Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekeo Foana ny Fananaran’i Jehovah

Ekeo Foana ny Fananaran’i Jehovah

“Aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany.”—OHABOLANA 3:11.

1. Nahoana isika no tokony hanaiky ny fananaran’Andriamanitra?

MISY antony lehibe tokony hanekentsika tsirairay ny fananaran’Andriamanitra, araka ny tenin’i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny. Hoy izy: “Anaka, aza manamavo ny famaizan’i Jehovah, ary aza tofoka amin’ny fananarany; fa izay tian’i Jehovah no anariny, dia tahaka ny ataon’ny ray amin’ny zanaka tiany.” (Ohabolana 3:11, 12) Mananatra anao àry ilay Rainao any an-danitra, satria tiany ianao.

2. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe ‘fananarana’, ary avy aiza no mety hahazoan’ny olona fananarana?

2 Tafiditra amin’ny ‘fananarana’ ny famaizana, fanitsiana, fanomezana toromarika, ary fampianarana. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy misy famaizana toa mahafaly eo no ho eo, fa mampahory. Aorian’izany kosa anefa izy io, dia mitondra vokatra hiadanana ho an’izay nomena fanazarana tamin’izany. Ary ny fahamarinana izany vokatra izany.” (Hebreo 12:11) Ho afaka hanao ny marina foana ianao ka hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina, raha manaiky ny famaizany sy mampihatra ny fananarany. (Salamo 99:5) Mety hahazo fanitsiana avy amin’ireo mpiray finoana aminao ianao, sy avy amin’izay ianaranao any am-pivoriana, ary avy amin’ny fianaranao ny Tenin’Andriamanitra sy ireo boky aman-gazety navoakan’ny “mpanompo mahatoky.” (Lioka 12:42-44) Azo inoana fa velom-pankasitrahana ianao rehefa atoro anao izay tokony hahitsinao! Inona anefa no fananarana mety hilain’ny olona nanao fahotana lehibe?

Nahoana no misy voaroaka?

3. Iza no roahina tsy ho anisan’ny fiangonana?

3 Mianatra Baiboly sy boky ara-baiboly ny mpanompon’Andriamanitra. Ampianarina ny fitsipik’i Jehovah koa izy ireo any amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Mahalala tsara izay takin’i Jehovah àry ny Kristianina. Izay olona nanao fahotana lehibe ka tsy mibebaka ihany no roahina tsy ho anisan’ny fiangonana.

4, 5. Inona no ohatra momba ny fandroahana tantaraina ao amin’ny Soratra Masina, ary nahoana ny fiangonana no nasaina nandray an’ilay olona indray?

4 Misy ohatra iray momba ny fandroahana tantaraina ao amin’ny Soratra Masina. Nilefitra tamin’ny ‘fijangajangana tsy fahita na dia teo amin’ny hafa firenena aza’ ny fiangonana tany Korinto. Nisy ‘lehilahy nanao tokantranomaso tamin’ny vadin-drainy’ mantsy teo anivon’izy ireo. Nasain’i Paoly natolotr’ireo Korintianina ‘ho an’i Satana ralehilahy, mba handringanana ny nofo, ka ho voavonjy ny toe-tsain’ny fiangonana.’ (1 Korintianina 5:1-5) Rehefa natolotra ho an’i Satana ilay olona nanota, izany hoe noroahina, dia lasa anisan’ny tontolon’ny Devoly indray. (1 Jaona 5:19) Afaka tamin’ny fitaoman-dratsy ilay fiangonana, rehefa voaroaka ilay olona araka ny nofo. Tsy simba àry ny ‘toe-tsain’ilay’ fiangonana, fa mbola hita taratra teo aminy ny toetran’Andriamanitra.—2 Timoty 4:22; 1 Korintianina 5:11-13.

