Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hanao ny Tsara?

Nahoana Isika no Tokony Hanao ny Tsara?

Nahoana Isika no Tokony Hanao ny Tsara?

HOY ny lehilahy iray nahita fianarana: “Ato anatiko ihany ... ny faniriana, saingy ny hahatanteraka izay tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko fanao.” Naniry hanao ny tsara izy nefa sarotra taminy izany. Nahoana? Hoy izy: “Hitako amin’ny tenako àry izao lalàna izao: Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy. Tena fahafinaretana ho ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy ato anatiko, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.”—Romanina 7:18, 19, 21-23.

Efa ho 2 000 taona izay no nanoratana ireo tenin’ny apostoly Paoly ireo. Hita avy amin’izy ireo fa sarotra amin’ny olona tsy lavorary ny manao ny tsara. Mila herim-po isika mba hanarahana ny toro lalana marina, indrindra rehefa ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra. Ilaintsika àry ny manontany hoe: Inona no antony lehibe indrindra anaovana ny tsara?

Diniho izay lazain’ny Soratra Masina momba ny hoavin’ny olona tsara fitondran-tena. Hoy ny Salamo 37:37, 38: “Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; fa misy farany ho an’ny olona tia fihavanana. Fa ny mpanota haringana avokoa; ny hiafaran’ny ratsy fanahy ho fongotra.” Hoy koa ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.”

Marina aloha fa mandrisika antsika hampifaly an’Andriamanitra ireo fampanantenana ireo sy ny maro hafa, izay hita ao amin’ny Baiboly. Tsy izany anefa no tena antony ampifaliantsika azy. Mifandray amin’ny adihevitra iray mahakasika ny olona sy ny anjely rehetra izany. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona izany adihevitra izany, ary nahoana izany no mahakasika antsika.