Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ratsy fanahy tamin-dreniny ve i Jesosy na tsy nanaja azy, rehefa jerena ilay teniny tamin’ilay fampakaram-bady tao Kana?—Jaona 2:4.

Voasa tamin’ny fampakaram-bady iray tao Kana i Jesosy sy ny mpianany, taoriana kelin’ny batisan’i Jesosy. Tao koa i Maria reniny. Hoy izy tamin’i Jesosy rehefa lany ny divay: “Tsy manana divay ry zareo.” Namaly anefa i Jesosy hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa, ravehivavy? Mbola tsy tonga ny fotoana voatondro ho ahy.”—Jaona 2:1-4.

Mety hoheverina ho tsy manaja na maniratsira mihitsy aza ny olona iray ankehitriny, raha miantso ny reniny hoe “ravehivavy”, na milaza aminy hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa?” Tsy mandinika tsara ny kolontsaina sy ny fomba fiteny tamin’izany fotoana izany anefa, izay miampanga an’i Jesosy ho tsy nanaja na naniratsira ny reniny. Tsara ny hahafantarantsika ny fomba nampiasana an’ireo teny ireo tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly.

Hoy ny Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao (anglisy), momba ny teny hoe “ravehivavy”: “Teny fampiasa rehefa miresaka amin’ny vehivavy izy io, ary tsy mibedy na masiaka, fa maneho fitiavana sy fanajana kosa.” Mitovy hevitra amin’izany ny boky hafa. Milaza, ohatra, Ny Baiboly Vatofantsika (anglisy) hoe: ‘Tsy teny manakiana na maneho tsy fahalalam-pomba sy tsy fahampiam-pitiavana izy io, fa teny manaja fampiasan’i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny vehivavy.’ Manazava Ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy), fa “tsy midika ho fanevatevana mihitsy io teny io.” Resahin’ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy) nosoratan’i Gerhard Kittel koa, fa “tsy midika ho fanambaniana na tsy fanajana velively” ny fitenenana hoe “ravehivavy.” Tsy tokony hanatsoaka hevitra àry isika, fa tsy nahalala fomba na ratsy fanahy tamin-dreniny i Jesosy rehefa niantso azy hoe “ravehivavy.”—Matio 15:28; Lioka 13:12; Jaona 4:21; 19:26; 20:13, 15.

Ahoana kosa ilay hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa?” Izao no andikana azy io ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta: “Moa mifaninona akory izaho sy hianao?” Toa fomba fiteny nahazatra ny Jiosy izy io, ary hita imbetsaka ao amin’ny Baiboly. Niteny azy io, ohatra, i Davida ao amin’ny 2 Samoela 16:10, mba hanakanana an’i Abisay tsy hamono an’i Simey. Hoy izy: ‘Moa mifaninona akory izaho sy hianareo, ry zanak’i Zeroia? Jehovah no nanao taminy hoe: Ozòny Davida.’ Resahin’ny 1 Mpanjaka 17:18 koa fa rehefa hitan’ilay mpitondratena tao Zarefata hoe maty ny zanany, dia hoy izy tamin’i Elia: “Moa mifaninona akory izaho sy hianao, ry lehilahin’Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va hianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?”

Hitantsika amin’ireo ohatra ireo, fa tsy mankahala an’ilay iresahany na manambony tena ny olona milaza hoe: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa?” Matetika kosa izy io no ampiasaina mba handavana soso-kevitra, na hampisehoana tsy fitovian-kevitra. Inona àry no dikan’ilay tenin’i Jesosy tamin’i Maria?

Tsy nilaza ny zava-nisy tamin’i Jesosy fotsiny i Maria rehefa niteny hoe: “Tsy manana divay ry zareo.” Nanolo-kevitra azy mba hamaha ilay olana koa izy. Nampiasa an’io fomba fiteny nahazatra io àry i Jesosy, mba handavana ny soso-kevitra tsy mivantana nataon’i Maria. Manampy antsika hahalala ny anton’izany ilay tenin’i Jesosy manaraka hoe: “Mbola tsy tonga ny fotoana voatondro ho ahy.”

Fantatr’i Jesosy tsara ny sitrapon’i Jehovah momba azy, nanomboka tamin’ny nanaovana batisa sy nanosorana azy ho Mesia, tamin’ny taona 29. Tian’i Jehovah tsy hivadika mandra-pahafatiny izy, ka hatsangana amin’ny maty, ary homem-boninahitra. Hoy izy: ‘Tsy tonga mba hotompoina ny Zanak’olona fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Matio 20:28) Nilaza mazava toy izao i Jesosy, rehefa nanakaiky ny fotoana hahafatesany: “Tonga ny fotoana.” (Jaona 12:1, 23; 13:1) Izany no nahatonga azy hivavaka toy izao, ny alina talohan’ny hahafatesany: “Ray ô, tonga ny fotoana. Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao.” (Jaona 17:1) Rehefa nisy andian-jiolahy tonga hisambotra azy tokoa tao Getsemane, nony farany, dia namoha ny mpianany izy sady nilaza hoe: “Efa tonga ny ora! Jereo fa atolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.”—Marka 14:41.

Vao nanomboka ny fanompoany tamin’ny naha Mesia azy anefa i Jesosy tamin’ilay fampakaram-bady tao Kana, ary mbola tsy tonga ny ‘fotoany.’ Ny tanjony voalohany dia ny hanao ny sitrapon’ny Rainy, araka ny toromarika nomeny sy amin’ny fotoana iriny hanaovana izany. Tena vonona hanatanteraka izany izy, ka tsy nisy olona navelany hanakantsakana azy. Hentitra i Jesosy rehefa nampahafantatra izany tamin-dreniny, nefa tsy hoe ratsy fanahy na tsy nanaja velively. I Maria kosa tsy nahatsiaro ho sanganehana, na nieritreritra hoe naniratsira azy ny zanany. Takany ny tian’i Jesosy holazaina, ka hoy izy tamin’ireo mpanompo tao amin’ilay fampakaram-bady: “Ataovy izay rehetra lazainy aminareo.” Nihaino ny reniny i Jesosy ka nanova rano ho divay tsara. Io no fahagagana voalohany nataony hatramin’ny naha Mesia azy. Nasehony tamin’izany fa nahay nandanjalanja izy, ka sady nanao ny sitrapon’ny Rainy no nanatanteraka izay nangatahin-dreniny.—Jaona 2:5-11.

[Sary, pejy 31]

Tsara fanahy i Jesosy nefa hentitra, rehefa niresaka tamin-dreniny