Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Dikan’ny hoe Tia Namana?

Inona no Dikan’ny hoe Tia Namana?

Inona no Dikan’ny hoe Tia Namana?

“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”—MATIO 22:39.

1. Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’Andriamanitra isika?

INONA no takin’i Jehovah amin’ny mpivavaka aminy? Valin-teny tsotra nefa mafonja no namintinan’i Jesosy izany. Nolazainy fa ny didy lehibe indrindra dia ny hitiavana an’i Jehovah amin’ny fo, tena, saina ary hery manontolo. (Matio 22:37; Marka 12:30) Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny fomba ampisehoantsika fa tia an’Andriamanitra isika. Anisan’izany ny fankatoavana azy sy ny fitandremana ny didiny, ho setrin’ny fitiavany antsika. Fahafinaretana ho an’ny olona tia an’Andriamanitra ny manao ny sitrapony, fa tsy enta-mavesatra.—Salamo 40:8; 1 Jaona 5:2, 3.

2, 3. Nahoana isika no tokony handinika an’ilay didy momba ny fitiava-namana, ary inona avy no fanontaniana mifandray amin’izany?

2 Mifandray amin’ilay voalohany ny didy lehibe indrindra faharoa. Hoy i Jesosy: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Handinika an’io didy io isika izao. Tsara ny handinihana azy io, satria manjaka ny fitiavan-tena sy ny fitiavana tsy araka ny tokony ho izy ankehitriny. Nilaza ny apostoly Paoly fa tsy ho tia namana ny olona miaina amin’ny “andro farany”, fa ho tia tena, ho tia vola, ary ho tia fahafinaretana. Maro no “tsy ho tia ny mpianakaviny.” (2 Timoty 3:1-4) Nilaza mialoha i Jesosy Kristy fa “maro no ... hamadika ny namany ary hifankahala. ... Hihamangatsiaka [koa] ny fitiavan’ny maro.”—Matio 24:10, 12.

3 Mariho fa tsy nilaza i Jesosy hoe hihamangatsiaka ny fitiavan’ny olona rehetra. Efa nisy ary mbola hisy foana ny olona haneho ilay karazam-pitiavana takin’i Jehovah sy mendrika azy. Ny olona tena tia an’i Jehovah dia hiezaka hihevitra ny hafa toy ny iheveran’Andriamanitra azy ireny. Iza anefa ireo namana tsy maintsy tiavintsika? Ahoana no ampisehoantsika fa tia azy ireo isika? Manampy antsika hahita ny valin’ireo fanontaniana lehibe ireo ny Soratra Masina.

Iza no namako?

4. Tokony ho tia an’iza ny Jiosy, araka ny Levitikosy toko faha-19?

4 Nilaza tamin’ilay Fariseo nanontany azy i Jesosy, fa ny didy faharoa lehibe indrindra, dia ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Lalàna iray nomena ny Israelita io notononin’i Jesosy io. Mazava tsara ilay lalàna, ary voarakitra ao amin’ny Levitikosy 19:18. Nasaina nihevitra ny olona tsy Israelita ho toy ny namany ny Israelita, ao amin’ny Levitikosy toko faha-19. Hoy ny andininy faha-34: “Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanao; fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta hianareo.” Tokony ho nentina tamim-pitiavana àry ny olona tsy Jiosy, indrindra fa ireo nanaraka ny fivavahana jiosy.

5. Ahoana no fahazoan’ny Jiosy an’ilay didy momba ny fitiava-namana?

5 Hafa mihitsy anefa ny hevitr’ireo mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Nampianarin’ny sasany tamin’izy ireo fa ny Jiosy ihany no azo antsoina hoe “namana.” Tokony hankahalaina, hono, ny tsy Jiosy, ary tsy maintsy mankahala an’ireo tsy manompo an’Andriamanitra ireo manompo azy. Nilaza ny boky iray fa “nahazo vahana ny fankahalana, noho io fampianarana io. Nampiroborobo izany ny zava-nisy.”

6. Inona no hevitra roa nasongadin’i Jesosy, tamin’izy niresaka momba ny fitiava-namana?

6 Niresaka an’io olana io i Jesosy, tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Nohazavainy hoe iza no tokony hotiavina. Hoy izy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Tiavo ny namanao ary mankahalà ny fahavalonao.’ Fa izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha mandrakariva ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Izy mantsy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:43-45) Nanasongadina hevitra roa i Jesosy teo. Voalohany: Tsara fanahy sady malala-tanana amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy i Jehovah. Faharoa: Tokony hanao toa azy isika.

