Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Efa Antomotra ny Andro Lehiben’i Jehovah”

“Efa Antomotra ny Andro Lehiben’i Jehovah”

“Efa Antomotra ny Andro Lehiben’i Jehovah”

“Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra.”—ZEFANIA 1:14.

1, 2. a) Inona ilay andro manokana andrasan’ny Kristianina? b) Inona avy no fanontaniana ilana valiny, ary nahoana?

TSINDRIAN-DAONA sy miramirana erỳ ny tovovavy iray miandry ny andron’ny mariaziny. Efa tsy andrin’ny vehivavy bevohoka iray ny fotoana hahaterahan’ny zanany kely. Maniry mafy ny ahatongavan’ny fotoam-pialan-tsasatra nandrasany hatry ny ela ny mpiasa iray efa trotraky ny havizanana. Inona no mampitovy an’ireo olona telo ireo? Samy miandry andro manokana izy ireo, ary hisy fiantraikany eo amin’ny fiainany ilay izy. Samy efa manantena mafy izy ireo, na dia zavatra samy hafa aza no andrasany. Ho avy ilay andro andrasany, ary mino izy ireo fa ho vonona rehefa tonga izy io.

2 Efa miandrandra mafy ny ahatongavan’ny andro manokana iray koa ny tena Kristianina ankehitriny. Tsy inona izany fa ny andro lehiben’i Jehovah. (Isaia 13:9; Joela 2:1; 2 Petera 3:12) Inona io “andron’i Jehovah” ho avy io, ary inona no ho vokatr’izy io eo amin’ny olombelona? Inona koa no tokony hataontsika mba ho vonona isika rehefa tonga izy io? Tsy maintsy mitady ny valin’ireo fanontaniana ireo dieny izao isika, satria voaporofo fa marina ireto tenin’ny Baiboly ireto: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra.”—Zefania 1:14.

“Ny andro lehiben’i Jehovah”

3. Inona no atao hoe “andro lehiben’i Jehovah”?

3 Inona no atao hoe “andro lehiben’i Jehovah”? Ao amin’ny Soratra Masina, ny hoe “andron’i Jehovah” dia fotoana manokana ampiharany ny didim-pitsarany amin’ny fahavalony, sy anomezany voninahitra ny anarany lehibe. Tonga tamin’ireo vahoaka nivadika tany Joda sy Jerosalema, sy ireo mponina tsy mifaditrovana tany Babylona sy Ejipta, ny “andron’i Jehovah”, rehefa nampihariny tamin’izy ireo ny didim-pitsarany. (Isaia 2:1, 10-12; 13:1-6; Jeremia 46:7-10) Mbola ho avy anefa ny lehibe indrindra amin’ny “andron’i Jehovah.” “Andro” ampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany amin’ireo manala baraka ny anarany izy io. Hanomboka izy io rehefa horavana i “Babylona Lehibe” na ny fivavahan-diso rehetra, ary hamarana azy io ny ady Hara-magedona izay handringanana ny sisa amin’ity tontolo ratsy ity.—Apokalypsy 16:14, 16; 17:5, 15-17; 19:11-21.

4. Nahoana ny ankamaroan’ny olona no tokony hatahotra ilay andron’i Jehovah izay mihamanatona haingana?

4 Tokony hatahotra an’io andro mihamanatona haingana io ny ankamaroan’ny olona, na fantany ilay izy na tsia. Nahoana? Namaly izany i Jehovah, tamin’ny alalan’i Zefania mpaminany. Hoy izy: “Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.” Mampahatahotra tokoa izany! Hoy koa ilay mpaminany: “Hampahory ny olona Aho ... satria efa nanota tamin’i Jehovah izy.”—Zefania 1:15, 17.

5. Nahoana no miandrandra mafy ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah ny olona an-tapitrisany?

5 Olon-kafa an-tapitrisany anefa no miandrandra mafy ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah. Nahoana? Satria fantatr’izy ireo fa fotoam-pamonjena sy fanafahana ny olona marina izy io. Hisandratra i Jehovah amin’izay, ary hohamasinina ny anarany be voninahitra. (Joela 4:16, 17; Zefania 3:12-17) Miankina be dia be amin’izay ataon’ny olona iray amin’izao fotoana izao no hatahorany na hiandrandrany ny andron’i Jehovah. Manao ahoana ny fihetseham-ponao rehefa mahafantatra fa mihamanatona izy io? Vonona ho amin’izy io ve ianao? Misy vokany eo amin’ny fiainanao isan’andro ve ny fahafantarana fa mananontanona ny andron’i Jehovah?

