary ireo “zanakavavin’i Ziona” na vehivavy tany Jerosalema. (Tonon-kiran’i Solomona 1:5; 3:11) Mety ho sarotra amin’ny mpamaky Baiboly ny hanavaka hoe tenin’iza avy ireo hita ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona. Azo fantarina tsara anefa izany, rehefa dinihina izay nolazain’izy ireo na nolazaina taminy.

Anisan’ny Tenin’Andriamanitra ny hafatra ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, ka tena sarobidy. (Hebreo 4:12) Nahoana? Roa ny antony: Voalohany, ampianarin’izy io antsika ny atao hoe tena fitiavana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Faharoa, asehon’ilay tonon-kira ny fitiavana misy eo amin’i Jesosy Kristy sy ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra.—2 Korintianina 11:2; Efesianina 5:25-31.

AZA “MAMOHA NY FITIAVANA”

(Tonon-kiran’i Solomona 1:1–3:5)

“Enga anie ka hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.” (Tonon-kiran’i Solomona 1:2) Manomboka amin’ireo teny ireo ny resaka ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona, ary ilay tovovavy avy any ambanivohitra no niteny izany. Nentina tao amin’ny tranolain’i Solomona izy. Ahoana no nahatongavany tao?

Hoy ilay tovovavy: “Tezitra tamiko ny zanak’ineny; notendren[’izy ireo] ho mpiandry ny tanimboalobony aho.” Fa inona no nahatezitra an’ireo anadahiny? Satria nanasa ny anabavin’izy ireo hiara-mitsangantsangana aminy ilay ankizilahy mpiandry ondry, tamin’io andro lohataona nahafinaritra io. Mba tsy handehanan’ilay tovovavy àry, dia nasain’izy ireo nandroaka an’ireo “amboahaolo madinika izay manimba ny tanimboaloboka” izy. Tonga teny akaikin’ny tobin’i Solomona izy, satria tsy lavitra teny ilay tanimboaloboka. Voamariky ny olona ny hatsaran-tarehiny, rehefa nidina tany “an-tsaha” izy. Nentina tao amin’ilay toby àry izy.—Tonon-kiran’i Solomona 1:6; 2:10-15; 6:11.

Nilaza izy fa naniry hahita an’ilay mpiandry ondry malalany. Niteny taminy àry ireo vehivavy tandapa mba ‘handeha hanaraka ny andian’ondry aman’osy’, ary hitady ilay ankizilahy. Tsy navelan’i Solomona handeha anefa izy. Nidera ny hatsaran-tarehiny i Solomona, ka nampanantena azy “rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina.” Tsy niraika anefa ilay tovovavy. Niditra tao amin’ny tobin’i Solomona ilay ankizilahy mpiandry ondry, ka nahita an’ilay tovovavy, ary nilaza hoe: “Indro, tsara tarehy hianao, ry tompokovavy havako; indro, tsara tarehy hianao.” Nampianiana an’ireo vehivavy tandapa ilay tovovavy, nanao hoe: “Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.”—Tonon-kiran’i Solomona 1:8-11, 15; 2:7; 3:5.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:2, 3—Nahoana no nampitahaina tamin’ny divay, ny fahatsiarovana ny fanehoam-pitiavan’ilay ankizilahy mpiandry ondry, ary toy ny menaka ny anarany? Mahafaly ny fo ny divay, ary mampitony koa ny fandrarahana menaka eo amin’ny loha. Toy izany koa fa nampahery sy nampionona an’ilay tovovavy ny fitadidiana ny fitiavana sy ny anaran’ilay ankizilahy. (Salamo 23:5; 104:15) Hanovo fampaherezana koa ny tena Kristianina, indrindra fa ny voahosotra, rehefa misaintsaina ny fitiavan’i Jesosy Kristy azy ireo.

