Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatra ny Antikristy

Fantatra ny Antikristy

Fantatra ny Antikristy

AHOANA no hiarovanao ny tenanao, raha fantatrao fa misy areti-mifindra mahafaty eo amin’ny manodidina anao? Azo inoana fa hanatanjaka ny hery fanefitra ao amin’ny vatanao ianao, sady hanalavitra an’ireo mpamindra aretina. Tsy maintsy manao toy izany koa isika, eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Milaza amintsika ny Soratra Masina fa “efa eo amin’izao tontolo izao sahady” ny antikristy. (1 Jaona 4:3) Raha tsy tiantsika àry ny ho voan’ny “aretin’izy ireo”, dia tsy maintsy fantarintsika aloha ireo “mpamindra”, mba hanalavirantsika azy. Soa ihany fa manome fanazavana be dia be momba ny antikristy sy izay tokony hataontsika ny Baiboly.

Ny hoe “antikristy” dia midika hoe “manohitra an’i Kristy.” Izy io àry dia mety hanondro ny olona rehetra manohitra an’i Kristy, na mihambo ho Kristy na solontenany. Hoy i Jesosy: “Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy [na antikristy], ary izay tsy miara-manangona amiko dia manaparitaka.”—Lioka 11:23.

Efa 60 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany tamin’ny maty ho any an-danitra, no nanoratan’i Jaona momba ny antikristy. Ny vokatry ny asan’ny antikristy teo amin’ny tena mpanara-dia an’i Jesosy àry no tsy maintsy dinihina, mba hahafantarana ny momba azy ireo.—Matio 25:40, 45.

Manohitra ny Kristianina ny antikristy

Nampitandrina ny mpianany i Jesosy fa hankahala azy ireo izao tontolo izao. Hoy izy: “Hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana ny olona ka hamono anareo ho faty, ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako. Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka olona maro.”—Matio 24:9, 11.

Enjehina ‘noho ny anaran’i Jesosy’ ny mpianany, ka mazava ho azy fa antikristy, na tsy tia an’i Kristy, ireo mpanenjika. Antikristy koa ny “mpaminany sandoka”, izay Kristianina taloha ny sasany. (2 Jaona 7) Misy “antikristy maro”, hoy i Jaona, ary “niala tamintsika izy ireny, fa tsy mba namantsika. Mbola ho niaraka tamintsika ihany mantsy izy raha namantsika.”—1 Jaona 2:18, 19.

Hita amin’ny tenin’i Jesosy sy Jaona fa tsy olona iray ny antikristy, fa antokon’olona. Mpaminany sandoka koa izy ireo, ka ny famitahana eo amin’ny lafiny ara-pivavahana no anisan’ny tena tanjony. Inona no anisan’ny tetika ampiasainy?

Manaparitaka lainga ara-pivavahana

Nampitandreman’ny apostoly Paoly i Timoty mpiara-miasa taminy, momba ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana toa an’i Hymeneo sy Fileto, izay nilaza zavatra manimba “toy ny fery mandoaka.” Hoy koa i Paoly: “Niala tamin’ny fahamarinana ireo lehilahy ireo ka nilaza fa efa nitranga sahady, hono, ny fitsanganana amin’ny maty. Koa nandrava ny finoan’ny sasany izy ireo.” (2 Timoty 2:16-18) Toa nampianatra i Hymeneo sy Fileto fa an’ohatra ilay fitsanganana amin’ny maty, ary efa natsangana teo amin’ny lafiny ara-panahy ny Kristianina. Marina fa toy ny hoe velona indray eo imason’Andriamanitra ny olona lasa mpianatr’i Jesosy, araka ny nolazain’i Paoly. (Efesianina 2:1-5) Ny fampianaran’i Hymeneo sy Fileto anefa dia tsy niraharaha ny fampanantenan’i Jesosy fitsanganana amin’ny maty ara-bakiteny, eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Jaona 5:28, 29.

Nanitatra an’ilay hevitra momba ny fitsanganana amin’ny maty an’ohatra ny antokon’olona tao amin’ny fivavahana iray, tatỳ aoriana. Nino izy ireo fa azo amin’ny fomba tsy takatry ny saina ny fahalalana. Nakambany tamin’ny filozofia grika sy ny fampianarana tatsinanana àry ny fampianaran’ny Kristianina nivadi-pinoana. Nihevitra, ohatra, izy ireo fa ratsy ny zavatra hita maso rehetra, ka izay no nahatonga an’i Jesosy tsy nitafy nofo, fa nody niseho ho nitafy nofo fotsiny. Izany fampianarana izany mihitsy anefa no nampitandreman’ny apostoly Jaona, araka ny hitantsika.—1 Jaona 4:2, 3; 2 Jaona 7.