“Hisy mpaneso ho tonga haneso”

6. Manao ahoana ny toe-tsain’ny olona rehefa ilazana momba ny “andron’i Jehovah”? Ary nahoana izany no tsy mahagaga ny tena Kristianina?

6 Efa tena antomotra ny “andron’i Jehovah”, nefa tsy miraharaha izany ny ankamaroan’ny mponina eto an-tany. Esoin’izy ireo sy hanihaniany ny olona mampitandrina azy momba izany. Tsy mahagaga ny tena Kristianina anefa izany. Tsaroan’izy ireo ilay fampitandreman’ny apostoly Petera manao hoe: “Fantatrareo aloha izao: Amin’ny andro farany, dia hisy mpaneso ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany, ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niovan’ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’ ”—2 Petera 3:3, 4.

7. Inona no hanampy antsika tsy ho varimbariana?

7 Ahoana no hanoherantsika izany toe-tsaina ratsy izany, ka tsy ho varimbariana isika? Hoy i Petera: “Fampahatsiahivana koa no entiko hanairana ny fahaizanareo misaina tsara. Amin’izay dia ho tadidinareo ny teny efa voalazan’ny mpaminany masina sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy. Nampitainy tamin’ny alalan’ireo apostolinareo izany didy izany.” (2 Petera 3:1, 2) Hanampy antsika ‘hanaitra ny fahaizantsika misaina’ ny fanarahana ny fampitandreman’ireo mpaminany. Rentsika matetika angamba ireny fampahatsiahivana ireny. Vao mainka anefa tena iankinan’ny aintsika ny fanarahana azy ireny ankehitriny.—Isaia 34:1-4; Lioka 21:34-36.

8. Nahoana no tsy miraharaha ny fampahatsiahivan’ny Baiboly ny olona maro?

8 Nahoana ny olona sasany no tsy miraharaha ireny fampahatsiahivana ireny? Hoy ihany i Petera: “Minia tsy mahalala izy ireo fa efa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany nifatratra tsara nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.” (2 Petera 3:5, 6) Tsy maniry ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah tokoa ny olona sasany. Tsy tiany hisy zavatra hanembantsembana ny fiainany. Tsy te hampamoahin’i Jehovah noho ny fomba fiainany feno fitiavan-tena izy ireo! “Mandeha araka ny faniriany” izy ireo, araka ny nolazain’i Petera.

9. Nanao ahoana ny olona tamin’ny andron’i Noa sy tamin’ny andron’i Lota, rehefa nomena fampitandremana?

9 “Minia” tsy mahalala ireo mpaneso ireo fa efa nisalovana tamin’ny raharahan’ny olombelona i Jehovah taloha. Niresaka zava-nitranga roa tamin’ny andro fahiny i Jesosy Kristy sy ny apostoly Petera. Izany dia “ny andron’i Noa” sy “ny andron’i Lota.” (Lioka 17:26-30; 2 Petera 2:5-9) Tsy niraharaha ny fampitandreman’i Noa ny olona, talohan’ny Safodrano. Toy izany koa talohan’ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora. “Nataon’ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy” i Lota.—Genesisy 19:14.

10. Inona no hataon’i Jehovah amin’ireo tsy miraharaha fampitandremana?

10 Tsy misy hafa amin’izany ny ankehitriny. Mariho anefa izay hataon’i Jehovah amin’ireo tsy miraharaha fampitandremana: “Hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ny faikany, dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy. Ka dia ho tonga babo ny fananan’ireny, ary ho lao ny tranony; dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.” (Zefania 1:12, 13) Hifidy hanohy ny fiainana mahazatra azy angamba ny olona, saingy tsy hitondra soa maharitra ho azy ny asa mafy ataony. Nahoana? Satria ho avy tampoka ny andron’i Jehovah, ary tsy hamonjy azy ireo izay harena rehetra mety ho voangony.—Zefania 1:18.

“Andraso ihany”

11. Inona no fampitandremana tokony hotadidintsika?

11 Tsy maintsy mitadidy ny fampitandremana nosoratan’i Habakoka mpaminany isika, fa tsy toa an’ireo ratsy fanahy eto amin’ity tontolo ity. Hoy i Habakoka: “Ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Habakoka 2:3) Tsy lavorary isika ka mety hieritreritra fa mitaredretra ny andron’i Jehovah. Tsy maintsy tadidintsika anefa fa tsy mba ela izy. Ho tonga ara-potoana ny androny, ary amin’ny ora tsy ampoizin’ny olombelona.—Marka 13:33; 2 Petera 3:9, 10.