7. Inona no lesona raisintsika avy amin’ny tantaran’ilay Samaritanina tsara fanahy?

7 Nanontany an’i Jesosy toy izao ny Jiosy iray nahay Lalàna, indray mandeha: “Iza marina moa ny namako?” Nilaza fitantarana iray i Jesosy mba hamaliana izany. Nilaza izy fa nisy Samaritanina iray nahita lehilahy jiosy, izay vao avy nokapohin’ny jiolahy sy nendahiny. Tsy tia Samaritanina ny Jiosy amin’ny ankapobeny. Na izany aza, dia nofehezin’io Samaritanina io ny ratran’ilay lehilahy, ary nentiny tany amin’ny tranombahiny izy mba ho voaro sy hotsaboina. Inona no lesona raisintsika avy amin’izany? Tokony ho tiantsika, na dia ny olona tsy iray firazanana, fiaviana, na fivavahana amintsika aza.—Lioka 10:25, 29, 30, 33-37.

Inona no dikan’ny hoe tia namana?

8. Ahoana no ampisehoantsika fa tia namana isika, araka ny Levitikosy toko faha-19?

8 Toy ny fitiavana an’Andriamanitra ihany ny fitiava-namana. Tsy fihetseham-po fotsiny izy io fa mila aseho amin’ny atao. Manampy antsika hahazo an’izany ny fandinihana ny teny manodidina ny Levitikosy 19:18, izay mampirisika ny vahoakan’Andriamanitra mba ho tia ny namany tahaka ny tenany. Voalaza ao fa tokony havelan’ny Israelita haka amin’ny vokatra eny an-tsaha, ny ory sy ny vahiny. Tsy nahazo nangalatra, namitaka, nifandainga, na nanao fitsarana miangatra izy ireo. Tokony hananatra ny hafa izy ireo rehefa ilaina izany. Na izany aza, dia nomena didy mazava tsara izy ireo hoe: “Aza mankahala ny rahalahinao amin’ny fonao.” Mamintina an’ireo didy ireo sy ny maro hafa ireto teny ireto: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”—Levitikosy 19:9-11, 15, 17, 18.

9. Nahoana i Jehovah no nandidy ny Israelita mba tsy hifandray akaiky amin’ny firenen-kafa?

9 Tsy tokony hifandray akaiky amin’ny olona mivavaka amin’ny andriamani-diso anefa ny Israelita, na dia tokony ho tia ny hafa aza. Efa nolazain’i Jehovah mialoha ny voka-dratsin’ny fiarahana amin’ny naman-dratsy. Nandidy ny Israelita toy izao, ohatra, izy momba ireo firenena nasaina noresen’izy ireo: “Aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin’ny zanakao-lahy. Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah.”—Deoteronomia 7:3, 4.

10. Tsy tokony hifandray akaiky amin’ny olona manao ahoana ny Kristianina?

10 Mitandrina koa ny Kristianina, mba tsy hifandray akaiky amin’ny olona mety hampihena ny finoany. (1 Korintianina 15:33) Ampirisihina toy izao isika: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino”, na ireo olona tsy anisan’ny fiangonana kristianina. (2 Korintianina 6:14) Ampirisihina koa ny Kristianina mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintianina 7:39) Tsy tokony hanambany an’ireo olona tsy mivavaka amin’i Jehovah anefa isika, na izany aza. Maty ho an’ny mpanota i Kristy, ary maro tamin’ireo mpanao ratsy taloha no nanova ny fomba fiainany ka nanjary nihavana tamin’Andriamanitra.—Romanina 5:8; 1 Korintianina 6:9-11.

11. Ahoana no fomba tsara indrindra ampisehoantsika fa tia an’ireo olona tsy manompo an’i Jehovah isika, ary nahoana?

11 Ahoana no fomba tsara indrindra ampisehoantsika fa tia an’ireo olona tsy manompo an’Andriamanitra isika? Tsy misy afa-tsy ny fanahafana an’i Jehovah. Tia sy tsara fanahy amin’ny olona rehetra izy, na dia tsy tiany aza ny faharatsiana. Omeny fahafahana hiala amin’ny ratsy izy ireo mba hahazoany fiainana mandrakizay. (Ezekiela 18:23) Irin’i Jehovah “ho tonga amin’ny fibebahana” ny olona rehetra. (2 Petera 3:9) Sitrapon’Andriamanitra “ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4) Izany no antony nanirahan’i Jesosy ny mpanara-dia azy hitory sy hampianatra, ary ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 28:19, 20) Asehontsika amin’ny fandraisana anjara amin’io asa io, fa tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika isika, eny fa na dia ny fahavalontsika aza!