5 Nasain’i Paoly nandray an’ilay olona nanota indray anefa ny Kristianina tany Korinto, tsy ela taorian’izay. Nahoana? Nilaza i Paoly hoe mba tsy ho “voafitak’i Satana” ireo Kristianina ireo. Efa hita mantsy fa nibebaka ilay olona, ary lasa nadio fitondran-tena. (2 Korintianina 2:8-11) Raha tsy nety nandray an’ilay olona àry ireo Korintianina, dia ho voafitak’i Satana satria hanjary tsy hangoraka sy tsy hamindra fo, ary izay mihitsy no notadiavin’ny Devoly. Azo inoana fa ‘namela heloka’ haingana izy ireo, ary ‘nampionona’ an’ilay olona nibebaka.—2 Korintianina 2:5-7.

6. Inona avy no soa entin’ny fandroahana?

6 Inona avy no soa entin’ny fandroahana? Miaro ny anarana masin’i Jehovah mba tsy ho afa-baraka izany, sady miaro ny laza tsaran’ny vahoakany. (1 Petera 1:14-16) Manaraka ny fitsipik’Andriamanitra ny fiangonana, rehefa mandroaka ny mpanao ratsy tsy mibebaka. Mitandro ny fahadiovan’ny fiangonana koa izany, sady mety hanampy an’ilay voaroaka hahatsapa hoe tena ratsy ny nataony.

Nahoana ny apostoly Paoly no nandefa toromarika momba ny fandroahana, ho an’ny Korintianina?

Zava-dehibe ny fibebahana

7. Inona no nanjo an’i Davida noho izy tsy nitsotra ny fahotany?

7 Tena mibebaka ny ankamaroan’ireo nanao fahotana lehibe, ka tsy voaroaka hiala amin’ny fiangonana. Tsy mora amin’ny sasany anefa ny mibebaka amim-pahatsorana. Diniho ny ohatr’i Davida mpanjakan’ny Israely, izay nanoratra ny Salamo faha-32. Asehon’io hira io fa tsy nitsotra avy hatrany an’ireo fahotana lehibe nataony i Davida, taorian’ny nijangajangan’izy sy Batseba. Ory noho ny fahotany àry izy ka nihena ny heriny, toy ny hazo maina rehefa tratran’ny hafanana migaingaina amin’ny lohataona. Tena nijaly izy, sady niady saina mafy. ‘Namela ny helony’ anefa i Jehovah rehefa ‘niaiky ny fahadisoany izy.’ (Salamo 32:3-5) Nihira toy izao àry i Davida: “Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka.” (Salamo 32:1, 2) Maivamaivana erỳ izy rehefa namindra fo taminy Andriamanitra!

8, 9. Ahoana no amantarana ny tena fibebahana, ary inona no tsy maintsy ataon’ny olona voaroaka mba ho voaray indray?

8 Mazava àry fa tsy maintsy mibebaka ny olona nanota, raha te hamindrana fo. Mety hahatsiaro ho menatra izy, nefa tsy midika izany hoe tena mibebaka izy. Mety hitaintaina koa izy sao ho fantatr’olona ny fahotany, nefa mbola tsy izany no atao hoe fibebahana. Ny hoe mibebaka dia midika hoe manova ny fomba fiheverana ny fanao ratsy, satria manenina. Manana “fo torotoro sy mangorakoraka” ny olona mibebaka, ary maniry hanonitra ny fahadisoany raha azo atao.—Salamo 51:17; Matio 3:8.

9 Tsy maintsy mibebaka ny olona voaroaka, mba ho voaray indray eo anivon’ny fiangonana. Tsy hoe misy fe-potoana andrasana anefa, ka rehefa tapitra izany dia ho voaray avy hatrany izy. Tsy maintsy miova tanteraka aloha ny toe-pony, vao ho voaray izy. Tokony ho tsapany fa nanao fahotana lehibe izy, ary nanala baraka an’i Jehovah sy ny fiangonana. Tsy maintsy mibebaka izy, ary mivavaka mafy mba hahazo famelana, sady manaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra. Rehefa mangataka ny hiverina izy, dia tokony hanaporofo ny fibebahany, ary ‘hampiseho izany amin’ny ataony.’—Asan’ny Apostoly 26:20.

Nahoana no ilaina ny mitsotra ny fahotana?

