Ahoana no Hahitanao Fahombiazana?
Ahoana no Hahitanao Fahombiazana?
MIAHY ny zanany ny ray aman-dreny ary maniry ny hahombiazan’izy ireo. Miahy antsika koa ilay Raintsika any an-danitra ary tiany hahomby isika. Izany no mahatonga azy hanazava tsara ny atao hoe fahombiazana. Izao tokoa no lazain’ny Baiboly, momba ny olona mankatò ny teniny: “Mahomby avokoa ny asa rehetra ataony.”—Salamo 1:3, Dikanteny Iombonana eto Madagasikara.
Raha marina anefa io voalaza io, nahoana no maro no tsy sambatra sy tsy afa-po? Andeha hodinihintsika akaiky ny voalazan’ilay andinin-teny, mba hamaliana izany. Ho hitantsika koa amin’izay ny fomba hahitana fahombiazana.
“Hevitry ny ratsy fanahy”
Nampitandrina antsika ny mpanao salamo fa mampidi-doza ny manaraka ny “hevitry ny ratsy fanahy.” (Salamo 1:1, DIEM) I Satana Devoly no “ilay ratsy” fanahy indrindra. (Matio 6:13) Milaza ny Soratra Masina fa izy no “mpitondra an’ity tontolo ity”, ary ‘izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefany.’ (Jaona 16:11; 1 Jaona 5:19) Tsy mahagaga àry raha ahitana taratry ny toe-tsain’ilay ratsy ny ankamaroan’ny torohevitra eto amin’ity tontolo ity.
Torohevitra manao ahoana no omen’ny ratsy fanahy? Mamingavinga an’Andriamanitra izy ireo mazàna. (Salamo 10:13) Hita hatraiza hatraiza ny torohevitra omeny, izay tsy misy firaharahana na fanajana an’Andriamanitra. Ampirisihana be ankehitriny “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana.” (1 Jaona 2:16) Mampirisika antsika hikatsaka harena betsaka araka izay azo atao foana ny fampitam-baovao. Maherin’ny dimy hetsy tapitrisa dolara isan-taona, ohatra, ny vola lanin’ny orinasa eran-tany mba hanaovana dokam-barotra. Reseny lahatra ny olona mba hividy ny entany, na ilain’izy ireo ilay izy na tsia. Sady nanova ny fahazaran’ny olona mividy zavatra izany, no nandiso ny fiheveran’izy ireo ny atao hoe fahombiazana.
Tsy mety afa-po àry ny olona fa mbola te hanan-javatra bebe kokoa hatrany, na dia efa azony aza ny zavatra nonofinofisiny taona vitsivitsy lasa izay. Mihevitra izy ireo, fa tsy ho sambatra na tsy hahomby, raha tsy manana an’ireny zavatra ireny. Diso anefa izany fomba fihevitra izany, ary “tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.”—1 Jaona 2:16.
Fantatry ny Mpamorona izay tena hahasambatra antsika. Tsy mitovy amin’ny “hevitry ny ratsy fanahy” ny toroheviny. Tsy ho vitantsika mihitsy àry ny hoe sady hanaraka ny hevitry ny olona eto amin’ity tontolo ity no hitady Romanina 12:2, Fandikan-teny Protestanta.
hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Toy ny mandeha eo amin’ny lalana roa samy hafa amin’ny fotoana iray ihany izany. Tsy mahagaga àry raha mampitandrina antsika ny Baiboly hoe: “Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.”—Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity
Mody mitady izay hahasoa antsika ity tontolo fehezin’i Satana ity. Mila mailo anefa isika. Tadidio fa namitaka an’i Eva i Satana, noho ny fitiavan-tenany. Nampiasa an’i Eva hitarika an’i Adama hanota izy avy eo. Mampiasa olona koa izy ankehitriny mba hampielezana ny hevi-dratsiny.
Diniho, ohatra, i David voaresaka teo aloha. Nasaina niasa tamin’ny ora tsy fiasana izy, ary nanao dia lavitra matetika mba hamita iraka. Hoy izy: “Tsy maintsy niala alatsinainy vao maraina be aho, ary niverina alakamisy hariva.” Nihevitra ireo namany sy havany ary mpiara-miasa taminy, fa nilain’i David ny nahafoy tena toy izany raha tiany ny hahomby. Nilaza izy ireo fa taona vitsivitsy monja no ilainy hanaovana izany, dia hilamina ny fiainany avy eo. Nampirisika azy tamim-pahatsorana àry izy ireo hoe: “Aza ialana io asa io fa hahasoa ny fianakavianao.” Hoy i David: “Nandresy lahatra ahy izy ireo fa handray soa bebe kokoa ny fianakaviako, na dia tsy miaraka amin’izy ireo aza aho, satria hitombo ny vola miditra, ary midika ho fahombiazana izany.” Maro ny olona miasa mafy toa an’i David, mba hanomezana izay rehetra heverin’izy ireo fa ilain’ny fianakaviany. Hahomby tokoa ve anefa ny olona manaraka torohevitra toy izay nomena an’i David? Inona no tena ilain’ny fianakaviana?