Fampianaran-diso hafa nivoatra tatỳ aoriana ny momba ny Trinite masina, izay milaza fa sady Andriamanitra Mahery Indrindra i Jesosy no Zanak’Andriamanitra. Nanoratra boky hoe Ny Eglizy Tamin’ny Taonjato Telo Voalohany (anglisy) ny Dr. Alvan Lamson. Voalazany ao fa ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray “dia tsy avy amin’ny Jiosy na ny Soratra Masina kristianina mihitsy. Avy amin’ireo namorona ny foto-pinoana katolika izay tia ny fampianaran’i Platon izy io, ary nampidirina teo anivon’ny Kristianisma.” Tian’ireo mpitondra fivavahana nivadi-pinoana ireo tokoa, ny fampianaran’ilay filozofa grika mpanompo sampy atao hoe Platon.

Nisy heriny be ny fampidiran’ny antikristy an’ilay fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, satria nanjary tsy fantatra Andriamanitra, ary tsy hay ny tena fifandraisany amin’ilay Zanaka. (Jaona 14:28; 15:10; Kolosianina 1:15) Ahoana tokoa no ahafahan’ny olona iray ‘hanatona an’Andriamanitra’, araka ny ampirisihan’ny Soratra Masina, raha tsy fantany akory ilay Andriamanitra?—Jakoba 4:8.

Vao mainka nampisafotofoto ny sain’ny olona koa ny mpandika Baiboly maro. Nesorin’izy ireo tao amin’ny fandikan-teniny mantsy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, na dia miseho im-7 000 mahery aza izy io ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany! Tena tsy fanajana ny Mpamorona sy ny Teniny avy amin’ny fanahiny tokoa, ny fampisehoana an’ilay Mahery Indrindra ho toy ny Andriamanitra tsy fantatra sy tsy manana anarana. (Apokalypsy 22:18, 19) Mifanohitra amin’ny vavaka modely nampianarin’i Jesosy koa ny fanoloana ny anaran’Andriamanitra amin’ny anaram-boninahitra toy ny hoe Tompo sy Andriamanitra. Anisan’ny nolazainy mantsy ny hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao.”—Matio 6:9.

Mandà ny Fanjakan’Andriamanitra

Amin’izao “andro farany” iainantsika izao no tena miasa ny antikristy. (2 Timoty 3:1) Ny tena tanjon’izy ireo dia ny hamitaka ny olona mba tsy hahafantatra ny anjara asan’i Jesosy. Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy i Jesosy, ary hitondra ny tany io fitondrana any an-danitra io, atsy ho atsy.—Daniela 7:13, 14; Apokalypsy 11:15.

Milaza, ohatra, ny mpitondra fivavahana sasany fa ao am-pon’ny olona ny Fanjakan’Andriamanitra, na dia tsy miorina amin’ny Soratra Masina aza izany hevitra izany. (Daniela 2:44) Misy koa milaza fa miasa amin’ny alalan’ny fitondram-panjakan’olombelona sy ny fikambanana naorin’olombelona i Kristy. Hoy anefa i Jesosy: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” (Jaona 18:36) I Satana tokoa raha ny marina, fa tsy i Kristy, no “mpitondra an’izao tontolo izao” sy “andriamanitr’ity tontolo ity.” (Jaona 14:30; 2 Korintianina 4:4) Tsy mahagaga raha haringan’i Jesosy tsy ho ela ny fanjakan’olombelona rehetra, ka izy sisa no ho Mpitondra ny tany. (Salamo 2:2, 6-9; Apokalypsy 19:11-21) Mivavaka mba hahatanteraka izany ny olona, rehefa manao ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.”—Matio 6:10.

Manohana ny mpanao politikan’ity tontolo ity ny mpitondra fivavahana maro, ka manohitra sy manenjika mihitsy an’ireo manambara ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Miresaka momba ny mpivaro-tena an’ohatra ny Apokalypsy. Antsoiny hoe “Babylona Lehibe” izy io, ary lazainy fa “mamon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesosy.” (Apokalypsy 17:4-6) Mijangajanga eo amin’ny lafiny ara-panahy koa izy io, satria manohana ny “mpanjaka”, na mpitondra ara-politika, mba hahazoana sitraka aminy. Tsy iza io vehivavy an’ohatra io fa ny fivavahan-diso rehetra. Izy no ampahany lehibe indrindra amin’ny antikristy.—Apokalypsy 18:2, 3; Jakoba 4:4.