10, 11. Nahoana isika no tsy tokony hanafina ny fahotantsika?

10 Mety hieritreritra ny olona sasany nanota hoe: ‘Raha teneniko ny fahotana nataoko, dia mety ho voatery hamaly fanontaniana mahasadaikatra aho, ary mety ho voaroaka. Fa raha tsy miteniteny aho dia tsy hitranga izany, sady tsy hisy hahalala izany ny mpiara-manompo.’ Manadino lafin-javatra lehibe sasany anefa ny olona mieritreritra toy izany. Inona avy izany?

11 I Jehovah dia “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana, mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana.” Mananatra ny olony “araka ny antonony” anefa izy. (Eksodosy 34:6, 7; Jeremia 30:11) Tsy hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra mihitsy ianao, raha nanao fahotana lehibe nefa manafina izany. Fantatr’i Jehovah ilay izy, ary tsy hoe mody tsy mahita izany izy.—Ohabolana 15:3; Habakoka 1:13.

12, 13. Inona no mety ho vokany raha manafina ny fahotany ny olona iray?

12 Afaka manana feon’ny fieritreretana madio indray ianao, raha mitsotra ny fahotana lehibe nataonao. (1 Timoty 1:18-20) Raha tsy mitsotra kosa ianao, dia mety tsy hiasa tsara intsony ny feon’ny fieritreretanao, ka mety hanao fahotana hafa indray ianao. Tadidio fa tsy vitan’ny hoe nanota tamin’ny olona sy tamin’ny fiangonana fotsiny ianao, fa nanota tamin’Andriamanitra mihitsy koa. Hoy ny Baiboly: “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.”—Ohabolana 15:3.

13 Tsy hotahin’i Jehovah ny olona manafina ny fahotana lehibe nataony nefa mbola anisan’ny fiangonana, izay madio eo imason’Andriamanitra. (Jakoba 4:6) Aza misalasala mitsotra ny marina àry, raha nanota ianao ka maniry hanao izay mahitsy. Raha tsy izany dia hanenjika anao ny eritreritrao, indrindra rehefa mamaky na mandre torohevitra mifandray amin’ilay fahotanao ianao. Sady ahoana tokoa moa raha esorin’i Jehovah aminao ny fanahiny, toy ny nataony tamin’i Saoly Mpanjaka? (1 Samoela 16:14) Mety ho voatarika hanao fahotana lehibe kokoa ianao, raha tsy manana ny fanahin’Andriamanitra.

Azonao atokisana ireo anti-panahy

14. Nahoana ny olona iray nanota no tokony hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Jakoba 5:14, 15?

14 Inona àry no tokony hataon’ny mpanota iray nibebaka? “Aoka izy hiantso ny anti-panahin’ny fiangonana, ary aoka ireo hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah. Fa hanasitrana ilay marary ny vavaka atao amim-pinoana, ary i Jehovah hanarina azy.” (Jakoba 5:14, 15) Ny fanatonana anti-panahy no fomba iray anehoan’ny olona fa ‘mamoa voa mifanentana amin’ny fibebahana’ izy. (Matio 3:8) “Hivavaka ho azy sy hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah” ireo lehilahy mahatoky sy be fitiavana ireo. Toy ny menaka mampitony fanaintainana ny torohevitra ara-baiboly omen’izy ireo, ka hampionona an’izay tena mibebaka.—Jeremia 8:22.

15, 16. Ahoana no anarahan’ny anti-panahy ny ohatra tsara nomen’Andriamanitra ao amin’ny Ezekiela 34:15, 16?

15 Nanome ohatra tsara tokoa i Jehovah, ilay Mpiandry be fitiavana, rehefa nanafaka ny Jiosy babo tany Babylona tamin’ny 537 T.K., sy nanafaka ny Israely ara-panahy avy tao “Babylona Lehibe” tamin’ny 1919! (Apokalypsy 17:3-5; Galatianina 6:16) Nanatanteraka an’izao fampanantenany izao izy tamin’izay: “Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy ... Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko.”—Ezekiela 34:15, 16.

