Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah

Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah

Manome ny “Fanahy Masina An’izay Mangataka Aminy” i Jehovah

“Raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka ve ilay Ray any an-danitra, no hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy!”—LIOKA 11:13.

1. Amin’ny fotoana toy inona isika no tena mila ny fanampian’ny fanahy masina?

‘TSY vitako samirery ny miatrika an’izao. Tsy ho afaka hiaritra izao fitsapana izao aho, raha tsy eo ny fanampian’ny fanahy masina!’ Efa nisy fotoana nilazanao toy izany ve? Efa nanao izany ny ankamaroan’ny Kristianina. Niteny toy izany angamba ianao rehefa avy nahafantatra fa voan’ny aretina sarotra sitranina, na rehefa nanamaloka ny fifalianao ny hakiviana. Nety ho nilaza toy izany koa ianao rehefa nodimandry ny vadinao, izay namanao akaiky teo amin’ny fiainana. Tsapanao angamba tamin’ny fotoam-pahoriana toy ireny, fa tsy ho nahavita niatrika ilay izy ianao raha tsy noho ny “hery fanampiny” avy tamin’ny fanahin’i Jehovah.—2 Korintianina 4:7-9; Salamo 40:1, 2.

2. a) Inona ireo zava-tsarotra atrehin’ny tena Kristianina? b) Inona no fanontaniana hovaliantsika amin’ity lahatsoratra ity?

2 Mihabetsaka ny olana sy ny fanoherana avy amin’ity tontolo ratsy ity, ary tsy maintsy miatrika izany ny tena Kristianina. (1 Jaona 5:19) Manafika ny mpanara-dia an’i Kristy koa i Satana Devoly, izay manampatra ny hatezerany amin’ireo ‘mitandrina ny didin’Andriamanitra sy manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ (Apokalypsy 12:12, 17) Tsy mahagaga àry raha mila ny fanampian’ny fanahy masina mihoatra noho ny hatramin’izay isika. Inona no azontsika atao mba ho betsaka hatrany ny herin’ny fanahy masina azontsika? Ary nahoana isika no mahazo antoka fa tena vonona hanome antsika hery iatrehana fitsapana i Jehovah? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny fanoharana roa nataon’i Jesosy.

Aza mitsahatra mivavaka

3, 4. Inona no fanoharana nataon’i Jesosy, ary inona no ifandraisan’izy io amin’ny vavaka?

3 Niteny tamin’i Jesosy toy izao ny mpianany iray: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.” (Lioka 11:1) Nilaza fanoharana roa i Jesosy mba hamaliana izany. Momba ny lehilahy iray manam-bahiny ny fanoharana voalohany, ary momba ny raim-pianakaviana iray mihaino ny zanany lahy ny fanoharana faharoa. Andeha hodinihintsika tsirairay ireo.

4 Hoy i Jesosy: “Iza aminareo moa no mana-namana, ary hankany aminy amin’ny misasakalina, ka hanao hoe: ‘Mba ampisambory mofo telo aho, ry sakaiza, fa misy namako tonga ao amiko avy tany amin’ny nalehany, nefa tsy manana haroso azy aho’? Ary mamaly ilay ao an-trano hoe: ‘Aza helingelenina intsony aho, fa efa mihidy ny varavarana. Sady efa eto amiko eto am-pandriana ny zanako kely, ka tsy afa-mitsangana hanome zavatra anao aho.’ Lazaiko aminareo fa na tsy hitsangana hanome zavatra azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hitsangana ihany ka hanome izay ilainy, noho ny fikirizany sy ny fahasahiany.” Nohazavain’i Jesosy avy eo ny ifandraisan’io fanoharana io amin’ny vavaka. Hoy izy: “Koa hoy aho aminareo: Mangataha hatrany dia homena ianareo, mitadiava hatrany dia hahita ianareo, dondòny hatrany dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo, ary izay rehetra mitady no mahita, ary izay rehetra mandondòna no hovohana.”—Lioka 11:5-10.

5. Inona no toetra tokony hasehontsika rehefa mivavaka, raha jerena ny fanoharan’i Jesosy momba ilay lehilahy be fikirizana?

