Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ny Manao ny Marina

Mahasoa ny Manao ny Marina

Mahasoa ny Manao ny Marina

EFA nisy hatrany amin’ny saha Edena ny fanaovana ny tsy marina. Mbola mankasitraka ny fanaovana ny marina anefa ny ankamaroan’ny firenena sy ny fiaraha-monina, ary mihevitra ny lainga sy ny famitahana ho tena ratsy. Tena mampirehareha izany hoe heverin’ny olona ho mendri-pitokisana izany. Mihabetsaka anefa ny mihevitra fa ilaina ny manao ny tsy marina, raha tsy izany ianao tsy ho tafita amin’izao fiainana izao. Ahoana ny hevitrao? Mahasoa tokoa ve ny miezaka manao ny marina? Ahoana no amaritanao ny atao hoe manao ny marina?

Tsy maintsy milaza sy manao ny marina foana isika, raha te hampifaly an’Andriamanitra. Nampirisika ny Kristianina toy izao mantsy ny apostoly Paoly: “Milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.” (Efesianina 4:25) Hoy koa izy: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra isika.’ (Hebreo 13:18) Manao ny marina isika, satria manaja ny Mpamorona sy te hampifaly azy, fa tsy hoe te hoderain’ny olona.

Aza afenina ny tena maha izy anao

Manafina ny maha izy azy ny olona any amin’ny tany maro, mba hahazoany tombontsoa. Manao taratasy na diplaoma na kara-panondro sandoka izy ireny, mba hidirany ao amin’ny tany iray amin’ny fomba tsy ara-dalàna, na mba hahazoana asa na toerana sasany, na dia tsy mahafeno fepetra ho amin’izany aza izy. Manao kopia hosoka momba ny nahaterahan’ny zanany koa ny ray aman-dreny sasany, mba hahafahan’izy ireo hanohy ny fianarany.

Tsy tokony hamitaka anefa isika, raha te hampifaly an’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah, ary antenainy hanao ny marina ireo mifandray akaiky aminy. (Salamo 31:5) Raha te hihavana aminy foana isika, dia tsy tokony hanahaka ny olona tsy marina sy ny “olom-petsy”, izany hoe ireo manafina ny tena maha izy azy.—Salamo 26:4.

Fanaon’ny olona koa ny manafina ny marina, rehefa fantany fa mety ho voasazy noho ny fanaovan-dratsy izy. Mety hisy halaim-panahy hanao izany, na dia eo anivon’ny fiangonana kristianina aza. Niaiky tamin’ny anti-panahy, ohatra, ny tovolahy iray teo anivon’ny fiangonana, fa nisy fahotana nataony. Tsy nitsotra anefa izy hoe nangalatra, na dia nisy porofo aza. Tratra ny laingany tatỳ aoriana, ary tsy maintsy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana izy. Tsy naleo ve nilaza ny marina rehetra, ary avy eo nampiana mba hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisana sarobidy amin’i Jehovah? Milaza mantsy ny Baiboly hoe: ‘Aza atao tsinontsinona ny famaizan’i Jehovah, ary aza kivy raha anariny ianao. Fa izay tian’i Jehovah no faiziny.’—Hebreo 12:5, 6.

Mety hanafina ny olana mahazo azy na ny fitondran-tena ratsiny taloha, indraindray, ny rahalahy miezaka hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Mety tsy hofenoiny tsara, ohatra, ny valim-panontaniana momba ny fahasalamana sy ny fitondran-tena, rehefa mameno taratasy fangatahana tombontsoam-panompoana manokana izy. Manahy angamba izy sao tsy ho azony ilay tombontsoam-panompoana, raha milaza ny marina momba ireo raharaha ireo izy. Mety hieritreritra izy hoe: ‘Tsy tena nandainga ange aho e!’ Azo lazaina ho tena nitsotra sy nilaza ny marina anefa ve izy? Tadidio izay lazain’ny Ohabolana 3:32: “Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia [na fetsifetsy], fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.”

Ny mamita-tena no zavatra voalohany tsy tokony hataontsika, raha te hanao ny marina isika. Izay tiantsika hinoana ihany mazàna no inoantsika, fa tsy izay tena marina. Mora amintsika tokoa ny manilika ny fahadisoana ho amin’ny hafa! Nitady fialan-tsiny, ohatra, i Saoly Mpanjaka rehefa tsy nankatò, ka nanilika ny fahadisoany. Nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka izy noho izany. (1 Samoela 15:20-23) Samy hafa be izy sy Davida Mpanjaka, izay nivavaka tamin’i Jehovah hoe: “Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.”—Salamo 32:5.

