Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy Olona Eran-tany Ireo Nahazo Diplaoma Tamin’ilay Sekoly

Manampy Olona Eran-tany Ireo Nahazo Diplaoma Tamin’ilay Sekoly

Manampy Olona Eran-tany Ireo Nahazo Diplaoma Tamin’ilay Sekoly

MIISA 98 000 mahery ankehitriny ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany 200 mahery. Olona avy amin’ny fari-piainana rehetra no ampianarin’Andriamanitra any amin’ireny fiangonana ireny. Ny Baiboly no tena ianarana. Ny tanjon’ilay fampianarana dia ny hanampy ny olona hanatsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ka hahafantarany hoe inona no sitrapony ary ahoana no hiainany mifanaraka amin’izany. Mandray soa lehibe ireo manaiky an’ilay fampianarana. Resahin’izy ireo amin’ny hafa koa anefa ny zavatra ianarany, satria nanome baiko i Jesosy Kristy hoe manaova mpianatra.—Matio 28:19, 20.

Maro koa ny fampiofanana manokana natsangan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankoatra ny fandaharam-pampianarana mitohy, atao eo anivon’ny fiangonany. Anisan’izany ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Tamin’ny Oktobra 1987 izy io no nisy voalohany, tany Pittsburgh, Etazonia. Rahalahy 24 miteny anglisy no tao amin’ny kilasy voalohany. Atao any amin’ny tany 43 sy amin’ny fiteny 21 izao ilay fampiofanana. Anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo, avy any amin’ny firenena 90 mahery, no efa nahavita ilay fiofanana. Tendrena hanompo any amin’ny toerana mila fanampiana izy ireo, aorian’ilay fiofanana maharitra valo herinandro. Mety ho ao amin’ny fireneny ihany izany, na any an-tany hafa. Rahalahy 22 000 mahery no efa nahavita ilay fiofanana, tamin’ny faran’ny 2005. Mandrotsaka fitahiana tondraka ho azy ireo i Jehovah, noho izy ireo miasa mafy sy manetry tena mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana sy hanampiana ny hafa.—Ohabolana 10:22; 1 Petera 5:5.

Fiomanana mba hanatrehana ilay fiofanana

Tsy maintsy nangataka andro tsy iasana ny ankamaroan’ireo mpianatra, mba hanatrehana ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Miteraka olana izany indraindray. Tsy maintsy nangataka andro tsy iasana, ohatra, ny rahalahy roa mpampianatra tany Hawaii, rehefa nahazo fanasana hanatrika ilay fiofanana. Nitoky tamin’i Jehovah izy ireo, ka nalefany tany amin’ny mpampiasa azy ny fangatahany andro tsy iasana. Nohazavainy koa hoe nahoana izy no maniry hanatrika ilay fiofanana ary inona no soa ho azony avy amin’izany. Nahazo andro tsy iasana àry izy mirahalahy.

Matetika ireo Vavolombelona nangataka andro tsy iasana no nilazan’ny mpampiasa azy fa hamoy ny asany. Naleon’izy ireny anefa nahazo fampiofanana avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah, na dia ho very asa aza. Nantsoin’ny mpampiasa azy hiverina hiasa indray ny sasany tamin’ireny rahalahy ireny, rehefa vita ilay sekoly. Azo fintinina toy izao ny fomba nanehoan’izy ireo fa tena tapa-kevitra hanatrika ilay sekoly izy: Alefaso any amin’ny mpampiasa anao ny fangatahanao, mivavaha amin’i Jehovah mba hanampy anao, ary avelao izy hanao ny ambiny.—Salamo 37:5.

‘Ampianarin’i Jehovah’

Ny fandalinana ny Baiboly no anisan’ny zavatra atao mandritra ny valo herinandro. Ianaran’ireo mpianatra ny fomba andaminan’i Jehovah ny vahoakany mba hanao ny sitrapony. Ianaran’izy ireo koa ny fomba ampiasana ny Baiboly mba hahitana vokatra tsara kokoa eny amin’ny fanompoana, sy any amin’ny fivorian’ny fiangonana, ary any amin’ireo fivoriambe.

Nankasitraka ny fampiofanana azony ny rahalahy iray nahazo diplaoma tamin’ilay sekoly, ka nanoratra toy izao ho an’ny mpianatra iray mbola tsy nanao azy io: “Tsy hahita fianarana tsara toy izany ianao. Hanjary hisy heviny kokoa aminao ilay andinin-teny misy ny hoe ‘ampianarin’i Jehovah.’ Ny zavatra rehetra atao amin’ilay fiofanana dia mamolavola sy manatsara ny fonao sy ny toetranao, mba hifanaraka kokoa amin’ny modely navelan’i Kristy Jesosy. Izy io no ho zavatra hahafinaritra anao indrindra.”—Isaia 54:13.