Fitiavana an’ireo rahalahintsika kristianina

12. Inona no nosoratan’ny apostoly Jaona momba ny fitiavan-drahalahy?

12 Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Galatianina 6:10) Kristianina isika, ka tsy maintsy tia ny mpiray finoana amintsika, izany hoe ireo rahalahy sy anabavintsika ara-panahy. Tena zava-dehibe ve io fitiavana io? Izany tokoa, satria hoy ny apostoly Jaona: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona ... Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy. Fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 3:15; 4:20) Teny mahery tokoa izany. I Satana Devoly no nantsoin’i Jesosy Kristy hoe “mpamono olona” sy “mpandainga.” (Jaona 8:44) Tsy tiantsika mihitsy raha isika no hantsoina toy izany!

13. Ahoana no ampisehoantsika fa tia ny mpiray finoana amintsika isika?

13 “Ampianarin’Andriamanitra hifankatia” ny tena Kristianina. (1 Tesalonianina 4:9) Tokony ‘tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika fa amin’ny atao ary amin’ny fahamarinana.’ (1 Jaona 3:18) Tokony “tsy hisy fihatsarambelatsihy” ny fitiavantsika. (Romanina 12:9) Ny fitiavana dia mahatonga antsika ho tsara fanahy, hangoraka, hamela heloka, hahari-po, tsy hialona, tsy hirehareha, tsy hanambony tena, ary tsy ho tia tena. (1 Korintianina 13:4, 5; Efesianina 4:32) Mahatonga antsika ‘hifanompo’ koa izy io. (Galatianina 5:13) Nampianarin’i Jesosy hifankatia ny mpianany, toy ny nitiavany azy ireo. (Jaona 13:34) Noho izany, dia tokony ho vonona ny hahafoy ny ainy ho an’ny rahalahiny mihitsy aza ny Kristianina raha ilaina izany.

14. Ahoana no tokony hanehoantsika fitiavana eo anivon’ny fianakaviana?

14 Tokony ho hita taratra eo anivon’ny fianakaviana kristianina ny fitiavana, indrindra fa eo amin’ny mpivady. Tokony hifandray akaiky ny mpivady, ka izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy.’ Hoy koa izy: “Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.” (Efesianina 5:28) Naverin’i Paoly io torohevitra io ao amin’ny andininy faha-33. Ny lehilahy tia ny vadiny dia tsy hanahaka an’ireo Israelita namitaka ny vadiny, tamin’ny andron’i Malakia. (Malakia 2:14) Tokony hiraiki-po aminy kosa izy, ary ho tia azy toy ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana. Hahatonga ny vehivavy hanaja ny vadiny koa ny fitiavana.—Efesianina 5:25, 29-33.

15. Inona no nolazain’ny olona sasany sy nataony, rehefa nahita an’ireo rahalahy nifanampy tamim-pitiavana?

15 Io fifankatiavan’ny mpirahalahy io no mampiavaka ny tena Kristianina. Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Tia an’Andriamanitra isika sady misolo tena azy, ka izany no mahatonga antsika hifankatia. Manjary manatona an’Andriamanitra ny olona, rehefa mahita izany. Mitantara ny zavatra niainany ny fianakaviana iray Vavolombelon’i Jehovah, any Mozambika: “Mbola tsy nahita toy izany mihitsy izahay. Nanomboka nitsoka ny rivo-doza indray tolakandro, ary narahina oram-be sy havandra. Rava ilay trano bararata nisy anay, ary lasan’ny rivotra ny tafo fanitso. Gaga ny mpiara-monina taminay, rehefa tonga nanampy tamin’ny fanorenana ny tranonay ireo rahalahy avy amin’ny fiangonana teny amin’ny manodidina. Hoy izy ireo: ‘Tena tsara mihitsy ny fivavahanareo. Mbola tsy nanampy anay toy izao mihitsy ny fivavahanay.’ Nosokafanay ny Baiboly ary nasehonay azy ireo ny Jaona 13:34, 35. Mianatra Baiboly izao ny maro amin’ny mpiara-monina aminay.”

Fitiavana ny olona tsirairay

16. Inona no tsy mampitovy ny hoe tia ny olona amin’ny fitambarany sy ny hoe tia ny olona tsirairay?

16 Tsy sarotra ny hoe tia ny mpiara-belona amintsika amin’ny fitambarany. Tsy mba toy izany anefa ny hoe tia ny olona tsirairay. Mety hanatitra fanomezana any amin’ny fikambanana mpanao asa soa, ohatra, ny olona iray, mba hampisehoany ny fitiavany ny mpiara-belona aminy, ary izay ihany no ataony. Mora lavitra ny milaza fa tiantsika ny mpiara-belona amintsika, noho ny hoe tia an’ilay mpiara-miasa amintsika izay toa tsy miraharaha antsika isika, na ilay mpifanolo-bodirindrina mahatsiravina antsika, na ilay namana nandiso fanantenana antsika.