Nanjary fantatr’i David ihany tamin’ny farany izay tena nilain’ny fianakaviany, rehefa namita iraka tany an-toeran-kafa izy. Izao no nolazainy: “Nifampiresaka an-telefaonina izahay sy Angelica zanako. Tena nampangoraka ahy ny teniny hoe: ‘Fa nahoana kay i Dada no tsy mba mijanona ato an-trano mihitsy?’ ” Vao mainka naniry hametra-pialana izy, noho ilay tenin-janany. Tapa-kevitra i David fa hanome izay tena ilain’ny fianakaviany, dia ny fiarahany amin’izy ireo.
Mahomby izay mampihatra ny torohevitr’Andriamanitra
Feno fanazavana mamitaka eto amin’ity tontolo ity. Inona no azontsika atao, mba tsy hanan-kery eo amintsika izy ireny? Milaza ny mpanao salamo fa ho sambatra sy hahomby izay ‘mankasitraka ny lalàn’i Jehovah’ sy ‘misaintsaina [azy io] andro aman’alina.’—Salamo 1:2.
Nasain’Andriamanitra ‘nisaintsaina andro aman’alina’ ny Teniny i Josoa, rehefa notendreny ho mpitarika ny Israely. Tena nila namaky sy nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra izy. Nilainy koa anefa ny ‘nitandrina [mba] hanao araka izay rehetra voasoratra.’ Mazava ho azy fa tsy hahasambatra anao ho azy eo, raha ny famakiana Baiboly fotsiny. Tsy maintsy mampihatra izay vakinao ianao. Nilazana i Josoa hoe: “Ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina [na hahomby, DIEM].”—Josoa 1:8.
Alao sary an-tsaina ny ankizy iray mitsikitsiky, eo am-pofoan’ny rainy na ny reniny be fitiavana. Miara-mamaky tantara iray tena tiany izy ireo. Sarobidy amin’izy ireo foana ny fotoana toy izany, na dia efa novakiny imbetsaka aza ilay tantara. Mahafinaritra an’ireo tia an’Andriamanitra koa ny mamaky Baiboly isan’andro. Fotoana mahafaly iarahany amin’ilay Rainy any an-danitra mantsy izany. Raha manaraka ny torohevitra sy tari-dalan’i Jehovah ny olona toy izany, dia ho “tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary [mahomby avokoa ny asa rehetra ataony, DIEM].”—Tsy naniry ho azy teo ilay hazo noresahin’ny mpanao salamo, fa nila nambolena teo akaikin’ny loharano sy nokarakaraina tsara. Toy izany koa no ataon’ilay Raintsika any an-danitra. Manitsy ny fomba fisainantsika izy, amin’ny alalan’ny torohevitry ny Soratra Masina. Izany no mahatonga antsika handrobona sy hamoa voa tsara, izany hoe hahomby sy hanahaka ny toetrany.
“Tsy mba toy izany [kosa] ny ratsy fanahy.” Toa mahomby no fijery azy, nefa ho ratsy fiafara izy ireo. “Tsy hahajanona eo amin’ny fitsarana” izy ireny, sady ‘mankany amin’ny fahaverezana ny lalany.’—Salamo 1:4-6.
Aza avela hibaiko anao amin’izay ataonao tanjona sy izay heverinao ho zava-dehibe àry ny olona eto amin’ity tontolo ity. Mety hanam-pahaizana ianao, ary mety hahatonga anao hahomby araka ny iheveran’izy ireo azy izany. Mitandrema anefa amin’ny fomba ampiasanao ny talentanao, ary aza avela hanararaotra an’izany ity tontolo ity. Mety hanjary ‘halazo’ na hiharatsy ny fiainan’ny olona iray, raha mikatsaka harena na zavatra hafa tsy misy dikany izy. Tena hahomby sy ho sambatra kosa izy, raha mifandray tsara amin’Andriamanitra.
Ahoana no hahitanao fahombiazana?
