Fitoriana ny Vaovao Tsara any Haïti
Fitoriana ny Vaovao Tsara any Haïti
IHAÏTI sy ny Repoblika Dominikanina no atao hoe Hispaniola. Any amin’io nosy mafana io no misy ny tendrombohitra avo indrindra any amin’ny faritr’i Karaiba. Maromaro aminy no manana haavo 2 400 metatra mahery. Mety hisy fanala na lanezy ireo farihy kely eny amin’ny faritra avo, rehefa “mangatsiaka” ny andro.
Feno ala mikitroka ny tendrombohitra sy ny lohasaha any atsimon’i Haïti. Ripaka kosa ny ala any an-toeran-kafa, ka mangadihady sy mila ho ngazana ary lasa miranirany ireo tendrombohitra. Ho hitanao fa kanto i Haïti na mianavaratra ianao na mianatsimo. Hahatazana ranomasina sy toerana mahafinaritra samihafa ianao, avy eny amin’ny lalana tery sy miolakolaka sasany eny an-tendrombohitra. Hahita voninkazo miloko marevaka sy isan-karazany ianao na aiza na aiza.
Mipetraka any ambanivohitra ny ankamaroan’ireo mponina 8 300 000 any amin’io nosy feno zava-mahaliana io. Afrikanina ny razamben’izy ireo. Mahantra ny ankabeazany, nefa tsara fanahy sy mahay mandray vahiny. Efa 60 taona teo ho eo izao no mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra any Haïti ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tena mandray tsara ny olona.—Matio 24:14.
Fitoriana any ambanivohitra
Mahazatra ny mpitory ny zavatra hitan’ny misionera iray, tamin’izy nitory voalohany tany ambanivohitra. Izao no notantarainy:
“Nitory tany Casale izahay, tamin’ny Martsa 2003. Lalana antsasak’adiny avy eo amin’ny tranon’ny misionera ipetrahanay ao Cabaret izy io. I Cabaret kosa 30 kilaometatra avy ao Port-au-Prince renivohitra. Tamin’ny 1999 no nitory farany tany Casale ny Vavolombelona, ka tsindrian-daona erỳ izahay 22 rehefa niainga ho any, tamin’ny fito ora maraina. Efa ho ny mpitory rehetra tao amin’ny fiangonanay izany. Fiara roa tsy mifidy lalana no nandehananay. Nafana erỳ ny resaka ary nihomehy daholo izahay, rehefa nidina ilay lalan-tany mitsontsorika be nankeo amin’ny lohasaha misy ny tanàna kelin’i Casale ny fiaranay. Feno hazo vaventy ilay toerana, ary nisy renirano namakivaky ilay tanàna.”
“Taoriana kelin’ny 1800 no nanomboka nisy io tanàna milamina io. Nisy miaramila poloney tonga tany Haïti tamin’izany, mba hanampy an’ireo andevo fahiny nonina tao hahazo fahaleovan-tena. Nipetraka tao amin’io lohasaha lonaka io izy ireo ary nanambady tao, ka niteraka metisy tsara tarehy. Ao, ohatra, ny fotsy hoditra, ny zarazara, ireo manana maso maitso na volontany. Mahavariana erỳ ny mahita azy ireo!”
