Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Hanao Izay Hampiharana ny Rariny’ i Jehovah

‘Hanao Izay Hampiharana ny Rariny’ i Jehovah

‘Hanao Izay Hampiharana ny Rariny’ i Jehovah

“Tsy hataon’Andriamanitra ... ve izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina.”—LIOKA 18:7.

1. Iza ireo olona hitanao fa mampahery eo anivon’ny fiangonana, ary nahoana?

MISY rahalahy sy anabavy efa nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy an-taonany maro, eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Fantatrao ve ny sasany amin’izy ireny? Tonga ao an-tsainao angamba ny anabavy zokiolona iray. Efa taona maro lasa izay no nanaovana batisa azy, nefa mahalana izy vao tsy tonga mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana. Mety hieritreritra rahalahy iray efa zokiolona koa ianao. Manompo miaraka amin’ny fiangonana foana izy isan-kerinandro, ary efa am-polony taona no nanaovany izany. Efa ela ny fotoana noeritreretin’ny ankamaroan’izy ireny hoe hahatongavan’ny Hara-magedona. Mbola matoky ny fampanantenan’i Jehovah foana anefa izy ireo, sady tapa-kevitra ny ‘hiaritra hatramin’ny farany’, na dia mbola eo aza ity tontolo ratsy ity. (Matio 24:13) Tena mampahery ny fiangonana manontolo ny finoana matanjaka ananan’ireny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ireny.—Salamo 147:11.

2. Inona no zava-misy mampalahelo antsika?

2 Mety hifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy indraindray. Nisy Vavolombelona nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro, nefa nihanalemy finoana tatỳ aoriana, ary tsy niaraka tamin’ny fiangonana kristianina intsony. Mampalahelo rehefa misy namantsika mandao an’i Jehovah. Tena irintsika ny hanampy hatrany ny tsirairay amin’ireny “ondry very” ireny, mba hiverenany indray ao amin’ny andian’ondry. (Salamo 119:176; Romanina 15:1) Misy tokoa ny Vavolombelona tsy mivadika sy be zotom-po hatrany. Ny hafa kosa nihanalemy finoana, ka tsy miaraka amin’ny fiangonana intsony. Mahatonga antsika hanontany tena izany hoe: Inona no nanampy ny Vavolombelona maro hatoky hatrany ny fampanantenan’i Jehovah, nefa ny hafa tsy mba toy izany? Inona no azontsika tsirairay atao, mba hatokisantsika hatrany fa efa antomotra “ny andro lehiben’i Jehovah”? (Zefania 1:14) Andeha isika handinika fanoharana iray ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka.

Fampitandremana ho an’ireo miaina amin’ny fotoana ‘ahatongavan’ny Zanak’olona’

3. Iza indrindra no afaka mandray lesona avy amin’ilay fanoharana momba ilay vehivavy mpitondratena sy ilay mpitsara, ary nahoana?

3 Hitantsika ao amin’ny Lioka toko faha-18, ny fanoharan’i Jesosy momba ny vehivavy iray mpitondratena sy ny mpitsara iray. Mitovitovy amin’izy io ilay fanoharana momba ilay lehilahy be fikirizana, voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. (Lioka 11:5-13) Asehon’ny teny manodidina anefa, fa mihatra indrindra amin’ireo olona miaina amin’ny fotoana ‘ahatongavan’ny Zanak’olona’ io fanoharana io. Nanomboka tamin’ny 1914 izany fotoana izany, rehefa nandray fahefana i Jesosy.—Lioka 18:8. *

