Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Ady Ataonay mba Hananana Finoana Matanjaka Foana

Ny Ady Ataonay mba Hananana Finoana Matanjaka Foana

Tantaram-piainana

Ny Ady Ataonay mba Hananana Finoana Matanjaka Foana

Notantarain’i Rolf Brüggemeier

Namana iray no nandefa taratasy voalohany ho ahy, tamin’izaho nigadra. Nilaza izy fa voasambotra koa ny reniko sy ireo zandriko lahy, dia i Peter sy Jochen ary Manfred. Ireo anabavikelinay roa sisa no tsy voasambotra taminay tao an-trano. Nahoana no nanenjika ny fianakavianay ny mpitondra tany Alemaina Atsinanana? Inona no nanampy anay hanana finoana matanjaka foana?

NILAMINA ny fahazazanay, nefa noravan’ny Ady Lehibe II izany. Hitan’ny masonay mihitsy fa tsy mifaditrovana ny ady. Miaramila tao amin’ny tafika alemà i Dada, ary maty rehefa lasa babo an’ady. Tsy maintsy nikarakara zaza enina àry i Neny, antsoina hoe Berta. Enina ambin’ny folo taona ny zanany voalohany, ary herintaona kosa ny farany.

Nahatonga an’i Neny ho diso fanantenana tanteraka tamin’ny fivavahana ny fiangonana nisy azy. Nanjary tsy te handre momba an’Andriamanitra intsony àry izy. Tonga teo am-baravaranay anefa indray andro, tamin’ny 1949, i Ilse Fuchs, mba hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Vehivavy kelikely mahalala fomba izay izy. Nahaliana an’i Neny ny fanontaniany sy ny fanazavany. Nanome fanantenana an’i Neny ny fianarana Baiboly.

Be fisalasalana anefa izahay zanany lahy, tamin’ny voalohany. Nampanantena zavatra be anay ny Nazia sy ny Kominista, nefa tsy nanatanteraka izany akory. Niahiahy an’izay fampanantenana vaovao rehetra àry izahay. Gaga anefa izahay rehefa nahafantatra fa nalefa tany amin’ny toby fitanana ny Vavolombelona sasany, satria tsy nety nanohana ny ady. Natao batisa ny taona nanaraka an’io, izahay sy Neny ary Peter.

Natao batisa koa i Manfred zandriko lahy, nefa toa tsy namaka tao am-pony ny fahamarinana. Noraran’ny Kominista ny asanay tamin’ny 1950, ary noteren’ny polisy miafina izy mba hilaza ny toerana fanaovana fivoriana. Nambarany ilay izy. Izay no nahatonga an’i Neny sy ireo rahalahiko hafa ho voasambotra.

Fanompoana nandritra ny fandrarana

Tsy maintsy nampiditra boky an-tsokosoko tany Alemaina Atsinanana izahay, noho ny fandrarana. Anisan’ny naka ny boky avy tany Berlin andrefana aho, satria tsy voarara ny bokintsika tany. Nitatitra azy ireny avy tany amin’ny sisin-tany aho. Imbetsaka aho no tafatsoaka ny polisy. Voasambotra ihany anefa aho tamin’ny Novambra 1950.

Nataon’ny polisy miafina tao amin’ny efitra kely ambanin’ny tany aho, sady tsy nisy varavarankely tao. Tsy navela hatory aho nandritra ny andro, ary nalaina am-bavany kosa nandritra ny alina, sady nokapohina indraindray. Tsy afaka nifandray tamin’ny fianakaviako aho, raha tsy tamin’ny Martsa 1951. Nanatrika ny fitsarana ahy mantsy tamin’io i Neny sy Peter ary Jochen. Voaheloka higadra enin-taona aho.

Voasambotra i Neny sy Peter ary Jochen, enina andro taorian’ilay fitsarana ahy. Mpiray finoana àry no nikarakara an’i Hannelore anabaviko, 11 taona. Ny nenitoako kosa no nandray an’i Sabine, 7 taona. Nentin’ny polisy miafina toy ny jiolahy raindahiny i Neny sy ireo rahalahiko, ka nesorina hatramin’ny tadin-kiraron’izy ireo. Tsy maintsy nitsangana foana izy ireo, nandritra ny fakana am-bavany. Voaheloka higadra enin-taona avy koa izy telo mianaka.