1:5—Nahoana no nampitahain’ilay tovovavy tamin’ny “lain’i Kedara”, ny tarehiny mainty? Azo nampiasaina tamin-javatra maro ny volon’osy voatenona. (Nomery 31:20) Lamba “volon’osy”, ohatra, no nanamboarana ny ‘lay nandrakofana ny tabernakely.’ (Eksodosy 26:7) Azo inoana fa vita tamin’ny volon’osy mainty ny tranolain’i Kedara, toy ny an’ireo arabo mpifindrafindra monina ankehitriny.

1:15—Inona no tian’ilay ankizilahy mpiandry ondry holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Voromailala ny masonao”? Milaza izy eo fa malefa-pijery toy ny masom-boromailala ny mason’ilay malalany.

2:7; 3:5—Nahoana ireo vehivavy tandapa no nasaina nianiana ‘tamin’ny gazela na tamin’ny dieravavy tany an-tsaha’? Miavaka noho ny bikany tsara sy kanto ny gazela sy ny dieravavy, ka izao angamba no tian’ilay Solemita holazaina: Raha manaja izay tsara sy kanto ireo vehivavy tandapa, dia tokony hitana ny fianianana nataon’izy ireo, ka tsy hamoha ny fitiavany.

Lesona ho antsika:

1:2; 2:6. Azon’ny olon-droa atao tsara ny mifaneho fitiavana amin’ny fomba madio, mandritra ny fiarahany alohan’ny fanambadiana. Tokony hitandrina anefa izy ireo, mba ho tena fifanehoam-pitiavana izany, fa tsy ho fanomezana fahafaham-po ny faniriana maloto fotsiny. Mety hahatonga azy ireo ho ratsy fitondran-tena mantsy izany.—Galatianina 5:19.

1:6; 2:10-15. Tsy navelan’ny anadahiny ho any amin’ny toerana mitokana tany an-tendrombohitra niaraka tamin’ny malalany, ilay tovovavy solemita. Tsy noho izy ratsy fitondran-tena anefa no nahatonga azy ireo hanao izany, na hoe noho izy nikasa hanao zavatra tsy mety. Mailo fotsiny izy ireo, ka nisakana azy tsy hanao zavatra mety hitarika azy ho amin’ny fakam-panahy. Fianarana ho an’ireo mikasa hivady izany. Tsy tokony hijanona irery ao amin’ny toerana mitokana izy ireo.

2:1-3, 8, 9. Nanetry tena ilay tovovavy solemita, na dia tsara tarehy aza, ka nihevi-tena ho “voninkazo eny an-tanety ihany”, izany hoe tsy miavaka loatra. Nihevitra azy ho toy ny “lilia eo amin’ny tsilo” kosa ilay ankizilahy mpiandry ondry, noho ny hatsaran-tarehiny sy ny fahatokiany an’i Jehovah. Ary ahoana no fomba nilazan’ilay tovovavy an’ilay ankizilahy? Tahaka ny “gazela” no fahitany azy, noho izy tsara tarehy. Tsy maintsy ho lehilahy nanam-pinoana sy tsy nivadika tamin’i Jehovah koa izy. Hoy ilay tovovavy: “Toy ny hazo poma amin’ny hazo any an-ala [izay manome alokaloka sy voankazo], dia toy izany ny malalako eo amin’ny zatovo.” Tsy toetra tsara tokony hotadiavina eo amin’ny olona tiana ho vady ve ny finoana sy ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra?

2:7; 3:5. Tsy tia an’i Solomona ilay tovovavy solemita. Nasainy nianiana koa ireo vehivavy tandapa, mba tsy hamoha ao aminy ny fitiavana olon-kafa ankoatra an’ilay ankizilahy mpiandry ondry. Tena tsy afaka ny ho raiki-pitia amin’ny olon-drehetra tokoa ny olona iray, sady tsy mety izany. Mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ihany no tokony hoeritreretin’ny Kristianina mpitovo mba ho vadiny, raha maniry hanambady izy.—1 Korintianina 7:39.

“INONA NO HITANAREO AMIN’NY SOLEMITA?”