Mpitory sy mpiandry ary mpampianatra

Manompo any amin’ny tany 117 mahery izao ireo nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Anisan’izany ireo nosy any amin’ny Ranomasina Atlantika sy Karaiba ary Pasifika, sy any amin’ny tany maro misy biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manao tatitra ireo sampana fa hita taratra amin’ny fitoriana sy ny fitsidihan’ny mpiandry ary ny fampianarana ataon’ireo rahalahy nanao an’ilay sekoly, ny fampiofanana tsara azony. Lasa mahay mampiasa tsara kokoa ny Baiboly izy ireo, rehefa manompo eny amin’ny saha. (2 Timoty 2:15) Mampiasa matetika ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina * izy ireo, rehefa mamaly fanontanian’olona eny am-pitoriana, sady mampianatra ny mpitory hafa mba hanao toy izany koa. Mifindra amin’ny hafa ny zotom-pon’izy ireo, ary manatanjaka ny fiangonana ny asa ataony.

Manana tombontsoa ‘hiandry ny andian’ondry’ ny anti-panahy. Mikarakara izay ilain’ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo. (1 Petera 5:2, 3) Hoy ny anti-panahy iray momba izany: “Mankasitraka ny biraon’ny sampana izahay noho ny nandefasany rahalahy tsara ofana, mba hanampy anay eo amin’ny fiandrasana ny andian’ondrin’Andriamanitra.” Nanao izao fanamarihana izao koa ny biraon’ny sampana iray any amin’ny faritra atsinanan’i Azia: “Tena be fangorahana ireo nahazo diplaoma tamin’ilay sekoly. Miasa mafy izy ireo, ka hajain’ny fiangonana. Hita miharihary fa manetry tena sy tsara fanahy ary be zotom-po izy ireo. Tena mankasitraka izany ny hafa. Mahafoy tena izy ireo ary faly mifindra any amin’ny fiangonana ilana mpiandry.” (Filipianina 2:4) Mampahery ny mpiray finoana aminy ireny rahalahy ireny ka mendri-piderana.—1 Korintianina 16:18.

Manampy an’ireo mpianatra mba hahay handaha-teny koa ireo mpampianatra amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Tsy ela dia azo ampiasaina hanao lahateny amin’ny fivoriamben’ny faritra sy vondrom-paritra ireo nahazo diplaoma, rehefa mampihatra ny soso-kevitra sy ny torohevitra azony. Nilaza ny mpiandraikitra ny faritra iray, fa “manao lahateny faran’izay tsara [ireo nahavita fiofanana] ary mampisaintsaina rehefa manome fanazavana.”—1 Timoty 4:13.

Nasiana Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tao amin’ny tany iray atsy Afrika. Lasa nihatsara be ny fampianarana tamin’ny fivorian’ny fiangonana, rehefa notendrena ho eny amin’ny saha ireo nahazo diplaoma. Manampy eo amin’ny asa fitoriana sy fiandrasana ny andian’ondry ary fampianarana, ireo anti-panahy nahazo fiofanana tamin’ilay sekoly, ka manatanjaka ny finoan’ny fiangonana.—Efesianina 4:8, 11, 12.

Mihatsara ny fikarakarana ny fiangonana

Betsaka ny toerana mila anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana maro kokoa. Tsy ho nanana anti-panahy mihitsy ny fiangonana sasany, raha tsy nisy rahalahy nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana nirahina nankany. Tendrena ho any amin’ny toerana toy ireny àry ny maro amin’ireo rahalahy nahazo fiofanana.

Manao tatitra ny sampana maro, fa “mahafantatra tsara ny fomba fiasan’ny fandaminana” ireny rahalahy ireny. “Mihevitra ny andraikiny ho zava-dehibe” koa izy ireo, “manampy ny hafa hahafantatra tsara sy hanaja ny fandaminan’i Jehovah”, ary “manampy ny olona eo anivon’ny fiangonany mba ho tsara fanahy sy ho tsara fihavanana amin’i Jehovah.” Manaraka izay voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mantsy ireo nahazo diplaoma, fa tsy miantehitra amin’ny fahalalany na mihevi-tena ho hendry. (Ohabolana 3:5-7) Tena fanomezana avy amin’i Jehovah ho an’ny fiangonana anendrena azy, ireny lehilahy ireny.

Manompo any amin’ny faritany mitokana

Manampy antoko-mpitory mba ho lasa fiangonana ny sasany amin’ireo nahazo diplaoma, izay voatendry ho mpisava lalana manokana. Nankasitraka ny fanampian’izy ireo ny anti-panahy iray any ambanivohitr’i Goatemalà, ka nanao hoe: “Nandritra ny 20 taona dia nanahy foana aho hoe ahoana no hikarakarana an’ity faritany lehibe ity. Matetika aho no nivavaka momba izany. Tsara ofana ireo rahalahy avy amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ka mahay mandaha-teny sady mahay ny fomba fiasan’ny fandaminana. Velom-pankasitrahana aho fa voakarakara tsara izao ny olona eto amin’ity faritany ity.”