Nasaina nanamboatra toerana fiaingan’ny fiaramanidin’ny tafika izaho sy ny Vavolombelona gadra hafa, tamin’ny 1953, nefa tsy nety izahay. Natokan-toerana nandritra ny 21 andro àry izahay, ka tsy niasa, tsy nahazo taratasy, ary zara raha nomena sakafo. Nitahiry mofo avy tamin’ny anjara sakafo keliny ny anabavy sasany, ka nandefa izany an-tsokosoko ho anay. Izany no nahafantarako an’i Anni, ka lasa vadiko izy tatỳ aoriana. Navoaka ny fonja izy tamin’ny 1956, ary izaho kosa tamin’ny 1957. Teraka i Ruth zanakay vavy, herintaona taorian’ny mariazinay. Samy nanambady koa tamin’izay i Peter sy Jochen ary Hannelore.

Nosamborina indray aho, telo taona teo ho eo taorian’ny nivoahako ny fonja. Niezaka nandresy lahatra ahy mba ho mpamoaka tsiambaratelo, ny manamboninahitra iray tao amin’ny polisy miafina. Hoy izy: “Mieritrereta ihany ianao Atoa Brüggemeier. Fantatrao izany migadra izany, ary tsy tianay handalo an’izany indray ianao. Afaka ny ho Vavolombelona ihany ianao, manohy ny fianaranao, ary miresaka momba ny Baiboly araka izay tianao. Tianay fotsiny ny mba hahalala ny vaovao rehetra. Eritrereto ny vadinao sy ny zanakao vavikely.” Naharary ahy io teniny farany io. Fantatro anefa fa hahay hikarakara tsara kokoa ny fianakaviako noho izaho i Jehovah, na dia any am-ponja aza aho. Ary nanao izany tokoa izy!

Nandraman’ny manam-pahefana noterena hiasa tontolo andro i Anni, ka olon-kafa no hikarakara an’i Ruth mandritra ny herinandro. Nanda anefa i Anni, ka niasa alina mba hahafahany hikarakara an’i Ruth nandritra ny andro. Tena nanampy koa ireo mpiray finoana, ka nanome zavatra maro be ho an’ny vadiko. Afaka nizara zavatra sasany tamin’ny hafa mihitsy aza izy. Nigadra nandritra ny enin-taona latsaka kely aho, nandritra izany.

Fanatanjahana finoana tany am-ponja

Vao tonga tany am-ponja aho, dia may ny hahafantatra ny fanazavana nivoaka farany ireo Vavolombelona niray efitra tamiko. Tena faly aho, satria nianatra tsara Ny Tilikambo Fiambenana sy nanatrika fivoriana foana talohan’izay, ka afaka nampahery an’ireo rahalahy tany am-ponja!

Nangataka Baiboly tamin’ny mpiambina izahay, nefa hoy izy ireo: “Tena mampidi-doza ny manome Baiboly ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria toy ny manome fitaovana hamakiana ny fonja ho an’ny mpangalatra migadra izany.” Isan’andro dia nifidy andinin-teny hodinihina ireo rahalahy nitarika. Andininy ao amin’ny Baiboly àry no nahaliana anay nandritra ny fandehandehanana tany an-tokotany isan’andro, fa tsy dia ny fanatanjahan-tena sy ny fakan-drivotra loatra. Nahita fomba nampitana an’ilay andininy foana izahay, na dia tsy maintsy nielanelana dimy metatra aza, sady tsy nahazo niresaka. Atambatray ny zavatra ren’ny tsirairay, rehefa tonga tany amin’ny efitra figadrana izahay, ka tamin’izay no niarahanay nidinika ny andinin-teny ho an’ny andro.

Nisy nanoro tamin’ny mpiambina izahay, tatỳ aoriana, ka natokan-toerana aho. Faly be mihitsy aho satria nanjary nahay tsianjery andinin-teny an-jatony! Afaka nisaintsaina foto-kevitra ara-baiboly maro aho, tamin’izay. Nafindra tany amin’ny fonja hafa aho tatỳ aoriana, ary nampiarahina tamin’ny Vavolombelona roa. Tena faly izahay, satria nomen’ny mpiambina Baiboly. Faly erỳ aho fa afaka niresaka foto-kevitra ara-baiboly tamin’ny mpiray finoana indray, taorian’ny enim-bolana nanokanan-toerana ahy.

Hoy i Peter rahalahiko, momba ny zavatra nanampy azy hiaritra tany am-ponja: “Nalaiko sary an-tsaina ny fiainana any amin’ny tontolo vaovao, ary hevitra ara-baiboly foana no namenoako ny saiko. Nifampahery izahay Vavolombelona, ka nifametraka fanontaniana ara-baiboly, na nifanadina andinin-teny. Tsy mora ny fiainanay. Nisy 11 izahay indraindray no nafatratra tao amin’ny efitra iray 12 metatra toradroa. Tao no efitrano fisakafoana, sady fatoriana no fisasana, ary efitra fivoahana koa. Sarotra ny nifehy fahatezerana tamin’izany.”