(Tonon-kiran’i Solomona 3:6–8:4)

Misy zavatra “miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina.” (Tonon-kiran’i Solomona 3:6) Iza tokoa no hitan’ireo vehivavy tany Jerosalema, rehefa nankeo ivelany mba hitazana izy ireo? Tsy iza fa i Solomona sy ny mpanompony, izay hody ao an-tanàna! Nentin’ny mpanjaka niaraka taminy koa ilay tovovavy solemita.

Nanaraka an’ilay tovovavy ilay ankizilahy mpiandry ondry, ary tsy ela dia nahita fomba hihaonana taminy. Nilaza ilay tovovavy fa maniry handao ilay tanàna, satria nanome toky azy ilay ankizilahy fa tia azy. Hoy ilay tovovavy: “Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin’ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ny ditin-kazo mani-pofona.” Nanasa an’ilay mpiandry ondry izy mba ‘hankao an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.’ Hoy ilay ankizilahy: “Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko.” Hoy ireo vehivavy tany Jerosalema tamin’izy ireo: “Homàna hianareo, ry sakaizako, misotroa [ary aoka ianareo ho mamon’ny fanehoam-pitiavana, TV ].”—Tonon-kiran’i Solomona 4:6, 16; 5:1.

Nitantara ny nofiny tamin’ireo vehivavy tandapa ilay tovovavy solemita, ary nilaza tamin’izy ireo fa “mararim-pitia” izy. Dia hoy ireo taminy: “Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany?” Hoy izy namaly izany: “Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, notsongaina tamin’ny alinalina.” (Tonon-kiran’i Solomona 5:2-10) Rehefa noderain’i Solomona ilay tovovavy, dia nanetry tena ka nanao hoe: “Inona no hitanareo amin’ny Solemita?” (Tonon-kiran’i Solomona 6:4–7:1) Vao mainka nidera azy ny mpanjaka mba hamaliana ny fanontaniany, satria nihevitra izy fa ho afaka hamabo ny fony. Tsy nivadika tamin’ny fitiavany an’ilay ankizilahy mpiandry ondry anefa ilay tovovavy. Navelan’i Solomona nody tany an-tranony izy tamin’ny farany.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

4:1; 6:5—Nahoana ny volon’ilay tovovavy no nampitahaina tamin’ny ‘andian’osy’? Mety ho nidika izany fa nangilohilo sy natevina sahala amin’ny volo maintin’ny osy ny volony.

4:11—Inona no dikan’ny hoe ‘mitete tantely toy ny avy amin’ny tohotra ny molotr’ilay’ Solemita sy ny hoe ‘tantely sy ronono no ao ambanin’ny lelany’? Matsiro sady mamy kokoa noho ny tantely efa azon-drivotra ny tantely avy amin’ny tohotra. Io fampitahana io sy ny filazana hoe nisy tantely sy ronono tao ambanin’ny lelan’ilay tovovavy, dia manasongadina fa tsara sady mahafinaritra ny teny lazainy.

5:12—Inona no hevitry ny teny hoe “ny masony dia tahaka ny voromailala eo anilan’ny sakeli-drano, [izay] mandro amin’ny ronono”? Miresaka amin’ny fomba kanto ny hatsaran’ny mason’ilay malalany ilay tovovavy eo. Angamba nampitahainy tamin’ny voromailala manga mivolon-davenona izay mandro ao anaty ronono, ilay voamasony mainty voahodidin’ny tapotsimaso.

5:14, 15—Nahoana ny tanana sy tongotr’ilay mpiandry ondry no nolazaina toy izany? Toa nampitahain’ilay tovovavy tamin’ny anja-bolamena na vaingam-bolamena lavalava ny rantsantanan’ilay mpiandry ondry, ary tamin’ny krizolita ny hohony. Nampitahainy tamin’ny “andry vatosanga” na marbra ny ranjon’ilay ankizilahy, satria natanjaka sady tsara tarehy.

6:4—Nahoana ilay tovovavy no nampitahaina tamin’i Tirza? I Josoa no namabo an’io tanàna kananita io. Izy io no renivohitra voalohany tao amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely, taorian’ny andron’i Solomona. (Josoa 12:7, 24; 1 Mpanjaka 16:5, 6, 8, 15) Hoy ny boky iray: “Tsy maintsy ho tena kanto ilay tanàna, matoa voatonona eo.”