5 Hita amin’io fanoharana mazava tsara io ny ezaka tokony hataontsika rehefa mivavaka. Mariho fa nilaza i Jesosy hoe nahazo izay nangatahiny ilay lehilahy, “noho ny fikirizany sy ny fahasahiany.” (Lioka 11:8) Indray mandeha monja no miseho ao amin’ny Baiboly ilay teny grika nadika hoe ‘fikirizana sy fahasahiana.’ Midika ara-bakiteny hoe “tsy menatra” io teny io. Matetika no heverina ho toetra ratsy ny hoe tsy menatra. Azo lazaina ho toetra tsara anefa ny hoe tsy menatra na mikiry, raha atao noho ny antony tsara. Nanana io toetra io ilay lehilahy nanam-bahiny, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Tsy menatra mihitsy izy, ka nikiry nangataka izay nilainy. Tokony haneho fikirizana toy izany koa isika rehefa mangataka amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka. Nataon’i Jesosy modely ho antsika mantsy io lehilahy io. Tian’i Jehovah ‘hangataka hatrany sy hitady hatrany ary handondòna hatrany’ isika. Hamaly izany izy, ka “hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy.”

6. Ahoana no niheveran’ny olona tamin’ny andron’i Jesosy ny fahaiza-mandray vahiny?

6 Nanazava i Jesosy fa tokony haneho fikirizana sy fahasahiana isika, rehefa mangataka izay ilaintsika amin’ny vavaka. Nohazavainy koa anefa hoe nahoana isika no tokony hanao izany. Mba hahazoantsika tsara an’ilay lesona, dia hojerentsika aloha hoe ahoana no niheveran’ireo olona nihaino an’i Jesosy ny fahaiza-mandray vahiny. Asehon’ny fitantarana maro ao amin’ny Soratra Masina fa fomban’ny olona fahiny ny mikarakara vahiny, ary tena noheverina ho zava-dehibe izany, indrindra teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. (Genesisy 18:2-5; Hebreo 13:2) Nanala baraka ny tsy fahaiza-mandray vahiny. (Lioka 7:36-38, 44-46) Eo am-pieritreretana izany, dia andeha hojerentsika indray ilay fanoharan’i Jesosy.

7. Nahoana no tsy menatra ny hanaitra ny namany ilay lehilahy nanam-bahiny, tao amin’ny fanoharan’i Jesosy?

7 Tonga vahiny tamin’ny misasakalina ilay lehilahy resahin’ilay fanoharana. Fantany fa mila mandroso sakafo ho an’ny vahininy izy, nefa ‘tsy nanana haroso azy.’ Tsapany àry fa tsy maintsy nanao zavatra avy hatrany izy! Tsy maintsy nanao izay hahitana mofo izy, na ahoana na ahoana. Nankany amin’ny namany àry izy, ary tsy menatra fa nanaitra azy. Niantso toy izao izy: “Mba ampisambory mofo telo aho, ry sakaiza.” Nikiry nangataka izy mandra-pahazony izay nilainy. Tsy azo lazaina ho mahay mandray vahiny mantsy izy, raha tsy azony ireo mofo ireo.

Tsy hitsahatra ny hangataka ny fanahy masina isika, raha tena mila azy io

8. Inona no handrisika antsika haneho fikirizana, rehefa mangataka ny fanahy masina amin’ny alalan’ny vavaka?

8 Raha io fanoharana io no jerena, nahoana isika no tokony ho be fikirizana rehefa mangataka izay ilaintsika amin’Andriamanitra? Tsy nitsahatra nangataka an’ilay mofo ilay lehilahy, satria fantany fa tena nilainy izany mba hanefany ny adidiny. (Isaia 58:5-7) Tsy ho azo lazaina ho mahay mandray vahiny izy, raha tsy izany. Azo oharina amin’io lehilahy io isika Kristianina. Fantatsika fa tena mila ny fanahin’Andriamanitra isika mba hanatanterahana ny fanompoantsika. Mangataka an’io fanahy io foana àry isika, rehefa mivavaka amin’Andriamanitra. (Zakaria 4:6) Tsy hahomby isika raha tsy manana azy io. (Matio 26:41) Mazava aminao ve ny hevi-dehibe azontsika raisina avy amin’ilay fanoharana? Haneho fikirizana kokoa isika hangataka ny fanahin’Andriamanitra, raha heverintsika ho zavatra tena ilaintsika maika izy io.