“Tsy liana tamin’ny hafatra nentinay ny olona tao amin’ny trano voalohany nitorianay. Rehefa niala teo anefa izahay, dia nisy rangahy nanatona anay teny an-dalana. Tiany ho fantatra raha tsy mitovy i Jesosy sy Andriamanitra aminay. Nasainay naka ny Baiboliny izy, ary niara-nidinika izahay. Niaiky izy avy eo fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ary i Jehovah no ‘ilay hany Andriamanitra marina.’ (Jaona 17:3) Olona maro no nanasa anay hipetrapetraka sy hiara-miresaka tamin’izy ireo. Nisy nanontany hoe: ‘Rahoviana indray ianareo no hiverina hampianatra Baiboly anay?’ ”
“Nahita toerana malomaloka tsara izahay tamin’ny 12 ora, ka nisakafo antoandro teo. Nisy rahavavy roa nitondra trondro iray vilany. Natsiro be ilay izy! Nijanona kely teo izahay sady niresadresaka, ary nitory tamin’izay olona nandalo. Nitory teny ampitan’ilay renirano izahay, avy eo. Tianay ny niresaka tamin’ireo olona sariaka, nipetrapetraka teny ambany hazo teny an-tokotaniny. Tsotra dia tsotra ny tranon’izy ireo. Nahafinaritra erỳ ny nandre ny feon’ireo ankizy milalao, ny vehivavy manasa lamba eo amin’ilay renirano, ary ireo vehivavy be taona mitoto kafe!”
“Vetivety dia tonga ny tamin’ny efatra ora hariva. Namonjy ny fiaranay hody any Cabaret izahay, sady falifaly. Tena nahafinaritra ahy sy ny vadiko iny dianay voalohany tany Casale iny. Mahay mandray vahiny sy sariaka erỳ ny olona any!”
Tamin’ny 1945 no tonga voalohany tany Haïti ny misionera vavolombelona. Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana any, nanomboka tamin’io. Misy 14 000 eo ho eo izao izy ireo, ary 22 000 mahery ny olona ampianarina Baiboly. Misy heriny eo amin’ireo olona 59 372 nanatrika ny Fahatsiarovana, tamin’ny Martsa 2005, ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fantatry ny olona tsara ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra ataon’izy ireo. Ireto misy tantara mampiseho izany.
Fitoriana ny vaovao tsara amin’ny alalan’ny hoso-doko
Tia loko marevaka ny ankabeazan’ny olona any Haïti. Hita izany amin’ny fitafiany, ny lokon-tranony, ny karazam-boninkazo eny an-jaridainany, ary ny asa tanany. Aseho eran’ny araben’i Port-au-Prince ireo sary hoso-doko marevaka atao hoe L’art haïtien, vita eo an-toerana. Olona avy any amin’ny tany samihafa no tonga mividy azy ireny.
Tsy ny sary hoso-doko ihany no miloko marevaka. Feno bisy misy sarisary miloko isan-karazany koa eny amin’ny araben’i Port-au-Prince. Matetika izy ireny no sarin’ireo olona voatantara ao amin’ny Baiboly.
Mety hisy sary efa mahazatra anao, toy ny sarin’i Adama sy Eva tao Edena, ohatra, aorian’ny bisy iray mandalo tampoka eo anoloanao. Ahitana andinin-teny na teny filamatra misy ny anaran’i Jehovah mazàna ireny fiara ireny sy ny toerana fanaovana raharaham-barotra.
Fitoriana ny vaovao tsara any am-pianarana
Mahita fomba tsara hanampiana ny mpiara-mianatra aminy hianatra Baiboly ny tanora vavolombelona any Haïti. Mitantara toy izao, ohatra, ny tovovavy vavolombelona iray 17 taona:
“Nanatona ahy ny ankizilahy iray mpiara-mianatra tamiko, indray andro, ary nanontany hoe inona no atao hoe ‘fijangajangana.’ Noheveriko fa hanadala ahy izy, ka tsy noraharahaiko. Nanontany ankizilahy iray anefa izy, ka nanjary nahaliana ny iray kilasy ilay resaka. Nanao famelabelarana tao am-pianarana àry aho ny herinandro nanaraka, rehefa avy nanao fikarohana momba ilay loha hevitra. Nohazavaiko hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miezaka mafy mba hadio amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana.”