4. Inona no nohazavain’i Jesosy talohan’ny nilazany an’ilay fanoharana ao amin’ny Lioka toko faha-18?

4 Nohazavain’i Jesosy, talohan’ny nilazany an’ilay fanoharana, fa hiharihary toy ny “tselatra” izay “manazava any amin’ny faritra iray ambanin’ny lanitra ka hatrany amin’ny faritra hafa ambanin’ny lanitra”, ny famantarana fa efa manjaka izy. (Lioka 17:24; 21:10, 29-33) Tsy hiraharaha izany porofo mibaribary izany anefa ny ankamaroan’ny olona miaina amin’ny “andro farany.” (Daniela 12:4) Nahoana? Toy izay nitranga tamin’ny andron’i Noa sy Lota ihany. Nanao tsinontsinona ny fampitandreman’i Jehovah izy ireo, ka ‘nihinana, nisotro, nividy, nivarotra, namboly ary nanorina trano, mandra-pahatongan’ilay andro nandringanana azy rehetra.’ (Lioka 17:26-29) Namoy ny ainy izy ireo, satria variana loatra tamin’ny fiainany andavanandro, ka tsy niraharaha ny sitrapon’Andriamanitra. (Matio 24:39) Izany koa no ataon’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Variana loatra amin’ny fiainany andavanandro izy ireo, ka tsy mahita ny porofo mampiseho fa haringana tsy ho ela ity tontolo ratsy ity.—Lioka 17:30.

5. a) Iza no nomen’i Jesosy fampitandremana, ary nahoana? b) Nahoana ny Kristianina sasany no nihanalemy finoana?

5 Hita fa nanahy ny amin’ny mpanara-dia azy i Jesosy. Mety ho varimbariana amin’ity tontolon’i Satana ity koa mantsy izy ireo, ka “hiverina any amin’izay zavatra any aoriany” mihitsy aza. (Lioka 17:22, 31) Ary izany tokoa no nitranga tamin’ny Kristianina sasany. Efa an-taonany maro no niandrasan’izy ireny ny fotoana handringanan’i Jehovah an’ity tontolo ratsy ity. Kivy anefa izy ireo, rehefa tsy tonga tamin’ny fotoana noeritreretiny ny Hara-magedona. Nanjary tsy natokisany firy intsony hoe efa akaiky ny andro fitsaran’i Jehovah. Tsy narisika tamin’ny fanompoana intsony izy ireo, ary lasa variana tanteraka tamin’ny fiainana andavanandro, ka zara raha nanam-potoana hanaovana ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Lioka 8:11, 13, 14) ‘Niverina tany amin’izay zavatra any aoriany’ izy ireo, rehefa nandeha ny fotoana. Mampalahelo tokoa izany!

Nahoana no ilaina ny ‘mivavaka mandrakariva’?

6-8. a) Tantarao ilay fanoharana momba ilay vehivavy mpitondratena sy ilay mpitsara. b) Ahoana no nanazavan’i Jesosy ny hevitra tiany hampitaina tamin’ilay fanoharana?

6 Inona no tokony hataontsika, raha tiantsika ny hatoky foana fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah? (Hebreo 3:14) Nametraka io fanontaniana io i Jesosy, rehefa avy nampitandrina ny mpianany mba tsy hiverina any amin’ny tontolo ratsin’i Satana.

7 Tantarain’i Lioka fa “nanohy ny teniny [i Jesosy] ka nilaza fanoharana tamin’izy ireo momba ny ilana hivavaka mandrakariva, ka tsy hitsahatra.” Hoy i Jesosy: “Nisy mpitsara tsy matahotra an’Andriamanitra sady tsy mena-maso olona, tao amin’ny tanàna anankiray. Ary nisy vehivavy mpitondratena koa tao, izay nandeha tany aminy foana, nanao hoe: ‘Mba ataovy re izay hahazoako rariny amin’ilay manana ady amiko any amin’ny fitsarana e!’ Tsy nety aloha ilay mpitsara, kanefa rehefa avy eo, dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona aza aho, dia homeko rariny ihany io vehivavy io fa manelingelina ahy tsy misy farany. Amin’izay dia tsy ho tonga lava eto hamelively ahy izy.’ ”

8 Nohazavain’i Jesosy avy eo ny hevitra tiany hampitaina tamin’ilay fanoharana. Hoy izy: “Henoy izay nolazain’ilay mpitsara, nefa izy olona tsy marina. Tsy hataon’Andriamanitra tokoa ve izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, na dia mahari-po amin’ireo aza izy? Lazaiko aminareo fa hataony haingana izay hampiharana ny rariny amin’izy ireo. Rehefa tonga anefa ny Zanak’olona, tena hahita finoana toy izany etỳ an-tany ve izy?”—Lioka 18:1-8.