9, 10. a) Hazavao amin’ny ohatra ny antony ilantsika fikirizana rehefa mangataka ny fanahy masina amin’Andriamanitra? b) Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika, ary nahoana?

9 Andeha isika haka ohatra amin’ny androntsika. Eritrereto hoe marary amin’ny misasakalina ny olona iray ao amin’ny ankohonanao. Hanaitra dokotera ve ianao mba hangataka fanampiana? Tsy hanao izany ianao raha tsy dia atahorana ilay aretina. Raha aretim-po mafy anefa ilay izy, dia azo inoana fa tsy ho menatra hiantso dokotera ianao. Nahoana? Satria ilaina maika izany. Fantatrao fa tsy maintsy mila fanampian’ny olona iray mahay ianao. Mety ho faty ilay marary, raha tsy izany. Azo lazaina ho mila fanampiana maika koa ny Kristianina, isan’andro. “Mandehandeha tahaka ny liona mierona” mantsy i Satana, ary mitady handrapaka antsika. (1 Petera 5:8) Tena mila ny fanampian’Andriamanitra isika mba ho velona hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy, izany hoe mba hifandray aminy foana. Mety ho faty ara-panahy isika raha tsy izany. Mila tsy mitsahatra mangataka ny fanahy masina amin’Andriamanitra àry isika, sady haneho fahasahiana rehefa manao izany. (Efesianina 3:14-16) Izany ihany no hananantsika hery ‘hiaretana hatramin’ny farany.’—Matio 10:22; 24:13.

10 Tena ilaintsika ny mandini-tena tsindraindray, ary manontany tena hoe: ‘Tsy mitsahatra mangataka ny fanampian’Andriamanitra ve aho?’ Tadidio fa arakaraka ny ahatsapantsika hoe mila ny fanampian’Andriamanitra isika, no ikirizantsika mafimafy kokoa hangataka ny fanahy masina.

Inona no hanampy antsika hatoky fa hamaly vavaka Andriamanitra?

11. Inona no ifandraisan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny ray sy ny zanaka, amin’ny vavaka?

11 Ny toetran’ilay olona mivavaka no nasongadin’i Jesosy tamin’ilay fanoharana voalohany. Ilay fanoharana faharoa kosa manasongadina ny toetran’ilay mpihaino vavaka, dia i Jehovah Andriamanitra. Nanontany i Jesosy hoe: “Fa ray iza eo aminareo moa no angatahan-janany trondro, kanefa hanolotra azy bibilava fa tsy trondro? Na angatahan-janany atody ka hanolotra azy maingoka?” Nanohy ny fanazavany i Jesosy, nanao hoe: “Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka ve ilay Ray any an-danitra, no hanome ny fanahy masina an’izay mangataka aminy!”—Lioka 11:11-13.

12. Hazavao fa mampiharihary ny fahavononan’i Jehovah hamaly vavaka ilay fanoharana momba ny ray mihaino ny fangatahan-janany.

12 Nampiasa ilay fanoharana momba ny ray mamaly ny fangatahan-janany i Jesosy, mba hampahafantarana ny fiheveran’i Jehovah an’ireo mivavaka aminy. (Lioka 10:22) Mariho aloha ny fahasamihafan’ity fanoharana ity sy ilay teo aloha. Tsy nazoto hanampy an’ilay nila vonjy taminy, ilay lehilahy tao amin’ny fanoharana voalohany. Tsy toa azy io anefa i Jehovah, fa toy ilay ray be fiahiana, izay mailaka ny hamaly ny fangatahan-janany. (Salamo 50:15) Nohazavain’i Jesosy ny maha tsara ilay Ray any an-danitra raha oharina amin’ny ray olombelona. Nasehony tamin’izany ny fahavononan’i Jehovah hanampy antsika. Nilaza izy fa manome zavatra tsara ho an’ny zanany ny ray olombelona na dia “ratsy” aza, izany hoe nandova ota. Tsy mihoatra noho izany ve, hoy izy, no antenaintsika amin’ilay Raintsika any an-danitra? Hanome ny fanahy masina ho an’ny mpivavaka aminy rehetra tokoa i Jehovah, noho izy malala-tanana!—Jakoba 1:17.