“Nametraka fanontaniana maro ny ankizy, ary neken’izy ireo ny valiny nasehoko avy tao amin’ny Baiboly. Nametraka fanontaniana maro koa ny tale, na dia tsy tena nazoto tamin’ilay resaka aza izy tamin’ny voalohany. Nasainy niresaka ilay loha hevitra tany amin’ny kilasy hafa mihitsy aho, avy eo. Nasehoko azy ireo ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, * ka maro no liana tamin’ilay izy. Boky 45 no voapetrako tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko ny ampitso. Maro no nahavaky an’ilay izy haingana. Miara-mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelona eny akaikiny izao ny ankizy sasany. Efa manatrika ny fivoriana rehetra ny mpiara-mianatra amiko anankiray eny akaikinay.”
Fampiasana teny kreôla
Samy hafa loko ny olona any Haïti. Maro ny zavatra mahaliana any. Anisan’izany ny teny kreôla fampiasa any. Teny frantsay mifangaro amin’ny fitsipi-pitenenana avy atsy Afrika Andrefana izy io. Io no fitenin-drazan’ny olona any sy tena manohina ny fony. Miezaka mamoaka boky sy gazety maro amin’io fiteny io ny Vavolombelona, ary io no fiteny tena ampiasainy rehefa mitory.
Nadika tamin’ny fiteny kreôla any Haïti ilay bokikely hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, tamin’ny 1987. Nadika koa ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, taorian’izay, ary ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? avy eo. Tena manampy an’ireo vao mianatra Baiboly sy maniry hanana fahalalana fototra ny Tenin’Andriamanitra ireo boky ireo. Navoaka tamin’ny teny kreôla any Haïti koa Ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2002. Maro no tia mamaky azy ireny amin’ny fiteniny, na dia mbola ampiasaina ihany aza ireo boky sy gazety amin’ny teny frantsay.
Fitoriana ny vaovao tsara any am-ponja
Vao haingana izay dia mitory ny vaovao tsara any amin’ireo fonja any Haïti ny Vavolombelona. Mahafaly azy ireo ny mitondra hafatra mampionona amin’ireo olona ao anatin’ny toe-javatra tena mampalahelo toy izany. Hoy ny rahalahy iray:
“Tamin’izahay tonga voalohany tao amin’ny fonja iray, dia nasaina nankao amin’ny efitra lehibe iray ireo voafonja mba hihaona taminay. Nanahy izahay hoe hanao ahoana ny ho fandraisan’izy ireo anay. Nandray anay tsara ireo voafonja 50 tao, rehefa nohazavainay fa tonga hampianatra Baiboly azy ireo izahay. Nasehonay azy ireo avy eo ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra sy Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, amin’ny teny kreôla, ary nanomboka nianatra Baiboly ny 26 taminy. Tsy nahay taratasy ny folo taminy, nefa liana izy ireo rehefa nohazavainay ny fomba hampiasana ireo sary ao anatin’ireo bokikely mba hahaizana ny hevitr’ireo teny.”
Hoy ny lehilahy iray, rehefa niverina nitsidika an’ireo voafonja ny Vavolombelona: “Novakiko
imbetsaka ilay bokikely, ary noeritreretiko foana ny voalaza tao anatiny. Tsy andriko ny hiverenanareo.” Nilaza kosa ny jiolahy iray mpampiasa fitaovam-piadiana fa te hiova. Niangaviany koa ireo Vavolombelona mba handefa olona hampianatra Baiboly ny vadiny. Tian’ny lehilahy iray manan-janaka roa hisy hitsidika koa ny vadiny, mba hahafantaran’izy io ny tsy fitovian’ny fivavahana marina sy diso. Nilaza ny pasitera protestanta iray, nanodinkodim-bola be tao amin’ny fiangonany, fa hitany izao ny fahamarinana ka hanampy an’ireo mpiangona ao amin’ny fiangonany ho lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, rehefa vita ny saziny.Tsy nanana bokikely Takina tamin’ny teny kreôla ny voafonja iray, ka ny an’ilay mpiray efitra taminy no nadikany manontolo, ary nataony tsianjery. Nisy vehivavy hafa iray nanomboka niresaka izay nianarany tamin’ny vehivavy sivy mpiara-migadra aminy, ary nampianatra Baiboly azy ireo mihitsy. Nianatra ny bokikely Takina hatramin’ny farany kosa ny lehilahy iray, ary nifindra tamin’ny boky Fahalalana avy eo. Nanomboka nitory tamin’ny voafonja hafa izy, ary tsy ela dia nampianariny Baiboly ny efatra tamin’ireo.