‘Mba ataovy re izay hahazoako rariny e’

9. Inona no foto-kevitra misongadina ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpitondratena sy ilay mpitsara?

9 Misongadina tsara ny foto-kevitr’io fanoharana io. Samy nilaza azy io, na ireo olona roa ao amin’ilay fanoharana, na i Jesosy. Niangavy ilay vehivavy mpitondratena hoe: ‘Mba ataovy re izay hahazoako rariny e.’ Hoy ilay mpitsara: “Homeko rariny ihany io vehivavy io.” Nanontany i Jesosy hoe: “Tsy hataon’Andriamanitra tokoa ve izay hampiharana ny rariny”? Hoy izy avy eo momba an’i Jehovah: “Hataony haingana izay hampiharana ny rariny amin’izy ireo.” (Lioka 18:3, 5, 7, 8) Rahoviana tokoa àry Andriamanitra no ‘hampihatra ny rariny’?

10. a) Oviana no nampiharana ny rariny tamin’ny taonjato voalohany? b) Rahoviana no hampiharana ny rariny amin’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, ary amin’ny fomba ahoana?

10 Oviana no tonga ny “andro famaliana” na andro nampiharana ny rariny, tamin’ny taonjato voalohany? Tamin’ny taona 70, rehefa noravana i Jerosalema sy ny tempoliny. (Lioka 21:22) Amin’ny “andro lehiben’i Jehovah” kosa no hampiharana ny rariny amin’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny. (Zefania 1:14; Matio 24:21) ‘Hamaly fahoriana an’izay mampahory’ ny vahoakany i Jehovah amin’izay, ka hampiasa an’i Jesosy izy mba ‘hamaliana an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.’—2 Tesalonianina 1:6-8; Romanina 12:19.

11. Inona no dikan’ny hoe hampiharina “haingana” ny rariny?

11 Nanome toky i Jesosy fa ‘hataon[’i Jehovah] haingana izay hampiharana ny rariny.’ Inona no dikan’ilay hoe “haingana”? Marina fa milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe “mahari-po” i Jehovah. Asehony ao koa anefa fa hampihatra ny rariny haingana amin’ny fotoana mety izy. (Lioka 18:7, 8; 2 Petera 3:9, 10) Ringana tsy nisy hataka andro ny ratsy fanahy, rehefa tonga ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Ringana koa ny ratsy fanahy tamin’ny andron’i Lota, rehefa nilatsaka toy ny orana avy tany an-danitra ny afo. Hoy i Jesosy: “Ho toy izany koa amin’ilay andro hampiharihariana ny Zanak’olona.” (Lioka 17:27-30) Ho ‘ringana tampoka’ indray ny ratsy fanahy amin’izay. (1 Tesalonianina 5:2, 3) Afaka matoky àry isika fa tsy hangataka andro mihitsy i Jehovah fa handringana ny tontolon’i Satana, rehefa ho tonga ny fotoana takin’ny rariny hanaovana izany.

‘Hampihatra ny rariny’ izy

12, 13. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy? b) Nahoana no azontsika antoka fa hihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah, ary hampihatra ny rariny?

12 Mbola manasongadina fahamarinana lehibe hafa anefa ilay fanoharana momba ilay mpitondratena sy ilay mpitsara. Hoy i Jesosy, rehefa nanazava ny hevitra tiany hampitaina: “Henoy izay nolazain’ilay mpitsara, nefa izy olona tsy marina. Tsy hataon’Andriamanitra tokoa ve izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny?” Mazava ho azy, fa tsy nampitovy an’i Jehovah tamin’ilay mpitsara i Jesosy. Tsy te hilaza akory izy hoe toy ny nataon’io mpitsara io no itondran’i Jehovah ny mpanompony. Nanasongadina ny tsy fitovian’Andriamanitra sy io mpitsara io kosa izy, mba hampianarana lesona iray momba an’i Jehovah. Inona no lafiny sasany tsy mampitovy azy ireo?

13 “Tsy marina” ilay mpitsara tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, fa “Mpitsara marina” kosa Andriamanitra. (Salamo 7:11; 33:5) Tsy niahy an’ilay mpitondratena mihitsy ilay mpitsara, fa i Jehovah kosa miahy ny olona tsirairay. (2 Tantara 6:29, 30) Tsy nety hanampy an’ilay mpitondratena ilay mpitsara, tamin’ny voalohany, fa i Jehovah kosa vonona foana hanampy an’ireo manompo azy, ary maniry mafy hanao izany. (Isaia 30:18, 19) Inona no lesona raisintsika avy amin’izany? Raha ilay mpitsara tsy marina aza nihaino ny fangatahan’ilay mpitondratena ka nanome rariny azy, tsy hihoatra noho izany ve no hataon’i Jehovah amin’ny vahoakany? Hihaino ny vavak’izy ireo tokoa izy, ary azo antoka fa hampihatra ny rariny amin’izy ireo!—Ohabolana 15:29.