13. Inona no azontsika antoka rehefa mivavaka amin’i Jehovah isika?

13 Inona no lesona raisintsika avy amin’izany? Mahazo matoky isika fa vonona tanteraka hamaly ny fangatahantsika ilay Raintsika any an-danitra, rehefa mangataka ny fanahy masina aminy isika. (1 Jaona 5:14) Aza mitsahatra mivavaka amin’i Jehovah, satria tsy hanao toy ilay lehilahy tao amin’ny fanoharana voalohany mihitsy izy, ka hilaza hoe: “Aza helingelenina intsony aho, fa efa mihidy ny varavarana.” (Lioka 11:7) Hoy kosa i Jesosy: “Mangataha hatrany dia homena ianareo, mitadiava hatrany dia hahita ianareo, dondòny hatrany dia hovohana ianareo.” (Lioka 11:9, 10) “Hamaly” antsika tokoa i Jehovah ‘amin’izay andro iantsoantsika Azy.’—Salamo 20:9; 145:18.

14. a) Inona no hevi-diso manakorontana ny sain’ny olona sasany iharam-pitsapana? b) Rehefa iharam-pitsapana isika, nahoana isika no tokony hatoky fa hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah?

14 Asongadin’ilay fanoharana faharoa nataon’i Jesosy koa fa tsara fanahy lavitra noho ny ray olombelona i Jehovah. Tsy tokony hisy amintsika àry hieritreritra hoe porofon’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra ny fitsapana atrehintsika. I Satana, ilay fahavalontsika lehibe indrindra, no te hampino antsika izany. (Joba 4:1, 7, 8; Jaona 8:44) Tsy misy fanazavana manamarina izany fanamelohan-tena izany ao amin’ny Soratra Masina. Tsy mitsapa antsika “amin-javatra ratsy” i Jehovah. (Jakoba 1:13) Tsy manome antsika bibilava na maingoka izy, izany hoe tsy misedra antsika amin’ny alalan’ny fitsapana. “Zava-tsoa” kosa no omen’ilay Raintsika any an-danitra “ho an’izay mangataka aminy.” (Matio 7:11; Lioka 11:13) Vao mainka isika mazoto mivavaka sady matoky fa hamaly vavaka i Jehovah, arakaraka ny ahafantarantsika ny hatsaram-panahiny sy ny fahavononany hanampy antsika. Hiombom-pihetseham-po amin’ny mpanao salamo isika amin’izay. Izao no nosoratany: “Efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ny fivavako Izy.”—Salamo 10:17; 66:19.

Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika?

15. a) Inona no nampanantenain’i Jesosy momba ny fanahy masina? b) Inona no lafiny iray hanampian’ny fanahy masina antsika?

15 Namerina ilay toky nomeny tao amin’ireo fanoharana indray i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany. Hoy izy tamin’ny apostoliny, rehefa niresaka momba ny fanahy masina: “Izaho hangataka amin’ny Ray ary izy hanome anareo mpanampy hafa, mba ho eo aminareo mandrakizay.” (Jaona 14:16) Nanome toky àry i Jesosy fa ho eo amin’ny mpanara-dia azy ny mpanampy na ny fanahy masina amin’ny hoavy. Voakasik’izany isika amin’izao andro izao. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika ankehitriny? Manampy antsika hiaritra fitsapana isan-karazany izy io. Amin’ny fomba ahoana? Nanazava ny fomba nanampian’ny fanahy masina azy ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ireo Kristianina tany Korinto. Niatrika fitsapana koa mantsy izy. Andeha hodinihintsika vetivety izay nosoratany.

