Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka “Mihamalalaka” ve Ianao?

Afaka “Mihamalalaka” ve Ianao?

Afaka “Mihamalalaka” ve Ianao?

HAVEZIVEZIN’NY rivotra sy ny rano ny sambo, raha tapaka ny rojon’ny vatofantsika aminy. Tokony hifandray tsara àry ny mason-drojo tsirairay, mba hahamafy tsara an’ilay rojo.

Toy izany koa fa tokony hifandray tsara ny Kristianina tsirairay, raha tiana hatanjaka tsara ny fiangonana. Inona anefa no mampifandray tsara azy ireo? Tsy inona fa ilay fatorana mampiray mafy indrindra, dia ny fitiavana. Tsy mahagaga àry raha nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy Kristy hoe: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” Tsy mpinamana tsotra na hoe mifanaja fotsiny tokoa ny tena Kristianina. Maneho fitiavana feno fahafoizan-tena koa izy ireo.—Jaona 13:34, 35

Mankasitraka ny mpiray finoana ve isika?

Olona avy amin’ny sokajin-taona, firazanana, firenena, kolontsaina, fiteny, ary fari-piainana samy hafa mazàna, no tafaraka eo anivon’ny fiangonana. Samy manana ny tiany sy tsy tiany, na koa ny faniriany sy ny mampanahy azy ny tsirairay. Matetika koa izy ireo no samy manana izay manahirana azy, angamba aretina na olana ara-bola. Mety hanasarotra ny hisian’ny firaisan-tsaina eo anivon’ny Kristianina àry izany fahasamihafana izany. Inona anefa no hanampy antsika ‘hihamalalaka’ na hitia bebe kokoa, sy ho tafaray hatrany na dia eo aza ny zava-tsarotra? Hanjary hifankatia kokoa isika, raha tena mankasitraka ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana.

Inona anefa no dikan’izany? Mankasitraka ny mpiray finoana amintsika isika, raha miezaka manome izay ilain’izy ireo, mihevitra azy ireo ho sarobidy, mahita ny toetra tsarany, ary faly fa miara-manompo aminy. Lasa tena tiantsika àry izy ireny. Hodinihintsika vetivety izay nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Korinto, tamin’ny taonjato voalohany. Ho hitantsika amin’izay ny fomba azontsika anehoana bebe kokoa ny fitiavana kristianina.

‘Tery tao am-pony’ ny Korintianina

Tamin’ny taona 55 i Paoly no nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina, ary tsy ampy herintaona taorian’izay no nanoratany ny taratasiny faharoa. Hita taratra tamin’ny teniny, fa tsy nankasitraka loatra ny mpiray finoana taminy ny olona sasany teo anivon’ny fiangonan’i Korinto. Izao no nolazain’i Paoly momba izany: “Misokatra ho anareo ny vavanay, ry Korintianina, ary ny fonay mihamalalaka. Tsy tery ao am-ponay ianareo, fa tery ao amin’ny firaiketam-ponareo kosa.” (2 Korintianina 6:11, 12) Inona no tian’i Paoly holazaina amin’ilay hoe ‘tery tao am-pony’ izy ireo?

Ny tiany holazaina dia hoe tsy dia naneho fitiavana izy ireo. Nanazava ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, fa tsy dia tia an’i Paoly ny Korintianina, noho izy ireo ‘niahiahy tsy aman’antony sy nahatsiaro tena ho niharan’ny tsy rariny.’

Mariho ny torohevitra nomen’i Paoly: “Ho valin’izany (miteny toy ny amin’ny zanaka aho), dia mba halalaho kosa ny fonareo.” (2 Korintianina 6:13) Nampirisika ny Korintianina i Paoly, mba ho tia bebe kokoa an’ireo mpiray finoana aminy. Midika izany fa tokony hifantoka tamin’ny lafy tsaran-javatra izy ireo, ary ho tia bebe kokoa, fa tsy hifampiahiahy, na ho tezitra tamin’ny fahadisoana madinika.

Aoka ianao ‘hihamalalaka’

Tena mampahery ny mahita fa miezaka mafy hifankatia bebe kokoa ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra amin’izao andro izao. Ekena fa mitaky ezaka ny hoe “mihamalalaka.” Tsy hoe mahalala izay tokony hatao fotsiny mantsy no dikan’izany, fa hoe miezaka manana fitondran-tena hafa, noho ny an’ny olona tsy mankatò ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy mankasitraka firy ny hafa mazàna ny olona toy izany. Tsy miraharaha sy tsy manaja ary maneso ny hafa izy ireo. Enga anie mba tsy hisy heriny eo amintsika ny toe-tsaina toy izany. Hampalahelo tokoa raha hihena noho ny tsy fifampitokisana ny fitiavantsika, toy izay nitranga tamin’ny Korintianina. Mety hitranga anefa izany, raha mora mahita ny fahadisoan’ny rahalahintsika kristianina isika, fa tsy ny toetra tsarany. Mety hitranga koa izany raha ‘tery ao am-pontsika’ isika, amin’ny olona avy amin’ny kolontsaina hafa.