Nianaran’ireo nahazo diplaoma ny fomba ahazoam-bokatra tsara, rehefa mitory any amin’ireo tanàna kely miparitaka, izay tsy maintsy anaovana dia lavitra sy hamakivakiana toerana be tendrombohitra. Vetivety izy ireo, dia mahaforona sy mahalamina antoko-mpitory, na dia tsy nahavita izany aza ny mpitory hafa. Nangataka ny fanampian’ireo nahazo diplaoma, ohatra, ny anti-panahy iray any Niger, satria hitany fa afaka manao asa tena tsara ao amin’ny faritaniny izy ireo. Mety tsy hanahirana loatra an’ireo rahalahy mpitovo ny ho mpisava lalana manokana na ho mpiandraikitra ny faritra, any amin’ny toerana lavitra. Toy ny apostoly Paoly, izy ireo dia tsy maintsy miatrika ‘loza amin’ny renirano, loza amin’ny jiolahy, ary loza any an-tany efitra.’ Eo koa ny havizanana sy ny fanaintainana isan-karazany, ary ny fanahiana momba ny fiangonana karakarainy.—2 Korintianina 11:26-28.

Manampy ny tanora

Mampirisika ny tanora mba hahatsiaro ny Mpamorona azy ny Soratra Masina. (Mpitoriteny 12:1) Tena modely ho an’ny tanora kristianina ireo rahalahy be zotom-po nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Nanjary avo roa heny ny tontalin’ny ora fanompoan’ny mpitory tao amin’ny fiangonana iray any Etazonia, taorian’ny nahatongavan’ny rahalahy roa nahazo diplaoma. Lasa 11 koa ny isan’ny mpisava lalana maharitra na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, raha 2 izany teo aloha. Toy izany koa no nitranga tany amin’ny fiangonana hafa.

Ampirisihin’ireo nahazo diplaoma koa ireo tovolahy, mba hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Nandrisika ny rahalahy sasany mba hiezaka ho tonga mpanampy amin’ny fanompoana izany. Milaza ny biraon’ny sampan’i Holandy, fa “modely ho an’ireo tovolahy mieritreritra izay hataony eo amin’ny fiainana”, ireo nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.

Manompo eo anivon’ny fiangonana miteny vahiny

Miezaka mitory amin’ny olona amin’ny fitenin-drazany ny mpitory, ary mihamahazo vahana izany any amin’ny tany maro. Matetika no mianatra fiteny vahiny ireo nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho amin’ny Fanompoana, ary manompo any amin’ny faritany be mpifindra monina. Any Belzika, ohatra, dia ilaina ny mpitory maro kokoa mba hitory amin’ireo olona miteny albaney sy persanina ary rosianina.

Efa mandray soa be dia be avy amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy anti-panahy ary mpanampy amin’ny fanompoana nahavita ilay fiofanana, ireo fiangonana sy antoko-mpitory miteny vahiny any Alemaina, Etazonia, Grande-Bretagne, Italia, Meksika, ary any an-tany hafa. Manao tatitra ny biraon’ny sampana any Korea, fa “200 mahery amin’ireo nahavita fiofanana no manampy be dia be an’ireo fiangonana sy antoko-mpitory miteny vahiny.”

Manompo amim-panetren-tena amin’ny lafiny hafa

Sady miara-miasa amin’ny fiangonana miteny vahiny ireo nahazo diplaoma tamin’ilay sekoly, no anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana na mpiandraikitra mpitety faritany. Nanaiky hanompo any an-tany hafa ny sasany, ka angamba manompo ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana ao amin’ny biraon’ny sampana. Mety handray anjara amin’ny tetikasa fanorenana Efitrano Fanjakana koa ireo manana fahaizana momba izany.

Mihamaro ny fiangonana sy faritra eran-tany, ka ilaina hampitomboina foana ny isan’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Rahalahy voafantina avy amin’ireo nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, no ampiofanina momba ny asa fitetezam-paritany mandritra ny folo herinandro. Lasa mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana na mpiandraikitra ny faritra mihitsy izy ireny avy eo. Rahalahy nahazo diplaoma 1 300 eo ho eo izao no manao ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra, any amin’ny tany 97. Ao amin’ny tany iray atsy Afrika, dia ny antsasany mahery amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany no efa nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Mihoatra ny androatokon’ny mpiandraikitra mpitety faritany kosa izy ireo, ao amin’ny tany iray hafa atsy Afrika.

Any Aostralia, Azia Atsinanana, Eoropa, Etazonia, ary Kanada dia an-jatony tamin’ireo nahazo diplaoma tamin’ilay sekoly no nirahina hanao asa manokana any an-tany hafa. Mandray soa avy amin’ilay sekoly àry ny olona eran-tany.

Manendry mpitory ny vaovao tsara, mpiandry, mpampianatra, ary olon-kafa mampandroso ny asan’ilay Fanjakana i Jehovah amin’izao andro farany izao, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Mbola antenaina hitombo ve ny isan’ny vahoakan’Andriamanitra? Azo antoka izany! Vao mainka tokony hiezaka hahazo andraikitra bebe kokoa àry ireo lehilahy vita fanoloran-tena. (Isaia 60:22; 1 Timoty 3:1, 13) Ho ampy fitaovana mba hanitarana ny fanompoany ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, raha manatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Hitondra soa ho azy ireo sy ho an’ny olon-kafa eran-tany izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 10]

Mampandroso ny asan’ilay Fanjakana eran-tany ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana

[Sary, pejy 13]

Te hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ve ianao, mba hanampiana ny hafa?