16. Inona no mety hampitovy ny mahazo anao sy ny nanjo an’i Paoly?

16 Notsorin’i Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy fa nanana ‘tsilo tao amin’ny nofony’ izy. Fitsapana izy io, na dia tsy voafaritra mazava aza hoe inona. Nilaza izy avy eo hoe: ‘Niangavy ny Tompo [Jehovah] intelo aho mba hialan’izany amiko.’ (2 Korintianina 12:7, 8) Tsy nanala ny fahorian’i Paoly anefa Andriamanitra, na dia nangataka izany taminy aza izy. Toy izany koa angamba ny mahazo anao izao. Mety ho efa nangataka tamin’i Jehovah ianao mba hanesorany ny fitsapana mihatra aminao. Tsy nitsahatra nangataka ianao, ary natoky fa hamaly ny vavakao izy. Mbola eo ihany anefa ilay olana, na dia nangataka imbetsaka aza ianao. Midika ve izany fa tsy namaly ny vavakao i Jehovah, ary tsy manampy anao ny fanahiny? Tsy izany mihitsy! (Salamo 10:1, 17) Mariho izay nolazain’ny apostoly Paoly taorian’izay.

17. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’i Paoly?

17 Namaly ny vavak’i Paoly Andriamanitra ka nilaza hoe: “Ampy anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.” Hoy i Paoly: “Koa aleoko àry mirehareha ny amin’ny fahalemeko, mba hitoetra eo amiko toy ny tranolay ny herin’i Kristy.” (2 Korintianina 12:9; Salamo 147:5) Araka izany, dia nahatsapa i Paoly fa nanarona azy toy ny tranolay ny fiarovan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’i Kristy. Mitovy amin’izany koa no hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika ankehitriny. Miaro ny mpanompony izy, toy ny hoe mamelatra tranolay eo ambonin’izy ireo.

18. Nahoana isika no afaka mizaka ny fitsapana mihatra amintsika?

18 Mazava ho azy fa tsy mampitsahatra ny orana sy ny fifofofofon’ny rivotra ny tranolay. Miaro amin’ireo zavatra ireo kosa ilay izy. Mitovy amin’izany koa ny fiarovana avy amin’ny “ny herin’i Kristy.” Tsy hoe mampitsahatra ny fitsapana sy ny fahasahiranana izy io. Miaro ny fifandraisantsika amin’i Jehovah anefa izy io, satria mety hanimba izany ireo zava-dratsy eto amin’ity tontolo ity sy ny fanafihan’ilay filohany, dia i Satana. (Apokalypsy 7:9, 15, 16) Koa na dia tsy ‘miala aminao’ aza ny fitsapana mahazo anao, dia mahazo matoky ianao fa hitan’i Jehovah ny ady mafy ataonao, ary mamaly “ny fitarainanao” izy. (Isaia 30:19; 2 Korintianina 1:3, 4) Hoy i Paoly: “Mahatoky ... Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.”—1 Korintianina 10:13; Filipianina 4:6, 7.

19. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, ary nahoana?

19 Miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ratsy ity isika ankehitriny, ary mampiavaka izany ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Timoty 3:1) Afaka misetra izany anefa ny mpanompon’Andriamanitra. Nahoana? Satria manohana sy miaro azy ireo ny fanahy masin’Andriamanitra. Vonona hanome ny fanahiny ho an’izay mangataka izany amim-pikirizana sy amin-toky i Jehovah, ary hanome be dia be. Enga anie àry isika ho tapa-kevitra ny tsy hitsahatra hangataka amim-bavaka ny fanahy masina, isan’andro.—Salamo 34:6; 1 Jaona 5:14, 15.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ny fanahy masin’Andriamanitra?

• Nahoana isika no matoky fa hanome antsika ny fanahy masina i Jehovah, raha mangataka aminy isika?

• Ahoana no hanampian’ny fanahy masina antsika hiaritra fitsapana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Inona no ianarantsika avy amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay lehilahy be fikirizana?

[Sary, pejy 22]

Tsy mitsahatra mangataka ny fanahy masin’Andriamanitra ve ianao?

[Sary, pejy 23]

Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah amin’ilay fanoharana mahakasika ilay ray be fiahiana?