Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ifantohan’ny Olona Rehefa Krismasy?

Inona no Ifantohan’ny Olona Rehefa Krismasy?

Inona no Ifantohan’ny Olona Rehefa Krismasy?

NISY lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Fanadihadiana Momba ny Krismasy” tao amin’ny gazety Vaovaon’i Etazonia & Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao (anglisy), folo taona lasa izay. Niresaka an’ity hevitra ity ilay gazety: Efa “mifantoka kokoa amin’ny fivavahana” ve ny olona rehefa Krismasy, sa mbola “amin’ny fitadiavam-bola”?

Nohazavain’ilay lahatsoratra ny antony tsy tokony hanantenantsika an’izany. Hoy ilay izy: ‘Tsy misy fitantarana momba ny nankalazana ny nahaterahan’i Kristy raha tsy tamin’ny taonjato fahefatra, fotoana nanjakan’i Constantin tany Roma.’ ‘Anisan’ny porofo izany, fara faharatsiny, fa tsy nisy tena nahalala ny fotoana nahaterahan’i Jesosy.’ Niresaka ilay lahatsoratra fa “ny taona [nahaterahan’i Jesosy] aza tsy lazain’ny Filazantsara, ka mainka fa ny volana sy ny andro marina.” Hoy ny mpahay tantara iray any amin’ny Oniversiten’i Texas: “Hita fa tsy nahaliana ny Kristianina voalohany ny fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy.”

Nofakafakaina tao amin’ilay lahatsoratra “ny antony nifidianan’ny eglizy ny daty 25 Desambra.” Izao no voalaza teo ambanin’ny lohatenikely hoe “Araka ny Vinavina”: ‘Eken’ny olona maro fa natao ilay fankalazana mba hampidirana ny Satiornaly sy ny fety hafan’ny mpanompo sampy ho anisan’ny fanao kristianina.’ “Tian’ny mpitondra fivavahana hiely ilay fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy, ka ny faramparan’ny Desambra no nofidin’izy ireo hanaovana izany. Efa zatra nanao fety mantsy ny olona tamin’io fotoana io.” Nanjary nifantoka tamin’ny fividianana sy fanolorana fanomezana ny olona, tamin’ny 1850 tany ho any. “Lasa fanaon’ny olona àry ny mifanolotra fanomezana rehefa Krismasy, ka nohararaotin’ny sasany izany mba hitadiavam-bola sy hampanan-karena azy haingana. Tsy ela dia nataon’ny mpivarotra sy ny mpanao dokam-barotra izay hampahalaza an’io fety io.”

Tsy tokony hanantena àry isika hoe hahatonga ny sain’ny olona hifantoka kokoa amin’ny fivavahana ny fombafomba amin’ny Krismasy. Ny “fitadiavam-bola” mantsy no tena manjaka amin’io fotoana io. Raha ny marina koa, dia tsy nasaina nankalaza ny nahaterahan’i Jesosy mihitsy ny tena Kristianina. Ny vidim-panavotana kosa no asongadin’ny Baiboly. Nanome antsika azy io i Jesosy rehefa maty sy nitsangana ho any an-danitra. (Matio 20:28) Ho sarobidy foana àry io vidim-panavotana io.