Nahoana no hahomby izay rehetra ataon’ny olona iray, raha manaraka ny torohevitr’Andriamanitra izy? Tsy ny fahombiazana araka izay heverin’ny olona eto amin’ity tontolo ity no noresahin’ny mpanao salamo. Nilaza kosa izy fa hahomby izay olona matahotra an’Andriamanitra ka manao ny sitrapony. Mahomby na tanteraka foana mantsy ny sitrapon’Andriamanitra. Hahomby ianao, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, araka ny ho hitantsika eto.
Fianakaviana: Mananatra ny lehilahy mba ‘ho tia ny vadiny tahaka ny tenany’ ny Soratra Masina, ary asainy ‘manaja fatratra ny vadiny’ koa ny vehivavy kristianina. (Efesianina 5:28, 33) Ampirisihiny ny ray aman-dreny hanokana fotoana hiarahana amin-janany, hiara-mihomehy aminy, ary hampianatra azy ireo izay zava-dehibe eo amin’ny fiainana. (Deoteronomia 6:6, 7; Mpitoriteny 3:4) Manoro hevitra ny ray aman-dreny koa ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aza mampahatezitra ny zanakareo.” Rehefa ampiharina izany, dia mora kokoa amin’ny ankizy ny ‘mankatò ny ray aman-dreniny’ sy ‘manaja’ azy ireo. (Efesianina 6:1-4) Ho sambatra ny fianakaviantsika, raha manaraka ny torohevitr’Andriamanitra isika.
Namana: Te hana-namana ny ankamaroan’ny olona. Natao hitia sy hotiavina mantsy isika. Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy, fa tokony ‘hifankatia’ izy ireo. (Jaona 13:34, 35) Eo anivon’izy ireo no ahitantsika namana tiana sy itokisana. Azontsika resahina amin’izy ireny, na dia ny fihetseham-po sy ny eritreritsika lalina indrindra aza. (Ohabolana 18:24) Fa ny tsara indrindra? Raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika, dia afaka ‘manatona an’Andriamanitra.’ Ary mety hantsoina hoe “sakaizan’i Jehovah” toa an’i Abrahama mihitsy aza isika.—Jakoba 2:23; 4:8.
Zava-kendrena eo amin’ny fiainana: Misy heviny sy zava-kendrena ny fiainan’ny olona mahita tena fahombiazana. Tsy mampifantoka ny fiainany amin’ity tontolo miovaova ity izy ireo. Mahafantatra ny tena antony ahaveloman’ny olona izy, ka ampifanarahiny amin’izany ny tanjony. Mahita fahafaham-po maharitra àry izy. Inona no tena mampisy heviny ny fiainan’ny olona iray? Hoy ny Baiboly: “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.”—Mpitoriteny 12:13.
Fanantenana: Lasa manana fanantenana koa isika, raha namantsika Andriamanitra. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly, mba tsy “hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra.” Amin’izay izy ireo dia ‘hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy [ka] hihazona mafy ny tena fiainana.’ (1 Timoty 6:17-19) Ho avy tsy ho ela izany tena fiainana izany, rehefa hamerina ny Paradisa eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra.—Lioka 23:43.
Azo inoana fa mbola mety hiatrika zava-manahirana ianao. Tsy hahazo anao anefa ny ankamaroan’ireo ratram-po sy alahelo manjo ny ratsy fanahy vokatry ny ataony, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao. Takatr’i David voalaza terỳ aloha sy ny olon-kafa an-tapitrisany toa azy, fa tena ilaina ny mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Hoy izy rehefa nahita asa misy fandaharam-potoana mety aminy kokoa: “Tena tiako ny fifandraisako amin’ny vady aman-janako. Faly koa aho fa afaka manompo an’i Jehovah Andriamanitra, ary anti-panahy eo anivon’ny fiangonana aho izao.” Tsy mahagaga àry raha nilaza toy izao ny mpanao salamo, momba ny olona manaraka ny torohevitr’Andriamanitra: “Mahomby avokoa ny asa rehetra ataony”!
[Tabilao, pejy 6]
FOMBA DIMY HAHITANA FAHOMBIAZANA
1 Aza manaiky hovolavolain’ity tontolo ity.
2 Vakio sy saintsaino isan’andro ny Tenin’Andriamanitra.
3 Ampiharo ny torohevitry ny Baiboly.
4 Ataovy namanao Andriamanitra.
5 Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo.
[Sary, pejy 7]
Arahinao ve ireo fomba hahitana fahombiazana?