Izao kosa ny tenin’i Jochen rahalahiko, momba ny fiainany tany am-ponja: “Nihira izay hira tsaroako tao amin’ny fihiranantsika aho. Nisaintsaina ny andinin-teny tsaroako aho isan’andro. Nitohy ny fahazarako nianatra Baiboly, rehefa nafahana aho. Miara-mamaky andinin-teny iray amin’ny fianakaviako aho isan’andro. Manomana ny fivoriana rehetra koa izahay.”

Navoaka ny fonja i Neny

Navoaka ny fonja i Neny, rehefa avy nigadra roa taona nahery kely. Afaka nampianatra Baiboly an’i Hannelore sy Sabine izy, ka nanararaotra izany mba hanampiana azy ireo hanana finoana mafy orina. Nampianariny azy ireo koa ny fomba hiatrehana zava-tsarotra any am-pianarana noho ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra. Hoy i Hannelore: “Tsy noraharahainay ny vokany, satria nifampahery izahay tao an-trano. Afaka niatrika zava-nanahirana izahay, satria nifandray tsara.”

Hoy ihany i Hannelore: ‘Nanome sakafo ara-panahy ho an’ireo anadahy tany am-ponja koa izahay. Nadikanay tanana sady nataonay soratra kely tamin’ny taratasy manokana, Ny Tilikambo Fiambenana iray manontolo. Nofonosinay tamin’ny taratasy tsy tantera-drano avy eo ilay izy, ary nampiarahinay tamin’ireo paiso tao anaty entan-kely fandefa isam-bolana. Nahafaly tokoa ny nandre hoe “natsiro” ireo paiso nalefanay. Variana tamin’izany asa izany izahay, ka tena nahafinaritra ny fiainana.’

Zavatra niainana nandritra ny fandrarana

Izao no nolazain’i Peter, momba ny fiainana nandritra ny fandrarana naharitra am-polony taona, tany Alemaina Atsinanana: “Olona vitsivitsy izahay no niara-nivory tany an-tranon’olona, ary nielanelana ny fahatongavanay sy ny fodianay. Nandritra ny fivoriana tsirairay izahay no nandamina ny fivoriana nanaraka. Nataonay tamin’ny alalan’ny fihetsika na soratra izany, satria natahorana foana sao nihaino resaka tany ambadika tany ny polisy.”

Hoy i Hannelore: “Nahazo kasety mirakitra fivoriambe izahay indraindray. Nahafinaritra foana ny fivoriana, vokatr’izany. Tonga mba hiara-mihaino fampianarana Baiboly nandritra ny ora maromaro izahay, izay vitsivitsy ihany. Tsy hitanay ireo mpandahateny, nefa nihaino tsara sy nandray an-tsoratra izahay.”

Hoy i Peter: “Niezaka mafy ireo rahalahy tany an-tany hafa mba hanomezana boky ara-baiboly ho anay. Nanamboatra boky tena kely ho anay izy ireo, nandritra ny folo taona tany ho any talohan’ny naharavan’ny Rindrin’i Berlin tamin’ny 1989. Nisy koa sahy nampiasa ny fiarany, ny volany, mbamin’ny fahalalahany mba hitaterana sakafo ara-panahy ho any Alemaina Atsinanana, na dia nety hampidi-doza aza izany. Tsy hita ilay mpivady nandrasanay, indray alina. Hay tratran’ny polisy ireo boky, ka nalain’izy ireo ny fiarany. Notandindomin-doza foana izahay. Tsy nieritreritra ny hampitsahatra ilay asa mihitsy anefa izahay mba hoe hampilamina kokoa ny fiainanay.”

Niverina tao amin’ny finoana indray i Manfred tatỳ aoriana. Izy ilay zandriko lahy namadika anay tamin’ny 1950. Notantarainy hoe inona no nanampy azy hiverina. Hoy izy: “Nifindra tany Alemaina Andrefana aho, rehefa avy nogadraina nandritra ny volana vitsivitsy. Niala tamin’ny fahamarinana aho avy eo. Niverina tany Alemaina Atsinanana aho tamin’ny 1954, ary nanambady afaka herintaona. Nandray ny fahamarinana ny vadiko, ka natao batisa tamin’ny 1957. Nanomboka nanenjika ahy ny eritreritro, taorian’izay. Nampian’ny vadiko aho, ka tafaverina teo anivon’ny fiangonana indray.”

“Nandray ahy tamim-pitiavana indray ireo rahalahy nahafantatra ahy taloha, ka toy ny hoe tsy nisy na inona na inona nitranga. Nahafinaritra tokoa ny nahazo tsikitsiky sy famihinana. Tena faly aho satria nifandray tamin’i Jehovah sy tamin’ireo rahalahiko indray.”