16 Namahana ny ondriny sy niaro azy ireo i Jehovah, ary nitady ny very. Mikarakara tsara ny andian’ondrin’Andriamanitra koa ireo mpiandry kristianina, mba ho ampy sakafo sy ho voaro eo amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo. Mikaroka an’ireo ondry niala tamin’ny fiangonana izy ireo. Nitsabo ny ondry “folaka” koa Andriamanitra. Toy izany koa fa ireo anti-panahy dia mitsabo ny ratram-pon’ireo ondry, izay tafintohina noho ny fahadisoan’ny tenany na noho ny tenin’olon-kafa. Ary toy ny ‘nanatanjahan’Andriamanitra ny malemy’ no anampian’ny anti-panahy an’ireo manana fahalemena ara-panahy, izay angamba vokatry ny fahotany.

Ny fanampiana omen’ny mpiandry ondry

17. Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy?

17 Vonona hampihatra an’izao torohevitra izao ny anti-panahy: ‘Mamindrà fo hatrany, ka ataovy amin-tahotra izany.’ (Joda 23) Nanao fahotana lehibe ny Kristianina sasany satria nijangajanga. Raha tena mibebaka anefa izy ireo, dia afaka matoky fa hamindra fo sy haneho fitiavana aminy ny anti-panahy, izay tena maniry hanampy azy eo amin’ny lafiny ara-panahy. Miombon-kevitra amin’izao tenin’i Paoly izao ny anti-panahy: “Tsy tompon’ny finoanareo anefa izahay fa mpiara-miasa kosa mba hahazoanareo fifaliana.” (2 Korintianina 1:24) Aza misalasala mihitsy àry mangataka fanampiana amin’izy ireo.

18. Ahoana no ataon’ny anti-panahy amin’ireo Kristianina nanao fahadisoana?

18 Raha nanao fahotana lehibe ianao, nahoana ianao no afaka matoky ny anti-panahy? Satria ny miandry ny ondrin’Andriamanitra no andraikitr’izy ireo voalohany indrindra. (1 Petera 5:1-4) Tsy misy mpiandry ondry be fitiavana hikapoka ondry malemy paika, izay mitaraina satria naratra. Tsy ny hitsara an’ilay Kristianina nanao fahadisoana sy ny hanasazy azy àry no tena ifantohan’ny anti-panahy. Miezaka kosa izy ireo hanampy azy hahatsapa hoe nanota izy, ary ataon’izy ireo izay hihavanany indray amin’i Jehovah, raha mbola azo atao. (Jakoba 5:13-20) Tsy maintsy mitsara marina sy ‘miantra ny ondry’ ny anti-panahy. (Asan’ny Apostoly 20:29, 30; Isaia 32:1, 2) Tokony ‘hanao ny marina sy ho tia famindram-po ary hanaraka an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena’ izy ireo, toy ny Kristianina rehetra. (Mika 6:8) Tena ilaina ireo toetra ireo rehefa handray fanapahan-kevitra mifandray amin’ny fiainan’ny ‘ondry fiandrin’i Jehovah’ sy ny fanompoana masina ataon’izy ireo ny anti-panahy.—Salamo 100:3.

19. Ahoana no fomba anitsian’ny anti-panahy ny Kristianina nanao fahadisoana?

19 Voatendrin’ny fanahy masina ireo mpiandry kristianina, ary miezaka manaraka ny fitarihan’izy io. Raha “misy olona sendra manao fahadisoana nefa tsy fantany akory”, satria angamba tsy nitandrina izy, dia ‘miezaka manitsy azy amim-pahalemem-panahy’ ireo lehilahy araka ny fanahy ireo. (Galatianina 6:1; Asan’ny Apostoly 20:28) Miezaka mamerina amin’ny toerany ny taolana tapaka ny dokotera tsara fanahy, kanefa mitandrina tsara mba tsy haharary loatra ilay izy. Toy izany koa ny anti-panahy. Miezaka manitsy ny toe-tsain’ilay nanao fahadisoana izy ireo, kanefa manao izany amim-pahalemem-panahy, na dia tsy mampandefitra ny fitsipik’Andriamanitra aza. (Kolosianina 3:12) Mivavaka sy mampiasa ny Soratra Masina izy ireo, alohan’ny hanapahana hevitra hoe hamindra fo sa tsia. Mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra àry ny fanapahan-kevitra raisiny.—Matio 18:18.