12. Inona no nampitandreman’i Jesosy? Hanao ahoana kosa ireo mpanara-dia azy mahatoky?

12 Zava-dehibe foana ny hiandrasana ny andron’i Jehovah. Mba hanamafisana izany, dia nampitandrina i Jesosy fa hisy ho varimbariana na dia ny mpanara-dia azy aza. Niresaka mialoha momba azy ireny izy, ka nanao hoe: “Raha toa ... ilay mpanompo ratsy fanahy ka manao anakampo hoe: ‘Maharitra ela ny tompoko’, ary manomboka mikapoka ny mpanompo hafa izy ka miara-mihinana sy misotro amin’ny mamo lava, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompony, ka hanasazy azy faran’izay mafy.” (Matio 24:48-51) Tsy toy izany kosa anefa ny mpanompo mahatoky sy malina, fa vonona foana ho amin’ny andron’i Jehovah. Miambina hatrany io mpanompo io sady miomana, ka notendren’i Jesosy “hikarakara ny fananany rehetra” eto an-tany.—Matio 24:42-47.

Nahoana isika no mila ny ho vonona foana?

13. Ahoana no nanantitranteran’i Jesosy fa nila ny ho vonona foana ny Kristianina?

13 Nila ny ho vonona foana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nila niala tao Jerosalema avy hatrany izy ireo, rehefa nahita “miaramila nitoby nanodidina” an’ilay tanàna. (Lioka 21:20, 21) Tonga tokoa ny miaramila tamin’ny taona 66. Nanantitrantitra i Jesosy fa nila nanao zavatra avy hatrany ny Kristianina, tamin’io fotoana io. Hoy izy: “Aoka izay eo an-tampon-trano tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony, ary aoka izay any an-tsaha tsy hiverina ao an-trano haka ny akanjony ivelany.” (Matio 24:17, 18) Asehon’ny tantara fa efa-taona, tatỳ aoriana, vao rava i Jerosalema. Nahoana anefa no nila nanaraka avy hatrany ny tenin’i Jesosy ny Kristianina, tamin’ny taona 66?

14, 15. Nahoana no tsy maintsy nanao zavatra avy hatrany ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nahita miaramila nitoby nanodidina an’i Jerosalema?

14 Marina fa tsy nandrava an’i Jerosalema ny Romanina raha tsy tamin’ny taona 70. Tsy hoe nilamina anefa ireo efa-taona talohan’izay. Feno herisetra sy ra nandriaka ireo taona ireo. Nilaza momba ny zava-nitranga tao Jerosalema ny mpahay tantara iray. Hoy izy: “Nahatsiravina ny ady an-trano [tamin’izany] sady nandriaka ny ra. Teo koa ny habibiana nampihoron-koditra.” Nantsoina ireo tovolahy mba hanamafy ny fiarovana ny tanàna, sy hitam-piadiana, ary hanompo tao amin’ny tafika. Nampanaovina fanazaran-tena ho amin’ny ady izy ireo isan’andro. Noheverina ho mpamadika izay olona tsy nandray anjara tamin’ilay herisetra. Tena nety ho nidiran-doza àry ny Kristianina, raha nitaraikiraiky tao amin’ilay tanàna.—Matio 26:52; Marka 12:17.

15 Tsara homarihina fa tsy ireo olona tao Jerosalema ihany no nasain’i Jesosy nandositra, fa ireo “tany Jodia” koa. Tena zava-dehibe ny nankatoavana izany, satria nanafika indray ny miaramila romanina, volana vitsivitsy taorian’ny nialany tao Jerosalema. Notafihiny aloha i Galilia ka resy tamin’ny taona 67, ary notafihiny indray avy eo i Jodia ka resy ny taona nanaraka. Niteraka fahoriana be nanerana ilay faritra izany. Nanjary tena sarotra tamin’ireo Jiosy koa ny niala tao Jerosalema. Nambenana mantsy ny vavahadin’ny tanàna, ary noheverina ho mpiandany tamin’ny Romanina izay olona nitady hiala tao.

16. Nila nanana toe-tsaina nanao ahoana ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, mba hahatonga azy ireo ho tafavoaka velona tamin’ilay fahoriana?

16 Tsy mahagaga àry raha nanantitrantitra i Jesosy fa nilaina ny nanao zavatra avy hatrany. Tsy tokony ho variana tamin’ny fananany ny Kristianina. Tsy maintsy vonona ny ‘hahafoy ny fananany rehetra’ izy ireo, mba hankatoavana ny fampitandreman’i Jesosy. (Lioka 14:33) Voavonjy ireo nankatò avy hatrany, sy nandositra tany ampitan’i Jordana.