17, 18. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tia ny olona tsirairay izy, ary nahoana izy no nanao izany?

17 Nanome modely ho antsika momba ny fitiavana ny olona tsirairay i Jesosy, izay nanahaka tanteraka ny toetran’Andriamanitra. Marina fa ny hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao no nahatongavany teto an-tany, kanefa tia ny olona tsirairay koa izy. Anisan’izany ilay vehivavy narary, sy ilay lehilahy boka, ary ilay ankizy nisy demonia. (Matio 9:20-22; Marka 1:40-42; 7:26, 29, 30; Jaona 1:29) Maneho fitiavana ny mpiara-belona amintsika koa isika, eo amin’ny fomba itondrantsika ny olona tsirairay ifaneraserantsika isan’andro.

18 Aza hadinoina mihitsy fa mifandray ny fitiava-namana sy ny fitiavana an’Andriamanitra. Marina fa nanampy ny mahantra i Jesosy, nanasitrana ny marary, namahana ny noana, ary nampianatra ny vahoaka. Ny hanampiana ny olona hihavana amin’i Jehovah anefa no antony nanaovany izany. (2 Korintianina 5:19) Nanao ny zava-drehetra ho voninahitr’Andriamanitra i Jesosy, ary tsy nohadinoiny mihitsy fa nisolo tena an’ilay Andriamanitra tiany izy, sady naneho taratra ny toetrany. (1 Korintianina 10:31) Raha manahaka an’i Jesosy isika dia ho afaka haneho ny tena fitiavana amin’ny mpiara-belona amintsika, nefa koa tsy ho anisan’ity tontolo ratsy fanahy ity.

Ahoana no hitiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika?

19, 20. Inona no dikan’ny hoe tia ny namana tahaka ny tena?

19 Hoy i Jesosy: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Ara-dalàna raha miahy izay hahasoa ny tenantsika isika, sady mitandro ny hajan’ny tenantsika. Tsy ho azo ampiharina loatra mantsy io didy io raha tsy izany. Araka ny antonony anefa ilay fitiavana ny tena resahina eto, fa tsy tokony hafangaro amin’ilay fitiavan-tena tafahoatra, izay tsy misy firaharahana ny hafa, resahin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:2. Fahatsiarovan-tena ho misy vidiny izy io. Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nilaza fa ‘araka ny antonony io fitiavana ny tena io, fa tsy toy ny an’ny olona mihevi-tena ho tapitr’ohatra, na toy ny an’ireo mihevi-tena ho tsy misy dikany.’

20 Ny fitiavana ny hafa tahaka ny tena, dia midika fa mihevitra ny hafa toy izay tiantsika hiheverany antsika isika, ary mitondra azy ireo toy ny fomba tiantsika hitondrany antsika. Hoy i Jesosy: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tokony hieritreritra izay nataon’ny hafa tamintsika tamin’ny lasa isika, mba hamaliana azy araka izany. Tiany kosa isika hieritreritra izay fomba tiantsika hitondrana antsika, ary hitondra ny hafa toy izany. Mariho koa fa tsy ny namana na ny rahalahy ihany no noresahin’i Jesosy teo. Nampiasa ilay teny hoe “olona” kosa izy, angamba mba hampisehoana fa tokony hataontsika toy izany ny olona rehetra, izany hoe izay rehetra hitantsika.

21. Inona no asehontsika rehefa tia ny hafa isika?

21 Misakana antsika tsy hanao ratsy ny fitiava-namana. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny fehezan-dalàna hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra’, mbamin’izay didy hafa rehetra, dia efa voafintina amin’izao teny izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana.” (Romanina 13:9, 10) Mandrisika antsika hitady fomba hanaovan-tsoa amin’ny hafa, ny fitiavana. Ny fitiavantsika ny mpiara-belona amintsika, no ampisehoantsika fa tiantsika koa i Jehovah Andriamanitra, ilay nanao ny olona tahaka ny endriny.—Genesisy 1:26

Ahoana no Havalinao?

• Iza no tokony hotiavintsika, ary nahoana?

• Ahoana no ampisehoantsika fa tia an’ireo olona tsy manompo an’i Jehovah isika?

• Inona no resahin’ny Baiboly momba ny fitiavan-drahalahy?

• Inona no dikan’ny hoe tia ny namana tahaka ny tena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

“Iza marina moa ny namako?”

[Sary, pejy 29]

Tia ny olona tsirairay i Jesosy