Mitohy ny ady ara-panahy

Tsy maintsy niady mafy hiaro ny finoana ny tsirairay tao amin’ny fianakavianay. Hoy i Peter: “Betsaka noho ny hatramin’izay ny fanelingelenana sy ny fakam-panahy ho matimatin-karena. Nianina tamin’izay nanananay izahay, nandritra ny fandrarana. Tsy nisy taminay, ohatra, te ho any amin’ny fianarana boky hafa, noho ny antony manokana fotsiny. Tsy nisy nitaraina koa hoe lavitra loatra na alina loatra ny fivoriana. Faly niara-nivory izahay rehetra, na dia niandry hatramin’ny 11.00 alina aza ny sasany, vao tonga ny anjara fialany tao amin’ny toeram-pivoriana.”

Nanapa-kevitra ny hifindra tany Alemaina Andrefana i Neny tamin’ny 1959, niaraka tamin’i Sabine, izay 16 taona tamin’izay. Te hanompo tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa izy ireo, ka nasain’ny biraon’ny sampana nankany Ellwangen, any Baden-Württemberg. Be zotom-po i Neny na dia tsy salama tsara aza, ka nandrisika an’i Sabine hanomboka ny asan’ny mpisava lalana izany, tamin’izy 18 taona. Rehefa lasa nanambady i Sabine, dia nianatra nitondra fiara i Neny, na dia efa 58 taona aza, mba hampitomboany ny asa fitoriany. Tiany io asa io, mandra-pahafatiny tamin’ny 1974.

Izaho kosa nafindra tany Alemaina Andrefana tamin’ny 1965, taorian’ny nigadrako fanindroany nandritra ny enin-taona latsaka kely. Tsy fantatry ny fianakaviako akory izany. Tonga tany amiko anefa i Anni vadiko sy Ruth zanakay, tatỳ aoriana. Nanontany ny biraon’ny sampana aho, raha afaka nanompo tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa izahay. Nasain’izy ireo nankany Nördlingen, any Bavière izahay. Tany no lehibe i Ruth sy Johannes anadahiny. Nanao ny asan’ny mpisava lalana i Anni, ka nanahaka azy koa i Ruth, raha vao vita ny fianarany. Nanambady mpisava lalana daholo izy mianadahy. Manan-janaka izy ireo izao, ka manan-jafikely enina mahafatifaty izahay.

Afaka nahazo fisotroan-dronono alohan’ny fotoana aho tamin’ny 1987, ka nanao mpisava lalana niaraka tamin’i Anni. Nasaina nankany amin’ny biraon’ny sampana tany Selters aho, telo taona tatỳ aoriana, mba hanampy tamin’ny fanitarana azy io. Nanampy tamin’ny fanorenana ny Efitrano Fivoriambe voalohany tany Alemaina Atsinanana izahay, taorian’izay. Tany Glauchau no nanorenana azy io. Tsy nantsoina hoe Alemaina Atsinanana intsony tany amin’iny faritra iny, tamin’izay. Lasa mpikarakara an’io Efitrano Fivoriambe io izahay tatỳ aoriana. Noho ny antony ara-pahasalamana anefa, dia niverina mba hiara-mipetraka amin’ny zanakay vavy eto amin’ny Fiangonana Nördlingen izahay, ary manao ny asan’ny mpisava lalana.

Tena faly aho satria mbola manompo an’i Jehovah Andriamanitsika lehibe foana, ny rahalahiko sy ny anabaviko rehetra ary ny ankamaroan’ny havako. Hitanay nandritra ny taona maro, fa marina ny teny ao amin’ny Salamo 126:3, raha mbola manana finoana matanjaka foana isika. Hoy izy io: “Zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika, ka dia faly isika.”

[Sary, pejy 13]

Tamin’ny mariazinay, 1957

[Sary, pejy 13]

Izaho sy ny fianakaviako tamin’ny 1948: (aloha, ankavia miankavanana) Manfred, Berta, Sabine, Hannelore, Peter; (aoriana, ankavia miankavanana) izaho sy Jochen

[Sary, pejy 15]

Boky tena kely nampiasaina nandritra ny fandrarana; fitaovana fihainoan-dresaky ny polisy

[Sary nahazoan-dalana]

Forschungs- und Gedenkstätte NORMANNENSTRASSE

[Sary, pejy 16]

Miaraka amin’ireo iray tam-po amiko: (anoloana, ankavia miankavanana) Hannelore sy Sabine; (aoriana, ankavia miankavanana) izaho, Jochen, Peter, ary Manfred