Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lao Foana ve ny Tanin’i Joda?

Lao Foana ve ny Tanin’i Joda?

Lao Foana ve ny Tanin’i Joda?

NILAZA mialoha ny Baiboly, fa horavan’ny Babylonianina ny tanin’ny fanjakan’i Joda, ka ho lao mandra-piverin’ny Jiosy natao sesitany. (Jeremia 25:8-11) Ny porofo mavesa-danja indrindra manamarina an’io faminaniana io dia ny tantara voasoratra, 75 taona taorian’ny niverenan’ireo Jiosy voalohany tany an-tanindrazany. Milaza izy io fa “ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia [nentin’ny mpanjakan’i Babylona] ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persia.” Izao kosa no voalazany, momba ilay tany: “Natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany.” (2 Tantara 36:20, 21) Misy porofo manamarina izany ve?

Nanoratra tao amin’ny gazety Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy) i Ephraim Stern, mpampianatra momba ny arkeolojia any amin’ny Oniversite Hebreo. Hoy izy: “Samy nandrava be an’i Israely fahiny ny Asyrianina sy ny Babylonianina. Samy hafa be anefa ny sisan-javatra tsy rava taorian’ny tsirairay tamin’ireo fandravana ireo.” Izao no fanazavany an’izany: “Namela porofo mazava ny Asyrianina fa nandalo tany Palestina izy ireo. Tsy misy na inona na inona kosa taorian’ny fandravan’ny Babylonianina. ... Tsy misy porofo milaza fa nisy nipetraka tao, talohan’ny andron’ny Persanina ... Tsy misy porofo mihitsy milaza hoe nisy nipetraka tao. Tsy nisy na dia iray tamin’ireo tanàna noravan’ny Babylonianina aza nanjary nisy mponina indray.”

Manaiky izany i Lawrence Stager, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Harvard. Hoy izy: “Tena nandrava tanteraka an’i Filistia sy Joda koa [ny mpanjakan’i Babylona], noho izy ninia nandoro ireo tanàna, ka nanjary toy ny tany efitra ny andrefan’ny Reniranon’i Jordana manontolo.” Hoy koa izy: “Tamin’ny andron’i Kyrosy Lehibe, ilay Persanina nandimby ny Babylonianina indray, vao nisy porofo hitan’ny mpikaroka ... tany Jerosalema sy Joda. Efa niverina an-tanindrazana mantsy ny Jiosy maro tamin’izay.”

Tanteraka tokoa ny tenin’i Jehovah hoe ho lao ny tanin’i Joda. Tanteraka foana izay rehetra lazain’i Jehovah Andriamanitra. (Isaia 55:10, 11) Azontsika atao ny matoky tanteraka an’i Jehovah sy ny fampanantenany ao amin’ny Teniny.—2 Timoty 3:16.