Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanazava Tsara ny Fahamarinana Tamin-kerim-po Izy

Nanazava Tsara ny Fahamarinana Tamin-kerim-po Izy

“Andriamanitra, fa Tsy Olona, no Tsy Maintsy Ankatoavinay Satria Izy no Mpitondra Anay”

Nanazava Tsara ny Fahamarinana Tamin-kerim-po Izy

VONONA ny hamono ho faty an’ilay mpanompon’Andriamanitra nankatò ny vahoaka nahery setra. Soa ihany fa tonga ara-potoana ny miaramila romanina ka nisintona azy avy teo amin’ilay vahoaka, ary nisambotra azy. Nisy zava-nitranga maromaro nanomboka teo, ary naharitra dimy taona tany ho any, ka maro tamin’ireo manam-pahefana romanina no nandre momba an’i Jesosy Kristy.

Ny apostoly Paoly io mpanompon’Andriamanitra io. Nilaza taminy i Jesosy, tamin’ny taona 34 tany ho any, fa hitondra ny anarany eo anatrehan’ny “mpanjaka” izy. (Asan’ny Apostoly 9:15) Mbola tsy nitranga izany tamin’ny taona 56. Nisy fiovana nadiva hiseho anefa, tamin’ny faramparan’ny dia misionera fahatelo nataon’ilay apostoly.

Norotahan’ny olona, nefa tsy kivy

Nanohy ny diany nankany Jerosalema i Paoly. Tamin’izay dia nisy Kristianina “notarihin’ny fanahy” nampitandrina azy, fa hisy fanenjehana mahery vaika miandry azy ao amin’io tanàna io. Namaly tamin-kerim-po i Paoly hoe: “Izaho ange vonona ny hafatotra e, ary na ny ho faty any Jerosalema koa aza, noho ny anaran’i Jesosy Tompo.” (Asan’ny Apostoly 21:4-14) Raha vao tonga tao amin’ny tempoly tao Jerosalema tokoa izy, dia nampirisika ny vahoaka hamono azy ny Jiosy avy tany Azia. Fantatr’izy ireny tsara mantsy ny vokatra tsara azon’i Paoly tamin’ny fitoriany tany. Tonga haingana namonjy azy anefa ny miaramila romanina. (Asan’ny Apostoly 21:27-32) Afaka nanambara ny fahamarinana momba an’i Kristy tamin’ny olona feno fankahalana sy tamin’ny olona ambony i Paoly, vokatr’izany.

Nitory tamin’ny mpanjaka

Nentina niakatra tao amin’ny lapa iray atao hoe Tilikambon’i Antonia i Paoly, mba hiarovana azy. * Nitory tamin’ilay vahoaka tia fivavahana izy, teo amin’ny tohatoha-bato nankao amin’ilay lapa. Tena nandresy lahatra ny fitoriany. (Asan’ny Apostoly 21:33–22:21) Nitady hamono azy indray anefa ilay vahoaka, rehefa nilaza izy fa nirahina hitory any amin’ny hafa firenena. Nanome baiko i Lysia, mpitari-tafika, mba hokaravasina i Paoly rehefa hofotopotorana, hahafantarana izay hiampangan’ny Jiosy azy. Tsy nokaravasina indray anefa izy rehefa nilaza fa olom-pirenena romanina. Nentin’i Lysia teo anatrehan’ny Fitsarana Avo izy ny ampitson’iny, mba hahafantarana ny antony niampangan’ny Jiosy azy.—Asan’ny Apostoly 22:22-30.

Afaka nitory tsara tamin’ireo Jiosy toa azy indray i Paoly, rehefa teo anatrehan’io fitsarana avo io. Tsy natahotra io mpitory ny vaovao tsara io nanambara ny finoany ny fitsanganana amin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 23:1-8) Mbola tena nankahala sy naniry hamono an’i Paoly ihany anefa ireo Jiosy, ka nentina tany amin’ny tobin’ny miaramila izy. Nanome toky sy nampahery azy ny Tompo ny alin’iny, ka nanao hoe: “Mahereza! Fa toy ny nanazavanao tsara momba ahy teto Jerosalema no tsy maintsy hitorianao ny teny any Roma koa.”—Asan’ny Apostoly 23:9-11.

