Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Tokony Hofantarina ny Antikristy?

Nahoana no Tokony Hofantarina ny Antikristy?

Nahoana no Tokony Hofantarina ny Antikristy?

Nisy apostoly fahiny nilaza hoe: “Efa renareo fa ho avy ny antikristy.” (1 Jaona 2:18) Mahaliana tokoa ireo teny ireo! Nieritreritra ny dikan’izy ireo ny olona, nandritra ny taonjato maro. Iza tokoa no antikristy? Rahoviana izy no ho tonga? Inona no hataony rehefa tonga izy?

MARO ny olona nolazaina fa antikristy. Nolazaina taloha fa “antikristy” ny Jiosy, ny Papa, ary ny mpanjaka romanina. Tsy nety niady tamin’ny anaran’ny eglizy, ohatra, ny Mpanjaka Frédéric II (1194-1250) tamin’ny ady nifanaovan’ny Kristianina sy ny Silamo. Nantsoin’ny Papa Grégoire Faha-9 hoe antikristy izy, ary naongany tsy ho anisan’ny eglizy. Mbola naongan’i Innocent Faha-4, mpandimby an’i Grégoire, indray izy avy eo. Noho izany, dia nilaza i Frédéric fa antikristy koa i Innocent.

Ny apostoly Jaona ihany no mpanoratra Baiboly nampiasa ny teny hoe “antikristy.” Miseho indimy izy io ao amin’ny roa amin’ireo taratasy mitondra ny anarany. Tanisaina eo amin’ilay efajoro ao ambadika, ireo andinin-teny misy an’io teny io. Hitantsika avy amin’ireo andininy ireo fa mpandainga sy mpamitaka ny antikristy, sady tapa-kevitra handrava ny fifandraisan’ny olona amin’i Kristy sy Andriamanitra. Nampirisika ny Kristianina toy izao àry ilay apostoly: “Ry malala, aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa eo amin’izao tontolo izao.”—1 Jaona 4:1.

Nampitandrina koa i Jesosy fa hisy mpamitaka, na mpaminany sandoka. Hoy izy: ‘Tonga eo aminareo [izy ireo], ary manao fitafian’ny ondry nefa amboadia mpiremby ao anatiny ao. Ireo voa izay vokariny [na ny asany] no hahafantaranareo tsara azy ireny.’ (Matio 7:15, 16) Nampitandrina an’ireo mpanara-dia azy momba ny antikristy koa ve i Jesosy? Andeha hojerentsika ny fomba hamantarana an’io mpamitaka ratsy fanahy io.