Izay “zavatra mahafinaritra ny sofiny” no henoiny

Mandà ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny maro amin’ireo mitonona ho Kristianina, sady tsy manaraka ny fitsipi-pitondran-tena ao, fa aleony manaraka ny fanaon’ny olona. Efa nilaza izany ny Tenin’Andriamanitra nanao hoe: “Ho avy ... ny fotoana tsy hahazakan’ny olona [milaza ho manompo an’Andriamanitra] ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.” (2 Timoty 4:3) Antsoina hoe “apostoly sandoka” ireny mpivavaka sandoka ireny, sady “mpiasa mamitaka, ka miseho ho toy ny apostolin’i Kristy.” Hoy koa ny Baiboly: “Araka izay ataon’izy ireo ihany no hiafarany.”—2 Korintianina 11:13-15.

“Mahamenatra [koa] ny fitondran-tenan’izy ireny”, izany hoe tsy miraharaha tsotra izao ny fitsipi-pitondran-tena tsara izy ireo. (2 Petera 2:1-3, 12-14) Moa ve tsy maro tokoa ankehitriny ny mpitondra fivavahana sy mpiangona ratsy fitondran-tena na milefitra amin’ny faharatsiana, toy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, na ny firaisana ivelan’ny fanambadiana? Iangaviana ianao haka fotoana hampitahana ny hevitry ny ankamaroan’ny olona sy ny fomba fiainany, amin’ireto lazain’ny Baiboly ireto: Levitikosy 18:22; Romanina 1:26, 27; 1 Korintianina 6:9, 10; Hebreo 13:4; ary Joda 7.

‘Fantaro raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra’

Tsy tokony hoheverintsika ho maivan-danja àry ny zavatra inoana ara-pivavahana, araka ny torohevitry ny apostoly Jaona. Nampitandrina izy hoe: “Aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa eo amin’izao tontolo izao.”—1 Jaona 4:1.

Hevero ny modely nomen’ireo olona “ambony saina” tany Beria, tamin’ny taonjato voalohany. “Faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika tsara ny Soratra Masina isan’andro hahitana raha izany [zavatra notorin’i Paoly sy Silasy izany] tokoa no izy.” (Asan’ny Apostoly 17:10, 11) Nazoto nianatra ny Berianina, nefa nohamarininy raha tena niorina tamin’ny Soratra Masina ny zavatra reny sy nekeny.

Tsy voataonan’ny hevitra manjaka eo amin’izao tontolo izao koa ny tena Kristianina ankehitriny, fa manaraka tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Hoy ny apostoly Paoly: “Izao foana no angatahiko amin’ny vavaka, dia ny hitomboan’ny fitiavanareo bebe kokoa hatrany, ao anatin’ny fahalalana marina tsara sy ny fahaiza-manavaka tanteraka.”Filipianina 1:9.

Ataovy tanjonao àry ny hahazo “fahalalana marina tsara sy ny fahaiza-manavaka tanteraka”, raha mbola tsy nanao izany ianao, ka ianaro izay tena ampianarin’ny Baiboly. Tsy voafitaky ny “teny mamitaka” ataon’ny antikristy ireo manahaka ny Berianina. (2 Petera 2:3) Manafaka azy ireo kosa ny fahamarinan’ilay tena Kristy sy ny tena mpanara-dia azy.—Jaona 8:32, 36.

[Efajoro/​Sary, pejy 4]

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY MOMBA NY ANTIKRISTY?

“Izao, anaka, no ora farany [vanim-potoana farany nahaveloman’ny apostoly], ary araka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, dia efa misy antikristy maro sahady izao.”—1 Jaona 2:18.

“Iza moa no mpandainga raha tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Ny antikristy dia izay mandà ny Ray sy mandà ny Zanaka.” —1 Jaona 2:22.

“Tsy avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ... izay fanambarana rehetra tsy manaiky an’i Jesosy. Izany no fanambarana torin’ny antikristy, dia fanambarana efa renareo fa ho avy, ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady ankehitriny.” —1 Jaona 4:3.

“Maro ... ny mpamitaka efa eo amin’izao tontolo izao, dia olona tsy manaiky fa tonga tamin’ny nofo i Jesosy Kristy. Izany ilay mpamitaka sy antikristy.”—2 Jaona 7.

[Efajoro/​Sary, pejy 5]

MPAMITAKA MANANA ENDRIKA MARO

Ny teny hoe “antikristy” dia iantsoana an’ireo rehetra mandà izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy Kristy, sy ireo rehetra manohitra ny Fanjakany, ary ireo rehetra manenjika ny mpanara-dia azy. Anisan’izy io koa ny olona na fikambanana na firenena milaza ho misolo tena an’i Kristy, na milaza ho Mesia, ka mampanantena ny hamita ny zavatra hotanterahin’i Kristy, izany hoe hitondra fandriampahalemana sy filaminana. Tsy hahavita an’izany akory anefa izy ireo.

[Sary nahazoan-dalana]

Augustin: ©SuperStock/age fotostock

[Sary, pejy 7]

Tokony ‘handinika ny Soratra Masina isan’andro’ toa an’ireo Berianina isika