14. Nahoana isika no tokony hino foana fa ho avy ny andro fitsaran’Andriamanitra?

14 Diso tanteraka àry ireo olona tsy mino intsony fa ho avy ny andro fitsaran’Andriamanitra. Nahoana? Matoa izy ireo tsy mino intsony fa akaiky ny “andro lehiben’i Jehovah”, dia midika izany fa tsy atokisany hoe hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah. Tsy mitombina mihitsy anefa izany fisalasalana izany. (Joba 9:12) Raha ny tena izy aza dia isika no tokony hanontany tena hoe: ‘Tsy hivadika amin’Andriamanitra ve aho?’ Momba izany mihitsy ny fanontaniana napetrak’i Jesosy, teo am-pifaranan’ilay fanoharana.

“Tena hahita finoana toy izany etỳ an-tany ve izy?”

15. a) Inona no fanontaniana napetrak’i Jesosy, ary nahoana? b) Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

15 Nametraka an’izao fanontaniana mampieritreritra izao i Jesosy: “Rehefa tonga anefa ny Zanak’olona, tena hahita finoana toy izany etỳ an-tany ve izy?” (Lioka 18:8) Asehon’ilay teny hoe “toy izany”, fa tsy finoana amin’ny ankapobeny no noresahin’i Jesosy, fa finoana toy ny an’ilay mpitondratena. Tsy namaly an’io fanontaniany io i Jesosy. Napetrany kosa ilay fanontaniana mba hahatonga ny mpianany hieritreritra raha manana finoana toy ny an’ilay mpitondratena izy ireo. Hihamalemy ve ny finoan’ireo mpianatra ireo, ka atahorana hiverina any amin’ny zavatra efa navelany any aoriany izy ireo? Sa izy ireo hanana finoana toy ny an’ilay mpitondratena? Tokony hanontany tena koa àry isika hoe: ‘Finoana manao ahoana no ho hitan’ny “Zanak’olona” ato am-poko?’

16. Nanao ahoana ny finoan’ilay mpitondratena?

16 Mila manahaka an’ilay mpitondratena isika, raha tiantsika ny ho anisan’ireo homen’i Jehovah ny rariny. Nanao ahoana tokoa ny finoany? Nanana finoana matanjaka izy, ary naharihariny izany rehefa ‘nandeha tany amin’ilay mpitsara’ foana izy, ka “nanao hoe: ‘Mba ataovy re izay hahazoako rariny.’ ” Tsy nitsahatra nangataka tamin’ilay lehilahy tsy marina ilay mpitondratena, ka nahazo rariny. Moa ve izany tsy mahatonga antsika hatoky fa hahazo rariny avy amin’Andriamanitra koa isika mpanompony, raha tsy mitsahatra mangataka aminy, na dia mitaky fotoana lava kokoa noho izay noeritreretintsika aza izany? Mampiseho ny fatokisantsika ny fampanantenan’Andriamanitra koa isika, rehefa maharitra amin’ny vavaka, ka “mitaraina aminy andro aman’alina.” (Lioka 18:7) Raha tsy mangataka ny hampiharan’Andriamanitra ny rariny intsony ny Kristianina iray, dia hasehony amin’izany fa tsy matoky intsony izy hoe hanao zavatra ho an’ny mpanompony i Jehovah.

17. Inona avy no antony mandrisika antsika haharitra amin’ny vavaka, sy hino foana fa ho avy ny andro fitsaran’i Jehovah?