Efa nianatra Baiboly i Mercony * taloha, ary manana havana Vavolombelon’i Jehovah. Nampirisihiny hamaky an’ireo boky sy gazety ara-baiboly nentin’ny havany ho azy ny voafonja hafa. Hoy izy: “Antsoin-dry zareo hoe Vavolombelon’i Jehovah aho rehefa manome boky sy gazety azy ireo. Ilazako izy ireo fa tsy izy aho, satria fantatro hoe olona manao ahoana izany Vavolombelona izany. Hianatra [Baiboly] tsara amin’izay aho izao, ary hiroso ho amin’ny batisa. Tsy ho nigadra toy izao aho raha nanahaka ny zokiko lahy tamin’izaho mbola tanora kokoa.”
Hoy ny voafonja iray nomen’i Mercony boky sy gazety tamin’ilay Vavolombelona nitsidika an’i Mercony: “Ketraka mafy aho ka nieritreritra ny hamono tena, talohan’ny nahatongavanao tamin’ny alatsinainy. Rehefa avy namaky ireo boky sy gazety anefa aho, dia nifona tamin’Andriamanitra noho ny ratsy vitako, ary nangataka taminy mba handefasany olona hanoro ahy ny lalana tsara. Tena tsy hitako mihitsy izay hilazana ny hafaliako rehefa tonga ianao ny ampitson’iny, ka nanasa ny voafonja hianatra Baiboly! Tiako raha mba hampianarinao ny fomba hanompoana an’i Jehovah aho.”
Mampita ny vaovao tsara amin’ny olona maro ny Mifohaza!
Miresaka momba ny asan’ny mpitsabo mpanampy ny Mifohaza! (frantsay) 8 Novambra 2000. Nahazo 2 000 tamin’izy io ny vehivavy iray, ary nozarainy tamin’ny mpitsabo mpanampy nanatrika seminera tao Port-au-Prince. Nozaraina tamin’ny polisy nanerana an’i Port-au-Prince koa ny Mifohaza! 8 Aogositra 2002, izay niresaka momba ny polisy sy ny asany. Tian’izy ireo io gazety io, ka mangataka maro kokoa amin’izy io mihitsy aza ny sasany aminy hatramin’izao, rehefa mahita Vavolombelona eny an-dalana.
Nikarakara hetsika ny tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, vao haingana, mba hampahafantarana ny olona momba ny SIDA. Nasaina ho any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary naseho azy ny lahatsoratry ny Mifohaza! miresaka momba ny SIDA. Gaga be izy rehefa nahita lahatsoratra ara-baiboly manoro ny fomba tsara indrindra iadiana amin’ny SIDA, sy ny fomba anampiana an’ireo olona voa mba hiatrika izany. Nilaza izy fa loha laharana ny Mifohaza! tamin’ny fanomezana fanazavana momba ilay foto-kevitra.
Mampiasa fomba samihafa tokoa ny Vavolombelona any Haïti mba hitoriana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana, ao amin’io tany feno zava-mahaliana io. Toy izany koa no ataon’ny Vavolombelona any amin’ny tany 234 hafa. Maro no mandray tsara ilay hafatra mitondra fanantenana, ka tsy mifantoka intsony amin’ny olana mahazo azy, fa miandrandra ny tontolo vaovao. Hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra ny olona rehetra amin’izay, ary ho tonga lafatra tanteraka ny fiainana.—Apokalypsy 21:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 20 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny boky sy gazety voaresaka ato amin’ity lahatsoratra ity.
^ feh. 29 Novana ny anarana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 9]
Sary eo an-damosina: ©Adalberto Rios Szalay/photodisc/age fotostock