Tsy tanteraka ny tetika hamonoana an’i Paoly, rehefa nentina mangingina izy hankany Kaisaria, renivohitry ny fanjakana romanina tany Jodia. (Asan’ny Apostoly 23:12-24) Mbola afaka nitory tsara koa izy tany. Nitory tamin’ny “mpanjaka” izy. Noporofoiny tamin’ny Feliksa Governora anefa aloha fa tsy marim-pototra ny fiampangana azy. Nitory tamin’i Feliksa sy Drosila vadiny izy, tatỳ aoriana. Nohazavainy taminy ny momba an’i Jesosy, ny fifehezan-tena, ny fahitsiana, ary ny fitsarana ho avy. Notanana am-ponja nandritra ny roa taona ihany i Paoly, na izany aza, satria nanantena i Feliksa fa hanome tsolotra azy izy. Tsy nanao izany mihitsy anefa i Paoly.—Asan’ny Apostoly 23:33–24:27.

Rehefa nisolo an’i Feliksa i Festosy, dia niezaka indray ireo Jiosy mba hitady fomba hanamelohana sy hamonoana an’i Paoly. Notsaraina indray i Paoly tany Kaisaria, ary mba tsy hamindrana ny fitsarana azy tany Jerosalema, dia hoy izy: “Mijoro eto anoloan’ny fitsaran’i Kaisara aho ... Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” (Asan’ny Apostoly 25:1-11, 20, 21) Nanazava ny fiampangana azy teo anatrehan’ny Mpanjaka Heroda Agripa II ilay apostoly, andro vitsivitsy tatỳ aoriana. Hoy ilay mpanjaka, rehefa avy nandre izany: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” (Asan’ny Apostoly 26:1-28) Nalefa tany Roma i Paoly, tamin’ny taona 58 tany ho any. Nigadra nandritra ny roa taona fanampiny izy tany. Nahita fomba hitoriana momba an’i Kristy foana anefa io apostoly io, satria nahay nitady hevitra. (Asan’ny Apostoly 28:16-31) Toa nijoro teo anatrehan’ny Emperora Néron izy, tatỳ aoriana, ary nafahana nadiodio. Afaka nanohy ny asa misionera ihany izy, tamin’ny farany. Tsy misy fitantarana mihitsy miresaka hoe nisy apostoly hafa afaka nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona ambony maro.

Hita amin’ny fitantarana etsy aloha, fa ny apostoly Paoly dia nankatò ilay toro lalana lehibe nambaran’ireo Kristianina toa azy teo anatrehan’ny fitsarana jiosy. Izao ilay toro lalana: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” (Asan’ny Apostoly 5:29) Tena nanome modely ho antsika izy! Nankatò an’ilay baiko mba hanazava tsara ny fahamarinana i Paoly, na dia niezaka nanakana azy aza ny olona. Tapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra izy, ka afaka namita ilay asa nanendrena azy. Izy mantsy no ‘nofidina’ hitondra ny anaran’i Jesosy ‘tany amin’ny hafa firenena sy ny mpanjaka ary ny zanak’Israely.’—Asan’ny Apostoly 9:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006, volana Novambra/Desambra.

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

NY HIARO TENA FOTSINY VE NO MASAKA TAO AN-TSAIN’I PAOLY?

Mamaly io fanontaniana io i Ben Witherington III, ao amin’ny boky nosoratany. Hoy izy: ‘Tsy dia ny fiarovana ny tenany loatra no tena zava-dehibe tamin’i Paoly, fa ny hitoriany ny filazantsara tamin’ireo manam-pahefana, na Jiosy io na hafa firenena. Ny filazantsara mihitsy, raha ny marina, no niakatra fitsarana.’