20. Rahoviana no ilaina hampandrenesina fa nanarin’ny komitim-pitsarana ny olona iray?

20 Raha be mpahalala na azo antoka fa ho fantatr’olona ny momba ilay fahotana, dia mety ho tsara ny hanaovana fampandrenesana ao am-pivoriana, mba hiarovana ny lazan’ny fiangonana. Ilaina koa ny manao fampandrenesana, raha misy antony tokony hahafantaran’ny fiangonana an’izany. Rehefa avy nanarin’ny komitim-pitsarana ny olona iray, dia mila fotoana izy mba ho salama ara-panahy indray, toy ny olona marary izay mihasitrana tsikelikely ka mbola tsy afaka manao zavatra betsaka. Azo inoana fa hahasoa an’ilay olona nibebaka ny hihaino fotsiny aloha any am-pivoriana, fa tsy hanome valin-teny. Mety hisy olona hasain’ny anti-panahy hampianatra Baiboly azy, ka hanome azy ny fanampiana ilainy, mba hahatonga azy “hatanjaka amin’ny finoana” indray. (Titosy 2:2) Atao amim-pitiavana izany rehetra izany, fa tsy hoe hanasaziana an’ilay nanao ratsy.

21. Inona no tokony hatao amin’ny karazana fahotana sasany?

21 Afaka manampy amin’ny lafin-javatra maro ny anti-panahy. Aoka hatao hoe misy rahalahy mpisotro be taloha, ary efa afaka tamin’izany. Lasa nisotro tafahoatra anefa izy indray mandeha na indroa, rehefa irery tao an-tranony. Na koa misy olona efa afaka tamin’ny sigara efa ela, nefa resin’ny fakam-panahy ka nifoka mangingina, indray mandeha na indroa. Mety ho efa nivavaka ilay olona, ary mino fa namela azy Andriamanitra. Tokony hitady fanampiana any amin’ny anti-panahy ihany anefa izy, mba tsy ho lasa fahazarana ilay fahotana. Anti-panahy iray na roa angamba no hiresaka aminy. Mila mampahafantatra izany amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha anefa ny anti-panahy, satria mety hisy lafin-javatra hafa tafiditra.

Ekeo foana ny fananaran’Andriamanitra

22, 23. Nahoana ianao no tokony hanaiky foana ny fananaran’Andriamanitra?

22 Tsy maintsy manaiky ny fananaran’i Jehovah ny Kristianina tsirairay, mba hahazoana ny fankasitrahany. (1 Timoty 5:20) Ampiharo foana àry izay fanitsiana azonao, rehefa mianatra ny Soratra Masina na ireo boky sy gazetintsika. Araho hatrany izay torohevitra henonao any am-pivoriana, na any amin’ireo fivoriambe. Mitandrema tsara mba hanao ny sitrapon’i Jehovah foana ianao. Raha manao izany ianao, dia hiaro anao ny fananaran’Andriamanitra, izay toy ny manda lehibe hisakana anao tsy hanota.

23 Tsy hiala amin’ny fitiavan’Andriamanitra ianao, raha manaiky ny fananarany. Marina fa misy olona voaroaka indraindray, nefa tsy hihatra aminao izany raha ‘mitandrina ny fonao’ ianao, ary ‘mitondra tena tahaka ny hendry.’ (Ohabolana 4:23; Efesianina 5:15) Raha voaroaka kosa ianao izao, maninona raha miezaka mba ho voaray indray? Tian’Andriamanitra hanompo azy amim-pahatokiana sy amin’ny “faharavoam-po”, ny olona rehetra nanolo-tena ho azy. (Deoteronomia 28:47) Afaka manao izany mandrakizay ianao, raha manaiky foana ny fananaran’i Jehovah.—Salamo 100:2.