Mitondra soa ny fanaovana ny marina

Misy vokany eo amin’ny fiheveran’ny hafa anao, ny fanaovanao ny marina na ny tsy fanaovanao izany. Raha fantatry ny olona fa namitaka azy ianao na dia indray mandeha monja aza, dia tsy hatoky anao intsony izy, ary tsy ho mora ny hamerina izany fatokisana izany. Halaza ho tsy mivadika sy mendri-pitokisana kosa anefa ianao, raha milaza sy manao ny marina. Nahazo laza tsara toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

Fantatry ny talen’ny orinasa iray fa nangala-bola ny maro tamin’ny mpiasany, ka nangatahiny hiditra an-tsehatra ny polisy. Rehefa fantany fa anisan’ny voasambotra koa ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia nankany amin’ny paositry ny polisy izy, ary nangataka ny hamotsorana azy io avy hatrany. Nahoana? Satria fantany fa mpiasa manao ny marina io olona io, sady tsy nanan-tsiny. Voatazona tamin’ny asany ilay Vavolombelona, fa ny hafa kosa voaroaka. Faly ny Vavolombelona namany fa nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah ny fitondran-tenany.

Misy mahamarika foana ny fitondran-tena tsara. Nila fanamboarana ny tetezana miampita eo amin’ny tatatra be iray, tao amin’ny tanàna iray tatsy Afrika. Nisy nangalatra mantsy ny hazo fisaka sasany teo amin’izy io. Nanapa-kevitra àry ny mponina tao fa hanambatra vola hanoloana ireo hazo. Iza anefa no olona azo itokisana hitantana ilay vola? Nifanaraka ny rehetra fa tsy maintsy Vavolombelon’i Jehovah no hasaina hiandraikitra an’izany.

Mpitana kaonty tao amin’ny toeram-piasana an’ny fikambanana iraisam-pirenena, ny Vavolombelona iray tatsy amin’ny tany afrikanina iray. Notandindomin-doza ny ainy, rehefa nisy foko nifandrafy sy korontana politika tao amin’ilay tany. Nafindran’ilay orinasa tany an-tany hafa àry izy, ary nasainy niasa tany nandritra ny volana maro, mandra-pilamin’ny toe-javatra. Ilay orinasa no niantoka ny lany tamin’izany. Nahoana izy ireo no nanao izany? Satria talohan’izay ilay Vavolombelona, dia tsy nety niara-niasa tamin’ireo nanao tetika mba hangalarana vola tao amin’ilay orinasa. Fantatr’ireo tompon’andraikitra fa nalaza ho nanao ny marina foana izy. Ho vonona hanampy an’io mpiasa io ve izy ireo, raha nalaza ho nanao zavatra maizimaizina izy?

Hoy ny Ohabolana 20:7: “Izay olona marina mandeha amin’ny fahitsiany.” Manao izay mahitsy, na tsy mivadika àry ny olona manao ny marina. Tsy manambaka na mamitaka ny namany mihitsy izy. Tsy toy izany ve no irinao hitondran’ny hafa anao? Tena zava-dehibe eo anivon’ny fivavahana marina ny fanaovana ny marina. Porofointsika koa fa tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona isika, raha manao izany. Asehontsika amin’izany fa irintsika ny hanaraka ilay toro lalana nomen’i Jesosy, manao hoe: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12; 22:36-39.

Mety hahitana olana ihany ny hoe manao ny marina mandrakariva. Sarobidy lavitra noho izay mety hafointsika anefa ny vokatra ho azo, dia ny fieritreretana madio. Handray soa be dia be amin’ny farany ny olona manao ny marina sy mahitsy. Tena sarobidy ny fifandraisana tsara amin’i Jehovah. Nahoana moa izany no hosimbanao amin’ny fanaovana ny tsy marina, mba tsy hahafa-baraka fotsiny na mba hahazoana tombony amin’ny fomba tsy ara-dalàna? Afaka matoky an’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto isika, na inona na inona zava-tsarotra mety hatrehintsika: “Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ny lainga.”—Salamo 40:4.

[Sary, pejy 18]

Tsy mividy na mampiasa taratasy sandoka ny tena Kristianina