Tena mankasitraka ny mpiray finoana aminy kosa ny mpanompon’Andriamanitra, raha tia bebe kokoa azy ireny. Mihevitra azy ireny ho sarobidy izy, manaja azy ireny, ary miezaka manome izay ilainy. Dodona ny hamela heloka izy, ary tsy mitana lolompo, na dia rehefa manana antony marim-pototra itarainana aza. Mino kosa izy fa manana antony manosika tsara ny mpiray finoana aminy. Tsy ‘tery ao am-pony’ izy ireo, ka izany no manampy azy hanana ilay fitiavana noresahin’i Jesosy. Hoy mantsy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.”—Jaona 13:35.

Manaova zavatra ka mitadiava namana vaovao

Raha maneho ny tena fitiavana isika, dia hinamana amin’ny olon-kafa ankoatra an’ireo efa namantsika. Ataontsika koa izay hiarahana amin’ireo olona tsy dia mifankazatra amintsika eo anivon’ny fiangonana. Iza avy izany? Misy amin’ireo rahalahy sy anabavintsika, ohatra, saro-kenatra, na tsy manana namana firy. Mety ho antony maro no mahatonga izany. Mety hihevitra isika amin’ny voalohany fa tsy manan-javatra firy itoviana amin’ireny olona ireny, afa-tsy ny hoe miara-manompo an’ilay tena Andriamanitra. Tsy marina anefa ve, fa raha jerena ivelany fotsiny, dia toa tsy nanan-javatra itoviana ny sasany tamin’ireo mpinamana akaiky indrindra voaresaka ao amin’ny Baiboly?

Avy amin’ny sokajin-taona samy hafa, ohatra, i Rota sy Naomy. Samy hafa koa ny firenena niaviany sy ny kolontsainy, ary na ny fiteniny aza. Tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fisakaizan’izy ireo anefa izany. Ary i Jonatana sy Davida? Printsy ny iray, fa mpiandry ondry kosa ny iray. Nifanalavitra be koa ny taonan’izy ireo. Iray amin’ireo mpinamana akaiky indrindra voaresaka ao amin’ny Soratra Masina anefa izy mirahalahy. Nahatsiaro ho sambatra sy finaritra daholo ny mpinamana tao amin’ireo ohatra roa ireo. Nifanohana teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra koa izy ireo.—Rota 1:16; 4:15; 1 Samoela 18:3; 2 Samoela 1:26.

Na ankehitriny aza, dia misy mpinamana akaiky toy izany eo amin’ny samy Kristianina. Mety ho avy amin’ny sokajin-taona samy hafa izy ireny, na samy hafa tanteraka ny toe-javatra misy azy. Reny tokan-tena, ohatra, i Regina, ary manan-janaka zatovo roa. * Feno be ny fandaharam-potoanany, ary tsy manam-potoana firy iarahana amin’ny hafa izy. Mpivady tsy niteraka efa be taona kosa i Harald sy Ute. Toa tsy manan-javatra itoviana firy ireo fianakaviana roa ireo, raha jerena ivelany fotsiny. Nanaraka ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hihamalalaka’ anefa i Harald sy Ute, ka nanasa an’i Regina sy ny zanany hiaraka tamin’izy ireo tamin’ny zavatra maro nataony. Niara-nanompo izy ireo ary niara-niala voly koa.

Afaka minamana amin’ny olon-kafa ankoatra an’ireo efa namantsika ve isika? Nahoana raha miezaka mifandray akaiky kokoa amin’ireo mpiray finoana avy amin’ny firenena sy kolontsaina ary sokajin-taona hafa?

Miezaka manome izay ilain’ny hafa

Hiezaka hanome izay ilain’ny hafa isika raha tsy ‘tery ao am-pontsika.’ Inona avy anefa no mety hilain’izy ireo? Diniho ireo rahalahy sy anabavy anisan’ny fiangonana kristianina. Mila tari-dalana, ohatra, ny tanora. Mila fampaherezana ny zokiolona. Tokony hoderaina sy hotohanana ny mpanompo manontolo andro. Mila olona mihaino tsara azy ny mpiray finoana kivy, mba hamborahany izay ao am-pony. Manan-javatra ilaina daholo ny tsirairay. Tiantsika àry ny hanao izay vitantsika, mba hanomezana ireo zavatra ilaina ireo.

Ho tsara fanahy amin’ireo mila fanampiana manokana koa isika, raha “mihamalalaka.” Mahalala olona manana aretina mitaiza na iharam-pitsapana hafa ve ianao? Ho tsara fanahy sy hanohana an’ireo mila fanampiana ianao, raha tia azy ireny bebe kokoa.

Efa ho tanteraka izao ny faminanian’ny Baiboly momba ny zavatra hitranga tsy ho ela. Vao mainka àry ho sarobidy kokoa noho ny harena, fahaizana, na zava-bita, ny fifandraisana tsara eo anivon’ny fiangonana. (1 Petera 4:7, 8) Manatsara ny fifandraisana eo anivon’ny fiangonana isika tsirairay, raha tia bebe kokoa an’ireo mpiray finoana amintsika. Azo antoka fa hamaly soa be dia be antsika i Jehovah, noho isika mankatò ny tenin’i Jesosy Kristy Zanany, izay nilaza hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo.”—Jaona 15:12.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Novana ny anarana sasany.

[Teny notsongaina, pejy 10]

Ny hoe mankasitraka ireo rahalahy sy anabavintsika, dia midika hoe mihevitra azy ireo ho sarobidy, manaja azy ireo, ary miezaka manome izay ilainy