Aoka isika ho vonona foana

17. Nahoana isika no vao mainka tokony ho vonona foana ankehitriny?

17 Hita amin’ireo faminanian’ny Baiboly fa efa tena akaiky ny farany. Vao mainka àry isika tokony ho vonona foana. Tsy tsapan’ny miaramila ny fitaintainana sy ny loza amin’ny ady rehefa mandry ny tany. Raha amin’izy varimbariana sy tsy miomana iny anefa no voantso tampoka hiady, dia azo antoka fa tsy ho vonona izy, ary mety hamoizany ny ainy izany. Mitovy amin’izany koa ny amintsika Kristianina. Mety tsy ho vonona hiaro tena amin’ireo fanafihana mihatra amintsika isika, raha manjary varimbariana, ka ho tampoka amintsika ny andron’i Jehovah. (Lioka 21:36; 1 Tesalonianina 5:4) Izao no fotoana hitadiavana an’i Jehovah indray, ho an’ireo ‘nihemotra [sy] niala taminy.’—Zefania 1:3-6; 2 Tesalonianina 1:8, 9.

18, 19. Inona no hanampy antsika hanao an-tsaina hatrany “ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah”?

18 Tsy mahagaga àry raha mampirisika antsika hanao an-tsaina “ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah” ny apostoly Petera! Inona no hanampy antsika hanao izany? Ilaina aloha ny maneho ‘fitondran-tena masina sy fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.’ (2 Petera 3:11, 12) Aoka isika ho be atao foana eo amin’ny asan’Andriamanitra, fa hanampy antsika hiandrandra mafy “ny andron’i Jehovah” izany. Midika ara-bakiteny hoe “manafaingana”, ilay teny grika nadika hoe “manao an-tsaina foana.” Mazava ho azy fa tsy afaka manafaingana ny fotoana isika mba hahatongavan’ny andron’i Jehovah aloha kokoa. Ho toy ny misosa haingana kokoa anefa ny fotoana iandrasantsika, raha be atao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra isika.—1 Korintianina 15:58.

19 Hanampy antsika koa ny fisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampahatsiahivana raketiny. Amin’izay isika dia ‘hampahafaingana [na haniry mafy] ny hihavian’ny andron’Andriamanitra’, eny, ‘hiandry [azy io] foana.’ (2 Petera 3:12, Fandikan-teny Protestanta sy fanamarihana ambany pejy; Ny Testamenta Vaovao, anglisy, nosoratan’i William Barclay) Anisan’ireny fampahatsiahivana ireny ny faminaniana maro manambara ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah, sy ireo faminaniana milaza ny fitahiana tondraka hirotsaka amin’ireo ‘miandry an’i Jehovah.’—Zefania 3:8.

20. Inona no fampirisihana tokony horaisintsika am-po?

20 Izao tokoa no fotoana tokony handraisantsika am-po an’izao fampirisihana nomena tamin’ny alalan’i Zakaria mpaminany izao: “Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah. Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”—Zefania 2:2, 3.

21. Inona foana no hotadidin’ny vahoakan’Andriamanitra mandritra ny taona 2007?

21 Tena mety tokoa àry ilay andinin-teny nofidina ho an’ny taona 2007, manao hoe: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah.” Miaiky ny vahoakan’Andriamanitra fa “efa antomotra sady mihafaingana indrindra” izy io. (Zefania 1:14) “Ho avy tokoa izy ka tsy hijanona”, izany hoe tsy ho tara. (Habakoka 2:3) Eo am-piandrasana azy io àry, dia enga anie hotadidintsika foana fa miaina amin’ny vanim-potoana manokana isika. Tadidio hatrany fa efa antomotra ny fahatanterahana faran’ireo faminaniana ireo!

Hainao Valiana Ve?

• Inona no atao hoe “andro lehiben’i Jehovah”?

• Nahoana ny olona maro no tsy miraharaha fa akaiky ny farany?

• Nahoana ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no nila ny ho vonona hanao zavatra avy hatrany?

• Inona no hanampy antsika tsy ho varimbariana ka hitadidy foana fa akaiky ny farany?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 19]

Izao no andinin-teny ho an’ny taona 2007: “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah.” —Zefania 1:14.

[Sary, pejy 16, 17

Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho tampoka amin’ireo mpaneso ny andron’i Jehovah

[Sary, pejy 18]

Tsy maintsy nanao zavatra avy hatrany ireo Kristianina rehefa nahita “miaramila nitoby nanodidina” an’i Jerosalema