7:1—Inona ilay “dihy tahaka ny an’i Mahanaima”? Azo adika koa hoe “dihy ataon’ny toby roa” ireo teny ireo. Mety hanondro dihy fanao tamin’ny fety iray tao amin’ilay tanàna atao hoe Mahanaima izany. Tany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana no nisy azy io, ary teo akaikin’ilay lohasaha falehan’ny riaka any Jaboka.—Genesisy 32:3, 23; 2 Samoela 2:29.

7:5—Nahoana no nampitahain’i Solomona tamin’ny ‘tilikambo ivoara’ ny vozon’ilay tovovavy solemita? Nahazo izao fiderana izao ilay tovovavy, teo aloha: “Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’i Davida.” (Tonon-kiran’i Solomona 4:4) Lava marotsaka ny tilikambo, ary malama ny ivoara. Narotsaka sady nalama àry ny tendan’ilay tovovavy, ka nampiaiky volana an’i Solomona.

Lesona ho antsika:

4:1-7. Nahatohitra ny fanangolen’i Solomona ilay Solemita, na dia tsy lavorary aza. Noporofoiny tamin’izany fa tsara fitondran-tena izy. Nahatonga azy hanintona kokoa izany. Tokony ho toy izany koa ny vehivavy kristianina.

4:12. Ilay tovovavy solemita dia toy ny saha na zaridaina iray tsara tarehy voahodidina fefy na tamboho, ary tsy nisy lalana nidirana raha tsy teo amin’ny vavahady iray nihidy mafy. Natokany ho an’ilay ho vadiny ihany mantsy ny fitiavany. Ohatra tsara ho an’ny lehilahy sy vehivavy kristianina tsy manambady izany!

“LELAFON’I JEHOVAH”

(Tonon-kiran’i Solomona 8:5-14)

Izao no fanontanian’ireo anadahin’ilay Solemita, rehefa nahatazana azy nody tao an-trano: “Iza moa irỳ vehivavy miakatra avy any an-efitra, mitehina amin’ny malalany?” Nilaza toy izao ny iray tamin’izy ireo, tany aloha kokoa: “Raha mànda izy, dia hanangananay tilikambo volafotsy eo an-tampony; fa raha varavarana kosa izy, dia hotampenanay hazo fisaka sedera.” Voamarina fa tsy niova fitia ilay Solemita, ka afaka nilaza hoe: “Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.”—Tonon-kiran’i Solomona 8:5, 9, 10.

Antsoina hoe “lelafon’i Jehovah” ny tena fitiavana. Nahoana? Satria avy amin’i Jehovah ny fitiavana toy izany. Nataony ho afaka mitia isika. Toy ny lelafo miredareda sy tsy mety maty izany fitiavana izany. Asehon’ny Tonon-kiran’i Solomona amin’ny fomba kanto, fa afaka ny ‘hahery toy ny fahafatesana’ ny fitiavana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy.—Tonon-kiran’i Solomona 8:6.

Hitantsika taratra amin’io tonon-kira tsara indrindran’i Solomona io koa, ny fitiavana misy eo amin’i Jesosy Kristy sy ny ‘ampakariny’ any an-danitra. (Apokalypsy 21:2, 9) Mihoatra lavitra noho ny fitiavana misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ny fitiavan’i Jesosy ny Kristianina voahosotra. Ary tsy miovaova ny fitiavan’izy ireo. Ny fitiavana ihany koa no nahatonga an’i Jesosy hanome ny ainy ho an’ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Afaka manahaka an’ilay Solemita àry ny tena mpivavaka rehetra, ka haneho fitiavana sy firaiketam-po tsy miovaova.

[Sary, pejy 18, 19]

Inona no toetra tokony hotadiavina eo amin’ny olona tiana ho vady, araka ny Tonon-kiran’i Solomona?