17 Tsy mitovy ny toe-javatra nisy an’io mpitondratena io sy ny misy antsika, ka izany no vao mainka mandrisika antsika tsy hitsahatra hivavaka. Andeha isika hanao fampitahana kely. Nandeha tany amin’ilay mpitsara foana ilay mpitondratena, na dia tsy nisy olona nampirisika azy hanao izany aza. Isika kosa mahazo fampirisihana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Mahareta amin’ny vavaka.” (Romanina 12:12) Tsy nisy antoka koa hoe ho voavaly ny fangatahan’ilay mpitondratena. I Jehovah kosa manome antoka antsika fa hampihatra ny rariny. Hoy izy tamin’ny alalan’ny mpaminaniny: “Na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Habakoka 2:3; Salamo 97:10) Ankoatra izany, dia tsy mba nisy olona niangavy ho an’ilay mpitondratena, mba hanome lanjany ny fangatahany. Isika kosa manana mpanampy mahery, dia i Jesosy. “Eo ankavanan’Andriamanitra [izy] ary miangavy ... ho antsika.” (Romanina 8:34; Hebreo 7:25) Hitantsika teo fa tsy nitsahatra nangataka tamin’ilay mpitsara ilay mpitondratena sady nanantena ny hampiharana ny rariny, na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra aza. Tsy tokony hatanjaka lavitra noho ny azy ve ny finoantsika? Hanantena foana àry isika fa ho avy tokoa ny andro fitsaran’i Jehovah!

18. Nahoana ny vavaka no manatanjaka finoana sy manampy antsika hahazo ny rariny?

18 Ianarantsika avy amin’io fanoharana io fa mifandray akaiky ny vavaka sy ny finoana. Hitantsika koa fa hahatohitra an’ireo zavatra mety hampihena ny finoantsika isika, raha maharitra amin’ny vavaka. Mazava ho azy fa tsy vahaolana amin’ny tsy fahampiam-pinoana, ny fanaovana vavaka ampahibemaso mba ho fisehosehoana fotsiny. (Matio 6:7, 8) Raha mivavaka amin’Andriamanitra kosa isika satria miantehitra tanteraka aminy, dia mahatonga antsika hifandray akaiky aminy ny vavaka ataontsika sady hanatanjaka ny finoantsika. Koa satria ilaina ny finoana mba hahazoana famonjena, dia tsy mahagaga raha nampirisika ny mpianany i Jesosy mba “hivavaka mandrakariva, ka tsy hitsahatra”! (Lioka 18:1; 2 Tesalonianina 3:13) Mazava ho azy fa tsy miankina amin’ny vavaka ataontsika ny hahatongavan’ny “andro lehiben’i Jehovah.” Ho avy foana izy io na mivavaka momba izany isika na tsia. Tena miankina amin’ny finoantsika sy ny tsy fivadihantsika ary ny vavaka ataontsika anefa, no hahazoantsika tsirairay ny rariny sy hahatafavoaka velona antsika amin’ny adin’Andriamanitra.

19. Ahoana no ampisehoantsika fa mino tanteraka isika hoe ‘hataon’Andriamanitra izay hampiharana ny rariny’?

19 Tadidintsika angamba fa nanontany i Jesosy hoe: “Rehefa tonga anefa ny Zanak’olona, tena hahita finoana toy izany etỳ an-tany ve izy?” Inona no valin’io fanontaniana mampieritreritra io? Tena faly isika mamaly azy io hoe “eny”! Manaporofo izany ny vavaka sy ny faharetana ary ny ezaka ataon’ireo olona an-tapitrisany eran-tany, izay manompo an’i Jehovah sady tsy mivadika aminy. Na dia eo tokoa aza ny tsy rariny ampiharin’ny tontolon’i Satana amintsika, dia matoky tanteraka isika fa ‘hataon’Andriamanitra izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny.’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Mba hahazoana tsara ny hevitr’io fanoharana io, dia vakio ny Lioka 17:22-33. Manampy antsika hahita ny valin’ilay fanontaniana ao amin’ny Lioka 18:8, ny zavatra lazain’ny Lioka 17:22, 24, 30 momba ny “Zanak’olona.”

Tadidinao Ve?

• Nahoana ny Kristianina sasany no nihanalemy finoana?

• Nahoana isika no matoky tanteraka fa ho avy ny andro fitsaran’i Jehovah?

• Nahoana isika no tokony haharitra amin’ny vavaka?

• Nahoana no manatanjaka finoana ny faharetana amin’ny vavaka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Inona no asongadin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay mpitondratena sy ilay mpitsara?

[Sary, pejy 29]

Olona an-tapitrisany ankehitriny no mino tanteraka fa ‘hataon’Andriamanitra izay hampiharana ny rariny’